Magro Behoririka : devoly izay mitsivalam-pandry ny amnistia

Magro 31 martsa 12 (8)

Nitohy hatrany teny amin’ny kianjan’ny finoana Behoririka androany, ny hetsiky ny Ankolafy Ravalomanana. Nisy hatrany ny lahateny maro nifandimbiasan’ny mpitarika.
Ny Cst Ravelonanosy Mamitiana dia nanambara fa ny famontsoran-keloka dia tokony hahazo izany ny Malagasy rehetra.  Mahagaga fa mifanandrify amin’ny herinandron’ny Paska izany. Ampangain’ny tantara ary devoly mihitsy izay rehetra mitsivalam-pandry ka tsy hanome famontsoran-keloka faobe. Maro ny hevitra tsy mifanaraka eto amin’ity firenena ity, kanefa maodely ny Filoha Ravalomanana Marc nilaza fa vonona hanonitra ny lasa, hanavotra ny firenena. Ho an’ny parelemantera rehetra hanaovana antso avo mba tsy ho an’ny tombontsoan’ny antoko na olombitsy , fa famontsoran-keloka ho an’ny vahoaka Malagasy rehetra na mpitondra na vahoaka no atao. Tombontsoan’ny Malagasy no trandraina ka mila izay ihany koa na ato anatin’ny Ankolafy Ravalomanana aza satria nisy ireo nenjehina.Izay mitsivalam-pandry eo dia ny vahoaka no hitsara azy. Noho izany isika vahoaka dia tokony isaina tsara. Ho antsika ato amin’ny Ankolafy dia ny Filoha Ravalomanana dia tsy mila izany. Noho izany dia ny andininy faha 16 no mamerina azy eto.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *