Leriva Manahirana : Hiady mafy hamerina an’i Dada

Magro 26 martsa 12 (8)

Tsy mbola nahenoina teny hatramin’izao ny Filoha Ravalomanana Marc. Efa samy niandrandra azy hiteny teny an-kianja ny vahoaka mpitolona ny faran’ny herinandro teo. Tsy niditra mivantana anefa ny tenany. Araka ny nambaran’ ny CST Leriva Manahirana teny amin’ny Magro omaly, dia matoa nangina izy dia manaja ny fikambanana iraisam-pirenena. Ankoatra izay, hoy ity olomboantendry ity, dia resaka fanarabiana antsika avokoa. Lazaina fa resy ny Filoha Ravalomanana matoa tsy miteny. Tsy marina izany fa misy ny fotoana hanginana ary misy ny fotoana hitenenana. Nanao antso ho an’nyPraiministra Beriziky,nytenany. Mazava, hoy Leriva, fa efa eo ambany fahefanao ireo ministra. Mba tsy hanaonao foana ny ministry ny fitsarana dia raiso ny andraikitrao. Ankoatra izay dia nambarany fa mila  fampaherezana avy aminareo vahoaka izahay mpikambana ao amin’ny CST sy CT Ankolafy Ravalomanana amin’ny lalànan’ny famontsoran-keloka. Nanome toky ny vahoaka ity mpanao politika ity, fa hiady mafy ao amin’ny famerenana an’i Dada. Na dia vitsy an’isa aza izahay, hoy izy, dia tsy hanaiky lembenana fa hanao izay hampandresy ny famontsoran-keloka faobe. Ny tanjona dia ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana eto an-tanindrazany. Noho izany dia mila ny firaisankinantsika rehetra amin’ny fanohizana ny tolona hoy ny fanazavana.

11 pensées sur “Leriva Manahirana : Hiady mafy hamerina an’i Dada”

  1. tsy misy hafa afa tsy dada ihany no hiady IRERY @ FIVERENANY fa tsy misy azo
    HANTENAINA EO, aoka tsy hifampiatsara ivelatsia TOMPOKO o!!Ampy izao hita sy hiainana izao.

  2. Apoay izy ity fa lalaovin’ireto FATin’alika ireto eto foana e! mbà tongava saina rey olona fa aza dia sanana ohatr’izao foana a!

  3. aza mieritreritra intsony ny fiverenany , fa ny fisainao no amboaro, ataovy izay no mety, avelao no hanjaka ireo alika ireo , ianao anie no mijaly saina fa tsy ny alika, tsy maintsy faizana ny manao ny mety na iza na iza.

  4. Efa ny malagasy no mijaly fa tsy Ra8 akory!ka dia inn loatra fa dia tena voan’ny fandraikirakena daholo tokoa ve???sa dia tena voan’ny masobe tsy mahitan’ny foza tokoa?

  5. Efa nambarako teto ra8, raha mbola te hipetraka ao Afrika Atsimo dia tsy mahazo miresaka politika intsony, hoy ny Fitondrana sud Af, fa raha mbola miresaka politika izy dia ho roahan’ny sud af, fa enta-mavesatra hoan’zareo ny mampiantrano mpamono olona.

  6. Mitady namana ny devoly fa tandremo !!!tiany hanaraka azy no dikany
    hivarilavo ohatra ireto foza mianakavy no tadiaviny!!!izany hoe hifaninana @ ratsy
    toy azy ireo fa tsy mba @ tsara.
    Isika miaraka @ Atra mahatoky ary MAHARITRA ary tsy very fanantenana izany .DADA TSY MAINTSY TONGA
    na iza faly na iza tsy faly, Atra no mamndahatra ny ZAVATRA REHETRA ary izy no TOMPONY fa tsy domelina
    na ny renikely na ny mpisolelaka mpitaty taimboraka vao mafana .Homba antsika Atra e!!
    Tsy resy tsy akory ny olo-mangina ka izay no tena mahalasa adala ireto foza @’izao dada tsy miteny izao, misy
    rah ao matoa izy tsy miteny ary MAHATOKY o!!!!!ho ela velona ianao ry DADA MALALA ! homba anao ny ZANAHARY!!!

  7. hamarino ry werveck izany information izany fa aza tonga dia mitsara a. ny gouvernement SUd af dia nandrara ny fanaovan’ny ra8 politika raha mbola te hipetraka ao aminy, satria noverifier ny gouvernement sudaf sy ry Fransman ny num ny tel ravalo izay nampamono an’ny rajoel sy ny general ra8.
    Aza dia jamba ny fanatisme zalahy fa mba jereo ny habibiana izay hataon’ny le 8 a, fa na ny tompotranony aza hanagadra azy reefa kelikely eo .

  8. Manely lainga indray ry tanora, io efa fanaonareo ka tsy mety ialana mihintsy an !

    Tanana efa zatra mitsotra tokoa

  9. Bemafoy a!

    Misy zavatra tsy mazava ao amin’io loi d’amnistie ny sadc io!

    Tena azo lazaina ho mampanahy ihany, raha tsy hiteny aho hoe mampanahy mihintsy, raha izay vaovao avy novakiko tatsy amin’ny Tnn no jerena!

    Aoka tsy hikorapaka isika! fa tena devoly no manjaka eto an-tany!

    Tsy matahotra ny fanahin-devoly isika, miady hatrany hoan’ny fahamarinana, amin’ny fahamarinana!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *