Ny andininy faha 16 dia ampy ho an’i Dada hoy Constant

raveloson constant (2)

Mbola samy manana ny heviny ny tsirairay mikasika ny datin’ny 29 Martsa. Ho an-dRaveloson Constant dia nambarany teny amin’ny Magro Behoririka io hariva io fa vitanareo ny nampiseho tamin’ilay jeneraly politika, fa rehefa tsy misy ny baomba mandatsa-dranomaso  hanakorontanana ny Ankolafy Ravalomanana dia milamina ny tany. Fantantsika izany ny mpanankorontana eto amin’ny firenena. Rehefa akaiky ny 29 Martsa, hoy constant, dia misy ireo namana mpanao politika sy mpanao gazety no misitrika. Atao amin’ny toerana voaramaso izy ireo, satria heverina fa haneho hevitra politika, ary avy eo avoaka. Ny 29 Martsa, hoy hatrany ity mpanao politika ity, dia ho antsika tsy tao anatiny, tsy manan-jo isika hanivahiva izany. Voatery namerina ireo sesi-tany tanyivelany ny frantsay tamin’izany fotoan izany, hoy ny fanazavana, izay vao nilamina ny tany. Noho izany dia anatra ho an’Ingahy Rajeolina ny 29 Martsa ireny. Mikasika ny famontsoran-keloka  dia nambaran’ity olomboatendry ityfa tsy mila izany ny Filoha Ravalomanana, fa ny andininy faha 16 sy 20    ao amin’ny tondrozotra dia ampy sy feno. N’inon’inona filazan’ny vazaha azy, hoy izy, dia foana ny fanenjehana azy. Mikasika ny famontsoran-keloka ho an’ireo voarohirohy tamin’ny raharaha Bani dia nilaza Constant fa ho jerena ny mikasika azy ireo amin’ny famontsoran-keloka. Ny antsika di a ny hampivitrana ny firenena no ilaina satria ny Filoha Ravalomanana efa nilaza fa aza manao teny mandranitra ny hafa. Aza gaga ianareo, hoy izy, raha misy ny Cst sy Ct ary Ankolafy miaraka any ho any.

5 pensées sur “Ny andininy faha 16 dia ampy ho an’i Dada hoy Constant”

  1. Nankalaza ny 29 Mars 2012 tany Manakara hono i TGV
    Nefa tsy fantany fa ireo vazaha mena sofina ireo ihany no nametraka anazy teo aminio toerana io tsy marina ve
    Mandainga,manala tena woe tsy avy aminy hono no mampahantra ny Malagasy
    Nefa avy aminy ileiry daholo ny fototrizao ratsy rehetra izao tsy hadino aminizany ny Basy
    Raha azony atao angamba dia Ravalomanana daholo no mahatonga izao
    Satria mantsy dia hainy mihitsy io miovaova, mandainga, be lazao
    Hatraminizao aiza zao izay reconnaissance international
    Dradradradraina aminizao tontolo izao woe milamina
    Nefa hay izy ity revin-gadra tsy ho tanteraka mandrakizay
    Be gesta fotsiny, manambony tena nefa tsy milay
    Tsy hifamaly amin’adala izahay legalista
    Fa aleo hiandrasana woe iza no tena tompony lisitra

  2. I Onitiana no tena nampalahelo ahy kosa aloha e!
    izany no tena hoe MIADY @ ADALA!!!soa fa teo ireo mpanaraka
    ilay TV izay saiky efa nanerana ny TANY afaka ny hitsara tsara hoe: fa iza ity mba dedaka
    tsy mahalala tsy tiana LANY HENATRA sns voaviravira tsara na dia niezaka ny mody FANINA aza.
    Ilay maty @’io mena maso tena vao avy nidizina fa ho mafy ny ataky, » POV CON ».Tiako be daholo
    ilay fanontaniana ary saiky voalaza daholo ilay tena hETAHETA hidradra2 lava eto fa ny valiny moa
    LAINGA SY FANILIANA ….. ka mino aho fa tsy ho handairan’izany intsony ny vahoaka, dia tiako be
    koa ilay fiatsaram-belatsia, efa hitany tsara fa tsy nitsitsy azy mihintsy i Onitiana ka tsy voatany intsony
    ilay fihetsika dia iny domelina mody NISEO NANAJA be azy hi!hi!hi!!!!tiako be !efa te hiteny mihintsy
    angamba i domelina teo fa hoe: PRESIDENT anie aho e! fa vao maika tsy nasian’i onitiana HASINY.
    voalazan’i Onitiana tsara fa : TSY VOAFIDIM-BAHOAKA – DIDI-jadona – mahantra ,mijaly ny vahoaka
    ny manodidina an’i DOMELINA rehetra MANANGANA VILLA ,fiara raitra sns….tsy hitatatata indray izao
    ny mpitatirakena hoe: tokony hiala tsiny @ prėzidà i ONITIANA?????maromaroa ny ohatra ireny!!!!

  3. Mbola mamporisika aho tompoko isany o!
    mba jereo ilay » INVITĖ DE ZOMA  » I Onitiana sy DOMELINA
    raha monamonaina ianao dia tonga dia midira ary @ afovoany fa MANJA BE oah!!afa-po kosa aloha aho e!!
    ary voafintina tsara hatr@ farany ny resaka bois de rose sy ny harem-pirenena tonga dia FANDRARANA avy
    hatrany satria fantatr’i ONITIANA angamba fa tsy maintsy ahita LAINGA halahatra ity domelina ka hainy tsara
    ny NAMARANA ILAY HAFATRA HO AN »i DOMELINA be zėsta fa tsy misy hapoaka.Dia sahiny ery ny nanadio
    tena fa tsy mandray karama ( tsy fantany fa mbola anisan’ny antony tsy mampisy valėra azy izany ) satria tsy
    voafidim-bahoaka,fa teo koa no nampazahoan’i Onitiana fa « FANTATRA NY BIZINA REHETRA HATAONY » HI!!
    FANABOTRIANA Mihintsy no tian’i Onitiana ho tenenina taminy e! SILAKA be domelina ray olona a!!!!

  4. AMIKO DIA TSY METY NY MANONGAMPANJAKANA JEREO NY ZAVA MISY ANY MALI IZA NO MANKASITRAKA IO, NY MAHAGAGA KOA ANIE INONA NY ANDRASANA TSY ANAOVANA HETSIKA SA MBOLA MANANGOMBOLA KOA IREO CT SY CST ARY MINISITRE AVY @ ANKOLAFY RAVALOMANANA, NY TADIAVIN’NY FAT ANIE DIA HITARAZOKA ITY TETEZAMITA ITY MBA AHAFAHANY MABOTRY NY FIRENENA MBA VAKIO NY FANEHOANKEVITRY NY CDE IZAY ODIAN’NY FAT TSY HENOINA. Farany dia alefasy ny hetsika fa aza atao kabary lava zao fotsiny e!

  5. Efa mba mitady lalana ihany izy ireo fa toa atody miady amam-bato ihany.
    Tsy mifanome tsiny e!!rafotsibe very laona ka miandry izay higadonany.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *