Rakotomandimby Zafilahy : Kely sisa dia ho tonga i Dada !

Magro 13 martsa 12 (16)

Rehefa avy nanao fitsidiham-paritra tany Vavatenina,tao anatin’ny roa herinandro teo ho eo ny filoha lefitry ny CT Rakotomandimby Zafilahy Stanislas, dia nanao tatitra tamin’ny vahoaka mpitolona tetsy amin’ny kianjan’ny finoana Behoririka androany. Fifampiarahabana tratry ny taona izay nokarakaraintsika no natao tany an-toerana, ary fisehoana tamin’ny vahoaka ihany koahoy izy. Ny zavamisy, hoy izy, dia mbola ao tanteraka ny fitiavan’ny olona ny filoha Ravalomanana. Ny zavatra henony tamin’ny Radio sy Telé dia matahotra sy miahiahy izy ireo. Nitondranay ny sarin’i Dada avy aty Antananarivo ny vahoaka tany ka nilaza fa ahy ve mbola misy itony ihany any. Nanomboka ny 26 janoary 2009, ka hatramin’izao fotoana izao, no nitondrana fanazavana hoy Zafilahy, ka ny masoandro maty no nampalahelo. Niaiky izy ireo ary niteny hoe tohizonareo fa izahay dia decidé rehefa paré ianareo. Nambaran’ity olomboatendry ity, ihany koa fa tsy fotoanan’ny fifanomezantsiny izao fa fotoanan’ny fifankatiavana. Ny any amin’ny faritra, hoy izy, dia manantena antsika rehetra.Fotoana kely sisa dia ho tonga ny filoha Ravalomanana, ka mila atambatra ny hery.Namafisiny ihany koa, ny efa voalazany teny an-kianja ny amin’ny hoe tsy azo iateherana intsony Rajoelina. Mihetsika ny atsy dia mamono afo fotsiny. Porofo hoy ity mpanao politika ity, fa Rajoelina tsy izy, fa izao tontolo izao aza efa miaiky fa ny filoha Ravalomanana ihany,noho izany dia tsy maintsy miala ny tenany. Mikasika ny amnistia kosa dia nilaza Zafilahy fa ny fanontaniana mipetraka amintsika dia ny hoe ahazo izany ve ny filoha Ravalomanana ? Efa nambarako teto, hoy izy, fa avelao hiketrika izay ketrehiny ry zalahy fa ho avy ny manampahaizana avy amin’ny Sadc.
 Omaly Rajoelina dia niteny fa izy no nanafatra ireo. Menamenatra ialahy, hoy izy,, fa tsy nisy inona natao. Momba ny fahanginan’ny Dada dia nambarany fa rehefa mandray andraikitra ny Sadc dia aleony mangina sao lazaina indray fa voavidin’ny filoha.  Miangavy an-tanandro ireo fianakaviana nanana havana natao kitoza tamin’ny 26 janoary 2009, ity filoha lefitry ny CT ity, mba ho tonga eny amin’ny foiben’ny TIM eny Ampandrana manomboka rahampitso. Hanao fitoriana mikasika iny raharaha iny isika, hoy izy, satria Dada foana no ampangana fa namono olona. Alefantsika any amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany fitoriana izany. Nananafatra ny vahoaka ny tenany mba ho toga maro eny ankianja rahampitso satria efa tonga eto Andriamatoa Fransman.

11 pensées sur “Rakotomandimby Zafilahy : Kely sisa dia ho tonga i Dada !”

  1. Dia ho hita eo indray izany izay ho vokatra ho entin’ingahy Fransman.
    mety kosa izay adin’i dada izay aleo aloha hanao ny asany ny SADC.
    Izy koa olona mandinika fa tsy toa itony foza misidisidina tsy tonga aiza itony a! fankatoavana aza tsy azo
    ao antin’i 3 taona koa mba mitomany ho prėzdà !!foza orana oah ka tsy lasa lavitra e!

  2. tena ho avy dada!nahazo amnistia izy;mahandrasa tantana fa ho avy izy!dia ho avy tokoa!ora sisa andrasana dia hivoaka ny amnistia!anisany mahazo izy!andraso eo izy

  3. Pov Con!!!andrinay foana na rahoviana na rahoviana sitraky ny Zanahary aminy.
    TSY MILA AMNISTIA DADANAY.

  4. Tsy hoe mangina i Dada, fa tsy avelan’ny Sudaf hiresaka politika intsony raha mbola te hipetraka ao Afrika Atsimo, fa efa enta-mavesatra ho an’ny fitondrana Sud af.
    I zafilahy ary tsy sahy mamory vahoaka akory ao Vavatenina fa dia mampiesona mitsangana eo fotsiny, dia miesona daholo koa ianareo mianakavy.

  5. Toi le »tanora », tu te la ferme ! On n’a pas sonné chez toi ! Et va bouffer la m… des vazaha ! Mpangery an-joro ! Mpivarotra Tanindrazana !
    – Dommage que l’on doive se garder pour t’injurer mieux que ça !

    Ton Domelina ne vivra pas longtemps ! Une impression qui se confirme de plus en plus !

  6. Toa sorena be i Njara maheno izany, mba somary confirmeo am namanareo io Vaovao io ry Njara a. Fa efa tena sorena am dadanareo hono ange ny gouvernement Sud Af e, ary te hi debarasser an lery raha mbola be resaka politika, fa tsy mipetraka tsara hoatran’ny mpanofa trano.ry Fransman hody androany, ary tsy te hiresaka ny ra8 mihintsy izy, fa anareo samy malagasy no mifandam am zany. Amnistie sy election no mahamaika izao mba hialana malaky am krizy.

  7. Ry akama isany!! traingo indray ny MPAMS namafy DEVOLY t@ mpianatra, mazava hoa azy
    fa FOZA, ka norarana ny MPIANDRY tsy hanatanteraka ny asany fa VOATENITENY teo ny
    anaran’ilay olona tompon’ilay DEVOLY namelezany ireo MPIANATRA, io efa mpiseho matetika efa saiky manerana ny NOSY
    HATRAMIN’NY DOMELINA MPANOMPOSAMPY nitondra io fitondrana nangalarina io.
    Ny mahafaly ahy fotsiny dia tsy miteniteny foana isika eto fa MARINA FA TENA MPAMOSAVY MPANOMPOSAMPY ireo FOZA
    ireo ary izany no hifikirany eo fa tsy fantany fa mana-petra ny asan’ny satana.

  8. Hoy ny radio iray pro-TGV: tsy misy fankatoavana azo raha tsy i Dada no eo.Ka mahatoa i Dada mbola raisin’ny afrikanina tatsimo tsara dia fantany fa tsy voavaha ny olana satria any aminy ny fanalahidy.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *