I Andry Rajoelina no tena sakana !

Maromaro indray izao ny tranga politika manaitaitra ny mpanaraka izany. Tsy lasan’ ny fanjavonana akory ny eo dia efa misosoka indray ny manaraka. Ny vary mangatsiaka moa dia tavela eo hatrany. Singanina voalohany ny raharaha fiampangana eny amin’ ny Fitsarana ny Pr Ranjeva Raymond mianaka , ho niray tetika hanonzongozonam-panjakana tamina manamboninahitra maromaro, teny Ivato ny 17 novambra 2010. Eo koa ny fiavian’ ny iraky ny Troïka eto Madagasikara ato ho ato, dia ny minisitra lefitra afrikanina tatsimo Marius Fransman. Hitondra paika sy lamina vaovao indray izy ho fandaminana izao “raharaha Madagascar” izao. Efa tonga afakomaly aza ireo mpahay lalàna avy amin’ ny vondrona SADC, izay voalaza fa hamolavola paika hoenti-manatanteraka ny famotsoran-keloka ilain’ ny tontolo politika eto. Tsy sarahina amin’ izay ny fihavaikan’ ny fanoheran’ ny Ankolafy Ravalomanana ny fampiatahan-dry Ingahy Filoha Avon’ ny Tetezamita izay hafohezina eto hoe Fat, ny Filoham-pirenena teo alohany. Manampy izany ny fampianianana ireo mpikambana ao amin’ ilay andrim-pifidianana CENIT, notontosaina omaly ary natrehin’ ny Fat. Miomanomana ny hanangana ny rafi-pitantanany sy izay mpiandraikitra ao koa izy ireo. Mbola vao any amin’ ny fanomanana ny fifidianana ny olona ho ao amin’ny biraony havaozina kosa ny SMM na Sendikàn’ ny Mpitsara eto Madagasikara. Ankoatr’ izany ny fanehoan’ ny OIF na Organisation Internationale de la Francophonie ny tsy fankatoavany ny lalàmpanorenan’ ny Repoblika IV, ny fiandrasany ny fifidianana madio sy ialohavan’ ny filaminana eto amin’ ny Nosy. Tsy hadinoina koa ny tsy mbola filaminan’ ny fitakian’ ny miaramila sy ny eny amin’ ny oniversite, ny fitohizan’ ny tsy fandriam-pahalemana izay tsy azo sarahina velively amin’ izao fitondrana ny raharaham-pirenena izao. Jereo indray àry fa hanaovan’ ny mpibahana amin’ izao fitondrana Tetezamita izao paipaika hampitarozahana ny Tetezamita izany tranga politika tsirairay izany. Hiniana atao na ahatra ny fanapahan-kevitra tsy mamaha ny olana hatrany amin’ ny fakany, fa hovitavitaina amin’ ny famboriana bozaka ihany ! Horavahan’ ny mpitsara frantsay “Commandeur de la Légion d’ Honneur” io Pr Ranjeva Raymond io amin’ ny volana mey any. Voampanga anefa izy eto an-tanindrazany. Tsy zaran’ ny mpibahana fitondrana aza ve tsy ho raikitra izany fandravahana izany, na hihetsika toy inona aza ny mpanohitra rehetra ? Ary ny hiafarany ve tsy hopentenina tsy hirotsaka amin’ izay fifidianana io olompirenena malagasy tsongaina eran-tany io ? Hitatra ny lonilony ka … ? Jereo indray koa àry fa hokianina ho fanomezam-bahana mitanila amin-dRavalomanana Marc izay fomba famotsoran-keloka entin’ ny Troïka sy SADC eo ! Mazava rahateo tato ho ato ny tanjon’ ny Ankolafy Ravalomanana fa ny fandaniana azy indray ho filoham-pirenena. Inona no mifanohitra amin’ ny antony nanonganana azy mihoatra noho izay ? Jereo indray àry fa pentimpentina sahady ny fisian’ ny olona sasany ao amin’ ny CENIT ao, tamin’ ny fanangolena namana handany ny tenan’ izy ireo ho voafidy tao, hifidy azy ho filohan’ io andrim-pifidianana io, araka ny vaovaon-kaino aman-jery tamin’ ny herinandro lasa. Nahoana no tsy nodiovina aloha izany vao ampianianina izy ireo ? Jereo indray koa àry fa hikelezan’ ny mpibahana fitondrana aina io fanavaozana ny biraon’ ny SMM io, ka tsy ho raikitra raha tsy andrin’ io sendikà io ny olony ! Ary raha raikitra io kanefa tsy olony ny filohany dia tsy hikarohany kilema eo foana ve ? Jereo indray koa fa hihazakazahany ireo fifidianana , ka hanadio tena izyavy eo fa fanarahana ny tolo-kevitry ny OIF izany. Hodiany fanina anefa ny fifidianana ialohavan’ ny fitoniana sy filaminana ! Homeny koa ny takin’ ny miaramila sy ny oniversite, saingy amin’ ilay mambory bozaka fotsiny izany. Jereo indray ihany fa ny mpanohitra no holazainy fa mamingana matoa toto afo izao asan-dahalo sy tsy fandriam-pahalemana izao ! Ambara izany rehetra izany satria satry raha manara-maso ny raharaham-pireneny ny Malagasy tsirairay. Ny atao no hita fa ny toky fitaka. Ny ahiahy rahateo tsy ihavanana. Aza matoky saka fa trondro ny laoka !

24 pensées sur “I Andry Rajoelina no tena sakana !”

  1. Na dia efa navoakako aza ireo « liens roa » nahatonga an’ilay modération omaly, mba mangataka kely aza fady, mba « libérer-ho » ihany ilay post, fa tsara ho fantatry ny rehetra ny voasoratra, sy ny tokony ho fantarina marina ê !
    Misaotra mialoha !!!

    « Aza matoky saka fa trondro no laoka » ?? Na, tsy mihinan-trondro intsony, na kendaina ny saka !!!

  2. Ho an’ny rehetra izay mbola mahatsapa-tena fa mbola manana RÀ MALAGASY MIKORIANA AO ANATIN’NY TENANY !!!
    HO VITANAREO NY MANAO KILAOMETATRA MARO HO ANY VICHY, TOKONY HO VITANAREO NY MANDEHA AO

    PARIS PLACE DU CHÂTELET SAMEDI 14 MARS 11 H-15 H GRANDE MANIFESTATION AVEC NOS FRERES ET SOEURS AFRICAINS !!

    SAUVONS MADAGASCAR !!!!!! MADAGASCAR N’EST PAS À VENDRE !!!!

    http://www.tim-madagascar.org/forum/read.php?1,724281

    PARIS Place du Châtelet Samedi 14 Mars 2012 11H-15H

  3. Ho an’ny namana Bemafohy KM…..
    Efa tsy hiaona ihany eto ka dia any Paradisa mihaona e !
    Fa rehefa any Paradisa ianreo mba atao vy ihany izay ahalalana hoe iza no KM sy Bemafohy e! 😉 Ataovy feno voankazo ny làlana.

  4. Misaotra KM!

    Efa voaray ary misaotra an’i Bako nandefa ny filazana taty aminay.Androany hariva dia misy aminay ny hanatrika ny fivoriana izay hatao amin’ny fito ora hariva.Nanontaniana moa izahay ny hanome-tanàna sy hevitra dia misy hevitra ho arosonay.

  5. Misaotra Njara !

    Ny voankazo tsy maintsy misy foana, rehefa kolokoloina NY HAZO. Tsy maintsy vonoina ireto « fanday » mihinana ny ravin-kazo sy mahavoan’ny alerzia ; tsy maintsy tapahina izay ratsan-kazo mihinana kanefa tsy mamokatra (gourmands hoy ny zardinié sy ny arbôrikiltera ) !
    Efa miomana ny hihina rotra sy goavy ary zavokà izao, tsy ho ela !

  6. Manondrana indray fa dia mbola hiverina eo ê!

    Bemafohy,
    Tsy dia fantatro indray ilay fotoana, fa dia tao amin’ny Site-n’ny TIM aloha io FIANTSOANA IO !!!

  7. Miala tsiny nandefa ireo hira ireo e!

    Ny mazava dia :

    Eny amin’ny Place du Chatelet , amin’ny 11 ora, ny Asabotsy 14 MARS 2012

    – Mihaona eny ny Malagasy tsy manaiky ny tsindry hazo lena ataon’ny Mpanongam-panjakàna sy ireo vahiny manohana azy mba hiverenan’ny Fanjanahan-tany.

    Raha mety dia ireto mba misy soso-kevitra amin’ny Banderolles haseho :

    – Rajoelina TGV = Dégage !!!
    – Armée Française = Out of Mcar !!!
    – Retour INCONDITIONNEL de NOTRE President M.Ravalomanana
    – Execution Enquete Exclusive sur le 07 Fevrier 2009 par le CPI
    – Malgache : Ton pays t’appartient
    – Refusons l’Ingerence Française à Madagascar
    – l’OIF n’est pas notre Gouvernement


    – Ceci n’est que source d’inspiration ! A chacun de trouver son slogan !

  8. Mba misy tiana holazaina kely ho antsika malagasy ity e!

    Mba jereo re Tompoko ny tabataba ataon’ireo namana Afrikana rehefa manao hetsika e! Inona no tsy mba hanaovantsika toa azy ??? sa kopléksé, na matahotra ???

    Valin’ny resaka hoe isika merina tsy mba misy sahisahy ihany izany izay ampiako hoe : kely endaka isika TEO ALOHA, fa izao isika efa misy goavana ny ankizy. Ny olana fotsiny dia toa tsy mba miraika amin’ny ho avin’ny Firenena ny ankizy…asa….mbola variana miady hahazo fiainana « mora » any aoriana angamba ?

  9. Jereo kely fa anio anie ka efa 13 e! dia rahampitso ny 14 mars ry zareo a!!
    hamarino kely io daty io fa hiezaka ny aty,ary aza KIVY Njara fa tsy maintsy mihaona
    na ho ela na ho aingana e!
    Ataovy masaka io fotoana io sao mba afaka ihany ny taritary e!

  10. ce qui est sure VENDRANA est incapable de gerer mais SANTANIER qui est derriere et commence a s affoler ce dernier car le coup d etat n a pas marche comme prevu en clair SARKO et son equipe n ont plus la mainmise a MADA le proces de RANJEVA ou BANI est une bombe car l ordre recu par CHARLES vient de l ONU bah ki moon en personne a telephoner pour qu il prene le pouvoir et le general LUCIEN a trahi voila pourquoi CHARLES est malade et pour le coup d etat de 2009

  11. ce qui est sure VENDRANA est incapable de gerer mais SANTANIER qui est derriere et commence a s affoler ce dernier car le coup d etat n a pas marche comme prevu en clair SARKO et son equipe n ont plus la mainmise a MADA le proces de RANJEVA ou BANI est une bombe car l ordre recu par CHARLES vient de l ONU bah ki moon en personne a telephoner pour qu il prene le pouvoir et le general LUCIEN a trahi voila pourquoi CHARLES est malade et pour le coup d etat de 2009 CHARLES lui meme a assiste a l ambassade de france a TANA video conference de SARKO et les militaires francais presents a MADA appeler un chat un chat bonjour dde gtt reunion

  12. Tiako ho hita ranavalona ny hoe, mba « ho » vakianao ve ilay izy an !
    Tsara fa mba « nanintona » ny olona ihany izay nosoratana !!

    Ny diska indray, dia toy ny « karatoa » io ê ! Ny mikarepodrepoka iny no tena hitiavan’azy ! MDR !!
    Ny antitrantitra ireny koa, anie manana ny maha izy azy ê !

  13. Iny indray no tsy hitako!!
    Ary aza dia mampilendalenda fa efa tsy mahazaka karatoa izany intsony ny bavinao.
    Karatoa miaraka @ mangahazo no sakafonay taloha, tsy hifankahitana.

  14. Efa masaka, ary ho kila eo indray aza ! Tsy hikarepoka toy ny « gratons » intsony !
    Io anie mety atao « tsaky-pi » ry ranavalona ê ! Miaraka amin’ny Maintsy sy Fotsy ohatra !
    Ao amin’ny Brasserie Zimmer izany amin’ny 10h30-11h no fotoana !

    Blozao koira mainty dia pilôvera mena !! Mety ?

  15. Somary maika ny tenako
    saingy tsy haritro
    ny misaotra ny mpanoratra ny lahatsoratra ery ambony:
    tapake ny tinaiko,
    da manan-talenta tokotshrany anô ra-solo sy ny ekipa artista manampy azy
    ==> saotsy amigny toy S.A.R.I – nza ANDJY NIRINA RAJOELY

  16. F’ angaha niova indray ilay adresse e!Aiza ihany e!
    izaho anie tsy mahalala an’i Paris e! sady tsy tiako mantsy e!
    tsy natao hoa ahy ny fiainana ao no tena marina fa toa hazakaza-dava,voapoakan’ny olona foana ao
    eny @METRO eny fa mitavozavoza, izay jerena toa mitovy daholo, ny mpanadala mandreraka.

    Mba tiako koa io sarin’i domelina io ry zareo, SAHAZA AZY TSARA.

  17. @ 11h30 ny fotoana eo @ Place de Chatelet fa manitatra indray ny sasany,
    mitady hanao lala-poza.Bedy an!!

  18. MDR !!! « Metisy karana » angaha ity ranavalona ??
    Izao vao hitako ilay izy ! Fa angaha dia tena be dia be izato « mpanadàla » ? Izany no alehany rehefa « diso manja » ê ! Izahay môsy aloha, tsy dia mba manana olana mihintsy !
    Brasserie Zimmer, dia tena eo amin’ny Place du Châtelet, tsy mila manao zato metatra na koa folo na dimy akory aza, dia HAHITA an’ireo malagasy mpitolona, mahasahy milaza ny zava-misy marina any Madagasikara !
    IZAHO KOA TSY PARIZIANA ANIE Ê, FA MBA MITOLONA REHEFA TOKONY MBA ATAO ILAY IZY ( PARIS SY NY TAIN’ALIKA, LOTO SY NY KARAZANY TSY DIA MAMIKO FIRY ) !!
    Efa ela aho no niteny, ary mahatsiaro lalan-dava ny tenin’ny reniko : NY FANDIO IRAY SINY TSY MAHALEO FANDOTO IRAY TANDROKA !
    Misy ny mbola be zesta fa tsy marina izany, fa ny FAHAIZANA, AMAM-PAHALALÀNA NO TSY MAINTSY MANDRESY !! TSY IZANY VE RY MPAHAY LALÀNA ????
    Telo taona izao, MIHINANA AN’IZAY TSY FIHINANY NY VAHOAKA MALAGASY, ARY MANDAINGA IZAY TSY MIHAIKY ; SAMIA MANONTANY NY FIANAKAVIANY TSIRAIRAY AVY, INDRINDRA FA IANAREO FOZA !! NY FOZA IZAY TIA-TENA TSY MIRAHARAHA NY HAVANY VELIVELY ; RY ZAREO INDRAY AZA NO MANOME FANOMEZANA TSY HAY TONONINA, HO AN’IRETO HAVANY !!

    Tsy hitako intsony izay azo lazaina, fa dia ny fiananay mianakavy kely sisa angamba no ho jerena !! Misaotra an’Andriamanitra fa efa TAFITA DAHOLO NY ANKIZY, NA DIA TSY MILIARIDERA AZA !!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *