Raharaha Bani : mandika ny artikla faha 16-n’ny Tondrozotra

20 martsa 12 (4)

Notsaraina tetsy amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy omaly ny raharaha Bani, izay iampangana ireo manamboninahitra tao amin’ity toby miaramila ity ho nikotrika fanonganam-panjakana, tamin’ny 17 novambra 2010. Fotoana nisian’ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny Lalàm-panorenana indrindra izay daty izay. Anisan’ny voampanga ho tompon’antoka tamin’izao fikasana hanongam-panjakana izao koa ny Profesora Raymond Ranjeva sy ny zanany vavy.

Omaly tamin’ny 8 ora maraina tany ho any dia efatongatetsy amin’ny Lapan’ny Tribonaly Anosy izy ireo. Ireo manamboninahitra tazonina eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy sy Antanimora, izay nahitana ny jeneraly Raoelina sy Noel Rakotonandrasana. Ny kolonely Coutiti sy ny sisa kosa dia somary antoandrotoandro vao nigadona. Ny kolonely Charles kosa dia tsytongaten        y an-toerana, fa mbola tsaboina atsy La Réunion.

Nangataka ny hanemorana ny fitsarana ny mpiaro ireo voampanga tamin’ny fanombohan’ny fitsarana. Nambarany fa tsy tomombana avokoa ny fepetra rehetra tokony hanatanterahana ny fitsarana, io omaly io. Nolavin’ny mpitsara anefa izany ka nitohy ihany ny fitsarana. Niato kely nony tamin’ny mitataovovona, ary nitohy indray tamin’ny 1 ora sy sasany tolakandro.

Araka ny antontan-taratasin’ady izay novakin’ny fitsarana dia anisan’ny vesatra iampangana ireo manamboninahitra ireo ny fikomiana hanongam-panjakana. Voalaza ihany koa fa anisan’ny niray tsikombakomba tamin’izany ny Pr Raymond Ranjeva sy ny zanany vavy. Ny resaka Vonjy Aina izay tarihiny no nampidirana azy tamin’io raharaha io. Nandà ny fiampangana azy avokoa ireo voaantso ary nandà ihany koa ny hitsarana azy ireo.Nanapa-kevitra ny mpitsara fa hotohizana anio ny fitsarana.  Nambaran’ny iray tamin’ireo mpisolovava ny voampanga fa nyantonynanemorana ny fitsarana dia noho ny andro efa hariva.Tsy maintsy hiditra amin’ny vontoatin-draharaha, hoy izy, ny voampanga tsirairay. Nisy ny fanakianana natao tamin’ny fitsarana, hoy koa izy, fa tsy noraisina izany. Ireo olona arovanay ireo dia tsy mandà ny hiatrika ny votoantin-daraharaha, fa mba hohajaina araka ny tokony ho izy kosa ny fepetra takin’ny lalàna. Misy zavatra hafa afangaro amin’ ity raharaha Bani ity izay ara-miaramila ihany.

2 pensées sur “Raharaha Bani : mandika ny artikla faha 16-n’ny Tondrozotra”

  1. Fanodikodinana ny loham-nahoaka ity fitsaràna ity satria misy zavatra kendren’ny HAT

    1)
    Handotoana an’i Pr RANJEVA mba tsy hisy hifidy azy amin’ny Fifidianana
    2)
    Ny tena RAHARAHA BANI dia RAHARAHA MIARAMILA, ka nahoana noho ny Fitsaràna tarihin’i Zanakisoa no mitsara azy ?

    ARY INONA INDRINDRA INDRA NO HITSARANA an’i Pr RANJEVA ???

    Sa atahoran’ny foza ho olona azo atolotra ho Fidiana koa ny Pr Ranjeva ???


    Tsy sasatra ny mamerina aho :

    Fenoy sarin’i Dada ny Nosy manotolo : na aiza misy anao na aiza : Birao – arret de Bus – Parking Taxi brousse – fa ny biraom-panjakàna no tena asiana.

    Ny miaramila dia antsoina hanao toa izany koa . Samia mahery daholo e !

    Raha tsy hanao izany dia efa simba mihitsy ny fisainantsika, ary dia holazaina fa MIONONA amin’i Domelina, ka hiaraka ny hangery an’joro aminy eo !

  2. Hita mibaribary izao fa te-hametraka afa-tsy ny olony i reny malala ary tsy mampaninona azy aloha na TGV aza no eo satria miaro ny tombon-tsoany.Soa ihany i Mamy R akotoarivelo fa tonga dia ny UE-ACP no antonony satria mbola hafa ny hevitrin’ny Eropeana fa tsy mitovy amin’i Frogland raha ireny fanambarana nataon’ny masoivoho ireny no halalinina.Dadanay foana no voalohany e! Raha misy fifidianana hono izao dia 17,5% no olona mifidy an’i Domelina izany hoe Raha misy malagasy enina amin’izao fotoana izao eo anoloana anao dia iray amin’ireo dia dondrona mivarotra tanindrazana amin’ny vozongo.I Dadanay tian’i Erôpa e:

    http://youtu.be/66PmSj9VC8g

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *