Fitsarana ny raharaha BANI : mbola hitohy rahampitso indray…

Hitohy rahampitso Alarobia 21 Martsa 2012 indray ny fitsarana ny raharaha BANI.Io no fanapahan-kevitry ny mpitsara androany teny amin’ny fitsarana Anosy. Araka ny voalazany dia noho ny andro efa hariva dia tsy vita intsony, ka noho izany dia hitohy rahampitso. Raha ny zavanisy teny an-toerana  dia tamin’ny 8ora sy sasany no nanomboka ny fitsarana. Ireo manamboninahitra izay voakasika amin’ity raharaha ity,anisan’izany ny jeneraly Rakotonandrasana Noel, ny Jeneraly Raoelina sns, no nanontanian’ny mpitsara raha toa ka hotsaraina. Nilaza izy ireo fa tsy hotsaraina ary dia navoaka ny efitrano avy hatrany. Taorian’izay dia ny kolonely Coutiti amin’ny maha olom-pirenena azy, no nohainoan’ny mpitsara. Ny Pr Ranjeva Raymond sy ny zanany vavy ihany koa dia anisan’ny nohainoana.Nambaran’ny Profesora  fa ny resaka vonjy aina dia tsy misy hidiran’ny miaramila velively. Ny famonjena ny vahoaka ao anatin’izao fahasahiranana izao, no nanaovana azy io.Noho izany dia nolaviny ny fiapangana ny tenany, ho niray tsikombakomba tamin’iny raharaha iny. Alohan’ny niatoan’ny fitsarana tamin’ny 1ora 15mn teo ho eo, dia nisesy nanoloana ny barre manoloana ny mpitsara ireo vavolombelona.
Nitohy ny tolakandro indray ny fitsarana, ka ny famakiana ireo fiarovantenan’ireo voapanga izay tsytonga niatrika ny fitsarana no natao. Io ihany koa no namaranana ny fitsarana androany. Araka ny nambaran’iray amin’ireo mpisolovava ny voapanga, ny Me Rabemananjara Noro, dia betsaka ny tsy ara-dalàna amin’izao fitsarana izao, ka nahatonga ireo manamboninahitra sasany tsy nety ho tsaraina. Tafiditra ao anatin’izany hoy izy ny anaran’ny Acesseur izay tokony hivoaka amin’ny journal oficielle( J O). Betsaka ny tsy nahazo ny « notification ». Tokony hanatrika ihany koa ny Cemgam izay tafiditra amin’ny raharaha. Betsaka ny tsy mety amin’ny paikady(formalité). Tokony hanaraka lalàna, hoy Me Noro, aryatao tsara ilay procédure vao hotsaraina. Afaka mitsara foana ny fitsarana raha ny fanazavany, na nandà ny tsy hotsaraina azy ireo manamboninahitra sasany ireo. Araka ny nambaran’ny mpisolovava moa dia mety hanao « cassation » izy ireo. Marihina fa dia nanomboka omaly ity fitsarana ny raharaha Bani ity, noho ny andro efa hariva ihany koa dia notohizana androany.

48 pensées sur “Fitsarana ny raharaha BANI : mbola hitohy rahampitso indray…”

  1. Inona koa no mitsara eo ry Verbeeck, entina handemena ny lohan’ny Sadec sy OIF!
    Mba fantatrareo moa fa andro iraisam-pirenena ny teny frantsay androany ?

    Manao fety be angamba ry Foza sy Domelina androany fa ny milelaka frantsay izy dia voalohany !

    Rehefa tsy mandaitra ny antso atao amin’ny vahoaka satria efa voan’ny tsidry hazo lena izy, dia mba ireo izay atao hoe Mpanao politika indray no kitihina hanetsika sy hitarika ny vahoaka e !

    Mba fenoy sarin’i Dada re ny Firenenaa Tompoko azafady e !
    Fa na inona ataon’ireo na inona, I Dada ihany – Dada Hatrany no anay !-

  2. Dia efa lany henatra !!mba mahasahy ihany izy hitsara olona toa an’i Ranjeva kah!!
    dia tsy tahotra tsy henatra!!@ izay efa izao tontolo izao no manaraka io FITSARANA an’i
    Ingahy Ranjeva io, efa mianjaanja hatrany anaty tsinay maintsy ireto foza, nahazo koa i Zanakisoa t@ ireo mpitsara,
    aoka isika tsy hanenjika ireo SMM intsony fa tena nataon’ireo i Zanakisoa,mila fanohanana ny ezaka hataon’ireo fa
    efa mahasahy manohitra an’i zanakisoa ry zareo, Kala mpams iny !!

  3. AZA KIVY RY ZAREO:

    Mitady ny fihaonan’izy efa-dahy koa izao ny TROIKA izay hevitr’i LOUIS MICHEL(UE).

    Manaraka izany dia manao tsindry hafa koa ny TROIKA:

    Une précision de taille. Le communiqué du comité ministériel de l’organe de la troïka de la SADC indique clairement que le projet de loi d’amnistie devrait devenir une loi au plus tard le 31 mars 2012. « Le CMO de la Troïka invite les autorités compétentes afin de s’assurer que le projet de loi devienne loi dès que possible, mais au plus tard le 31 Mars 2012 », souligne le communiqué. Pour la troika, « l’adoption de la loi sera une étape supplémentaire en vue de s’assurer que Madagascar revienne à la normalité constitutionnelle ».

    Je vois un match entre l’UE et Frogland.La balle est dans le camp des frogs.

    http://youtu.be/RGbmJ1lX1RM

  4. Midongy sa ………???aiza o!!!misy mihaino?????mifoaza fa tonga i dada!!!
    Repotra mitady ilay finday an’i kala mialy very daholo angaha ry zareo a???
    Tany Tamatave anie ilay izy no very fa tsy taty amintsika jiaby ato @’ity serasera ity e!!!aiza ary ianareo izany???

  5. Isika dahy indray no avelan’ny olona hiasa irery eto.
    Io indray ianao ry Bemafohy fa tsy manaiky raha sy eo alohako eo foana a!!

    31 mars izany anie efa 9 andro sisa e!!teo aza efa firy herinandro mbola nahita hialana ihany i zanakisoa fa tsy ho tratra
    dia ny mialoha ilay fotoana ?koa inona tokoa no nataony teo????dia ho hita eo indray izany ary,fa tsara aloha ny UE mba
    efa nanampy tosika e!!!efa zava-dehibe io. Mankasitraka Mamy .R a!!dia mifona @ ilay tsikera e!!dia @ manaraka mba
    milazà mialoha mba hanotroananay anareo na dia hifandray tanana ihany aza.

  6. Rehefa alina ny andro dia mba hira mba milantolanto alefa mba hangalana torimaso
    ry Dà a!!manaitra olona ny hiran’ilahy ato efa mierotra daholo.

    Handeha hatory aloha fa tsy misy mihaino intsony.

  7. Namaly ilay momba an’le dossier tratra tao an-tranony, sy ny fivoriana miafina nataony, sy ny zanany vavy niaraka t@ireo manamboninahitra mpioko ireo Ranjeva, de nilaza izy fa brouillon fotsiny iny, kanefa ny action efa vita teny Ivato. Ie, tena mahasahy ny anay ka, fanga raha manampahaizana nitana an-draikitra ambony iraisam-pirenena de tsy aso saziana na tsaraina. Io mihevitra azy ho tsy maty manota io ihany no efa nampinana an-dRaosy dadan’ireto, hany ka na defa tsisy fika intsony ny aminy @izao, de mbola miseho milay foana. Iza moa no hametraka ny anaran-dRanjeva ao anatin’io fananganana GVT fanavotam-pirenena io raha tsy nahazo alalana taminy.Ary hay ve ny ekipan’i Zafy Dadabeanareo miaraka @ PM Beriziky no tena manao trafic bois de rose @zao e! Kanefa iny no tena lava lela be ny momba io, hany ka manao tari-bato vilam-bava araka ny mampivilana ny vavany rahateo. Tena mba mieritrereta ry filoha tranainy telo, fa afa-baraka ianareo, andihizan’ity jeune kely ity. Lay raikalahy moa nangina tanteraka le je suis be, fa lany jijy, ny vola fotsiny sisa afafy manakarama jiolahy manakorontana, sy manaparitaka fitaovam-piadiana, ary ny tena mahagaga rehefa misy vahiny tonga handamina, de mirongatra be ny asan-jiolahy karamain-dRaosy, tiana hampisehoana @ireo vahiny ireo fa tsy milamina ny firenena. De reraka sy lany andro eto nareo Ranavalona sy ny tariny, fa fikan’antitra sy diska miverina daholo ireo a!
    Ary Razanamahasoa tsy lanin’iza na iza izany. Izy ane no nandrafitra an’io loi d’amnistie neken’ny SADEC sy ny TROIKA io e! zany no mampialona be anio pd SMM io, tsy asian’olona sira. De jereo fa lany jijy hatramin’i Louis Michel akolitan’i Dadanareo. Vola adala tompo daholo izany rehetra izany e! Aza mba sagnagna tsy ampy solaitra otran-dRainareo iny woa! zay magata-bola ka miteny ny anaran-dRajoelina, defa mifafy ny million. De kivy ratsy fa tsisy tainy, de aleo manoratsoratra sy manao tora-po manozon’olona otran-dRana sisa. Tena mapme be!

  8. 1°) Mampmé ry zareo ny nahita an-dRAZANA(mahaKI)SOA Christiny omaly an!
    Tena « au bord de jiolahim-bavy ilay Mpams »
    __

    2°) Vony olona any @ faritr’atsimondrano:

    – Ambohidrapeto sy ny eny ambanimbaniny – fanafihana indroa miantoana elan’elanin’ora famataranandro roa (entre minuit et 2h matin)

    même cas qques jours +tard:

    – Faliarivo Ampitatafika – (entre minuit et 2h matin)

    importante remarque:
    NY ZANDARY EFA NANAO ELOKA BEVAVA tany aloha, eo amin’ito faritra ito, no maniditsidina toa ny anjely mainty, mametraka tract eny @ rindrin’ny FOKOTANY ary milaza atoandro benanahary anaty épicerie rehefa avy midoroka alikaola, ka manondro ny trano dimy ho robaina.

    Ary rehefa miantso vonjy any @ tobin’ny zandary ny peuple dia mirindrina mikantona tsy misy âme qui vive

    .

    CQFD: ny tarik’i Couillonnel Richard Rav. sy ny lehiben’ny polisim-pirenena ORGANES dia tsy ho hafa-maina na rahoviana na rahoviana amin’izao FIVADIHAN-JAVATRA MAMPIOROHORO SY MANDRAVA ny fiainan’olona eto dago izao –

  9. camion ny miaramila 4, 4×4 anakitelo no miandry isan’andro eo @ fitsarana!!!!! ny olona sy ny fananany no tokony arovana sa ny seza rivotry filou n’ny foza????? Vice President ny CPI no tsaraina!!!!! Raha Koffi Annan no mitovy @ iny ry foza !!!! ary mpanolo-tsaina manokan’i Pape iny…. ny insécurité manjaka erak’i M/car fa ny mpanao politika tsy mitana basy ihany no haindry zareo no misambotra azy, bombe mbola tsy mipoaka akory dia efa hitany ….RIDICULE ary mihevitra ny olona ho con…. izany hoe izany mino an’ireo dia con….

  10. Mety ilay avocat miaro an’i Professeur indray no mety voateny foana hoe : « tsy mahatadidy lesona ianao an ! » lol e
    Ny tiako holazaina dia hoe : mahakivy ary mampalahelo ny mahazo ny manampahaizana malagasy amin’izao fotoana izao, indrindra ireo efa zoky ray amandreny izay nampita tanora manampahaizana maro, satria tsy misy fanajàna azy ireo na kely aza.
    Raha mandinika isika dia tsy mahita manampahaizana firy miresaka amin’ny haino aman-jery ary mipirina any antrano izy ireo, na lasa any ivelany mitady asa satria sahiran-tsaina.
    Ozona ange izao e ! Mety hovidiantsika malagasy lafo ny tahak’izao.

  11. Pr RANJEVA, un héros national! Tsy maintsy mandresy ny tolona!
    Mandrisika antsika rehetra mba ho sahy amin’izay hamoaka hevitra toa azy!
    Efa miha-betsaka ny mamoaka hevitra fa samia sahy amin’izay!
    Tsy avelantsika hopotehin’ireo tsy mataho-tody T G Vendrana ireo i Madagasikara.

    Masina ny tanindrazana

  12. Izao no halehany rehefa ny SATANA no mibaiko sisa koa inona moa??
    manana inona mba hitondrany ity tanindrazana koa moa izay FAKON’OLONA
    toa an’itony domelina koa tsy izao no hiafarana???ireo manaiky sy mbola mankasitraka izao no tena BADRAODRA
    fa ny azy efa fantatra fa VEDOLY no mibaiko sy MANESIKA azy ho eo hanotafady io TANIMASINA IO.
    Efa mananontanona ihany izany farany izany raha dinihina fa samia manana faharetana fa aza midongy ry zareo a!!
    Homba antsika Andriamanitra!!!!

  13. Fandrebirebena daholo no aton-dr’i Raini… eto fa ny tena probl anie any amin’i Deba e !!!
    Fa ahoana ???
    – Satria iza no soavaly atolotry ny frantsay hisolo an’i Domelina ???
    Tsotra dia tsotra : i Deba tsy afaka intsony ka mody mangina, fa manosika olona tohanan’ny frantsay. boloky lahy omam-boatseva e ! Ilay Vila maso iny !
    Izany tokoa no hoe : Chez les aveugles les vila-maso ou les borgnes sont ….rois !
    Mankaloiloy !!!Velona indray ny pisodia izany !!!
    Modia haingana ianao ry Dada a ! Mifanipaka ny ankizy eto Dago, hanaovan’ny Mpivarotra Tanindrazana azy . 🙁

  14. Itony indray tsindry avy amin’ny TROIKA na felaka avy amin’i UE:

    AFFAIRE BANI : dans une lettre qui a été lue ce matin à Anosy, le chef du bureau de liaison de la SADC à Madagascar invite tous ceux qui sont concernés par l’affaire BANI à « attendre le procesus de la SADC pour déterminer si les accusés peuvent bénéficier ou non d’un arrêt des poursuites stipulé dans l’article 16 de la feuille de route ». – 21/03/12

    Avy amin’ny solotena grika miasa ho amin’i UE:

    http://youtu.be/7nZKMm-nOsc

    Ry Vital moa no efa nanao veloma ela

  15. Salut Rabe,
    Naverina tamin’ny TV teto an-toerana, tamin’ny 17 Martsa teo, ny zava-niseho rehetra tamin’ny 2009 mba tsy hohadinoin’ny olona ny zava-nitranga marina.
    Navoitra tamin’izany ireo teny navoakanareo sy ny namanareo rehetra mpanongam-panjakana ary nanamrina tanteraka indray fa tompon’antoka samy irery tamin’ny vonoan’olona sy ny fandrobana ianareo. Fanahy inianareo ireny ary zao no vokany.
    Tsy nampoizinareo ny fizotran’ny raharaha. Fa angaha DJ sy miaramila SLE ( Sait Lire et Ecrire ) dia milaza ho mahay ? Tsia. Mikatso tanteraka ny raharaha ary tsy hainareo no mampandeha azy. Tsy disque ahodina manko io !!
    Ny hany mba hainareo dia ny manao diversion sy ny manenjika fahatàny, na ho any na tsy ho any. Isaky ny misy tranga tsy zakan’ny ati-dohanareo dia foronina daholo ity rehetra ity mba hisamborana olona. Noforonina ny bombe artisanale teny amin’ny marais masy ( tsy nahay ny namorona an’iny fa tsy misy trace akory anie teny e ! ), …sns… Izao indray dia foronina ny raharaha RANJEVA satria tena ati-doha ireny ka atahoranareo. Tsy mitovy aminareo manko ireny olona ireny, satria ny anareo dia mifanakaiky ny loha sy ny fitombenanareo ka mifangaro ny tsy tokony hifangaro rehetra. Tsy mahagaga izany.
    Na dia ny fampanantenana nataonareo ho anareo teny amin’ny 13 Mai aza dia tsy vitanareo akory.
    Mazava be ankehitriny fa nitady izay hamenoana ny paosinareo ianareo taloha, nefa tsy afaka. Ka aleo nahongana ny teo. Ry Sareraka avy no lasa manana fiara Hummer nefa na ny patalohany aza dia tsy voazaitrany ny lavaka taloha ( menatra angamba ilay i Sareraka io ka nasiana soratra toy izao ny fiarany : « Herim-po fa tsy bois de rose » ). Ka izay olona rehetra mitady hanakana anareo amin’izany dia samborina.
    Fantatry Rabe ve ny dikan’izany rehetra izany ? Efa manomboka ny farany ho anareo leroa a !

  16. Izaho indray aloha ry Brandon, tsy mba olana amiko INTSONY ilay mi-critiquer an’ireo foza ireo.
    Ny tena olana amiko dia mamantatra hoe :

    – Rahoviana ny Fifidianana ary
    – Iza no olona mahamay an’ireo foza ireo ho fidiana ???

    Raha tafiditra ho fidiana i Dada, dia Dada no tsy maintsy ho voafidy….
    Ary raha tsy tafiditra ho fidiana izy (Dada) ???

    – I Domelina efa tsy miditra ary i Deba efa tsy lasa
    – i Roindefo tsy akaman’ny foza LOATRA
    – Roland Ratsiraka ve ?
    – sa Rajaonarivelo ?
    sa misy mpangery an-joro hafa koa ???
    – i Pr Ranjeva efa ataon’ireo izay tsy hatafiditra azy ao amin’ny Fifidianana
    – i Zafy efa tsy lasa
    – i Mangalaza eny amin’ny sisiny loatra
    – i Beriziky tsy kaoty
    Ka iza amin’ireo no olon’ny frantsay ???

    Izany angamba izao no tsara jerena sa ahoana ?
    Taona maromaro isika vao tafavoaka raha vao Tsy i Dada no miverina …ary tena taona maro mihitsy .

  17. Nihoso-menaka sy niloloha lamba indray izany ry RABE sy ny tariny handreseny @ io zavatra io ?
    Tena MPAM’M mivoaka antoandro mihitsy ireo k’leaza a !!!

  18. Ny farany nodradrainareo ry BRANDON defa nanomboka ta@ 2009 nampiongana an-dRainareo a! zany woe, ny définition n’ny farany aminareo defa ho telo taona mahery izay zany woe, tsy misy farany.
    Mazava be, ary efa nanazava foana aho, fa noho ny fikatsoan’ny famatsiam-bola avy any ivelany zay 70% n’ny fampandehanana ny ekonomia gasy, no niteraka izao krizy sy fahantram-bahoaka izao. Ny tena nampihaiky ahy an-dRaosy aloha, aleo manetry tena, de ny fahaizany namadika ny démission-ny ho lasa coup d’état, ary ilay minisitry ny défense vehivan-dRaosy iny, rehefa noteren-dRaosy hanome baiko, hitifitra ny manifestants t@ 7 Fév, de tsy nanaiky ka nametra-pialana, ary nanoro hevitra an-dRaosy mba hametra-pialana madiodio tsisy rà mandriaka, de iny fa nasehon-dRaosy marina ny maha sanguinaire azy araka le woe tsapao ny heriko, ary io de porofo mitohaka @ tenda tsy azonareo lavina na hiala-bala ahoana aza nareo. Tsy mahagaga koa moa ny fandosirany tampoka2 ireny, fa ny mpanao ratsy ihany no mahana.
    Lohalaharana tamin’ireny fanohanana an-dRaosy ireny ary hatramin’izao, de mbola manao takalon’aina ny vahoaka malagasy @ fiblokena ny famatsiam-bola ny Amerikana. Tsy de atao mahagaga izany, fa ny voay tsy hihinana ny zanany izany, kanefa mivoatra sy mihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena.
    Izany antony rehetra izany ry hoAiza, no niteraka izao krizy mafy izao. Sahy hiteny ve nareo zanak’idada ireo, fa raha nivaha io famatsiam-bola io tao anatin’izao tetezamita izao, ho toy izao ny hiafaran’i Mada.
    Raha ny tenako manokana de tena mbola mi-chapeau @ Zandry, fa raha izay ankivy ara-toekarena nampiharin’ny CI telo taona mahery an’i Mada izay, izay sazy atahoran’ny mpitondra maneran-tany defa tokony ho mitovy an’i Somalie i Mada, kanefa na ny banque mondiale aza de miaiky @ rapport-ny ny fahaizan’ny fanjakana mitantana zay eo an-tanany, ny mbola fahafan’ny fanjakana manilika ny trosa zay nolovaina tamin-dRaosy sy ny ireo tranainy telo namany. Ekena fa nikirakira sy nilalao vola Raosy, fa iza zao no mibaby sy manilika ny trosa amin’izany, tsy ny taranaka faramandimby?
    Zany woe, azo atao ny mampandeha ny raharaham-pirenena, na de tsy mitrosa aza, fa ny mety de ny mampiditra mpampaisa vola, hamapandeha ny sehatra rehetra hamoronana asa, ary noho ny tarazo zay navelan’ireo prezida telolahy tranainy ireo, de tsy afaka midiovitra amin’izany famatsiam-bola ivelany izany Mada aloha, de ny maika, de ny hivahan’ny krizy aloha, sy ny firosoana haingana @ fifidianana.
    Faly ianareo, raha mbola hijaly sy ho krizy lava ny firenena. Mazava be, raha tsy mahay afa-tsy ny hitanisa ny vokatr’izao krizy zao nareo, handotoana ny mpitondra, fa ny vahoaka malagasy de mbola mahari-pery, ary mbola manantena ny fivahan’izao krizy izao. Mbola hitany Rajoelina, fa mahatsangan-javatra zay tsy vitan-dRaosy teo @ fikirakirany volabe, mbola manantena an’i Andry ny vahoaka, ary mahita ny atidoha ratsinareo, hamingana sy hampikatso lava izay vahaolona atolotra, hany ka tsy mahazaka olona afa-tsy le sinema fitsenana be, fa na Rajoelina, na Deba, de mba nahavory olona be koa nitsena azy. Fa tsy atao mampidehaka ireny, fa raha tena lehilahy, de mamoria olona hiaka-dapa, fa nareo ao amin’ny MAGRO maimbokely ireo ihany no tena mihaino anareo, isan’andro ao, de izay ianareo no tokony hitsara tena, fa tsy crédible velively @ vahoaka izany, ary io crédibilité io no tena problemabeanareo, fa wawawa sy alahelon-kanin’ny very asa t@ tiko no betsaka eto. De nareo milaza fa efa akaiky ny faran-dRajoelina, zahay kosa sahy milaza, fa HIFARANA AMIN’ITY 2012 ITY NY KRIZY, koa isaorana ny vahoaka malagasy, hendry sy misaina ary mandinika ka tsy azon-dRaosy sy ny taranany harebireby intsony, satria efa havalon’ny tantara tanteraka izy, fa fiovana no tadiavin’ny vahoaka, ka tsy ho sanatria tsy ho fangerin’alika ka ny avo sy ny voky efa nandrezatra otran-dRaosy, no mbola hatavezina indray. De mampamangy an-dRBAININA sesitany ao Atsimotsimo ao e! lazao aminy fa na ho vy na ho vato, raha mbola eo am-pelatanan’ny Zandrinay ny pouvoir, de mazotoa hono mitazana @ masolavitra avy eo Le Cap an’i Katsepy woe!

  19. Brandon
    Efa henoko koa io « herim-po fa tsy bois de rose  » io,hay daban’i Sareraka io ?toa mahana tsy henjehana???
    gaga koa mantsy aho raha fiaran’ olona tsotra no nisy io soratra io ka tsy ho ho azon’ny HATSOJAY?? jereo
    aza itony ry Ingahy Ranjeva??? tsy henatra tsy tahotra,efa mivoaka hatr@ tsinaimaintsy fa tsy miboridana intsony.

    Arakaraka ny handroahanao an’io no vao maika hidongizinany eo ry Josefa,ka aleo ho eo fa mahatsara zavatra ihany ny
    hadalany.

  20. Mahalatsaka koa dà ity kah!,taitra aho hoe fa iza koa izany???
    Heveriko fa i Eric Tahiana???dia gaga aho??Tena hainy tsara kosa ilay hira kah!!

  21. Tandremo Baby fa mahery mitsambikina be ireny cangourou ireny an!!
    Dia ny henany tsy dia tsara fa maheri2 hafahafa izay,akoho gasy ihany
    hatao sakafo iny matsiro sady ………mmmmnnnnnnn!!!! sa tsy misy any???sė koa lava tongotra loatra
    dia hoana raha tonga eo izao i Dada??sė aryy Australie vao hiazakazaka??taraika be eo an!!!
    Mahavità izay hatao kamboko e!!dia jerijereo fa aza avela hangina ny seraserantsika ity.
    Mazotoa e!

  22. Fa inona indray ary ity lazainao ry Bavy ? « Nahalatsaka » ahoana ? Mahatsikaiky ianao ity an !

    Ireny 4×4 an’i Sareraka ireny anie ilay angalarina AN-KERINY DIA OVAINA taratasy eny Iavoloha e.
    Entre parenthese ity fa Iavoloha anie ka Mavoloha no tena izy e ! hi hi hi ! Deba no nanova azy dia hoe : Iavoloha hono ! Maivan-doha no tena izy e ! 😉

    Bon !! vaovao hafa !
    i LtCl Charles hono averina Didiana any Frantsa any , fa tsy vitan-dr’izalahy ao la Reunion ! Ka atao ahoana ? Avela tsy vangiana ilaina hanao Temoin, moa vangiana , nahavanon-doza ihany !
    Tsy misy mandeha amin’ny laoniny oa ny eto Dago !
    Ao ny Mivadika manova aplitao
    ao koa ny Mpivarotra Tanindrazana
    ao koa ny mpangery an(joro
    ao ny tsy mijinjo vody andro merika
    ao ny mpisolelaka vozongo

    Mbola misy mpanohana ihany !!!
    Ny vahoaka efa tsy mihinan-kanina intsony mbola enjehina ihany
    Ao ny tsaraina amin’ny zavatra tsy mikasika azy
    Ao ny miseho azy ho mpanao politika
    …..
    ….etc…etc
    Ny polisy
    Ny zandary
    Ny mpamono olona
    ny Mpangalatra
    ny mpisoloky
    ny mpanolana anefa arovan’i Zana-kisoa satria fianakavian’i Domelina (tena marina io, fa mandehana any Ambatolampy dia anontanio ny olona ao )
    ny miaramila atao jeneraly amin’ny tsy antony
    ny Ministra – ny Direktera – ny sefo serivisy

  23. Njara! Tanalahy daholo e fa tsy foza intsony mbola hiady an-trano ao.Ny antsika miroso ny dia satria izany tsy maintsy hisy fihaonana izy efa-dahy arahin’ny SADC maso di aho hita eo na ahitsy ny tondro zotra voalohany na soloina tanteraka.Miandry ihany koa ny hevitr’i Dadatoa Sammy.

    http://youtu.be/OWT1MLH4oH0

  24. Iza indray ity dadatoa Sammy ry dà???dia inona ilay hevitra ho entiny???
    Tsy hitanareo angaha ity zanakisoa fa izy indray no mba nidingina ery fa
    tratra tany @ far’hatony?? aleo hono tsy miteny! angaha?????

    Hitanao ry Bemafohy fa efa miala olana sahady ry foza @’ilay lalâna famotsoran-keloka fa tsy ho voatery ho tratrarina hono
    io fotoana nomen’i SADC io fa mbola ho dinian’ny mpahay lalàna foza ho hamboamboarina indray @’izay mahametimety an’i
    domelina sy ny renikely angaha.Dia etsy an-daniny indray anefa ireto efa be hatoka mandondona ny fifidianana fa mijaly hono
    ny vahoaka????noho ny nataon’iza??alefaso haingana ny fifidianana hangalarana dia ny mbola tsy tafody koa i dada.TSIVALAHARA!!

  25. Tapatapaka kosa rangah ilay hira fa maninona ary??
    Bavy nefa mba saika haka fy ery, aleo aloha mindry kely angamba,
    mbola vao mafana koa angamba ilay kapila kah!vao nilatsaka teo.

  26. Dadatoa Sammy ange ry Be kintana satria mitady ny hampiharana ny demokrasia ao Mada ny amerikana ka tian-dry zareo hirotsaka ho fidina daholo na i Dada na i TGV fa i reny malala tsy mankasitraka ny hirotsahan’izy roalahy.Izany hoe i Domelina dia efa itadiavana solony amin-dry zareo vozongo kanefa iza Roindefo na any atsimo aza tsy hifify azy, i Roland Ratsiraka ao Toamasina ihany.I Fetison tsy lasa.Ny fieritreretako azy dia nandramany i Pr Ranjeva fa nahay niala izy dia tsy misy dia atao izay hahaela ny raharaha satria tsy mahita asolo an’i Domelina.
    Efa hain’ny SADC sy UE no paikan’i reny malala fa raha mihemotra aza mety ho 2 herinandro.Ny fantatro dia amin’ny Novambra ny fifidianana, lasa ilay kely amin’ny Mai, dia hivondrona ny USA,UE,SADC hamaha ny olana haingana dia haingana.

    Ce n’est qu’une question de temps.

    Masina ny tanindrazana

  27. Bemafohy ,

    Ireto kosa ny Zavatra andrasako amin’ny MALAGASY :

    1)
    FIRAISAN-KINA atao antso avo ao amin’ny Magro ho an’ny Vondrona rehetra manohana an’i Dada.Manomboka amin’ny GTT-TIM-FRDL……VAMI…….
    2)
    Hanisy sarin’i Dada manerana ny Nosy

    Izao mbola tsy mivoaka izao ny vokatry ny Fifidianana any Frantsa no hanaovana an’izany !!!
    🙂
    Raha tsy misy izany, dia reska be daholo fotsiny ihany, ka izay manan-tsofina enga haheno, ary izay mahay mamaky aoka hanaparitaka ! 😉

  28. HIRA HO ANAO RY DADA !

    Miangavy mba henoy tsara re e!

    « Tsarovy fa ianao, mbola hifaly indray andro any
    Ny Lanitra tsy mba miangatra
    Tandrifin-drahona angamba ny anao  »

  29. Njara! efa nandefa io resaka sary io aho teo aloha.Fa raha ny vaovao hen etsy sy eroa aloha dia ny fihaonan’izy efa-dahy izay andraindrain’ny any ivelany sy antoko sasany ao an-toerana.
    Ny andrasana izao dia ny vokatry ny resak’i Mamy sy UE, ny SADC dia efa nanambara fa tokony hisy io fihaonam-be io(misaotra SADC) ary ny fiheveran’ny firaisan-ben’ny firenena ny soso-kevitra anolona ny tondro zotra voalohany.I Dadatoa Sammy efa miady ho antsika koa.Hatramin’izao aloha tsy misy asolon’i reny malala an’i tgv.Na Roland Ratsiraka na i Pierrot dia mbola tsy mahazo laza ohatran’i Dada na Ranjeva.I Roindefo dia tsy te-hiaraka amin’ny TGViste intsony.Tsy misy ahiahy ny amin’izany.Mandroso isika.

    NON à l’OIF

    http://youtu.be/9Cz_4eNDI7o

  30. Hay ve ??rehefa vita ny nilany an’i domelina dia tadiaviny ho i dada koa izany no ho ahilika
    miaraka @ domelina ohatry ny hoe miara-petsapetsa angaha i dada sy domelina?SANATRIA!!!!
    tena tsivalahara !Njara aza manahy ialahy ny @ dada fa mamy iny ary mbola mamim-bahoaka,
    volamena latsaka am-bovoka iny ka tsy maintsy HAMIRATRA foana na inona na inona hanosoram-potaka azy,
    ny ahy tsy any ny olana ,efa hain’ny olona tsara izany DADA izany ,fa ny FITAKIANA ny fodiany no tokony hamafisina mafy ary
    takiana andro aman’alina.Efa fantatr’izao tontolo izao fa mamim-bahoaka iny ka tsy hatahorana raha ny @’izay .

    Enga anie ka ho tandrifin-drahona ihany tokoa izao ry dà!!!ka hisinda ihany ary tsy ho ela intsony.

  31. Andeha kely hamboly any antsaha any aloha i Bavy ,hendry tsara daholo.
    Solo Razafy koa mbola malaina hanome vao2, dia aleo aloha hisintaka kely.

    Raha mba mbola ao ihany ianao ry Kintana dia mba mitenena na dia » OK » fotsiny aza a! manina anao ny akama
    rehetra ato e! izay fa mahereza dia miandry anao ny tanindrazana. Aza midongy moa e!!efa ato daholo ny bavy rehetra.

  32. Iza ary ilay TGViste niteny hoe:mandeha ny ao Mada.Tsy fitiavana an’i Dada no betsaka fa tsy misy analyse objective e.

    Mauvaise gouvernance : l’État a perdu 15 milliards d’Ariary
    Publié le Jeudi 22 mars 2012 à 11:16
    Les enseignants-chercheurs ont accumulé 10 mois de grève depuis l’année 2010. Une grève qui n’a que trop duré et qui a engendré une perte conséquente pour l’État, s’est plaint Hery Rajaonarimampianina, ministre des Finances est du Budget.

    15 milliard d’ariary, c’est le montant des pertes enregistrées par le régime de Transition à cause de la grève du SECES. Selon Hery Rajaonarimampianina, l’État a continué de payer les salaires des enseignants-chercheurs pendant les 10 mois de grève sans avoir obtenu les services pédagogiques en retour. Le grand argentier de la Transition a expliqué que le régime a pourtant fourni tous les efforts possibles pour résoudre les problèmes qui persistent dans les universités. Il déplore le fait que les membres du SECES de leur part, ne veuillent faire la moindre concession alors qu’il est question de l’avenir de milliers d’étudiants.

    La totalité des indemnités revendiquées par les enseignants-chercheurs s’élève à 800 000 Ariary. Aussi exorbitante que soit cette somme, il est juste de dire que la revendication du SECES est légitime, puisqu’il s’agit d’une promesse matérialisée dans le décret 2009-1215. Andry Rajoelina et sa troupe n’ont certainement pas eu la moindre idée des contraintes de la gouvernance avant d’initier leur coup d’État en 2009. Ces démagogies du régime s’expliquent également par un manque de confiance et un manque de crédibilité aux yeux des employés de l’État.

    En revenant à la perte de 15 milliards d’Ariary, on se demande pourquoi le régime a attendu 10 avant d’accéder à la revendication des enseignants-chercheurs. La somme de 4 milliards d’Ariary a été débloquée il y a quelques semaines pour payer les indemnités sujettes des revendications. Cela permettra de payer 650 000 Ariary sur les 800 000 Ariary revendiqués par le SECES. Le ministre des Finances et du Budget poursuit le marchandage sur les 150 000 Ariary restants pour un montant total de 2,268 milliards d’Ariary. Le compte se totalise à un peu plus de 6 milliards d’Ariary, la somme par laquelle le régime aurait pu s’acquitter de ses engagements, sauf que les dirigeants actuels ont préféré verser dans sa campagne de charme avec les projets mora et paiement des militaires.

  33. Raha mijery tsara ianareo dia tsy manoratra loatra i Rainitay satria kobo ny tetika entina handetehana an’i Mamy ; SATRIA RAHA I MAMY NO HANDETIKA AN’I dADA DIA LEVONA TOKOA NY TOLONA;

    Tsy niady ny tetika ka aleo mangina fa entin-driaka amin’izay !

    Na izany na tsy izany dia tsy maintsy MAILO isika amin’ny Fandehan’i Me Hanitra sy Mamy Rakotoarivelo. Tsy maintsy ao aorian’ireo isika mba tsy hivadi-dela izy ireo !
    Tsy miteniteny foana aho manoratra izany satria misy zavatra STY MAINTSY mbola jerevantsika ao ! 🙂

  34. Fa saika ho hataony ahoana marina i Mamy.R ry Njara ??
    Ary M Hanitra koa ankoatra ireo fanaratsiana azy sy Zafilahy ve
    mbola misy zavatra hafa koa???aoka rė mba tsy hino vavan’olona ry dà a! raha i Mamy.R dia hekeko
    fa misy rah tsy mazava ny aminy nefa tsy tena fantatra loatra hoe inona marina ???dia ny antony koa??

    Aoka rė ry Bemafohy ity fitanisana ny vola halatra nataon’i domelina fa mbola be lavitra noho ireo vola
    ireo ny fanimbazimbana ny HASINA izay VOAHOSIOSY ,dia ilay hasin’i Gasy tsy hatakalo ary tsy voavidy
    vola, ny fandripahana ireto BR izay mbola ho firy taomaty vao ahvokatra hazo toy ireny ary mbola mitohy
    izany hatr@’izao. Nidiran-doza ny firenena oah!!sendra izay voalavo tsy faka taranaka.

  35. Me Hanitra aloha dia mijanona ho anay e ! ilay hoe « anay » izay handraisanreo azy 😀

    Ity misy hira mamay be ho an’ilay mahatsiaro ny mariaziny e ! 😉

  36. K’inona no mampiasa loha fa efa mijanona ho antsika izy e?? antsika iny!!
    tsy hamidy tsy hatakalo .Tsy mampino ahy koa aloha e! i Mamy .R aza
    mety ho tratry ny hantsojay angamba (enga anie) fa raha i M.Hanitra ???madio ny heritreritro.

    Tena mahatsiaro be an’ilay andro iray toa zato ve dà??dia tazony foana iny fitiavana t@’iny andro iny.
    Vao maika aza masahana isanandro, dia ho tokatrano sambatra ilay tokatrano.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *