14 pensées sur “An-tsary Magro MILAY, 14 Aprily 2012”

  1. Na dia ho hataon’i Solo Razafy 1 Km aza ireo sary ireo dia tsy
    ahasolo VIDAKA iray mihintsy Marina e!!!mba tohizo rangaha ilay zavatra fa tssss!!!
    aza mba manao an’io moa e!!efa mba faly ery ilay anadahiko isany marina!dia ahoana indray izao io tsy
    misy vidaka io????jerem-potsiny toy ny tany nalavaina.
    Dia tsy maintsy hitokonaindray izany ???VIDEO!video!!video!!!ooooooooo!!!!!!!

  2. Tena ho avy amin’izay izahay hanamafy ny tolona fa hita izao ny rehana politika hataon’ny mpanao politika, ao amin’ny sehatra ny demokrasia (magro) no fotoana e,

  3. Asio video hatrany hoy izahay miaramijery ity site ity Solo Razafy a
    Mba te haheno ny tenin’ireo mpikabary ireo izahay fa ilainay . Izahay miaraka ireto dia mitolona ny hiverenenan’ny hasin’ny safidin’ny vahoaka izany na anatin’ny fitakiana ny hiverenan’i Filoha Ravalomanana satria nohosihosena teto ny Zon’olombelona
    Dia misaotr’e

  4. Isika sy iano ihany ity ry Rainibe no tena mpitaky Video eto.
    Mafy sofina be Solo Razafy indraindray an! fa dia maninona loatra ary???
    Tairo indray ny Grevy e! video!video!video!!!!!!!oooooo!!

  5. Mbola tsy maty ny vain’afo. Rivotra kely mitsoka dia may ny tanànan’i Rajoelina sy ny tariny.
    Fampitandremana fotsiny izany !

    Masina ny tanindrazana

  6. Tsy hitako loatra izay tokony hilazàna azy fa dia izao e:
    i Njara ihany no atao hoe Lemena MdR !!!

    Fa amin’ireto sary :
    Mba aiza :
    – Botozaza ? – Ihanta ? – Naika Eliane ?
    Mba misy manotrona an’i Mamy Rakotoarivelo sy Me Razafimanatsoa ve ireny ? Aiza no tsy ho maivana ny hery entin’i Rakotoarivelo ? Tokony mba omena hery sy Fampaherezany izy fa tsy enjehina raha vao mihetsika. Aiza ny Firaisan kina ry Mpitarika isany O ???
    – Ny Miaramila
    – Ny Resaka tokony ho atao amin’ireo Experts ny ONU ho avy
    – Ny fanaparitahana ny sarin’i Dada
    – Ny fanatonana ny Ankolafy Zafy izay tena mba nihezaka
    – Ny resaka tokony ho ataoa amin’i Beriziky
    – Ny kabary ery @ Magro.
    Tsy ho arak’i Rakotoarivelo daholo izany ka
    Antsonia ianareo

    HILAHATRA aorian’i Rakotoarivelo sy Me Hanitra, mba hanampy azy FA METY NY ATAONY na tsy ara-dalàna aza, fa maro ny zavatra sahanina. 😉
    – Ataovy maro ny fifandraisna amin’ny Ambassade ao an-tanàna e ! Hery iray lehibe io, indrindra amin’ny Min des Affaires Etrangeres Comoriennes, representant an’i SADEC.

    Sa ahoana ry KM ??? 😉 TSY MAINTSY MANORATRA KOSA IANAO KA !!!

  7. Efa hainay e!!fa midera ny fahatsoranao nanamafy fa « i Camille ihany no Vita alina »
    i Njara ihany no Lemena, izay mena mahazo!,sa ahoana????Hi!hi!hi!!!mapidelira koa dà!
    mangaraara ihany ny antsika e!!!tsy misy miafina.

    Iza indray no manenjika an’iza a??dia harahana iza a??hamafiso ny inona a???miasa mafy mihintsy dà fa toa misy
    Bė marenina anie e! miisatra be ilay zavatra e!!!tena mila tosika mafy.

  8. Ny mbola mba mahavelom-bolo aloha dia hipoka indray ny Kianja,
    Midika fa mbola ao ilay fanantenana fa tokony tsy hisy hiraviravy tanana.

  9. Tsy misy miditra amin’izany miady izany aky Ranavalona a ! Mba mafana ny fo dia aleo mivoaka ny hevitra.
    Ny anay sy KM efa mahazatra, fa samy manana ny hanitra ho azy hoy i HoAiza izay.
    Ny any hitovizana dia samy Tia TANTERAKA NY TANINDRAZANA, ka tsy mazaka vazivazy.
    Mifandamina eny ihany izahay e ! Sa ahoana KM ???!
    fa ity misy cadeau nalefan’olona tamiko !
    Samia mahay mifidy e !
    http://fr.mg40.mail.yahoo.com/ya/download?fid=Inbox&mid=2_0_0_1_17188_AHN1%2BFcAAFV7T4vvjwfSKnLPVw0&pid=2&tnef=&YY=1334575896302&file_name=1955812_fh003-madagascar%20esplanade%20Vincennes.jpg&appid=YahooMailNeo

    TSY MAINTSY MANDRESY NY TOLONA HOY IZY !

  10. Raha tsorina aloha ny resaka dia tena tsipaka am-bavafo mihitsy no nahazo an-dRavalo sy ny mpomba azy tamin’iny nahalany ny lalàna momba ny amnistie iny. Tena KO tanteraka mihitsy ry zareo satria nanantena ny handresy nefa tena montsana tenteraka. Azo ambara fa tena nokakerin’ny amboa kely tiany ihany ry zareo satria na ny Sadc aza izay nolelafin-dry zareo mihitsy dia toa tsy miraika amin-dry zareo intsony. Efa tsapan’ny Sadc tokoa manko fa tena olo-meloka tanteraka ingahy Ravalo, ary ny porofo rehetra dia mitohaka amin’ny tendany izay manmbara fa i Ravalo mihitsy no nanome baiko nampamono olona tamin’ny 09 février 2009. Tsy mendrika ny famotsoran-keloka izy hoy ireo Tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Sadc. Notsipihan’ireo olona ambony ao amin’ny Sadc nefa fa afaka mody ingahy Ravalo, miverina an-tanindrazana, saingy tsy maintsy miatrika ny fitsarana malagasy izy, ary tsy maintsy manaiky ny didm-pitsarana izay efa mipetraka momba izany. Naharihari’ireo Tompon’andrikitra ambony ao amin’ny Sadc àay fa tena mihoson-drà tokoa ny tanan’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc ka manan-jo feno ny fitsarana malagasy hampihatra ny sazy farany mafy indrindra. NySadc rahateo moa dia efa nanambara am-pahibemaso fa tsy manan-jo hitsabatsabaka amin’ny raharaham-pitsarana malagasy. Ny notsipihany dia ny hoe anjaran’ny fitsarana malagasy no manana fahefana feno hanasazy ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc sy handefa azy eny Tsiafahy raha ilaina izany. Koa hoy izahay amin-dry zanak’i dada hoe: « am-bava homana, tompoko, am-po mieritreritra. »

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *