39 pensées sur “An-tsary MILAY 28 Aprily 2012 !”

  1. Mampahonena ry zareo â !
    Lahy sy vehivavy antitra ireny ve no henjehina sy fafazana klimôzena ?
    Sary faha 20, toa olona efa tapa-tsandry no hanamparan-dry foza ny heriny ? Mba aiza ny Kung Fu amin’izao ?
    Ary iza io mitsirara eo amin’ny arabe io (sary faha 4 ) ??? Tokony ataon’Andriamanitra tahaka an’io daholo ny mpanongam-panjakàna !!

  2. Ary tsy azoko antsaina mihintsy ,hay moa foza orana io!!efa tena donto
    aho ry Kintana a! vonton’alahelo fa na izany aza taolana ny nify ka NIHOMEHY
    ihany aho nahita ilay foza orana nitsirara teo afovoan’ny arabe.

  3. Mbola aiza ny hahazo woa raha mitetateta. Tsy manan-tsaina afa-tsy ny handrava ny zavatra efa mandeha ho any @ fifidianana. Donto sy kely say raitrano woa! inona ny résultat? Zéro manatody! Merci R-BOMBE!

  4. Mandeha be ny resaka fa ry Maihol – « l’homme au complet gris » – Rasolosoa – no tomponandraikitra tamin’ny NAMONO an’ Jeneraly de Division RAMANANARIVO Claude.
    Ary ity no sefo be : http://tambatra.free.fr/ico/pety.jpg

    Hanao fikarohana no mety . Fa tsy hagaga ahy raha marina izany. Ny resaka efa mandeha aloha dia mikarakara coup d’etat koa ireo.

  5. Fifidianana inona no mba tadiavinareo sy ny foza Rabe a ? Radomelina anie tsy misy mpitia eto Madagasikara e ! Mankanesa any Diana, Sava, Vatovavy Fitovinany, Analamanga, sns. Mba manaova sondage e! Raha mahay sy sahy.
    Ravalomanana no lany eo. Premier tour indray dia vita ! Tsy sahinareo averina tsotra Ravalomanana ka. Matahotra mafy ianareo. Aza hadinoina ny tenin’ny FAT tao Ambohitsorohitra vao tsy ela akory izay : mety tena tsy ho lany tokoa aho, hoy ilay zaza.
    Ka haitraitran-jaza, hoy aho no manjaka eto. Efa miala aina e ! Vao manomboka ny ahazo anareo e !

  6. Beriziky serait susceptible d’etre limogé par la Dictature rajoelina !

    Le pasteur Maihol- « l »Homme au complet gris (un colonel maintenant)- le Jeneral en etraite Rasolosoa aurait été commandés par Pety Rakotoniaina pour les meurtres du General de Divison et de sa famille. A verifier rapidement !!!

  7. Oudray ! Faly ery RABE @ ireto sary satria DONTO ! Tsy azony fa ireo sary ireo dia komplemà ilain’ny Legalistes hitsarana ny FOZA rehetra !!!

    Alefaso indray DADA ny anonsy @ fahatongavanao a ! Aza avela hahazo REPY ireo tsy valahara ireo mandrapahafatiny sy mandrampitotongan’ny lohany @ tany satria ny tongony mitsigràka mandaka lanitra, mifototra hatramin’ny tsinai-maintiny.

  8. Ho toa io FOZA-ORANA mitsidrakabe io no hiafaran’elà ry Rabe. Ny tody hono tsy misy fa ny atao no miverina hoy ny razam-betsika.
    Merci RA-PHOTOGRAPHE

  9. Ouadray letsy ry RABE ! Mandehana mianatra teny Anglisy aloa ianareo vao mi-zesta fa tsy @ najy ny MAITIFY MAITIFY nareo a ! @ manraka dia ho lasa « takatokité » no havalinareo ny SADC MDR !

    Merci HoAiza.

  10. Tena mba nahavelom-bolo ireny fihetsiky ny miramila nanoloana ireo terroriste zanak’i dada ireny an! Mbola aiza anefa ny hahazo anareo e! Tena mitonantonana. Efa raràna mbola misisika ihany. Tsy hisy hiantra anareo intsony eo! Na ny Communauté internationale aza efa nanambara am-pahibemaso fa manaonao foana ny mouvance Valo. Mihomehy daholo izay mahita ireo sarin’olona mody maty asehon’ny zanak’idada etsy sy eroa any amin’ny facebook sy ny site samihafa. Hoy izahay hoe: « tsy hitanareo ny maty ka andramanareo ny torana ». Tena maivana be ilay hetsika nataonareo e! Na i Kotoarivelo aza nihevitra fa ananany ny fahefana, miaraka amin’ireto gardes de corps, saingy tsy nampihetsibolo ny miaramila menavazana izany. Tena isaorana etoana ny miaramila fa milaza azy homafy loatra manko ireto terroristes zanak’i dada ireto an!

  11. Hanomana fandosirana izany Domelina e !Ary rahoviana no mba handefa sary ao amin’ny Lafy8 e??! Ambeso tsara ny varavarana hitsaràna azy, sao mandositra ! Tsy azo avela hanao sesi-tany any Frantsa any !!!Tadidio koa i Tsikirity !!!

    Ireo manana « fesy boky » 🙂 mba apartitao ny hevitra hoe :

    « APARITAO ERAN’I MADAGASIKARA NY SARIN’I DADA »
    FACEBOOK no ady eo !

  12. Merci kou Dà @ ilay sary milay be.
    Torana ndray RABE, kivy ka i Denise no misolo alou mandrapifohany (komà etilika)!!!

  13. Ary nankaiza ny taolan-tehezanao Risara baomba ra-DENISE?

    ==> Rifatra NANNNNNDOOOOOSIIIIITRA!
    (Nanditsaka ampataloha tsy ferana. Toa hoe efa manao couche kou)
    ….. ha ha ha

    MBOLA AIZA NO HAHAZO ANTENISANY …. hihihi

  14. Mbola minaonaona iany ity taolatehezan’i BAOMBA sy RAMINO satria fohikely ny fisainany. Ekpré no nanaovana an’io fihetsehana io satria eto antoerana ny mpisolotenan’i SADC hihihihi !!!
    Mba ampianaro iany oà ny jaja !!!

  15. Ho hampiantsoana hono ilay hiraky ny SADC nidina teny .
    Ho vidina indray sa HAMPIOROORONA?????

    Efa misy mitandroka izany i zanakisoa sady tonga dia ery @ fitsarana ery mihintsy,efa hoa avy ny tsy mety.
    Nahita vao2 ve ianareo ray olona omaly fa hay i Khadafi nanampy an’i sarkôlika t@ fifidianana ary niaraka t@
    porofo rehetra vola be an! ny marina tsy mba maty !!may volotratra Sarkôlika fa tsy nisy fia fa tonga dia nivoaka
    ny POROFO fa teo izy mbola niala BALA fa bla !bla!…izao KENDAROROKA.

    O ray olona a! nisy maty anie e! ary zaza vao minono tsy ampy herintaona akory, ny voasambotra ny naratra sns…

  16. Inona ndray hono no antenain’ireto Zanakosy ireto an’i Hollande? Tena vendrana be woa nareo, nenay efa any am-bovonana ny stratégie. Mazava be ny fampanantenana nataon’ny bras droit iray, isan’ny conseiller politique-ny. Zahay tsy akory hoy izy, tsy hampiditra menace na risque ho an’ireo taratany Frantsay miasa sy mandraharaha any Madagasikara.Misy hoy izy, ny continuité, Rajoelina est un fils, Ravalomanana, c’est une menace pour les Français… Mazava be ny tiany hambara, faza manantena valala manidina eny an-danitra, defa asiana sira sahady. Mba isao kely ry Njara le tenin’ingahy woe, miomana handositra any Frantsa depuis 2009 no manakaty, de mba isao koa zay MANIF nataonareo, nahomby, na de ny kodiny aza! eo am-pelatanan’i Andry ny force rehetra, indrindra ny miaramila! firy moa zay coup d’état nikotrehana izay fa nandamoaka avokoa! firy zay volan-dRaosy lany maina nanaramana mpikaraman’ady sy terroristes izay, fa bye! bye foana. De inona no mampihorohoro ny tenanay, tsy ny mahazo lacri ve no mihorohoro! de tohizo foana, fa ny tsy mila manao bilan akory fa tonga de eo noho eo ny résultat! zay ny valiny woe, ny aina any am-body, fa ny taimbava mipoapoaka, de apretin’i Zandry sy Rabe, de miakatrafo daholo ny tanànan-dRaosy. Tsy gaga ve nareo reto ! tena tsy misy sentiment na tahotra kely anareo akory Zandry, nandritra ny 2009 no mankatia! olon-kendry mihitsy ry RAHARINAIVO sy ny ekipany ireny ka! na Dadabeanareo aza ity, kivy tanteraka, bory lela e! taiza moa zay tsy nandefasanareo taratasy sy nandadiladiana izay, na SADEC io ka, na TROIKA, na CI, fa noklasen’olona fotsiny any ambany latabatra fotsiny. De asio Manif ndray e! an!an!an! tsy misy manif manaraka indray eo raha tsisy vahiny tonga! ha!ha!ha! tena mapme be reto! nareo ane zao no miala aina mitsipatsipaka, fa tsy Andry sy Rabe na oviana na oviana e! asaivo mametr-pialana ane reo éléments nareo eo @ fitondrana ireo raha mahasahy e! zany refa sagnagna lalaovin’olona fotsiny e! VENA, SAGNAGNA, DONTO otran-drainy tsy ampy solaitra mianakavy! mandiniha tsara woa, de anontanio an-dRabe zay tokony hatao, fa aza io fikan’antitra efa lany andro hatramin’ny 2009 io foana. Za aloha tsy hanome sopapa intsony, fa tiako be ny milalao ny hozadohan’ireto. Ka sagnagna raitrano tsinona, de hanaovanay kilalaka fotsiny!!!!

  17. Tena mahery leisy ialahy ry Andry a! Miaiky an’ialahy izao tontolo izao. Tena boay kely mahavita azy ialahy. Nilaza azy ho mafy loatra manko ry Valo sy ny forongony ireto, ka tena tojo ny mahery lavitra noho izy. Efa ampiasain’ireto maloto saina ireto daholo izao tetika rehetra izao hanonganana ny boay kely, fa tsy misy mahomby e! Araraka ny vola be an-dRavalo fa dia vola very maina izany, amporisihana sy karamaina ny sokajinolona avy amin’ny sokajin’asa samihafa hanao grevy fa mandamoka ireny, andramana izao attentats etsy sy aroa fa tsy mahomby e, ome-dRavalo dolara be dia be ny afrikana sy ny mpitondra azy fa dia hitsikin’i Andry fotsiny ireny, sns tsy voatanisa etoana. I Andry kosa dia ny asa ho an’ny vahoaka no atrehany: amboariny ny Hopitaly, vitainy ny lalana, atsangany ny toerana lehibe ara-panatanjahan-tena sy ara-kolotsaina, anaovany trano tsara ny mpianatra eo amin’ny université, nomeny fiara-manidina lehibe ny Air Mad, omeny fiara matanjaka ny mpitandro ny filaminana, averiny tsikelikely ny fambolen-kazo mba hahamaitso an’i Gasikara… Ka hoy izahay hoe: Andry OK, Valo KO.

  18. DeniseRABE,
    HA HA HA HA HA HA !!!
    Il fallait dire : Efa ho faty iany ve ka tsy handrovon-tsihy ???
    RV le 6 mai !

  19. Ô ranavalona, ao anaty feuille de choux dia tsy maintsy ajaina satria zon’ny tsirairay ny LIBERTE D’EXPRESSION, ary ny SADC fa indrindra Nations Unies dia OBSERVATEURS. ny fanajana ny droit d’expression, liberté d’opinion.

    Dia hoy izahay hoe:

    ==> ny mamo Mercia sy RajaonariLelo indray no miantso polisy!

  20. Misaotra mahatsiaro ry HoAiza, fa ny akama dia tena mbola ao anatin’ny fitolomana ihany koa !
    Tsy maintsy adaboka ny lehibe-n’ny mpanohana an’ilay mpanongam-panjakàna !!

    Mihetsika indray ny deliran-dry foza !
    Itony Denizy itony ry Tatsimo dia tsy iza fa akaman-dRabe daholo ! Ny hitovizany dia samy Foza, ary indrindra vevo poanie ary dia tanan-kavanan-dRabe daholo ireo !
    Sambatra, tonga any amin’ny lanitra fahafito ery Rabe sy ireo akamany (izay mbola marihina sy averina etoana fa vevo poanie daholo ), rehefa mahita ny fahorian’ny vahoaka malagasy !

    Mazahoa fahafinaretana Rabe, aza mijanona raha tsy efa tonga ny… ny krizy kardiaka !

    Ny anay, ny Filoha Ravalomanana tsy maintsy tonga !!

  21. Marina ve ry Kintana??tsy maintsy tonga ve dada????enga anie!!!
    hatr@’izao mantsy aloha mbola tsy hitako hoe @ fomba ahoana???
    Avelao hiakapokapoka any ny foza fa aza hidirana lalina fa ny tolontsika hatrehana, mbola mahita ho lazaina ihany ve
    ity jiolahy Sarkalika t@’iny porofo efa NITOHAKA t@’ tendakeliny iny ry KINTANA???ilay nakany ilay vola tany @ Khadafi??

  22. FA ITY RABE TY IZANY ILAY OLONA TSY MANANA-KATAO SY TSY MIASA FA DIA ETO FOANA NY ANDROM-PIAINANY NEFA RY TGV MIANAKAVY MIHA-MATAVY,SY MAMENO PAOSY SY IZAY LAVAKA REHETRA AZO FENOINA ANY AMINY ANY!MBA MISAINA LEHITIA FA TSY HATAON’NY OLONA FITAOVANA FOTSINY ETO IALAHY AN?IZAY TSDY MANAN-KARENA @ ITY FITONDRAN’NY tgv ITY DIA TENA EZFA EH! ISAN’IZANY IALAHY,MBA MANAOVA TOA AN’NY MIARAMILA EH,MIASA ATOANDRO DIA MANENDAKA MIARAKA @ BASY @ ALINA?AZA VARIANA NA MIVANAKA FA TEO DAHOLO NY OLONA NO NAKA EH!

  23. Ory Gidra a !
    Miditra @ lohany ny lazainao aminy dia mivoaka @ V…ny ary na misy sombiny kely mijanona ao anatin’ny tsinaimaitiny aza ny teninao dia ovainy moramora fotsiny ny pseudo-ny. Tsy mahalala FOZA nga isé ? FOZA enzoro hono, FOZA tozoro hihihihi !

  24. rabe dénise nge efa niara-nikiky disk sy nanera makorel tam ndRADOMELINA ka zay no handokafany eo é, ra milaza ho tiam-bahoaka maninona no manao hery famoretana mampiasa reo miaramila reo, sady @ zay tsy tahotra tsy henatra mampiasa miaramila vazaha efa ho 20 lahy nanao akanjo manga sy saro-tava t@ iny sabotsy iny, nefa lazainy fa ny Président Ravalomanana no mampiasa mercénaires. Ny Domelina anareo rabe denise tsy nisy nifidy fa mitonatonana ohatra ny vinanto tsy mahare fosa a, zay no anakaramàna sy anambatazana reo miaramila reo hamono vahoaka satria hitany fa tsisy pitia izy akoatra an’i rabe denise…Mouahahahaha!!

  25. Oay saika hadinoko rabedenise à, nanao ahoana ny fiaramanidinareo tao? izy iny moa tsy efa fakana pièces détachés no nalefa taty? naninona ary no de natao occasion be ohatran’iny le izy ry se? sa iny ve no mba takatra hamalifaliny anareo?? Ntsônané

  26. Mangina kosa ‘nareo fa tranom-bitro iny dia izao atao VOVOM-POZA izao indray
    ilay airbus nidedahan’i domelina efa karakasy io an!!!POV donto!!!mapmė bė!!!!!!

  27. Njara dit :
    6 mai 2012 à 17 h 41 min

    Mba tsy hiova pseudo kely indray aloha aho e! 😉 MDR !!!

    Misy marina mihitsy ny voalazanao ry tsss 🙂 Maninona moa raha alahatra ara- pahamezana ny zavatra tadiavintsika « Mpitolona ???

    Amiko aloha dia izao :

    1) Miala i Domelina ka…….Inona no tokony ho atao amin’izay ??? 😉

    2) Mody haingana i Dada

    3) Mikarakara ny Lalàna mikasika ny Fifidianana

    4)Mirotsaka hofidiana i Dada

    5) Mivoaka ireo gadra ara-politika – Mitsangana daholo ireo Heno aman-jery nakatona

    6) Fifampihavanana : Ny miaramila – Ny Polisy – 😉

    7) Fanondroana ny MinDef – MinInter SY ny Min Justice VAOVAO


    Ka misimisy ihany ireo hoy ilay tsy mahay manisa.

    Anareo ary ny Micro ry Mpitolona namana isany .Fa rehefa dinihina ireo dia ampiarao amin’io resaka ataon’i tssss io !
    Manao ahoana ?
    Mbola ny Fodian’i Dada ve no tsy maintsy lohalaharana ? 🙂
    Sao mba tsy mety e ! Basy hatifi-kavana ny ahy ry zareo, ka aleoko harangaranga 😉

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *