Miandry ny fanapahan-kevitry ny Troika

Resabe teto amin’ny firenena ny datin’ny 29 Febroary, izay fe-potoana nomen’ny Troika hamitana ny lalànan’ny amnistia. Tsy tatra anefa izany satria ny mpitondra fat dia nanao izay tsy hahavita ny fandinihana ny lalàna momba io amnistia io. Ho an’ny Ankolafy Ravalomanana dia manohy hatrany ny hetsika etsy ankianja niandrasana izany. Ramatoa Nenifara solontenan’Andrefan’Iarivo dia nanambara fa marina ary tena marina fa mafy ao am-pontsika izao ianantsika izao satria nisy ny fiarahamitantana. Nekena izany mba hamahana ny krizy. Ankehitriny,hoy izy, dia ireo mpanongam-panjakana no milaza fa tsy ilaina eto amintsika ny famontsoran-keloka.Ho anareo tsy manaiky ny famontsorankeloka faobe izany,hoy izy, dia  ny dikany faobe dia ny vahoaka Malagasy manontolo no mahazo izany. Ny CT Ignance kosa dia nilaza fa ny filoha Ravalomanana no filoha mpitarika ny Ankolafy. Izy no manome baiko an’ny lehiben’ny Ankolafy Rakotoarivelo Mamy. Izay toromarika avy aminy no arahantsika, hoy izy, ary raha ankoatra izay dia tsy ekena.  Mikasika ny datin’ny 29 Febroary dia nambarany fa na misy aza ny resaka etsy sy eroa, isika miandry ny fanapahan-kevitry  ny Troika. Ny frantsay, hoy izy, no ao ambadika, milaza fa tsy mahavita azy intsony Rajoelina. Na iza na iza no apetrakareo eo, ka tsy mamerina ny Filoha Ravalomanana, dia fahavalonay izany. Raha tena hamaha krizy isika hoy ity mpanao politika ity, dia avela hody i Dada.

10 pensées sur “Miandry ny fanapahan-kevitry ny Troika”

  1. Tsara marihina fa Andriamatoa Fransman dia niteny tamin’ny anaran’i Afrika atsimo raha nandray fitenenana tany Genève fa tsy tamin’ny anaranan’ny SADC.
    Ary tsy nisy doka ho an’ny Frantsay mihintsy ny kabariny tao fa maniry izy ny hamahana haingana ny krizy ao Mada.Tsy nilaza mihintsy izy ny hiara-miasa amin’ny governemanta araky ny filazana ny gazety Le Monde izay mamalan-kira.
    Mbola misaotra an’azy aho:

    http://youtu.be/3Z5WpCvDHZk

  2. Misaotra ry dà mampita itony vao2 mahafaly itony.
    Fa inona no antony tsy nitenenany t@ anaran’i SADC???
    Satria ve efa namala-kira koa ilay irak’i SADC vao nirahana tonga ao @ tanana ao ireo???
    Sa misy antony hafa ???

  3. Ranavalona! izy dia praiministra lefitra ao afrika atsimo ary izay anarana izay no niantsoin’ny mpandrindra ny fivoriambe tany Genève.

  4. Hay!!efa nanarajka iny lalana iny koa anie hono ilay hirak’i SADC vao tonga ao e!!
    Ohatry ny mamgingiana tato ato mantsy ka fal aho raha naharė io vao2 nao io ry Bemafohy.

  5. Izao ilay resaka be ê ! Mandraisa décision ry zareo, fa ny foza efa lazaina fa izay tiany atao no ho ataony eo a !

    Angaredona ihany no spécialité-ndry zareo ! Koa mba firy moa ianareo miohatr’azy ?

    Izao dia efa haroso sahady fa dia any amin’ny mi-2013 indray izany vao ho atao hono ny fifidianana ! Tsy hisy ny reconnaissance izany raha tsy any amin’ny volana août na septembre 2013, rahatoa ka hanaiky ny valim-pifidianana daholo ny REHETRA ?

    Dien’izao dia efa ento any amin’ny mpanjaitra, ary ankelezo ny zipo sy akanjo ary ny pataloha ry zareo an ! Ny taille 40 atao 36 !! Misy aloah tsy mila manao an’izany ê ! Ny « ensemble, na tailleur » 44 aza ho atao 48, na mampanjaitra vaovao mihitsy !!

    Nihiditra tsy niandry baiko, dia HIVAOKA MIANDRY BAIKO !

    Tsy mbola mazàva foana ve ilay hoe « hitanareo IZANY ny mihiditra, dia TOKONY HO hitanareo ny mivaoka » ???

    ARY SAO DIA NY PREZIDÀ KOA NO LAZAINAREO TSY ALEHANY NA MPANDAINGA INDRAY ANDRO ANY ???

  6. Isika tsy miandry an’izany.Efa henoko koa io Mai 2013 io ary dia harary nify daholo ny zaza malagasy satria tsy ampy sakafo na maty mihintsy aza.Ataoko fa mbola afaka manao lobbying amin’i Louis Michel, ny prezida alemà (tsy Angela Merkel akory), ny USA izay mitady hanohitra ny BM hanantanteraka ny programa hiadiana amin’ny fahantrana (tsy hiarahana amin’ny HAT io, soa ihany) ary ny olona sasany ao amin’ny SADC.Tsy irery isika ry zareo fa mila mivondrona ary mitondra ny anjara birikiny ny tsirairay avy.Nanoratra tany amin’ny UE izahay talohan’ny fanambarana nataon’i Louis MICHEL io.Mitady lalana hialana amin’ny fandriky ny reny malala daholo ireo na i afrika atsimo aza.I Chine dia miaraka amin’i reny malala ao amin’ny krizy mahazo antsika ary ny amerikana dia mbola i Dada ihany.Tokony ampahatsiahivana an-DraTGV fa izy dia tsy hilatsaka ho fidina.Roso foana ny dia e:

    http://youtu.be/jJhf4zK_RKA

  7. Araka ny lova-tsofina dia efa misy mikomy mangina2 any ka ny tsy hay dia ny ho fivadian-javatra??
    ny hatahoran’ny sasany hietsika mantsy izay afaka manao izany dia matahotra izireo sao HANOME
    vahana an’i dada,@’ilay ambo diso toerana e!na ry zareo samy ry zareo ao aza efa misy tena TOFOKA @ domelina anie e!
    valalan’alika ka ny tompony aza tsy tia.
    Amiko koa aloha tsy hitako izay ahamaika @’ izany fifidianana izany raha tsy milamina tsara ny fandehan-javatra rehetra e!!!
    Ny fodian’i dada no zava-dehibe dia hilamina ny tanana ,izay vao tokony hiatrika izany fifidianana izany,fa raha mbola izao dia
    ho vidian’ny foza mora2 daholo ny olona ,ho hararaotiny @’izao fahantrana izao sy ny harerahana.
    Amiko aleo aloha hilamina !sa ahoana???sao hanome vahana an’ny mpanongam-panjakana fotsiny eo raha mbol izao no eo.

  8. Fantatra fa mijaly ny vahoaka, fa dia fijalianana hiampy 300% io rahatoa ka mijabajabaka amin’ny tsy mahay maka any !
    Misy resaka nataon’i Bemafohy any ho any hoe, mangigina ny serasera ; tsara ny mampatsiahy ny rehetra fa « io fahanginana io » no nahatonga an’izao zavatra izao, satria tsy nanefa ny adidiny ny tao Antaninarivo, tsy nandeha nifidy ary raha nifidy ny sasany dia tsy mba nieritreritra firy, fa dia nentin’ny alahelon-kanina sy ny fialonana fotsiny !
    Izao mijaly ny malagasy rehetra !
    Tsy maintsy tohizana ny tolon-tsika, ary tsy tokony hisorona fa dia tsy maintsy maneho ny hevin-tsika eto isika ( rahatoa ka mbola afaka manao izany ato ), satria tanindrazana hiombonana io ! Tanindrazan’ny malagasy io, fa tsy an’ny vazaha na an’ny sinoa na karana !

  9. Leo fandrosoana Antananarivo hoy lay namako iray zay tany Toamasina raha vao lany Maire io DJ io!!!! dia hatramin’zao miantso an-tél ahy foana lery fa za tsy any tsony oe » hitan »lah am’zao ny fijalian’Antananarivo » dia niaiky za ary ts Tanà irery intsony fa Madagascar no mijaly satria tsy nijanona teto Tanà ny Dj fa hay Madagascar mintsy no nopotehiny 3taona mahery zao…Ka aoka ireo rehetra nanohana io fahavalo’ny malagasy io mba hitady hevitra ihany koa hanala azy eo indrindra ireo Miaramila izay toy ny Biby tsy mahalala tompo fa hatao ahoana moa fa voan’ny Masobe tsy mahita angamba nareo teo aloha fa amin’zao kosa heveriko fa tsy hikiri-biby hanokana an’io raha tsy oe efa lasa T.A.Y ny atidoha-reo!

  10. Ny toe-tsain’ny malagasy mihintsy no tena loamorina ry verbeeck â ! Simba tanteraka, vokatry ny fitondràna tandrametaka, tamin’ny andron’i Ratsiraka !
    Tsy dia fantatro hoe inona no tena mbola azo antenaina rahatoa ka :
    – Ny vahoaka tsy miraharaha, mba miaro ny zo-ny
    – Ny mpiasam-panjakàna ( ao anatiny ny pâolisy sy zandary )tsy manara-dalàna, fa « manotra » vahoaka no tena talentany
    – Ny miaramila, tsy miaramila fa jiolahy ; ny mpitarik’azy tsy manam-boninahitra fa « manamboni-tena »
    -….
    Mba diniho kely ; miaramila 26 no tonga dia notampena-maso sy vava tamin’ny gradin’na jeneraly. Miampy an’ireo izay lazaina fa jeneraly mbola eo amperin’asa, firy ry zareo iza ? Ny isan’ny miaramila anefa tsy mihaotry ny 25000 ?
    Eo amin’ny 100 eo izao izany ny jeneraly mbola « miasa » ; dikan’izany jeneraly iray mibaiko miaramila 250 !!!
    Mba mahalala menatra ve ireo miaramila ireo ?? Firy ny kôlônely, ny kômandà, ny kapiteny, ets..?

    Amin’izao andro alahady izao, ity misy lahan-tsoaratra, tsara mba dinidinihina fa mba hitako tsara !
    Fanontaniana mipetraka rehefa voavaky ilay izy : Ny Président Ravalomanana marina ve, no tompon’andraikitra an’izao fahoriana mianjady amin’ny malagasy izao ? Mbola misy sahy hiteny an’izany ve ?

    http://www.politique-africaine.com/numeros/pdf/086086.pdf

    Madagascar : Les forces armées et les crises politiques (1972-2002)
    Nosoratan’i J. Rabenirainy
    Dia ho aiza isika rehetra amin’izany ?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *