Nivoitra nandritry ny fihaonana teny Mahatony izay misy ny foiben-toeran’ny fikambanana VOT( vondron’olon-tsotra manohana ny filoha Ravalomanana) nandritry ny roa andro, fa tsy misy vaha olana ivoahana amin’ny krizy  eto Madagasikara raha tsy tafaverina  ny filoha Ravalomanana.  Nahitana solontena avokoa ny faritra  samihafa teto amintsika, nandritry ny fihaonana teo amin’ireo mpandrindra  ny hetsika isam-paritra. Nivoitra nandritry  ny fihaonana fa mahantra symijaly ny vahoaka isam-paritra, satria tsy misy  intsony ny fandriampahalemana, miakatra andro aman’alina ny vidim-piainana, sahirana ny ray aman-dreny amin’ny fampidirana an-tsekoly ny mpianatra, manginy fotsiny ny fahoriana mianjady etsy sy eroa.

 

            Na izany aza anefa dia tsy hiditra amin’ny resaka pôlitika ny fikambanana, fa  ny fiainan’ny mponina amin’ny anakapobeny no imasoan’izy ireo. Ho an’ny mponina any amin’ny faritr’i  Mahabo Menabe ohatra dia tsy tafiditra an-tsekoly intsony ny zaza satria tsy manan-katao ny ray aman-dreny . Nanapa-kevitra ny fikambanana fa  tsy misy vahaolana eto Madagasikara raha tsy miverina an-tanindrazana Ravalomanana. Handray ny andraikitra tandrify azy ny tsirairay isam-paritra, ary hanazava amin’ny vahoaka ny tena zava-misy marina eto amin’ny firenena. Manaja ny foto-kevitra efa nijoroany ny VOT na ny vondron’olon-tsotra manohana ny filoha Ravalomanana, dia ny famerenana tsy misy fepetra ny filoha eto Madagasikara, ary hitantana indray ny firenena malagasy. Aorian’ny fihaonana teny Mahatony nandritry ny roa andro dia miankina amin’n toe-draharaha pôlitika eto amintsika no ahafantarana ny tohin’ny hetsika raha ny fanazavan’i Zôe Sarah izay mpandrindra ny VOT nasionaly.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

20 Comments

  • Bemafohy dit :

    Mankasitraka anareo vondrona ohatran’itony manohana an’i Dada.Tokony hiray hina isika ary hifankahery hatrany satria iray ny tanjona dia ny hanohizan’i Dada ny asany.Mahatsapa aho fa mihena ny isan’ny manoratra eto fa tiako ho tsipihana fa firenentsika io ary ny ho avin’ny taranaintsika no tolomana eto ka marina hoe mitarazoka ny raharaha fa tsy ny fialana amin’izao tolona izao no hampandrosony raharaha satria izay no tadiavin’ny fahavalo ka miangavy re arosoy ny hevitra ary atsipazo ny eritreritra mba hitady vahaolana amin’io krizy io isika mianakavy satria tsy ny réunionais na ny comoriens no hiady ho antsika fa isika ihany ka raiso ny penina ary vorio ny saina dia afindrafindrao sady tsy irery koa isika:

  • Njara dit :

    Mba fantatrao moa Bemafohy fa misy olona maromaro koa ao Paris izay namorona ny atao hoe COLLECTIF DE LA DIASPORA MALAGASY ???
    -
    Nu zavatra hitovizany amin’ity VOT ity dia :
    - Ny FITAKIANY NY FODIAN’I DADA ! ;)
    - MADAGASIKARA ho an’ny Malagasy
    - Ny FIAROVANA ny Harena ho an’ny Malagasy ihany koa !!!

  • verbeeck dit :

    Mankahery hatrany ary manohana izay mahita hevitra rehetra na @ fomba inn na @ fomba ahoana mba hivondrona hatrany @ ireo foto-kevitra voalazan’ny namana eo ambony ireo.

  • Bemafohy dit :

    Tsara mihintsy raha miaraka ny VOT sy io Collectif lazainao io ry Njara.Mba manantena an’ireo hanoratra eto.Araky ny filazan’i Verbbeck dia tokony fomba hivondronana satria ny hevitry ny maro mahataka-davitra.

  • KintanaMananDrambo dit :

    Nahazo an’ilay « flyer » ve ny vadinao ry Bemafohy ? Nandre aho mantsy fa misy tsy nahazo ireo izay nivory tao amin’ny rue de l’Isly farany teo, satria sarotra vakiana hono ny adiresy (sora-tanana) !
    Tokony mangataka an’io ny rehetra, mba hanamparitak’azy amin’ny rehetra, na gasy na vazaha ary na afaka mifidy na tsia !!
    Tsara ho fantatry ny rehetra ny zava-misy any Madagasikara !

  • Bemafohy dit :

    KM!tsy nahazo izy fa izy koa somary tara vao tonga tao.Nisoratra anarana tao izy ka raha mandefa e-mail ianareo dia ho voarainay.

  • Menalamba dit :

    Menalamba= nitolona niady t@ vazaha ho fanafohanana ny fanjanahantany.Nafana fo ary niady mafy.Nolazaina fa totakely izy t@ fotoan’androny, fa rehefa azo ny fahaleovantena dia nambara ho olo-manga izy!!! tsotra ny tiako hambara:raha resaka ambony latabatra foana no andrasana hampilamina ity raharaha ity tsy hilamina haingana izany ity, satria betsaka ny mahazo tombotsoa @ fampitarazohana azy io, sitrany ahay… aleo miongana rahampitso toy izay miongana anio…Amiko dia tsara alaina tahaka ny tolona rehetra niseho saiky nanerana ny faritra maro eran-tany ary nazahoana vokatra tsara, tsy alavitra akory ny nataon’ny vahoaka tatsy La Réunion,rehefa tsy zakan’ny olona intsony ny fidangan’ny vidi-piainana dia nitroatra izy, ary nahazo rariny ankehitriny, raha tsy manao hetsika mafy isika dia tsy henon’ny DOMELINA isany hoe marary anie ireto vahoaka ireto, koa aoka hisy hitsangana hitarika fa izay no vahaolana hitako fa ho haingana.

  • Njara dit :

    Na koa mba manisy tohiny ilay ttasy-tsisy-valiny……;)

  • ranavalona dit :

    Misaotra anareo rehetra mafana fo daholo,tena mbola taraiky kely aho
    fa tena miala tsiny be dia be,misy mahasahirana kely fa mitsidi2 eto ihany
    rehefa misy fotoana kely,tsy manary ny tolona aho SANATRIA an!izaho aza mba malahelo tsy eto.

    IZAHO KOA DIA MITAKY NY FIVERENAN’I DADANAY TSY MISY ARAKARAKA NA KIFENDROFENDRO
    fa avelao dadanay hody raha TENA MAFY BE KA SAHY MIFANANDRINA AMINY DAHOLO @ FIFIDIANANA.

  • verbeeck dit :

    Havondrony hevitra sy ny hery ry nama à!!! Tsy misy afa-tsy ireo Miaramila biby tsy mahalala tompo ireo no herin »ity DJ ity ary ireo no ampiasainy miaraka @ frantsay ka izay hevitra ho enti-miady zay no tokony hapoaka avy hatrany fa tena reraka ny Gasy mahantra!

  • Zo dit :

    Efa mivadika ny rasa.

    Tsy amelantsika raha tsy migadra radomelina sy ny tariny , mpamono olona, mpangalatra, mpanongam-panjakana, mpivarotra tanindrazana.
    Mitsangana ry tanora.

    Alefaso amin’izay ny grève générale. Samia mihetsika amin’izay.
    Tonga ny fotoana. Tonga ny fotoana. Tonga ny fotoana. fotoana izao. fotoana izao
    Ny mita be tsy lanin’ny mamba

  • Menalamba dit :

    Miombo-kevitra @ Zo aho, mita-be tsy lanin’ny Mamba,ny fiarahana ihany no ahafahana mamaha izao geja mahazo antsika izao, izay be no basy!!! amiko tsy vahaolana ny misandrahaka etsy sy eroa manao conference samihafa, raha mbola iray ihany ny tanjona,dia tokony mitambatra.Mpanaraka fotsiny za taloha fa tsy maharitra intsony ankehitriny dia mba mandroso izay hevitra mba tandrify ahy.

  • KintanaMananDrambo dit :

    Iza no hietsika eo ?
    Ny olona efa ramaka, naona sy tsy manan-kery intsony !! Tsy afaka mitsangana intsony !!
    Ny mpitarika tsy fantatra hoe iza na aiza ? Dia ahoana izany ?
    Niteny ny Filoha Ravalomanana hoe »hitanareo ny fihidirana dia tokony ho hitanareo ny fivoahana » !
    Noraisin’ny sasany araky ny fahitàny azy izany, dia nivaoka tokoa izy fa, toa varavarana fivoahana avy ao amin’ny Movansy no noraisin-dry zareo !

    Lany aoksizena ê ! Ho faty tsy ho ela ny afo !

  • ranavalona dit :

    Hatr’aty io ry Menalamba a!!fanavotana tanindrazana ity ka tsy misy bedy,
    mason-tsokona ka izay kely hananana no ahiratra e!

  • misajaona dit :

    Tokony nararaotin´ny vahoaka hanaovana rodobe sy sakoroka ny grevin´ny banque centrale, ary koa izao savorovoro ao amin´ny CAPSAT androany izao, satria efa sempotra ny foza mianakavy, raha izay nilatsaka andalam-be nampiseho ny hatezerany ny vahoaka , efa vita ny tantaraníreo jiolahim-botom-poza mpandromba firenena ireo,

  • ranavalona dit :

    Anhan!!!vao2 tsara! inona no nampisavorovoro ny CAPSAT izany????
    Efa fambara tsara izany e!!aoka isika tsy ho kivy fa tsy misy mankasitraka izao
    fitondram- boalavo izao eo,samy mikepoka izay azony,tsy ho voafehiny daholo ireo ary olona manana fianakaviana
    ivelan’io toby io daholo ireo miaramila ireo, ary mino koa aho fa tsy misy Gasy hankasitraka ireo tsotsoka ireo ao, afa
    tsy ny mpisolelaka mazava ho azy ka avelao hifanjevo ao.

  • Bemafohy dit :

    Mba tongava saina ry miaramila isany

  • Ziry Onésime dit :

    Mankasitraka ny fihetsikareo VOT izahay e!… NY tena tsara anefa dia ny andrindrana ny tolon’ny rehetra satria iray ihany ny tanjona, dia ny fiverenan’ny Filohantsika!… tsy maninona anefa izany raha tsapantsika fa mibanjina zavatra iray ihany isika!
    Mankahereza e!

  • Tanora dit :

    Efa hivoaka am krizy isika ry Vot a, raha miezaka hamita malaky io fifidianana io. Efa mitsangana io ny CENIT ary efa ao ny ekipanareo, Hihena ny hala-bato, tsy tahaka tam andron’ny de8. De8 kosa tokony hoavy hanefa ny sazy sahaza azy tamin’ny famonoan’olona izay nataony ary hanefa ireo volabe ny vahoaka malagasy izay nangalariny sy nalainy ankeriny mba hanatsarana ny sosialim-bahoaka.

  • ranavalona dit :

    Tonga soa Ziry a! ary taiza foana???hataoko fa……….?tsy haiko aloha e!!
    efa betsaka koa ny vao2 ato fa tongava daholo e!!marina mihintsy izany fa
    tokony ho hatambatra ny hery satria tanjona iray no kendrena, dia ny hamongatra ny foza mpisolelaka
    ny MPANJANAKA mpivarotra tanindrazana.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site