Fisaorana sy fankasitrahana avy amin’ny Pr Ranjeva Raymond

Ranjeva 22 martsa 12 (12)

Vita iny ny fitsaràna. Nahazo ny rariny isika satria afaka madiodio izahay mianaka  ( izaho sy ny zanako Riana Ranjeva Ratsisalovanina)na dia mahatsapa aza fa mbola mangidy ny mahazo ny hafa.

Misaotra sy mankasitraka ny  rehetra( fianakaviana,  havana, namana sy tapaka, mpiara-dia  eto an-toerana  manerana ny Nosy sy any ivelany)

Mankasitraka tanteraka ny ezaka natao’ny Firenena mikambana  sy ny rantsana samihafa ao aminy ny vondrona SADC, ireo Firenena sakaiza toa ny Etazonia, Frantsa, Afrika atsimo sy ny hafa koa, izay tsy namela ho toy ny vato latsaka an-kady ny niatrehina ny fitsàrana ary tsy nikely soroka nampatsiahy ny fanajàna ny hasin’ny lalàna sy ny zon’olombelona.

Mankahery ireo rehetra izay mbola voatohina mba tsy hamoy fo ary mifampitondra am-bavaka hatrany isika.

4 pensées sur “Fisaorana sy fankasitrahana avy amin’ny Pr Ranjeva Raymond”

  1. Arabaina Atoa Ranjeva mianaka, afaka milaza ve ianao fa manana ny fahalalahany ny fitsarana, ary ahoana ny hafa angaha tsy mba manana firenen-dehibe nanao intervention?

  2. Tsara be ilay fanontanianao ry Mijoro??sao dia mba i Kintana ary ity Mijoro ity sa……..???

    Aiza ianao ry Kintana no tsy hita popoaka a???malahelo anao ny ato e!!fa misy inona e!! tsy mba fanaonao mihintsy izao.
    Ady mafana be izao ve ianao no tsy miteny tsy efa tena ……???sa maka saina kely aloha???aza ariana izahay e!!miandry anao
    eto foana ,efa hikatona anie ity serasera ity e!!sao taraika any dà.

  3. Ny didim-pitsarana nivoaka ho an’ny miaramila dia asa anterivozona sy fandrarana ny tsy hitoetra ao Mada intsony.Tsy mifanaraka amin’ny Zon’olombelona izay nosoniavin’ny firenena rehetra izany ka dia tsy manan-kery e!

    Noho izany dia tokony hanoratra hanambara ny zava-misy any amin’ny FIDLH any Suisse.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *