« France-man » : mampiahiahy, voavidin’ny Frantsay indray ve?

Hôtel Colbert 15 martsa 12 (13)

Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety androany teny amin’ny  Colbert ny iraky ny Troika tarihin’Andriamatoa Fransman sy ireo mpiaradia aminy. Nambarany fa nisy ny fanampiana ireo traboina noho ny rivodoza Giovanna farany teo teto amintsika, nataon’ny Troika. Mikasika ny raharaham-pirenena dia nambarany fa nisy ny fihaonany tamin’ireo Ankolafikerim-politika teto amin’ny firenena, amin’ny fitadiavana vahaolana ivoahana amin’ny krizy. Anisany nihaona taminy tamin’izany, ny filohan’ny Fat, ny PM, ny Filohan’ny CT, CST, Pr Zafy,ireo nanao sonia ny tondrozotra. Ny fihaonana tamin ‘i Pr Zafy, hoy Fransman dia tsy nisy zavatra hafa afa tsy ny fanontaniana fanakianana sy ny olana systematika mikasika ny tondrozotra. Ny Troika ihany koa dia miantso ny Ankolafy Zafy hiditra ao anaty rafitra. Ny Troika sy ireo mpiaradia mainy hoy izy dia midera ny ezaka vitan’ireo mpandray anjara tamin’ny tondrozotra taorian’ny 29 janoary teo.  Nambarany ihany koa fa efa any am-pelantanan’ny filohan’ny Fat, ny PM ary ny ministry ny fitsarana ny volavolan-dalana mikasika ny aministia.Manana roa herinandro, ireo rafitra parlemantera araka izany, hoy Fransman handiihana izany. Io volavolandalana io, dia ahitana taratra ny fampihavanam-pirenena,izay hirosoana any amin’ny fifidianana marina sy mangarahara. Rehefa miresaka izany fampihavanana izany isika hoy izy, dia mieritreritra ny aministia. Niantso ny fiarahamonim-pirenena, ny Troika mba hanao ny asany  amin’ny fanelanelanana hitadiavanana vahaolana ivoahana amin’ny krizy indrindra ny fampiharana ny tondrozotra,ho any amin’ny fampihavanana. Nanamafy ihany koa ny tenany fa ny tondrozotra ihany no vahaolana hamahana ny krizy eto Madagasikara.

Mahalasa saina ny mpanara-baovao ihany tato ato ny fihetsiky “France-man”.Inona indray no ao ambadik’izao fihetsika sy fiteny hafahafa izao? Voavidin’ny Frantsay indray ve ? Efa leom-boananana ny vahoaka Malagasy, ataon’ireto teratany  Afrikana famenoana paosy ny fanelanelanana ny olana eto Dago.

21 pensées sur “« France-man » : mampiahiahy, voavidin’ny Frantsay indray ve?”

  1. ieh!!ny PM efa SARIVONGANA fotsiny
    ilay filohan’i CT efa nahazo mariboninahitra t@ domelina
    ny CST foza
    I zafy efa nandà ny hanampy @ fahatongavan’i dada ( tsy mifanome tsiny)
    Dia aza misy manantena n’inon’inona eo daholo ary tompoko isany o!!!fanamafisana ny sezan’i domelina indray angamba no dikan’io.
    Enga anie ka ny hamisavisana ny ratsy hiavian’i soa.

  2. Diso fanantenana indray Isika , izay nihevitra fa ho henjana ny SADC / ny TROIKA ka tsy hanaiky ny fanemorana ny famerenana ny Filoha RAVALOMANANA MARC , izay tsy voakasiky ny lalam-pamotsorana satria tsy voaheloka izy..
    I Ingahy FRANSMAN koa moa TSY NITENY MOMBA NY FILOHA RAVALOMANANA MARC KOA !

    Ny mahagaga ahy dia toerana omentsika ny frantsay..Marina fa ny frantsay no nandrehitra ny afon’ny fanonganam-panjakana..
    FA AOKA TSY ROSO FOANA NY FRANTSAY HO TOMPON’ANDRAIKTRA AMIN’NY TSY FAHALAVORARIANA NY MPAMOTSORANA : MORA LOATRA NY MILAZA FA VOAVIDY INGAHY FRANSMAN..SAO MAMOSAVY NY SAINTSIKA ISIKA..!
    NY HEVERIKO FA VOAVIDY DIA NY MALAGASY IZAY MANODIDINA AN -DRAJOELINA SY IREO OLONA ATY IVELANY IZAY MANOHITRA NY FAMPIARANA NY TONDRO-ZOTRA ARY MAHITA HEVITRA FOANA HANATARANA NY HALAOLANA.
    IO I ZAFY MANDROSO NY FIFAMELAN-KELOKA !
    IZA NY MALAGASY HENJEHAN’NY ERITRERINY , KA MAIKA ERY HANAO IZANY « RECONCILIATION  » TSY MITONDRA MOFO IZANY ARY MITADY HANAKANA NY FIFIDIANANA ,SATRIA NY FIFIDIANNA DIA MANOME FAHAFAHANA NY VAHOAKA HILAZA NY HEVINY , HIFIDY IZAY OLONA FANTANY FA HAHAVITA
    HITANTANA SY HIADIDY NY FIRENENA !
    SA I ZAFY MAHATSAPA FA TSY LANIM-BAHOAKA KA MANAKANA NY FODIAN’NY FILOHA RAVALOMANANA MARC ANTANINDRAZANA SY MANKANA NY FISIAN’NY FIFIUDIANANA..
    MAIKA NY VAHOAKA ARY IO FIFIDIANANA IO NO MANAFAINGANA NY FIVOAHANA AMIN’IZAO KIRIZY IZAO..!


  3. Ho an’i « ANTENAINA » …..;)

    Hetsika Goavana ao antsirabe
    – Hetsikla ao Tolagnaro
    – Hetsika ao ¨Parisy

    Fa mba rahoviana ihany ny Hetsika ao Iarivo e ???!!!
    Ny Fambolen-kazo avelao aloha hijanona moa e !!! 😉

  4. Mba tapo-korona koa izany !io aorian’ilay madama mitafy lamba io.
    Io ve tsy karana???ary maninona eo???

  5. Efa nahomby ela ireto Zanakosy ireto raha nanaraka ny tolokevitry Rabe. Aza manao ny Zanak’Iarivo ho tsy misaina ry Njara, fa tsy misy zavatra azo mora raha tsy ao anatin’ny fihafiana. Resy lahatra ny gasy, ary mbola afaka mametraka ny fanantenany @ Andry, satria fantany fa ianareo no manao blocage, sady tsy te hamaha ny krizy, ary fantany fa zaranareo aza hahantra sy misy krizy foana ao Mada, ary hatramin’ny CI de mahita fa nareo no fototry ny blocage, satria te hanadio an’iny olona mpamono olona sy nambotry ny fireneny iny, ka ho afa-maina amin’ny heloka nataony, de mitady hiveri-potsiny hangoro-karena indray, kanefa ny efa azo aza tsy hita zay handaniana azy, araka ilay maha vantard be azy.
    De aza manao INTOX eo ndray hoe hihetsika ny vahoakan’ny toliary, fa ny marina de ny TIM ny Toliara mihitsy zao, no manolotra an-dRakotoarivelo ho kandida, fa Raosy tsy ilaina amnistie-na izany hoy ny TIM Toliara. Aza mitady ny Frantsay lava ho fototry ny tsy fahombiazanareo zany, fa nareo foana woa no problemanareo, ary io efa teniko foana fa tsy hahavita n’inona2 ianareo @ndRainareo tsy eo, fa mora @olona ny mivadika aminy na de ny olona akaiky aza , satria politika io, tsy afaka hiantoka ny sezan-dRaosy zany izy, fa ny azy aloha no amboariny tsara, de tsisy fika afa-tsy ny m-négocier @ Zandry, satria hendry ny gasy milaza woe, raha ho faty aho matesa rahavako.Dieny mbola tsy tara, de saintsaino tsara ireny tolokevitra nataoko tany aloha ireny, fa ny barofo sy ny atsojay ary ny fisehovana mahery sy be vola ary ny fizahozahoan-dRainareo, vao maika mamarina azy an-kady. Tsy misy zavatra miafina ny momba ny raharaha 7 Fév ireny, fa araka ny fanadihadiana, natao tao Afrika Atsimo, zay miaramila Sud Af, zay accord de coopération militaire t@ GVT Sud Af, no nandehanan’ireny tany namoritra ny vahoaka, de nilaza izy ireo, fa nitifitra vahoaka izy ireo araka ny ordre avy tany @Raosy, fa ny sian’izay de resa-be sy diversion fotsiny, ka te hampibaby ny helony @ hafa fotsiny, de tonga ny fotoana hamalianao ny crimes vitanao Raosy raha te hody ianao a! ny olona woa mahay politika fa tsy sagnagna sy lasan-kovavany fotsiny tahaka anareo ampitsakoinay kininina lava eto.

  6. Fantatra fa ny frantay no nitaina ny afon’ny fanjanhan-tany nandritry ny 611 taona teto..Tsy misy tsy mahalala sy tsy niaina izany..
    Ajanony ny mihira izany fa mihezaha mijoro manenjika sy manohitra izany..
    Ny fitenena hoe : »Novidian’ny frantsay indray ireo… »tsy ampy izany ary tsy misy dikany fa fireharehana fotsiny fa niteny izao sy izao fa nanoratra izao sy izao !
    Aza izay asa ?

  7. Tohizo hatrany Rabe ny resakao fa tena miha mafy orina hatrany ny fitiavan’ny Malagasy ny filoha Marc Ravalomanana noho ny esoeso sy ny laingam-poza hataonao;ataovy lavalava hatrany mihoatra noho ny an’ny olona ny soratanao sao heverin »ny olona fatsy misy dikany.

  8. Tsy misy zavatra mandeha ao Dago raha tsy ao ny vozongo sy ny karana anie e !
    Ny foza mpanatanteraka FOTSINY .

    Aiza hoy ianao no atao io fivoriana io ?

    Ao amin’ny Hotel COLBERT Tompoko !!! Mbola andevozina mihitsy ireto gasy ireto ka !!!
    Fa atao inona Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo ??? Atao trano filibàn’ny Mpisotro toaka sy Mpivarotra Tanindrazana angaha ???

    Ary mba aiza ry Beriziky no tsy manatrika ny fivoriana amin’ny SADC ??? PM tsy mazava mihitsy itony !!

  9. Atoa Mamy Rakotoarivelo o !
    Efa tsy mazava loatra ny fandehan’ny Tolona ka dia izao e :

    Eo ampelatananareo ny Fodian’i Dada, satria izahay dia tsy inona fa mpitazana fotsiny !
    Ka raha tsy tonga eto Dago izy, dia

    IANAREO NO TOMPON’ANDRAIKITRA Tompoko !

    Alavito ry Botozaza sy ny namany re Tompoko o!



    Maniry izahay mba ho ataonareo ny Hifanatonan’ny vondrona rehetra MANOHANA an’i Dada. Atambaro ny rehetra fa izany no hery. Aiza JL Rakotoamboa – Naika sy ny sisa ???
    Mitambara re e ! Antsoy ny GTT rehetra fa raha ianareo irery :hazo tokana izany ka tsy mba ho ala !


    Raha manao kabary ianareo : tsarovy fa eo koa ny amin’ny FARITRA rehetra fa tsy ny ao Antananarivo ihany !!! 😀

  10. Indryyyyy !!!mitaraina mafy mihintsy Dà izany marina!
    I Rakotoamboa efa nanome teny farany fa raha tsy misy hetsika io tsy VITA,
    tsy voatery hifamono kosa anefa hoy izy fa MISY DIA MISY NY AZO HATAO,dia efa hainao ny tohiny fa RODOBE.
    I Naika indray toa tsy rė tsaika intsony.
    Mahereza ry akama isany fa mbola ho ela ity raharaha ity raha izao no FANDEHANY marina moa!!!!!
    Tsy maintsy DADA! dada! ary dada ihany vao ho tafavoaka isika ,tsy misy azo hamaharana intsony eo fa HAZO BOBOKA
    daholo sisa.

  11. Ka i rabetapon’orona anie ilay bandy atsy amin’ny mandaigetsy izay tsy sahy manisy forum satria matahotra ny MARINA dia ato izy no mamafy ny lainginy,

  12. Ilisany niditra anatin’io rafitra foza io ry Solo Razafy no tena fositra a ! Ilisany no omena tsiny fa aza ny vahiny no anipazan’ilisany ny fahotàna ataon’ilisany izao !!!! Ilisany ao no mameno paosy anatin’io rafitra foza io ka efa nomen’ilisany alalàna ny SADC sy ny Troïka ary ny communauté internationale atsy ho atsy hanaiky fa efa misy ny fiaraha-mitantana ary « voahaja » ny tondrozotra nohon’ny fisian’ilisany anatin’io rafi-poza io !!!!
    Aza eto indray ilisany ry Solo Razafy no mamendrofendro sy manao fiatsaram-belatsihy eto !

  13. Misy mahamarina ny voalazanao ry Mailo.Ka raha mba niezaka isan’andro ary hita hoe:nilofo namoaka ny gadra politika isika dia mba hita ny lalan-kaleha fa izao misy zavatra tratrarina hafa foana( marina fa ao i reny malala) fa isika koa tsy mampiseho famindra na fihetsika mazava hoe mitady ny fiverenan’ny ara-dalàna, famoahana ny gadra politika ary fahafahana malalaka hoan’ny haino aman-jery dia eo koa isika.

    Mba inona daholo ny anaty frigo an’ireo membran’ny governemanta legalista, CST, CT legalista, sao dia mba dobera « elle & vire » vita frantay mba ny vokatry ny hafa vidiana,ohatra ny dobera danois dia anisan’ny tsara indrindra.Jereo @ shoprite na leader price fa mety manana f’aza matin-kambo mividy tsotsoka foana fa tsy hihetsika ho antsika ny hafa.Na izaho eo amin’ny toerany aza.

    Mahagaga aho fa i i Antsirabe dia nahazo tombon-tsoa manokana tamin’ny fiarahana tamin’ny norveziana (betsaka ireo malagasy mpianatra tany no nahazo vatsim-pianarana tamin’ny fiangonana loterana) dia manjary lasa ilay maire taloha tao izay fantatr’i Dada no mangataka no hahazahoan’i HAT reconnaissance.F’angaha i Montluçon no mitondra ny baolina fa tsy Stavanger intsony.Tena mampalahelo.

    Antso avy any Norvezy ho an’i Antsirabe:

    http://youtu.be/Ia-zDHnBOWk

  14. Tokony ho fantatr’isika fa Andiamatoa Ahmed Abdallah Sambi no mpanelanelana vaovao ary avy ao comores izy io.Amin’ny volana mai izy no handray ny asany.
    Raha jerena tsotsotra ny mombamomba azy dia tsy nankasitraka ny fidiran’ny frantsay sy ny anglisy an-tsehatra tany libye izy kanefa miteny frantsay ka mety ho voahodikodin’ny tsostsoka koa raha tsy mahay mandahatra isika legalista.I Pierrot mantsy izao dia nandray ny ministra avy ao Comores ka mila mihetsika sy miray hina isika sao laozan’ny omby mihahaka eo.Efa be ihany izy ireo mantsy no voandrana any.

  15. Ary le RABE ve mbola tsy lany rora iany hatrizay e ?
    Atao daoly ny copier/coller, miteny irery, manompa fa EHE !!!
    Raha nihaino ny vahoaka ianareo ry RABEBOGOURY dia tsapanareo fa na haniry nify aza ny akoho dia tsy hahazo « reconnaissance » i TAIMBODIANA Lavanify ! Raha nisy ny naha mafy anareo tohanan’i Renimalala, nahoana no tsy lasa PREZIDà le mpandefa DISKA dès ny marainan’ny KODETA ???
    Valio raha mafy… !

  16. Aoka samy ho tonga saina daholo isika fa :
    – INTOX be mahatsiravina anie no mahazo an’Atoa Mamy Rakotoarivelo e !

    Malalaka moa ny hifampiresahana, fa ny tena marina dia vao nanao fanambràna izany izao Me Hanitra fa TSY MIVADI-BELIRANO amin’i Dada akory izy !

    Mbola averiko ihany fa
    IZA ARY no mba afaka hisolo toerana sy hahavita ny ataony e ???

    Mahery vaika ny fofom-poza sy ny maloto an-joro, ka aoka isika tsy azon’ny Poizina afafin’ireo !
    Mafy ny tolona sy ny mahazo ny malagasy, fa aoka tsy hisy halemy saina eo anoloan’ireo alika ireo ! Ny alika mbola misy miaro satria MPIARO ny Tanàna, fa rahja aton’ny olona hoe :Mpangery an-joro, efa tena tsy misy ilàna azy mihitsy .

  17. Miverina kely @’ilay voalazan’i Mailo ery ambony aho hennn…..???
    sao dia mba izany no antony mampahalana ny vao2 eto tato ho ato,
    ny video moa dia tsy misy intsony, misy rah ao dônk!!!!

    Njara efa nazavaiko teto ny momba ireny fanenjehana an’i M Hanitra ireny fa vehivavy namandry Mėmė no manao ireny
    fanaratsiana azy sy i Zafilahy mba handravana ny tolona satria ireo 2 ireo dia anisan’ny tena MAFY HATOKA tsy azon’ny
    foza ahodina na vidiana dia hatao izay hanosora-potaka azy ahakivy ny olona,ka raha tena tianao izy dia mahatokisa azy
    fa ny fitiavana dia MAHATOKY.Tokony tsy hino vavan’olona ialahy fa harao tsara ny hataony sy lazainy fa hataoko fa mbola
    sy nandiso fanantenana antsika mihintsy izy fa mitaky ary MIADY mafy @ fiavian’i dada ,ka ny hery manosika azy no tsy
    ampy.
    Hadinonao ve izy ilay niteny hoe: » izaho tsy mila mpiambina fa hilaintsika @ FIAROVANA an’i Dada ireo olona ireo »?matokisa
    baba a!matokisa baba a!( hainao iny hira iny???)

  18. jereo tsara fa raha vao raraka eo i sarkobotry dia mifintina moramora daholo ny fotoboanemba mpanompo frantsay rehetra eto madagasikara !!!!sahy mifanamby aho !!!!

  19. Ny loza toa tsy hianjera ity voalazanao kooo ! Fa dia enga anie ho tanteraka ny nolazainao ry Badoda ! Izany anie no mampitabataba an’i Rainitay eto e ! Manantena mafy izy fa mbola ho lany lery ! 🙁
    Fa ny antsika re masahana e ! sa ahoana ?
    Amporisihina aloha ny Mpanohana ny ara-dalàna mba hitany teny hoe HIRAY HINA !
    Ny mitsikera aoka izay AOKA IZAY !!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *