Ankolafy Ravalomanana : handray toromarika vaovao rahampitso

IMG_0063

Feno hipoka ny kianjan’ny Magro Behoririka androany, taorian’ireny fihetsika mamoafady nataon’ny hery mpamoretana ireny. Tonga maro teny antoerana ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny parlemantera notarihan’ny filohan’ny CT Rakotoarivelo Mamy, ny filoha lefitry ny CST Me Razafimanatsoa Hanitra, Rakotonirina Manandafy. Anisan’ny nandray fitenenana teny an-toerana Rakotoarivelo Mamy. Nambarany fa  nanaja azy ireo isika kanefa tsy nasiany tohiny ary amain’ny manaraka dia tsy hangataka intsony isika, satria zontsika ny manao fihetsiketsehana. Tsi hijanona eto amin’ny Magro isika,, hoy izy fa mbola hiverenantsika Ambohijatovo, raha mbola tiany aza alehantsika Mahamasina, andehanantsika Ambohitsorohitra, andehanatsika 13 Mai. Maninona rehefa ry zareo no mankeny Ambohitsorohitra dia lazaina fa tolombahoaka fa rehefa isika dia tsy mety. Nanao antso avo ho an’ny Sadc nytenany. Ampiharo ny tondrozotra fa rehefa tsy hampihatra ianareo dia raisinay ny andraikitra, lazao fotsiny hoe hanao ve sa tsia. Efa nahala ny tamin’ny Sabotsy ny Amerikana, ny Sadc ary nilaza fa tsy ara-dalàna ireny. Miandry ny fanapahankevitry isika. Noho izany,hoy Mamy dia tsymamonjy ny fivorian’ny parlemantera hisokatra rahampitso ny Ankolafy Ravalomanana, tsy hanatrika filankevitry ny governemanta sy ministra ireo ministry ny ankolafy. Namafisny fa vonona ny mpitarika hanohy ny hetsika ka noho izany dia manantena ny vahoaka Malagasy. Ny tenako mihitsy hoy izy no nokendrena tamin’ireny lacrymogene ireny. Tokony handray fepetra ny biraon’ny Sadc noho ireo derapage verbal nataon’ny jeneraly Ravalomanana Richard ary noho ny fihoarampefy nataon’ny mpitandro filaminana. Vahoaka tia filaminana sy tsy tia korontana ny mpomba ny filoha Ravalomanana, fa raha ohatra kosa hifampitady diavonona izahay. Izaho hoy Mamy dia filohan’nyandrim-panjakana fa avy izay hisambotra ahy izay sahy. Nanao antso ho an’ny miaramila ihany koa ny tenany, avy amin’ny vahoaka ianareo dia iverina amin’ny vahoaka. Tandremo sao diso safidy.

Ny Me Hanitra Razfimanantsoa kosa dia nanambara fa demonstration, no nataontsika tamin’ny Sabotsy ireny. Asehontsika ny herintsika, matoa izahay hoy izy nankeny dia manomboka ny fiafaranareo. Nisy vidiny ny zavatra nataontsika ireny. Misyantonymatoa nankeny ireo parlemantera ireo satria tafiditra ao anati’ny san’izy ireo izany aorian’ny fivoriana. Tsy mila fahazoandalana ny parelemantera hoy izy. Ny filoha ny andrimpanjakana notongateny Ambohijatovo noho izany dia tomponandraikitra ofisialy ireo fa tsymitovy amin’ny hetsika hafa. Ny olona rehetra ao anatin’io andrim-panjakana io hoy izy dia manana zo fototra haneho hevitra. Rehefa tsy hajaina isika dia tsy hanaja ihany koa. Mikasika ireo vazaha niaraka tamin’ny miaramila dia nilaza Me Hanitra fa ny filoha Ravalomanana no nenjehina tamin’ny fotoan’androany fa nampiasa mersenera kanefa ireny no hita teny antoerana. Misy mpitandro filaminana maro be miaraka amintsika nilaza fa tsy ara-dalàna ireny. Ianareo izany hoy Me Hanitra milaza izany ary ihany koa dia mahalala fa tsy ara_dalàna ireny. Misy ny fepetra raisina mialoha alohan’ny andefasana lacrymogena. Misy ny procedure arahina.  Ny lapam-panjakana hoy izy dia tsy ilaina sommation fa tsy mitovy amin’ny zone rouge. Ambohijatovo anefa dia tsy zone rouge akory kanefa dia nodarofana lacymogena. Rahampitso no handraisantsika ny toromarika eto ankianja fa tsyhijanona intsony ny tolona. Mitondra rano sy vinaigra hoy izy. Ataontsika raoka alika izay olona manadala antsika, ampy izay ny fandeferana ary efa nandalo sendra isika. Nanafatra ny vahoaka ny tenany ny amin’ny sms tsy fantatra. Tsy izy izay reha tsyfantatrareo ny nomerao, fa ny filoha Mamy Rakotoarivelo ihany no mpitarika antsika.

71 pensées sur “Ankolafy Ravalomanana : handray toromarika vaovao rahampitso”

  1. « Miandry ny fanapahankevitry isika » !!

    Fanapahankevitr’IZA ?????

    APETRAHO RY ZAREO NY FANAMBARÀNA ANY AMIN’NY SADC FA VITA TEO NY FANDRAISAN’ANJARA Â !!
    LAZAO AMIN’NY VAHOAKA MALAGASY REHETRA KOA IZANY FANAMPAHAN-KEVITRA IZANY, SATRIA BAIKO AVY ANY AMIN’NY FILOHA RAVALOMANANA IO, FA TSY MISY TOKONY HIDIRAN’NY SADC INTSONY !!!

    LAZAO NY SADC, FA RAHA MISY FIVERENANA MOMBAN’NY FITANTANANA TETEZAMITA ( IZAY TOKONY TSY HISY INTSONY SATRIA MBOLA FANAMAFISANA NY FANONGANAM-PANJAKÀNA NO ZAVATRA HITA ATRAMIN’IZAO ), DIA TOKONY TETEZAMITA MANARAKA NY ACCORD DE COTONOU NO HAMPIARINA !!!

  2. Hono ho’aho, toro-hevitra ny ahy. Asa na nisy maty na tsia tamin’iny tolona farany iny. Fa raha toa ka sendra misy maty amin’ny manaraka, inona no manakana ny vahoaka malagasy tsy hanangana stèle eny Ambohijatovo ? Dia hotoriana sy rohahina ihany koa ny HAT sy ny général Ravalomanana Richard ?

  3. maninona no tsy mi-demissionne fa hoe. Tsy mi-participe q ny reunion parlementaire sy gouvernementale????. Sa tsy foy ilay karama be ??? Mba asio hasina ireo vahoka manohina anareo Ry Mouvance RAVALOMANANA

    greve generale eran´ny faritany ,tahak ny t@ 1991 ireny no mety, blocage ny machine administrative rehetra, mitokona an-dalambe isam-paritra ,t@ 1991 7 volana be izao, niafara t@ fitsoakan´i ratsiraka, 2002 ,greve generale ihany koa.

    raha ho any ambohijatovo sy mahamasina izany, mbola ho hisyny maratra sy maty , tsy mathaotra ny hamono olona ireo biby ireo.

    Akatony aloha ireo ministere efa azon´ny mouvance Ravalomanana sy zafy tariho ny mpiasa migreves, dia makany makany,
    Ny vahoka anie vonona fa tsy misy mpitarka e!

    Aato ny fampianarana rehetra ho fiarovana ny zanatsika koa, no ea grev ho an´ny mpampianatra.

  4. Tsy mila mi-demissiona ‘zany. Izay azo ampiasiana hanonganana an’io fanjakana tsy izy io dia ampiasaina.
    Rahefa tsy hitan’ny hafa mihetsika koa ny tolona dia heveriny fa mahatanty. Ny tokony tandremana fotsiny dia ny rà latsaka. Isika mpandala ny ara-dalàna dia tokony hanaraka ny exemple omen’ny filoha: tsy mendrika ho an’ny malagasy ny mamono malagasy. Aoka izay hazava.
    Aoka koa hazava fa raha nisy maty tamin’ny fanakorontanana nataon’i Andry dia izy mihitsy no nitaky famonaoana olona fa « tsy maintsy misy atao sorona » hoy izy raha tsy izany tsy miala eo io Ravalomanana io satria fantany tsara fa zava-dehibe amin’ny filoha Marc Ravalomanana ny ain’ny mpiray tanindrazana aminy.
    Aoka ho mailo fa ny ra dia miantso ra.
    Tolona madio= fandresena madio tsy azo toherina.

    Masina ny tanindrazana!

  5. rabe R:

    efa allergie @ anarana rabe izahay eto, fa raha azo atao re mba ovao ny pseudo-nao hay ianao namana , fa sao voaompa tsy fidiny eto.

  6. Dr CELESTIN Robin dit :
    30 avril 2012 à 22 h 32 min
    Les putchistes ,cette fois ont poussé le bouchon trop loin et ont cru
    pouvoir compter sur l
    « la bonté ,la tolérance , l’angélisme » de leurs victimes !
    Les victimes consentantes ou accomodantes ou plutôt loyalistes par rapport à la consensualité , à l’inclusivité ,principes imposés aus signataires de la feuille de route signée à SANDTON..
    De bonne foi et de bonne volonté , la mouvance RAVALOMANANA MARC a accepté de participer aux trois institutions de la transition pour être cohérents avec sa signature..

    ainsi ,la mouvance RAVALOMANANA MARC n’a fait mystère de cette participation aux institutions et n’ a pas tergiversé pour sa participation au Ct ,au CST , au Gouvernement..
    Je n’ai pas à parler de ce qu’ont fait les autres mouvances …
    Tant bien que mal plutôt bien quel ,les représentants de la mouvance ont bien travaillé dans ces intitutions..!
    Voyant que les actions cohérentes , judicieuses et respectueuses des dispositions de la feuille de route , les putchistes ont tout tenté pour bloquer , freiner ou différer les réunions juqu’au point de provoquer des réunions desquelles lles représentants de la mouvance RAVALOMANANA MARC ont été exclus..

    Un rapport sur ces façons d’exclure la mouvance de ces réunions devant être consensuelleset inclusives a été adressé à la SADC..!
    Nous attendons nombreuses réponses aux nombreuses questions posées à la SADC depuis novembre 2011..

    Mais Nous espérons qu’après les évènements éhontés commis par les putchistes le sahedi 13 avril 2012.
    Ces évènements illustrent bien les dysfonctionnements du pouvoir bicéphale actuel : personne ne sait qui dirige ce pays :rajoelina ou beriziky et sur le plan de l’ordre et le maintien de l’ordre qui commande ce gendarme qui joue avec la vie des Malgaches avec des balles réelles ou des balles en caoutchoux ou avec des bombes lacrymogèmes..
    Et ces dysfoctionnements itératifs ont au fur et à mesure plongé e Pays dans le marasme et les Malgaches dans la sous-vie (sous alimentés ,sous scolaisés , sans logements , sans ressources car sans emploi..).

    Et après ces réunins des institutions excluant la mouvance RAVALOMANANA ,après ces agressions par balle des Malgaches qui se rénissent dans le calme.., Nous trouvons que gérer le Pays dans la Transition consensuelleet inclusive est impossible sans être hypoccrites et menteurs et Nous trouvons que la décision du Président RAVALOMANANA MARC de quitter les trois institutions auxquelles ont participé les représentants de la mouvance..
    Mais le fait que le consensus est bloqué et n’a aucune sgnification et raison d’être ,Nous contatons que la Transition rend l’âme et qu’il est inutile de la soutenir financièrement pour ne rien faire..
    Alors ,il faut que la SADC ait le courage de reconnaître que l’option des négociations a échoué et qu’il faut changer le fusil d’épaule et de déclarer officiellement la fin de cette transition qui n’est ni consensuelle ni inclusive..Et de la remplacer par l’option militaire en mettant en place un organisme de tutelle militaire de la SADC ( brigade de pacification )sans particpation des forces armées malgaches à désarmer complètement ) des magistrats et des corps d’interprètes Malgaches pourraient paticiper à cette tutelle.., qui prépare dans le calme et la sérénité les conditions pour les élections présidentielles et législatives.libres , justes ,transparenteset ouvertes aux citoyens et citoyennes.
    Le contrat avec les putchistes n’ a eu aucune chance d’aboutir car la partie putchistes est mauvais coucheur et est dirigée par la mafia colonialiste qui a donné la gestion du Pays à une équipe de petits voyoux malgaches tandis que les mafieux colonialistes opnt fait min mse sur les richesses du Pays..
    Ce contrat -cette transition dirigée par rajoelina – a pénalisé , a appauvri les Malgaches et conforté e favorisé les putchistes..

    De toutes les façons ,contrarement avec les disposition des Accords de COTONOU ,cette transition a fait soumettre les 20 millions de Malgaches innocents sous l’autorité sauvage des auteurs du coup d’état du 17 mars 2009,impunis et fiers de l’être !

    ORGANISME DE TUTELLE AVEC DES MILITAIRES DE LA SADC OU BRIGADE DE PACIFICATION QUI ASSURE LA SECURITE ET L’ORDRE PUBLICS OU AUTRE FORME D’ADMINISTRATION QUI RESPECTE LES LIBERTES ET PERMET LE DEVELOPPEMENT ET L’AMELIORATION DE LA VIE DES MALGACHES !

    LA MOUVANCE RAVALOMANANA MARC N’NE FAIT PAS L’OBJET D’UNE OPA ET DEMANDE A CES FARFELUS IRREPECTUEUX DE SE TAIRE ET DE NE PAS SE CONSIDERER MEMBRES DE LA MOUVANCE ET DE SE PERMETTENT D’HOUSPILLER LES DIRIGEANTS DE LA MOUVANCE !

  7. Misajaona,
    MDR be zà !
    Tena marina fa raha tsy ianao dia no-japèko ny post n’i Rabe.R hihihi ! Confusion totale !!!

  8. Aleo hiandry ny torimarika avy amin’ny Dada dia ho hita eo amin’izay ny « actions » ho atao e!
    Raha ny ahy manokana aloha dia izao: raha hisintaka ao anatin’ny « processus » ny mouvance RAVALO, ka mieritreritra ny hiverina indray avy eo, dia avy hatrany dia lazain’ny Foza hoe « tsy manana ambom-po ireo fa tsy sahy hivoaka izany »!.. Aza miverina ao intsony fa imbetsaka ianareo izay no mivoaka miditra toy ny lelon-jaza!.. Farany dia lazain’ireo FATn’alika ireo ho mpaka lelo fotsiny ianareo!
    AMPY IZAY! TSY MISY MIVERINA AO INTSONY RAHA TSY MISY « ACTION CONCRETE » (fa tsy resaka an-taratasy fotsiny)ataon’ny SADC sy ny CI

  9. Tany amboalohany aho no hendratrendratra
    fa ankehitriny : Aleo i Rabe R. hijanona amin’io fa mahavelombolo ny mahita azy etsy sy eroa!

    Fa ny philosophie-ndry rabe dia mitovy @ ndry Andry Rajoelina: mitady zava-mamiratra halain-tahaka lav’izao, saingy TSY MISY VALERA ka manasavorovoro no kalité lasa développé

  10. Izaho koa dia mihombon-kevitra amin’ny hoe:

    1°) Tsy mila mi-demissiona ‘zany. Izay azo ampiasiana hanonganana an’io fanjakana tsy izy io dia ampiasaina.

    Politika mahomby ny an’i Me Hanitra manao hoe:
    2°) [nanambara fa demonstration, no nataontsika tamin’ny Sabotsy ireny…
    Misy antony matoa nankeny ireo parlemantera ireo satria tafiditra ao anatin’ny ASAN’IZY IREO IZANY AORIANAN’NY FIVORIANA. Tsy mila fahazoandalana ny parelemantera hoy izy.]

    3°) dia mampiasa ati-doha mba hisian’ny « ACTION CONCRETE » ataon’ny SADC sy ny CI

  11. Avelao ho rabe vôpl ihany no rabe sao dia voambôtra tsy fidiny eto ny namana!!!!manam-potoana tsara ndray za androany fa handeha hanampy tosika ny namana eny an-kianja dia izay iray valaka eto ry foza alika à!

  12. Ary nankaiza sa iza i Rabe Original ?

    HoAiza,
    Tsy mitovy hevitra indray isika tamin’ity indray mitoraka ity !
    Notohanana iny tamin’ny asabotsy teo iny, fa dia hitan-tsika iny ny valiny, ary efa fantatra mialoha ny ho ataon’ireo foza ireo !

    Exemple iray iny dia efa ampy, hitan’izao tontolo izao !

    Efa fantatry ny Prezidà ny « tetikadin’ny tsirairay » ao anatin’ny Movansiny !!

    Tsy fangatahana « temps mort » toan’ny rehefa manao basikety intsony iny ! Ny fijanonana eo ambony terrain dia fanambaràna fa mitohy ny lalao !

    Tsy hilaina ny système merdique, na sisin-tseza na koa sisin-tay merdika !!

    Mankaleo ny mahita an’izao !

    http://www.tim-madagascar.org/forum/read.php?1,732238

    – Ny movansa Zafy sy Ratsiraka mpitazana, satria….

    – TAO na AO anatin’ny movansa (atramin’izay ka atramin’izao), dia misy ireo « miandry », ireo « manantena » sy ireo  » mbola manao » an’izay tsy hiverenan’ny Filoha Ravalomanana ! NY ANKABEAZAN’IREO MPITARIKA, LASA VARIANA AMIN’IZAY HIAFARAN’NY RAHARAHA RAHATOA KA……

    – Ny foza manao izay tratry ny heriny, mba tsy hisian’ny fandriampahalemana, antokin’ ny Fiverenan’ny Filoha !

    Dia HO AIZA ny vahoaka malagasy amin’izany rehetra izany ???? HANOMPO SY HAMELONA JIOLAHY SY DAHALO FOTSINY ????

    Inona no tena tadiavin’ny Vahoaka ??? Tsy ny fiarahana amin’ireo no hampiverina an’izany hoe, TANY SY FIRENENA TAN-DALÀNA IZANY !!!

    TSY HANDAO AN’NY VAHOAKA MALAGASY NY UNION EUROPEENNE !!

    ANJARAN’NY VAHOAKA TENA VAHOAKA AMIN’IZAY IZAO, NO MANEHO SY MAMPISEHO NY HATEZERANY, AMIN’IZAY FOMBA METY, MENDRIKA SY MILAMINA !!!

  13. Raha misy karazan-javatra mitovy @ ireny fizarana MEDAILLE ireny dia tokony ho NANDA i Mamy R., ary occasion iray ahafahana manitrikitra

    Fa i Beriziky anie tsy nitsangana (lasa nilefitra foana tao) raha tsy misy opposition ao anaty io gvt io ê

  14. Ny mampisaritaka sy tsy ahafahana mizotra @ tokony ho izy dia noho isika mpitolona manana hevitra mifandaka, ireny no mapahazo vahana an-rabe voplô! Ilaina isika maneho hevitra, fa rahefa misy tsikera @zay atao dia tsara manao soso-kevitra koa. Mino aho fa manaraka sy mahita ny forum koa Dada ao antsimo ao, ary afaka manao synthèse ny zava-misy @zay zavatra miseho. @ farany dia tokony hatoky an’i Dada isika dia izy manapaka ny TENY FARANY, biby tsy misy lohany tsy mandeha… biby maroloha koa sampona!!!
    MAsina ny tanindrazana, zaho manohana ny hanohizana ny hetsika, fa rehefa tsy mihetsika isika dia tonga @lay hoe MANAIKY MATOA TSY MITENY, ary rehefa mihetsika dia mila tena mihetsika fa tsy misonenika ampitoerana fotsiny. Ny vatolapy hono mafy be, fa nahoana no hikakazan’ny vorona!!! satria tsy mihetsika!!! alao hery rey namako isany fa efa tafahoatra loatra izao antsojay izao.
    Biby no iadivana sady domelina ary misy hery vahiny manampy azy, ka aza manantena isika mianakavy fa ho azo mora ny fandrsena.
    Mila misikina mafy, fa raha tsy miady isika ankehitriny dia hantsiny @ taranaka any aoriana, hoe fa noahoana no navela ho ravan’ny maizina toy izao ny tany mamintsika ity. Dia azafady indrindra ny bevohoka sy ny zaza menavava aza entina mitolona ankianja fa mbola tsy adidiny zany! izaho sy ianao lehibe mahatsiaro tena no tompn’andraikitra voalohany. Mino aho fa maro isika fa tsy hoe voky zava-mahadomelina daholo ka tsy mahatsiaro hoe efa tsy hitafy sy hihinana intsony anie zaho izany!!!
    Omeo ny consigne Dada fa vonona izahay!!!!

  15. Tsapa koa tato ho ato fa mila hifangaro ny vary sy ny tsiparifary!
    Noho ny andraikitra Tanan-dry Mamy sy ny ekipa ve no mahatonga azy tsy maitsy hifandom-bera @ Domelina sy ny forongony!!! ho an’ny Malagasy tsotra mijery ny sarinareo (araka ny lien nalefan’i KM io) dia alaim-panahy ny olona hihevitra hoe GASY MODY MIADY ianareo??? Raison de plus izao hanarahana ny tenin’i Dada hoe mialà tao rehefa tsy ahitana ny marina ao. Ny fijanonareo eo,nefa anio miaraka ankianja amin’ny vahoaka sy mitanisa ny tsy mety ataon-dry zalahy ireo, demain miaraka latabatra aminy avec tsikitsiky tsy misy toa izany!! dia mahavery fanahy fanahy mbola velona anay vahoaka. Raha mba nohenoina teny ianareo hatrizay dia manaiky aho hoe fomba fiady politika izany, fa raha sahany ny mandefa lacrimogène aminareo dia tsisy dikany zay ianareo aminy ka manàna hambo-po tompokolahy sy tompkovavy isany o!

  16. Ny hisavorin-kilantoana e !
    @ KM, ZIRY ONESIME,
    Mitovy hevuitra @ HoAiza kosa aloha raha izaho. Tsy mbola nisy porofo mazava fa mamadika an’i Dada ru Me Hanitra sy Atoa Rakotoarivelo, FA NY FIJERINTSIKA avy ety ivelany no somary diso.

    Misy hezaka sy toromarika omen’i Domelina hanodinana an’ireo olona ireo kosa anefa,(hanodinanana an’i Me Hanitra sy Rakotoarivelo) ary fantara mazava tsara hoe avy aiza raha » MANDINIKA sy …..MIJERY MAZAVA ».

    Tsy manaiky velively ny fanaratsiana azy ireo aho, ary amiko manokana aloha, matoa mijanona ao izy, dia averiko ihany fa misy antony, satria, olona mandinika sy misaina ireo.

    Aoka mba hanana fahatokisana ihany e ! Ny olona heveriko fa mpamadika ao dia ry Botozaza sy ny namany : Ihanta Razfimandranto, Ravatomanaga ary ity olona MISISIKA SY MIHEZAKA FATRATRA handray ny toerana voatery nialàn’i Botozaza ity .

    Tsy tadidiko loatra ny anarany fa NISOLO TOERANA an’i BOTOZAZA izy io mba…Hanodinana ny lohan’i Me Hanitra sy hamitaka azy ara-politika . ity ny sary hahalalaàna azy, ka io an-kavanan’i Me Hanitra io ilay olona. :
    http://mydago.com/wp-content/uploads/2012/04/Magro-28-Avril-12-5.jpg

    Marihiko fa tao @ Ankolafy Zafy Albert izy io taloha niaraka tamin’i Botozaza.

    Izaho dia manohy : MATOKY SY MIDERA an’i Me Hanitra sy Atoa Rakotoarivelo.

    Nihaino hatramin’ny farany ny kabarin’i Dada aho, ka tsy mazava mihitsy hoe : « N »iteny i Dada ny tokony hialàn’izy ireo ao amin’ny GVT, koa azafady mba ataovy toy izao manaraka izao :

    Ny zavatra henoko dia : matoky azy ireo i Dada ary tsy milaza mihitsy ny tokony hialàn’izy ireo ao Gvt Beriziky !
    Azafady mba henoy kely manomboka eo @ : 00:08:50 ,ka hatramin’ny farany, fa MANOME DERA AZY aza i Dada. Ary ny zavatra angatahiny dia ny FIALAN’DOMELINA eo amin’ny Fitondràna tsy rariny, fa tsy ireo Mpitarika ny Movansy akory !

    Averiko fa ny hisavorivorian-kilantoana, koa manàna faharetana sy fandalinana, fa anjarantsika tsirairay avy,ny manazava tsara.

    Ary Farany :

    MIANGAVY AN’I DADA , raha tsy mahasio ara-politika, ny milaza marina ny amin’izany : ka anajrantsika ny manaraka izay ho lazainy.

    Miangavy an’i Dada, mba ho kabary ho an’ny vahoaka TSY VAKY VOLO eran’i Madagasikara no ataony, fa tsy ho an’ny ao @ Magro ihany.

  17. aza vokisana resaka ntsony zahay fa tsy ilaina ny mampatory ampitoerana!dia ho hita eo raha sahy hiala ianareo fa aza mizesta @ mpitolona, ny sadeka sy ny sisa!miala dia vita ry kala sy bandy a!alefa mody ireo sadeka tsy mahay miaina ireo dia isika sisa eto;mba nianatra ve sa vava be fotsiny e!

  18. Izaho aloha tena d’acc. amin’ny soso-kevitr’i Menalamba, kanefa kosa zavatra roa no jerena:
    1- ny « consignes » avy any @ Dada!
    2- ny « actions » ho ataon’ny SADC taorian’ireny zava-niseho ireny!
    Ny momba an’y Dada moa dia mino aho fa tsy maintsy hisy ny toro-marika rahariva, fa ny an’ny SADC sy ny CI dia ho hitantsika eo!
    Ho antsika vahoaka kosa: raha izao isika no mbola misolelaka sy tsy manao hetsika ihany, dia aza mieritreritra ny maha-Malagasy anao, satria tena ny zon’ny maha-Malagasy anao mihitsy no tena hifiran’ireo mpisolelam-b..dim-bazaha ireo (miala tsiny raha mahery loatra ny fitenenako fa tena efa tafahoatra ny ataon’ireo FATn’alika ireo)!

  19. Tsy dia azo omena tsiny i Mamy momban’iny ! Efa nanazàva izy ( raha nihaona tamin’ny mpitolona taty ) fa ny « Governemantan’Ingahy Ravalomanana » no nanome azy an’iny, saingy « tamin’ity taona ity » vao nozaraina ! Sarotra ny hanao polémique momban’iny, satria samy manana ny heviny !

    Sujet tsara io avoakanao farany io !

    Tokony hisy an’izany opposition izany ve ao anatin’izany atao hoe Gouvernement de TRANSITION izany ???
    Valin-teny voalohany dia TSIA, rahatoa ka samy madio saina daholo, satria famerenana ny ara-dalàna AO ANATIN’NY FOTOANA FOHY NO TRATRARINA !!
    Kanefa dia BE DIA BE NY LESOKA tao anatin’ilay FDR, anisan’izany ny momban’ny daty tsy maintsy hanantanterahina an’ilay izy !
    Tsy resahina intsony ny momban’ny FAHEFÀNA GOAVANA KANEFA TSY MENDRIKA, NOMENA AN’IRETO DAHALO ; fahefàna mifandika be amin’ny Accord de Cotonou, kanefa io Accord io ihany koa no anisan’ny mbola MANASAZY AN’MADAGASIKARA amin’izao fotoana !!

    Mety ho « naïveté » no naneken’ny Filoha ny Accords rehetra izay nosoniavina ( Maputo ets..), fa ny tao an-tsaina dia ny fitsinjovana ny hoavin’ny Vahoaka malagasy satria ADY AN-TRANO NO NOTADIAVIN’NY SASANY HATRY NY ELA !!

    Niala-nenina ary afak’adidy izy izao eo anatrehin’ny vahoaka, vahoaka izay mbola manantena mafy ny fiverenany !!

    Anjaran’ny vahoaka amin’izay izao hoy aho, ny mandray ny andraikiny !

    EFA NILAZA TAMIN’NY NAMANA REHETRA IHANY AHO, FA TSY NY PREZIDÀ RAVALOMANANA NO AFAKA HAMERINA IRERY AN’IZANY FANDRIAMPAHALEMANA, SY ARA-DALÀNA ARY FIAINANA MIRARY IZANY, FA MANANA ADIDY SY ANDRAIKITRA LEHIBE AMIN’IZANY NY VAHOAKA MALAGASY REHETRA, NA AIZA NA AIZA MISY AZY !!

    TSY AFAKA NY HIADY IRERY AMIN’IREO DEVOLY IREO RAHA NY TENANY IRERY !!! MARIHINA FA NY VAHOAKA MALAGASY ANIE NO TENA NATAON’NY MPANONGANA FAHAVALO Ê !!! TSY TAKATRY NY SAIN’NY MARO IZANY, SATRIA FANANAM-BAHOAKA NO ATAON’IRETO AMPIHI-MAMBA ARY MIHATRA AMIN’NY AINA MIHINTSY AZA IZANY !!

    EO IZAO ISIKA !! HITAZANA FOTSINY TOY NY OMBY MIJERY « TGV » FOTSINY VE ?????

    Beriziky ??? Beriziky dia Leader Fanilo anisan’ireo mpanongana (mihisa 109) niaran’ny sazy !! Inona no nahatonga azy ho lasa Praiministra ? Tsy maintsy nekena ve izany ?? Lehiben’ny governemanta izy ary tompon’antoka amin’izay rehetra mitranga ; mba nisy fanakiahana nataony ve atramin’izay rehefa hita fa tsy manaraka ny FDR ry domelina ???
    Asa..?????

  20. Resaka Mamy voalohany, ho an’i HoAiza !!

    Lemena ! Ny bainga mivadika ihany hoy aho !!

    « AZONAREO NY TIAKO HO RESAHINA » hoy ny Filoha !! Tokatrano tsy ahahaka !!

  21. Raha hidinika ny hoe : manaraka na tsy manaraka ny Fdr ry Domelinadia ho alina ny andro ary tsy handroso isika satria efa fantara ny amin’izany.
    Ny tena mba dinihina dia :
    TSY HIANDRY iazy ataon’i Diomelina foana vao hanao zavatra, fa tsy mainsty izao ataon’ny Movansy izao.

    ARY TOHIZANA NY HETSIKA.ATAO MATETIKA raha azo atao aza, dieny mbola ao ny iraky ny ONU sy ny SADEC.

    Marina fa tsy dia mazava mihitsy ny SADEC, nefa misafidy isika nany SADEC, na ny OIF .

    Dia mba valio izay hoe ???!

    Ny SADEC na tsy mazva aza, mba matohotra ihany ny ONU, fa ny OIF mazava fa ny hanistaka ny ONU sy ny SADEC no kendreny!

    Tohanana i Rakotoarivelo sy Me Hanitra izay hotronin’ireo mpitarika voatondro sy hangatahina hiaraka : Rakotoamboa.

    Tsy vitan’ny Movansy Ravalomanana irery akory ny hiady amin’ny OIF……RAHA TSY EO NY SADEC.
    Ary raha miala tao @ GVT moa ireo Movansy Ravalomanana ireo, mba misy ve olona hatokisanareo hisolo azy……ARY TSY HIDITRA AO AMIN’io GVT io ?
    Raha i Naika Eliane, alefaso ary lazao izy tsy hiditra ao Amin’ny GVT raha mahavita. 😉

  22. @ bilboquet !
    Tena nahavita ny tolona irery ny malagasy, ka nahoana no tsy vita efa telo taona izao ? sa hanoy hanompo an’i Domelina koa ???

    Izany ny politika ramose a ! Izay tsy maharitra sy miady dia very « IRERY », nefa tsy ahavita azy !
    Isika irery ?
    – Ny vahoaka miteny aza voatifitra sty mahasahy miteny akory, ankoatra izany moa ny matimaty foana tsy fidiny, tsy misy mpijery.
    Vao haingana, noho ny sadec TONGA SY NY IRAKA onu TONGA NO SOMARY NIHANALEFAKA NY FAMONOANA SY NY FAMPITAHORANA ?
    FA TEO ALOHAN’IZAY NANAO AHOANA,
    Azafady, fa Tsy azo atao an’izany « isika irery  » izany ny vahoaka? raha tsy hoe ianao no afaka manome didy hoe : TSY MAINTSY IZANY !

  23. Toerana tery kely io, ka na feno hipoka sy mifanao atsangory aza ireo dondrona rehetra tonga tao, inona moa no dikan’izany e! Fa ny mampihomehy dia tena mbola tsy miova mihitsy lehiretsy i Valomanana a! Mbola mihevitra hoe Filoham-pirenena foana i leiry ary mbola ilay fomba didi-jadona foana ny fomba fitenenany. Ny zava-misy anefa dia efa tsy Filoha intsony izy ary efa naloan’ny vahoaka tanteraka. Ireto zanany tsisy saina ireto sisa no toy ny alika kely manaraka azy ato aoriana. « Baiko no omeko nareo » hoy izy. Izany hoe tsy manan-tsafidy intsony zany ireto zanak’i dada, fa tsy maintsy mandray baiko. Tena lasa andevon-dRavalo mihitsy ireto mouvance Valo ireto an! I Ravalo nefa o Afrika Atsimo ao dia mitavana ny harena nagalariny teto Gasikara, ary tena manao fiainana mihitsy, avy eo mody am-pandriany adrisa ireto zanany dondrona, dia manaraka sy manao ny tsy fanao. Ataony toy ny mibaiko omby ny fibaikona ireto zanany tsisy saina ireto. Mampahalahelo. Soa aloha fa na andeha mbaniny lohany aza i Valomanana dia tsy ho tafaverina intsony eto Gasikara e!

  24. Manohana ny hetsiky ary mankahery lalandava ,ireo tafiditra ao @ systéme ,hamafiso ny tolona izany ihany no hanohanan ny vahoaka anareo ,mila hery sy fahasahina izany ka dia mirary soa anareo .

  25. Njara dit :
    1 mai 2012 à 8 h 26 min

    Ny hisavorin-kilantoana e !
    @ KM, ZIRY ONESIME,
    Mitovy hevuitra @ HoAiza kosa aloha raha izaho. Tsy mbola nisy porofo mazava fa mamadika an’i Dada ru Me Hanitra sy Atoa Rakotoarivelo, FA NY FIJERINTSIKA avy ety ivelany no somary diso.

    Misy hezaka sy toromarika omen’i Domelina hanodinana an’ireo olona ireo kosa anefa,(hanodinanana an’i Me Hanitra sy Rakotoarivelo) ary fantara mazava tsara hoe avy aiza raha » MANDINIKA sy …..MIJERY MAZAVA ».

    Tsy manaiky velively ny fanaratsiana azy ireo aho, ary amiko manokana aloha, matoa mijanona ao izy, dia averiko ihany fa misy antony, satria, olona mandinika sy misaina ireo.

    Aoka mba hanana fahatokisana ihany e ! Ny olona heveriko fa mpamadika ao dia ry Botozaza sy ny namany : Ihanta Razfimandranto, Ravatomanaga ary ity olona MISISIKA SY MIHEZAKA FATRATRA handray ny toerana voatery nialàn’i Botozaza ity .

    Tsy tadidiko loatra ny anarany fa NISOLO TOERANA an’i BOTOZAZA izy io mba…Hanodinana ny lohan’i Me Hanitra sy hamitaka azy ara-politika . ity ny sary hahalalaàna azy, ka io an-kavanan’i Me Hanitra io ilay olona. :
    http://mydago.com/wp-content/uploads/2012/04/Magro-28-Avril-12-5.jpg

    Marihiko fa tao @ Ankolafy Zafy Albert izy io taloha niaraka tamin’i Botozaza.

    Izaho dia manohy : MATOKY SY MIDERA an’i Me Hanitra sy Atoa Rakotoarivelo.

    Nihaino hatramin’ny farany ny kabarin’i Dada aho, ka tsy mazava mihitsy hoe : « N »iteny i Dada ny tokony hialàn’izy ireo ao amin’ny GVT, koa azafady mba ataovy toy izao manaraka izao :

    Ny zavatra henoko dia : matoky azy ireo i Dada ary tsy milaza mihitsy ny tokony hialàn’izy ireo ao Gvt Beriziky !
    Azafady mba henoy kely manomboka eo @ : 00:08:50 ,ka hatramin’ny farany, fa MANOME DERA AZY aza i Dada. Ary ny zavatra angatahiny dia ny FIALAN’DOMELINA eo amin’ny Fitondràna tsy rariny, fa tsy ireo Mpitarika ny Movansy akory !

    Averiko fa ny hisavorivorian-kilantoana, koa manàna faharetana sy fandalinana, fa anjarantsika tsirairay avy,ny manazava tsara.

    Ary Farany :

    MIANGAVY AN’I DADA , raha tsy mahasio ara-politika, ny milaza marina ny amin’izany : ka anajrantsika ny manaraka izay ho lazainy.

    Miangavy an’i Dada, mba ho kabary ho an’ny vahoaka TSY VAKY VOLO eran’i Madagasikara no ataony, fa tsy ho an’ny ao @ Magro ihany.

  26. Marc Ravalomanana ordonne à ses troupes de quitter toutes les institutions de la Transition

    Dia tokony hiala daholo aminizay ny rehetra fa tsy tsara no miaraka aminireo tsy valahara ireo.Araka ny fiteniny mena sofina manao woe: Dis moi qui tu hantes et je te dirai qui tu es

  27. aza omenareo tsiny bilboquet raha matory ampitoerana fa miely be le virus mahadomelina ka raha tsy misaina sy mandinika dia resin-tory toy izany!!!!!topazo rano mangatsiaka ndraindray ihany mba tsy ho renoka tanteraka!!!!!!!!!!!!!

  28. Dommage tsy hita loatra i Atoa RAKOTOAMBOA sy Naika Eliane ao aorian’i Me Hanitra !!! Fa na izany aza hitanay foana e !

    Misaotra ihany Solo Razafy a ! Tena izy lay !

    Alefaso ilay Kabary ry  » P.S.D  » iaraha-mihaino a ! 🙂 Hiangaviana kosa ireo diso fandray mba hiteny avy eo ! Mdrrr!!!

    Alefaso ny hafatrao Dada o ! Ataovy mazava fa TSY NISY IZANY BAIKO HIALA NY GVT BERIZIKY IZANY ARY NY sadec DIA …EFA MBA MIHESTIKA…. ! mba ho azon’ireo « Tsy mino sy Tsy matoky »,
    efa mirongatra ny foza manoratra ! hi hi hi !

  29. Sao dia hivaona ny resaka ry Njara â !

    Voalohany, isika tsy hiditra amin’ny resaka hoe iza na iza no diso sy meloka ! Ny asan’ny movansa no anaovana jery todika kely ! Telo taona izao no mijaly ny vahoaka !

    Inona no vita sy tsy vita, ARY MANINONA NO TSY VITA ??? MILA MAMERINA AN’IZAY VOALAZANY VE INGAHY RAVALOMANANA SA DISO FIHEVERAN’IZY RAHA NILAZA HOE : AOKA HIHATO NY FANDRAISAN’ ANJARA ?

    Efa nasiany resaka (tany ambadika tany) io hoe Mivaoka sy mihiditra io, ary fantatry ry Mamy izany ! Mazava na tokony hazava amin-dry Mamy sy ny rehetra ny HAFATRA fa tsy atao hoe BAIKO !!!

    Raha misy mametraka lien (izaho nametraka, dia io koa i Rasamy ), dia satria mandreraka be ny mijery azy sy MAMAKY SY MANDRE NY TSIKERA REHETRA ! Lasa dia lasa ny eritreritry ny olona !!

    Ny SADC tsy maintsy manao an’izay tokony atao, fa ny OIF no tsy misy tokony hidirany ao aloha, amin’izao fotoana !
    Tsy nanome mandat azy ny vondrona eraopeana sy ny ONU, kanefa tsy nitsahatra nitsabaka tany ry zareo izay tarihin’i satanie !!

    Ny Prezidà dia mahafantatra ny zavatra miseho ISAN’ANDRO AO AN-TOERANA. Ho ainy foana ny hamakafaka.

    Eto isika izao no mitovy : MILA TENA MIEZAKA SY MIHETSIKA NY VAHOAKA !! AIDE-TOI ET LA COMMUNAUTE INTERNATIONALE T’AIDERA !!!!
    MDR !!!

    Ny fanontaniana dia izao :

    – Misy bonne volonté sy sincérité ve ao amin’ireo mpitarika ireo, na dia samy miandry VALISOA DAHOLO AZA INDRAY ANDRO ANY ?

    – Ao anatin’ireo mpitarika ireo ve, mbola misy NAMAN’IREO TSY NAHANDRY TANTANA ??

    – Raha tsy mahazo VALISOA ARAK’IZAY NANTENAINY NY SASANY, DIA HANONGAM-PANJAKÀNA KOA VE RAHATR’IZAY ???

    TSY AFENINA INTSONY IZAO NY FOTOMPISAINAN-DRAMALAGASY !!!

  30. Tsy mangataka ny fialanareo eo @ andraikitrareo eo @ fitondrana ,ianareo leader no tianay lazaina eto ,ny tenanay,ary manohana anreo tanteraka @ izao fanamafisana ny tolona izao .

  31. Déclarations amin’ny gazety, na avy amin’iza na iza, tsy mamokatra intsony izao ê !

    RESULTATS PROBANTS IHANY Ê !!

    BERIZIKY DIA CHEF DE GOUVERNEMENT NO FAHAFANTARANAY AZY, FA TSY CHEF D’UN GROUPE DE COMEDIENS NA CHANTEURS ( OU MAÎTRE-CHANTEUR ) !!!! MDR

    Bainga mivadika ihany ny antsika izao, na i Koto na i Ketaka no hitarika ny tolona ê !
    Ampiana kely RIGUEUR SY DISCIPLINE !!!

  32. jereo koa fa mbola misy zanaka’alika kely domelina mandehandeha ato an-trano ato, efa roasina mivoaka mbola mivovo aty ambaravaran’olona aty ihany!!!!!!!!!!

  33. Ho fantatra androany na ho rava ny tolona na tsia !!!

    Mangataka an-dry zareo ao amin’ny Movansa Ravalomanana, HANONTANY TSARA AMIN’NY FILOHA RAVALOMANANA NY ZAVATRA TENA TAKIANY SY TORO-MARIKA HOMENY RAHA TSY MAZAVA NY VOALAZANY OMALY, ALOHAN’NY HANAOVAN-DRY ZAREO VALAN-DRESAKA AMIN’NY MPANAO GAZETY !

    AMIN’NY OLONA MARO RAHA TSY HITENY HOE VAHOAKA, DIA MBOLA FANOHANANA AN’I DOMELINA NY FIJANONANA AO ANATIN’IO TRANO NA RAFITRA MAIMBO IO !!!

    KOA SAMIA MIZAKA NY VOKAN’IZAY ATAONY DAHOLO AVY EO !!! VAVOLOMBELONA NY VAHOAKA ARY MBA MISAINA IHANY !!!

    A 16h30 izany no fotoana !!!

  34. D’accord ry KM a ! fa indro kely. Matoa tsy milaza mivantana amintsika vahoaka i Dada na ireo »Mpitarika amin’ny 16h30, dia mba aoka isika hihevitra hoe : misy antony matoa tsy miteny mivantana izy.
    Ny vavan’ny foza mantsy avy eo dia hoe : toa tsy niteny tsy nivolana i Dada. 😉

    Fa inona na inona izahay ao amin’ny http://lafy8.forum.ca dia mino sy matoky ireo aloha hatramin’izao, ary manantena fa hanohy ny tolony hatrany izy.Kanefa kosa, tsy manavaka na iza na iza, satria izany no maha-lafy valo azy.
    Ny hezaka ny hitambarana no ho hery e ! Azafady a ! Mbola manosika ihany : Tohano sy ampio ireo, fa IZA NO MBA hatokisana hisolo an’ireo ? 🙁 Mbola miaraka aminy I Naika Eliane Raveloson Rakotoamboa Zafilahy sy ny sisa, ka nahoana no simbaina ?

    Izao aho vao tonga saina tampoka, fa ilay hoe : « HAINAREO NY NIDITRA…………….. », dia mino aho fa ho an’i Domelina iny teny iny. Nefa moa asa……………
    Sao dia isika no diso e ???!!!
    @16h30 e ! 😉

  35. Mifanaraka amin’ny hetahetam-pon’ny olombelona ny conventions internationales
    Sao dia efa ho tafa ny tolon’ny gtt avy any lavitra?

    Mandritra izany, ahôna no hanaisorana an’i Joelin’ê?
    Sa miandry ny solon’i Sarko?

    da OMEO BASY avao kolay …

  36. Mino aho fa misy valiny mahafa-po noho ity holazaiko ity :

    Efa natomboka ny Hetsika ! Tsy tokony mijanona intsony, fa raha azo atao na isan’andro aza dia izay no fantatro !!!
    Mangidy dia mangidy ny aina sy ny ratra mahazo ny vahoaka, kanefa toa tsy maintsy handalo amin’izany isika efa miraikitra mafy ry vozongo isany.

    Aza omena tsiny aho raha manosika ny vahoaka hanao izany, fa izany no marina amiko !

  37. Raha tsotsorina ny fandinihina ny seho-javatra diadia mora dia mora ny miala amin’ny fifanarahana nosoniavina tamin’ny Communauté Internationamle , izay nanendry ny SADC ho solontenany amin’ny fitadiavana vaha olan amin’izao kirizy izao..
    Ny SADC ni misolo tena ny Communauté internationale satria mpikambana ao amin’ny SADC i MADAGASCAR..!
    Tsyy homora no mila amin’ny sonia natao , ary inona moa no mba hery ananantsika na ra-bola , na ara-tafika , na ara-piadina , na ara-diplomatika ?
    Akoatry ny harena amban’ny Tany sy ny pétrole mbola ho trandrahana dia tsy misy antony na kely aza hihazakazahan’ny Firenena manam-bola hiara Amintsika..
    Ary soa fa manana Filoha misaina , fetsy ,matslo saina ary koa henoin-teny ary atokisan’ny mpitondra n’ny Firenena maro afa-tsy sarkozy Isika..
    Io fialantsika amin’ny andri-panjakana dia fampisehoana ny herin’ny ankolafy RAVALOMANANA MARC ,izay nanaiky nandray andraikitra taimin’ireo andri-panjakana (CT, CST , Gouvernement ) ary ny asan ‘ireo solontena tao dia lehibe sy nanome aina sy hendrika ny Tetzamita eo amin’izao Tontolo , indrindra fa ho an’ireo Firenena sy vondrom-pirenena manaraka ny politique eto M.kara amin’izao fotoana izao :ny Nations -unies , Ny UE , Ny SADC , Ny UA ,Ny USA , Norvège , Allemagne, Suède , Suisse..sy ireo pamarsy vola BN ,ny FMI..
    Tsy hanaiky mihintsy izao seho-javatra izao ireo indray noho ny vola sy ny fanampiana nataony itadiavana vaha olana nandritry ny telo taona ,koa nohony efa kely sisa ny fotoana hampivaha ny olana , dia manentsi-keloka ireto mpanongam-panjakana sy ny mpanome hevitra azy…
    Azo heverina fa mandrovitsihy ireo frantsay mpanampy aza eo an-toerna satria dimy andro sisa dia hanome ny didi-pitsarana ny mpifidyfantsay ka :
    –na sarkozy encore , hollande
    –na sarkozy dehors ,hollande d’accord..
    Ny alahady amin’ny valo oara alina aty France no mivahaka io didi-pitsarana io..
    Dia miandry Isika.!

  38. Fara hevitra . Arodana ny HAT , miala rajoelina, Greve generale eran´ny faritra rehetra , blocage secteurs rehetra.

  39. Nisy nisalovana pseudo teto ka nanomboka nampiteniteny foana ny sasany. Raha misy te hanompa dia alefaso aloha.
    Fa ity ny hevitra lazaiko:
    – Marina fa fitondrana tsy misy ilàna azy ny tetezamita amin’izao fotoana izao nefa raha toa ka tsy misy olona avy amin’ny mouvance Ravalomanana ao dia efa ela no nirehitra i Madagasikara iray manontolo. Mety hitan’ny sasany fa tsy mety ny mijanona ao nefa raha mahita fa tsy mety inona no vahaokana atolotrao.
    – Ny fananganana gouvernemanta antsesitany mbola tsy ho takatry ny malagasy nohon’ny tsy fahampian’ny fampianarana.
    – Araho tsara ny teny ataon’ny filoha Marc Ravalomanana fa tsy mbola nitaky rà mandriaka avy amin’ny malagasy mihitsy. Raha toa ka miala tanteraka ao anatin’ny tetemita ireo olona iangavian’ny sasany hiala tanteraka ao dia tsy mampaninona ny amboarazana foza mihitsy ny mamono ny mpitarika ny mouvance Ravalomanana rehetra satria hilaza izireo fa mpanakorontana ny firenena ireo.
    – Farany, nosy i Madagasikara, raha afaka nivoaka mora tety ny filoha Marc Ravalomanana dia satria nisy ny exfiltration nataon’ny mpikambana voalohany ao amin’ny Sadc. Aoka hazava amin’ny rehetra fa ny an’ny farantay dia izy maty no mahafaly azy. Ny herintsika izany hatreto dia ny fiarovan’i SudAf ny filoha. Raha toa ka tsy eo ireo efa voajedaka ela ny filoha. Ny tokony takin’ny malagasy mpitolona rehetra izao dia ny fangatahana mivantana amin’ny SudAf ny fanampiana hanala an’ireo mpamadika tanindrazana ireo amin’ny fitondrana. Azontsika atao izany satria ny CDEAO izy toanan’ny firantay any Côte d’Ivoire afaka manao izany. Vava latsaka fotsiny no andrasan’ny SudAf avy amintsika dia afaka manao koa izy satria ny firantay aza manao any Mali.
    – Mila fivondronan’ny mpitolona rehetra anefa io hevitra farany io. Mila ny fiaraha-mitantana rehetra io fangatahana io. Noho izany ireo rehetra mitady hampisara-bazana ny tolona dia anisan’ny foza firazananana satria izany no ataony eto amin’ny nosy fampisaraham-bazana. Raha misara-bazana tamin’ny tanintsika ny filoha dia efa ela ity tanintsika ity no teo ampelantanan’ny firantay. Toridalana tokony hoeritreretin’ny tsy mahita lavitra rehetra izany.
    Mitohy ny tolona, tsy maintsy mandresy ary tsy maintsy voafidy hitondra an’i Madagasikara ny filoha Ravalomanana. Izay tia an’i Andry aoka hiankohoka eo anatrehany fa ny mpomba an’i Madagasikara kosa aoka hiaramitondra ny firenena amin’ny filoha Marc Ravalomanana.
    Masina ny tanindrazana.

  40. Mampalahelo ireto fa izay aleha na any @ vahoaka, na any @ SADEC, na ny UN, de maneno sahona avokoa. De jereo ndray ty Raosy kivy tanteraka, tsy manankambara intsony, fa mody miantra sy mangorakoraka, kanefa ny akanjony mihosin-drà nalatsay, mody hadinony, de manao tari-bato vilambava manetsokeloka eo fotsiny. Nareo woa iatsaran-dRamamy sy Hanitra velatsihy, fefa fantatr’ireo ny sort n’ny dadanareo, fa tsisy fika intsony, de mody arirarirany atsy sy aroa, fa raha tena tia ny rainareo ireo, efa nafoiny ny sezany sy ny fiomanany @ fifidianana, de zay ry Njara sy Raverb Sagnagna, no tsy mampiteny intsony an’i Naika sy Rakotoamboa, fa aleon’ireny mangina, toy izay hamitaka an-dRainareo sy nareo zanany, de marina ny azy, fa tsy hanimba pasipaoro amin-dRaosy soavaly maty, sy ny stratégie-n’Ambohidondrona otranareo, ny eo foana no averimberina. Tsy hitanareo ridicule be ve le izy, tsisy zava-baovao? Andao hitokona eny Ambohijatovo fa tonga ny vahiny, de izay foana, de mandray bomba lacri, de izay foana, de miverina ao @ magrobaka, de izay foana, de miandry vahiny ho tonga ndray, de izay foana, de manompa sy miantso tody sisa! kanefa ny natao no miverina, de tsy hita intsony izy ty Raosy VENDRANA a! HANDROSO MATY RENIBE,HIHEMOTRA MATY RENIBE, satria NA NY ATY NA ANY DE MPONINA AVY ANY AMBOHITSAGNAGNA AVOKOA! bye bye Rabe R a! milay le anarana a! mampisy inspiration be, sady mahate haka tahaka mihitsy!

  41. SOS, Aiza ny KUNG-FU, mila anareo ny Vahoaka mitaky fiovana izao. Ambeno , arovy ny vahoka tan-dalana, Hamafiso ny tolona

  42. Ary aiza ry reto izao i Mialy rajoelina no tsy hita miaraka aminí rajoelinan-doza eny intsony sa efa najanona any France, manamboatra ny toerana handosirana.

    -Tsy hita niaraka taminy t@ Air-Bus, tsy hita niaraka taminy nitokana ny studio TV+ farany teo.
    i Radonjona madeha irery izao.

  43. Njara dit :
    6 mai 2012 à 17 h 41 min

    Mba tsy hiova pseudo kely indray aloha aho e! 😉 MDR !!!

    Misy marina mihitsy ny voalazanao ry tsss 🙂 Maninona moa raha alahatra ara- pahamezana ny zavatra tadiavintsika « Mpitolona ???

    Amiko aloha dia izao :

    1) Miala i Domelina ka…….Inona no tokony ho atao amin’izay ??? 😉

    2) Mody haingana i Dada

    3) Mikarakara ny Lalàna mikasika ny Fifidianana

    4)Mirotsaka hofidiana i Dada

    5) Mivoaka ireo gadra ara-politika – Mitsangana daholo ireo Heno aman-jery nakatona

    6) Fifampihavanana : Ny miaramila – Ny Polisy – 😉

    7) Fanondroana ny MinDef – MinInter SY ny Min Justice VAOVAO


    Ka misimisy ihany ireo hoy ilay tsy mahay manisa.

    Anareo ary ny Micro ry Mpitolona namana isany .Fa rehefa dinihina ireo dia ampiarao amin’io resaka ataon’i tssss io !
    Manao ahoana ?
    Mbola ny Fodian’i Dada ve no tsy maintsy lohalaharana ? 🙂
    Sao mba tsy mety e ! Basy hatifi-kavana ny ahy ry zareo, ka aleoko harangaranga 😉

  44. Manantena fa hanao taratasy Fiarahabana an’ i President F. Hollande ny Ankolafy Ravalomanana, ary hamporisika azy tsy hifandray akory amin’ny HAT
    fa indrindra ny PUTSCHISTE RAJOELINA.

    Sarkophage : allez !……!…….! Hi hi hi ! TGV : DEEEEEEEEEEGAGE!!!

    Aiza ny Rodobe ry vahoaka malagasy a ! Izao no fotoanany e !
    Omeo azy ny azy ! Hidio ny trano ! Ataovy izay mety !!! 😉

  45. Fa ahoana no ny ankolafy Ravalomanana iahany ry dà???
    Ny vahoaka Malagasy sy ny firenena rehetra izay nitondra faisana t@ iny
    Sarkolika iny mihintsy no tokony ahay hankasitraka an’i F. Hollande sy hanampy azy hiala @’izao
    fomba fiasa baribarianina afitsoky ny frantsay sasatsasany izao.

  46. Mba tsy hiova pseudo kely indray aloha aho e! 😉 MDR !!!

    Misy marina mihitsy ny voalazanao ry tsss 🙂 Maninona moa raha alahatra ara- pahamezana ny zavatra tadiavintsika « Mpitolona ???

    Amiko aloha dia izao :

    1) Miala i Domelina ka…….Inona no tokony ho atao amin’izay ??? 😉

    2) Mody haingana i Dada

    3) Mikarakara ny Lalàna mikasika ny Fifidianana

    4)Mirotsaka hofidiana i Dada

    5) Mivoaka ireo gadra ara-politika – Mitsangana daholo ireo Heno aman-jery nakatona

    6) Fifampihavanana : Ny miaramila – Ny Polisy – 😉

    7) Fanondroana ny MinDef – MinInter SY ny Min Justice VAOVAO


    Ka misimisy ihany ireo hoy ilay tsy mahay manisa.



    Miandry izay hevitrareo momba io soso-kevitra io o !
    Mitsangana MALAKY ry Malagasy – Mifohaza – Mifohaza – Mifohaza – Mifohaza – 🙂
    Adaboy i Domelina ! Miandry anareo Miaramila !

    MIANDRY ANAREO MIARAMILA : ho sarotra izany anefa mila toky aminareo ny vahoaka tsy mandady harona.


    Ny miandry fotsiny Ryu vahoaka tsy mety a !

    TSY MAINTSY MIHETSIKA ISIKA ary RODOBE ho mariky ny FIRAISAN-KINA : IO NO TENA HERY !

    ROAHY i DOMELINA – ary ROAHY NY MPANJANAKA !
    RODOBE – RODOBE IHANY – RODOBE HATRANY

  47. TAIRO SY TARIO NY VAHOAKA ry Ankolafy manohitra ny HAT isany a!

    Miandry izay hevitrareo momba io soso-kevitra io o !
    Mitsangana MALAKY ry Malagasy – Mifohaza – Mifohaza – Mifohaza – Mifohaza – 🙂
    Adaboy i Domelina ! Miandry anareo Miaramila !

    MIANDRY ANAREO MIARAMILA : ho sarotra izany anefa mila toky aminareo ny vahoaka tsy mandady harona.


    Ny miandry fotsiny Ryu vahoaka tsy mety a !

    TSY MAINTSY MIHETSIKA ISIKA ary RODOBE ho mariky ny FIRAISAN-KINA : IO NO TENA HERY !

    ROAHY i DOMELINA – ary ROAHY NY MPANJANAKA !
    RODOBE – RODOBE IHANY – RODOBE HATRANY
    Miandry izay hevitrareo momba io soso-kevitra io o !
    Mitsangana MALAKY ry Malagasy – Mifohaza – Mifohaza – Mifohaza – Mifohaza – 🙂
    Adaboy i Domelina ! Miandry anareo Miaramila !

    MIANDRY ANAREO MIARAMILA : ho sarotra izany anefa mila toky aminareo ny vahoaka tsy mandady harona.


    Ny miandry fotsiny Ryu vahoaka tsy mety a !

    TSY MAINTSY MIHETSIKA ISIKA ary RODOBE ho mariky ny FIRAISAN-KINA : IO NO TENA HERY !

    ROAHY i DOMELINA – ary ROAHY NY MPANJANAKA !
    RODOBE – RODOBE IHANY – RODOBE HATRANY
    Miandry izay hevitrareo momba io soso-kevitra io o !
    Mitsangana MALAKY ry Malagasy – Mifohaza – Mifohaza – Mifohaza – Mifohaza – 🙂
    Adaboy i Domelina ! Miandry anareo Miaramila !

    MIANDRY ANAREO MIARAMILA : ho sarotra izany anefa mila toky aminareo ny vahoaka tsy mandady harona.


    Ny miandry fotsiny Ryu vahoaka tsy mety a !

    TSY MAINTSY MIHETSIKA ISIKA ary RODOBE ho mariky ny FIRAISAN-KINA : IO NO TENA HERY !

    ROAHY i DOMELINA – ary ROAHY NY MPANJANAKA !
    RODOBE – RODOBE IHANY – RODOBE HATRANY

  48. Dommage, tsy mandeha ny video !

    Marqué izay ny « Essai » ATY, FA tsy maintsy Transformer-na !!

    10-17 JUIN indray no ADY EO !!

    Ny any an-toerana dia ireo lazain’i Njara ireo !

  49. Raikitra io e! tsy maintsy ho resy ihany elah letsy ry foza a!!,
    manmpetra ny asan’i SATANA lesy e!! VITA MATAVY elah isany !!
    Ela nilalaovana koa tratry ny haloka ihany e!!LAHY ELAH ANIO a!!tsy misy afa-bela eo!!
    matatesa daholo ry ilay tsivanona a! efa matavy ianareo ry marasily fa hialao ilany@’ izay a!
    ny azy ihany hanajana azy atodio aminy ny basy ahalalany azy tsara fa tsy METY ny hataony!

  50. Antsika vahoaka no mihetsika, fa kosa tsy hihetsika ny vahoaka raha mbola misy ny FIzarazaràna Ankolafy .
    Ny Mitambatra ihany ! Ary oka samy hanetri-tena hanaiky ny Mpitondra efa mipetraka.
    Betsaka ny mpanaratsy, fa Atoa Rakotoarivelo Ihany no lehiben-tsika.

    Amiko aloha dia izao :

    1) Miala i Domelina ka…….Inona no tokony ho atao amin’izay ??? 😉

    2) Mody haingana i Dada

    3) Mikarakara ny Lalàna mikasika ny Fifidianana

    4)Mirotsaka hofidiana i Dada

    5) Mivoaka ireo gadra ara-politika – Mitsangana daholo ireo Heno aman-jery nakatona

    6) Fifampihavanana : Ny miaramila – Ny Polisy – 😉

    7) Fanondroana ny MinDef – MinInter SY ny Min Justice VAOVAO
    tsy maintsy lohalaharana ? 🙂
    Sao mba tsy mety e ! Basy hatifi-kavana ny ahy ry zareo, ka aleoko harangaranga 😉

  51. Amiko dia mody tsy misy fepetra i dada fa raha sy eo izy sy misy zavatra azo
    hantenaina eo.

  52. Amiko dia ny fodian’i dada no tokony ho HIMASOANA fa
    tsy misy azo hianteherana eo na dia misy aza ny hafanam-po
    tsy maintsy misy mandoto rano foana eo , efa hita mibaribary izany ary efa ampy izay volana
    maro2 nidirana tao @’io fitondram-poza io izay,tsy tsara ny mifamitaka fa aleo dada hody haingana
    rehefa vonona daholo ny zavatra rehetra ho fiarovana ny ainy sy ny fananany.

    Rehefa voky ry miaramila isany dia raiso @’izay ny andraikitra a!vola adala-tompo fa lero e!!atodio any
    @’domelina @’izay ny vavabasy dia aza hadino i zanakisoa sy bomba be pànda.Tsy msy bedy fa rariny
    ary tokony izany mihintsy no izy, tsy hanadina anareo akory Andriamanitra raha vitanareo izay.

  53. Njara dit :
    7 mai 2012 à 19 h 26 min

    Amiko ry KM, tsy mba raisiko ho olana izany satria : Tena samihafa anie ny fomba firesaky ny malagasy ETO AN-TOERANA sy ny malagasy any ANDAFY any e !

    Ianareo miaina any Frantsa any efa manana ny logique fisainan’ny vozongo, fa ny an’ny malagasy eto an-toerana kosa, dia hafa mihitsy.

    Noho izany ny zva-dehibe amiko dia ny hoe : efa mba misy miresaka ny ho avin’i Gasikara ny Tanora dia efa izy lay, ary indrindra indrindra hoe manohana an’i Dada izy, sy manameloka an’i Domelina.
    Fa indro kely hoy ny Mpandrafitra e !
    Raha mba misy hevitra ny hanoroana ny Ankolafy Ravaloamanana
    1)
    Hanatona faran’izay haingana an’ Atoa François Hollande i Dada, miaraka amin’ireo mpanolo-tsainany :hiresaka momba ity Transition maharitra 4 ans ity.
    2)
    Hampihatra ny Traité de Sandton QUI N’A JAMAIS ETE APPLIQUé 🙁
    3)
    Dieny mbola azo atao dia mba mihaona amin’ireo Premier Ministrable Frantsay, ny Filohan’ny Ankolafy RAVALOMANANA mba HAMPODY AN’iDADA? SATRIA AEFA TSY EO INTSONY sARKO HANAKANA AN’I DADA MBA HODY.

    SANATRIA TSY MANDOHALIKA AMIN’ny VOzongo akory izany fa tsy hisy zavatra ho vitantsika malagasy irery raha tsy eo ny firenena afaka hanohana antsika.

    Relations diplomatiques izany.

    Ny tenako manokana dia mety hihaona amin’olona mba fantatro fa afaka ny hanampy antsika min’izany amin’ity herinandro ho avy ity. Tsy resaka vazivazy izany ry havana.
    😉
    Ampitapitao ireo toro marika roa ireo ry KM raha mba azo atao a !

    Mba vakio kely ity, fa sarobidy dia sarobidy HO ANTSIKA REHETRA :

    http://bayrou-modem.exprimetoi.net/t5047p400-le-retour-de-ravalomanana-a-madagascar

  54. Tsy afaka mametraka lien roa fa dia tongava HONO ATO E
    MBA VAKIO IZY ARY MBA OMEO HEVITRAREO E ! 😉
    hyyp://lafy8.forumactif.ca

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *