Fitsarana ny FIGN : Nahemotra amin’ny manaraka indray

Taorian’ny fandalovan’ny raharaha Bani, teny anivon’ny fitsarana Anosy tao anatin’ny telo andro, dia ny raharaha FIGN indray no nandalo fitsarana. Tokony ho tamin’ny 8ora sy 30mn no nanomboka ny fitsarana androany Alakamisy 22 Martsa 2012.. Vao nanomboka kely anefa izany dia nisintona ny fitsarana. Rehefa niverina indray anefa dia avy hatrany dia nilaza ny mpitsara fa ahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fitsarana ity raharaha ity. Nanambara ny iray tamin’ireo mpisolovava ny voapanga fa tsy izy ireo no nangataka ny anemorana izany fa ny fitsarana ady heloka be vava. Nangataka ireo mpisolovava ny ahazoan’ireo voapanga izay any am-ponja fahafahana vonjy maika, saingy nolavin’ny fitsarana izany. Teo ihany koa ny fangatahana ny hisehoan’ireo manamboninahitra telo toy ny jeneraly Ravalomanana Richard, Razafindrakoto Bruno, ny avy ao amin’ny Bianco eny amin’ny fitsarana. Nahatratra 39 ireo olona voakasika amin’ity raharaha Fign ity, ka ahitana sivily sy zandary. Ny 25 tamin’ireo ihany anefa no tonga niatrika ny fitsarana androany.Anisan’ny vesatra iapangana azy ireo moa ny fitarihana olona hiady, ny faniratsirana mpitandro filaminana, ny fikomiana. Tsiahivina fa ny 20 Mai 2010 no nitranga ny raharaha teny Andrainarivo. Nisy ny fiantsoana ny olona nataon’ny Fign tamin’io fotoana io ho tonga teny an-toerana, ka ry zareo Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, no saika hanatontosa fotoam-pivavahana. Noravan’ny Emmoreg izany tamin’ny alalan’ny fanafihana ny tobin’ny zandary teny an-toerana. Mbola tantara mitohy

7 réflexions sur « Fitsarana ny FIGN : Nahemotra amin’ny manaraka indray »

  1. Fitsarana kitoatoa !!! Izany ve no mba nanaovana grevy ???? maivana be !!!

    Izao valin’ny Fitsaràna izao dia MIASA ho an’ny Foza ihany ry adala isany a !
    Hisehoana eo imason’ny SADEC sy ny CI fotsiny hoe EFA MITSARA ireo miaramila ireo izahay ho mariky ny fanarahana Tondro-Zotra !
    Ka izao Fitsaràna izao tsy mifanaraka mihitsy amin’ny Fitakiana atao satria ny FITAKIANA atao dia
    TSY MAINTSY VOTSORINA DAHOLO ireo Gadra politika sy miaramila !
    ary i Charles dia Gadra Politika sy Gadra miaramila ! Tsy tokony hiditra amin’ny Fitsaràna sivily mihitsy .

    TSY MISY MANDEHA @ LAONINY ny raharaham-pirenena fa adin’ny Jamba sy Foza ary be VAZAHA fotsiny no ao !

  2. Fitsara-poza e! tsy mahagaga!!ny tahotra no betsaka ka vao maika
    mianjaanja hitam-poko hitan’izao tontolo izao ny hagegen-drakirisy sy domelina.

  3. DU FAIT DE LA RECONNAISSANCE INTERNATIONALE DE CHRISTINE RAZANAMAHASOA ET RAJOELINA ANDRO les représentations diplomatiques desertent Madagascar ,sauf l’ambassade de France s’incruste entre les jambes de Rajoelina .

  4. L’Allemagne a déja annoncé la fermeture de son consulat avant la nomination de Beriziky.
    Par ailleurs, la banque mondiale a finalement cédé à la pression américaine.Donc,la reconnaissance internalionale n’est pas encore acquise mais la HAT joue la carte souveraineté nationale.
    Parallèlement, il faut se rappeller les étapes par lesquelles la transition est passé: deux candidats à la primature qui étaient  » achetés » par la France.On se demande toujours comment les employés elyséens a pu obtenir le numéro de portable de Botozaza pour avoir eu des contacts avec lui.Il y a un traitre dans l’entourage de Dada comme dans l’entourage de Zafy.On ne donne pas son numéro de portable à n’importe qui.Dada devrait passer en revue son équipe car par exemple Olga Ramalason a demandé à la CI de reconnaitre la HAT lors de son passage en Suisse.
    Si la HAT avait eu la reconaissance internationale, les robinets seraient ouverts même pour les projets bilatéraux.Ce que je constate, les ambassadeurs suivants n’ont pas envoyé des représentants aux cérémonies de présentation des voeux qui a duré quatre jours.Ils ont même pas trouvé deux heures pour honorer l’invitation de TGV:Suisse,Norvège,Inde, Libye et Turquie.
    Enfin, une station radio pro-TGV a reconnu qu’il n’y aurait pas la reconnaissance internationale si Dada ne revenait pas.Mais il faut se dire une chose lemonde ne bougera pas pour nous si on ne bouge pas nous-même.Alors, à nous de voir.

  5. Ary lasa rano fotsiny ny 12 milliards nafafin-dRaosy tamin’io affaire FIGN io. Ekena le woe tsisy zavatra tsy vitan’ny vola, fa itony 12 milliards itony de rano atondraka an-damosin’ny gisa fotsiny. Tsy ivakiany loha koa moa fa ny vola misy, fa ny handaniana azy no tsy hay, hoy lay be je suis izay, de io, atao fafikatrana io, satria tsy vola nisasarana, fa nangalarina maimaim-poana.
    Na bekintana woa, na Rainiboto, ry Norvège, efa mazava be ny position n’ireny, fa saika nitana andraikitra ambony tao an-dapan-dRaosy ny ankabeazany. Tsy atao mahagaga izany, ary raha lasa ny mamba, misosoka ny voay, toy ny KELIMASO, zay ho 1ère puissance mondiale atsy ho atsy, ary iza no tsy mandohalika eo anoloany raha ara ekonomia no resahana, eny fa na de ry Bekintantana sy ny UE aza. Mbola mazava be ny fanantenana, matoa tsy miala ny SADEC, ny NU, Lafrantsa, OIF …sns, fa aza miteniteny foana ry Njara sy ry Bemafohy, de io le woe aza miady zay efa aNJARAn’olo, fa zay tetika hodian-dRainareo ketrehana tsara, ny antony de BE ny FOHY fisainana, ka tantaRA NAVALONA ny fotoana sisa no aboraboraka eto ry SOLO raZAFY, zay antidahy mirediredy sisa no fiheveran’ny gasy azy, tratran’ny alahelo seza sy ny retour d’âge de ireny ve no mba ametrahana fanantenana. ZAFY ane ry Solo Razafy tsy manisy teny zay fodian-dRainareo zany e! nampiasainy fotsiny ny 3 mouvs mba haha crédible azy, fa hiatsarany velatsihy fotsiny nareo, fa iny no tsy nankatoa an-dRaosy ho prezida hatramin’ny nametran-dRaosy fialana teo @ fitondrana. Tsotra ny antony, @ maha MERINA azy no tsy hitiavany an-dRaosy sy Zandrinay hitondra an’i Mada, fa diversion sy resa-be fotsiny ny ambadik’izay. Ary marina tsy azo lavina io fo nataony fitaovana fotsiny ianareo @ maha sagnagna anareo mianakavy. Mba menatra woa rehefa ataon’olona sagnagna izany. De Raosy no te ho saro-tahotra @zay niketrika nanongana azy, ka ny vahoaka no notifitifirina fahatany, fa tsy izay hevirina ho ati-doha nikotrika no nosamborina. De zay no maha favy be an’ny Zandrinay, fa zay mikitikitika azy, na jeneraly io, na kolonely, na professeur malaza eran-tany, de amboariny tsara; ary tsy hananany tahotra na de kely aza, eny fa na de lay ex prezida n’ny repoblika aza, de namboariny raha vao nikitikitika ny Radio-ny fotsiny. Zany le woe, mikitikitika vodin-tsoavaly. Henjana lay jeune kely io ka! Tsy maneva an-dRaosy reny mihitsy ny ho filoham-pirenena izany, fa raha vao misetra zava-mahery kely, de mandositra. Be hambo kanefa kely say rehefa tairina. De alefaso ndray ny ozonozona sy ny mbola ho avy ny anla, fa zay sisa no azo averim-berina eto. Rabe koa tahaka an’i Andry, tsy matahotra basy mipoaka. Koa raha tsy Rainivoanjo mpandosi-dava koa…!

  6. Ataovy lavalava kokoa noho ny an’ny olona no lazaina Rabefoza @ zay mitomba hatrany ny fitadiava’ny Malagasty ny hiverenan’ny Filoha nofidiany hangana à!

  7. Cette semaine du 19 mars est pleined’actes indécents de la Justice ,diligentés par la Ministre de la Justice , téléphonée , éxigée par rajoelina…
    Ces officiers supérieurs qui se sont réunis à la BANI ont eu une crise de patriotisme de patriotisme ,après avoir commis le coup d’état pour certains ,et ont voulu ,en vertu de la consensualité (teny ifampierana ) et de l’inclusivité ( firaisana tsy misy fanavahana )mener une action de pacification…!
    Mais pour rajoelina , réunion de militaires signifie contestation / protestation/rebellion contre le pouvoir en place..Alors il dépêché le cemgam ,son petit chien ,pour empêcher la réunion ,interdire aux chefs de corps -qui s’y rendent- de les rejoindre ,et arrêter les participants à cette réunion..
    Un camion les a attendus à l’entrée de la base et les participants à la réunion ont été embarqués sur ordre du cemgam..!
    Et ils ont été jugés et condamnés hier le 22 mars courant..

    A bien examiner ces officiers supérieurs ont participé comme ndrianarijaona , le cemgam et comme rajoelina, à la réalisation du coup d’état..!
    L’examen objectif de la situation est inacceptable..
    1)voilà des officiers supérieurs qui ont participé au coup d’état , au profit de rajoelina chef des putchistes
    2) le cemgam ,de même , a participé à ce coup d’état est libre et se permet de « ramasser ces collègues « et ne se gêne pas de les livrer aux autorités judiciaires
    3)rajoelina,qui est le chef des putchistes ,distribue les sanctions ,les condamnations avec des peines lourdes..

    Que signifie toutes ces parodies de Justice ?

    Le seul but est de faire taire ces participants – témoins du coup d’état.., donc ces simagrees servent à ptotéger rajoelina ..
    Mais le colonel Andrianasoavina , actuellement hospitalisé ,a laissé des dénonciations écrites…, publiées sur internet.., à la possession de nombreuses personnalités dont le Président RAVALOMANANA MARC ,qui a porté plainte sur la foi des lettres écrites par le Colonel Andrianasoavina..
    Le but de protéger rajoelina ne rime à rien..

    Les dispositions de nombreux articles de la feuille de route
    interdisent toute arrestation politique ( ce qui est le cas de la BANI et du FIGN )..
    Aussi le premier ministre Beriziky qui a crié haut et fort que la feuille de route est son patron ,pourqoui il a baissé culotte devant la ministre de la justice , pourquoi s’est-il laissé entrainer pour la tenue de ces procès contre la loi-la feuille de route a été adoptée comme loi -?

    La SADC ,dans son mémorandum ,est à prori contre ces procès qui vont à l’encontre de ce qui a été décidé lors des réunions avec les experts juridiques internationaux !

    Bref , rajoelina et les français cherchent toujours à gagner du temps..car actuellement ,au lieu de s’occuper de la loi d’amnistie qui doit être prête le 29 mars courant , les trois institutions (gouvernement ,CT , CST..)ne s’en préoccupent pas car ils attendent que le gouvernement -Berziky ou la hat-rajoelina leur envoie le mémorandum à étudier.

    POUR TOUS LES MALGACHES ,RIEN ,RIEN NE VA PLUS DANS CE PAYS ,
    DEVENU LE JOUET D’UN IMBECILE HEUREUX !

    IL ME SEMBLE QUAND MEME QUE LES CONDITIONS D’UNE DEFLAGRATION SONT REMPLIES !
    QUI ALLUMERA LA MECHE ?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *