Eny Ambohijatovo amin’ny Sabotsy izao!

Efa miomankomana amin’ny fanatanterahana ny hetska lehibe ny faran’ny herinandro izao ny Ankolafy Ravalomanana izay atao eny Ambohijatovo. Hetsika hanaovan’ireo CT sy CST Ankolafy Ravalomanana tatitra amin’ny vahoaka Malagasy ny zavamisy eto amin’ny firenena. Ny lahateny rehetra teny amin’ny Magro Behoririka io hariva io dia niompana amin’ny fandaminana izany hetsika izany. Efa mandamindamina ny hetsika izahay, hoy Rakotomandimby Zafilahy, satria misy hatrany ny fivoriana tanterahanay mpitarika. Zava-dehibe amintsika, hoy izy, n’inon’inona takonana dia tsy maintsy mipoitra ny marina. N’inon’inona fandotoana ny Filoha Ravalomanana dia mamirampiratra ny tenany. Na dia sarotra aza ny làlana nodiaviana tao anatin’izay telo taona izay, hoy ity olom-boatendry ity, dia tsy kivy isika ary manantena fa hovitantsika ny mamerina ny ara-dalàna. Ny zavanisy teto amintsika , hoy Zafilahy, dia ny mpanao politika no nanao izay nanabe kibo sy nangoron-karena. Tamin’ny andron’ny filoha Ravalomanana dia efa napetrapetrany ny zavatra rehetra, na fohy ezaka na lavitr’ezaka. Efa nanomboka nivelona ny tsirairay dia izay anefa hoy izy no tsy tian’ny mpanao politika Malagasy sy ny frantsay. Mafy ny nahazo antsika nefa misy farany ny zavatra rehetra. Namafisin’ity filoha lefitry ny CT ity, fa ampy izay , tsy mila an-dRajoelina ny vahoaka Malagasy, leo tanteraka. Noho izany dia niantso ny mpiray tanindrazana ny tenany izay mahatsapa fa sahirana zara fa mahazo vola mba hiray hina. Vonona izahay mpitarika, hoy Zafilahy, hitarika ny hetsika miaraka amin’ny filohan’ny CT Rakotoarivelo Mamy amin’io hetsika Sabotsy io. Samy manana ny anjara birikiny ny tsirairay amin’ny fanomanana ny hetsika.

16 pensées sur “Eny Ambohijatovo amin’ny Sabotsy izao!”

  1. Araraoty tsara dia izao ny liberté d’expression fa rehefa lasa eo ny hat dia miverina indray ny répression sanglant dravalo sy zay president eo.Ary tadidio fa ny eo ihany no miverina tsy misy stabilité tsony mada mandrakizay,vao miala ny hat dia ireo ihany indray no anankorotana ny mpitondra vaovao eo.Samy manana ny stratégie daolo.

  2. Misy delegasiona experts NU tonga ndray ve ao, de mikoropaka ndray ry sagnagna hikotroka trouble e! fika efa miverimberina io sady lany andro sy lany daty, de hisy ndray ny harary fo @ Sabotsy hariva. R-BOMBE koa miandry ery ankodimirana! de mahereza e! aza manao ankoholahy fataka refa tairin’olona! tsisy taitra aminareo zany eo woa, fa efa betsaka ny nanaraka ny MAGRObaka raha naharesy lahatra olona ianareo! de mbola io ndray fa manaonao foana ny sagnagna!!!!

  3. Misy delegasiona experts NU tonga ndray ve ao, de mikoropaka ndray ry sagnagna hikotroka trouble e! fika efa miverimberina io sady lany andro sy lany daty, de hisy ndray ny harary fo @ Sabotsy hariva. R-BOMBE koa miandry ery ankodimirana! de mahereza e! aza manao ankoholahy fataka refa tairin’olona! tsisy taitra aminareo zany eo woa, fa efa betsaka ny nanaraka ny MAGRObaka raha naharesy lahatra olona ianareo! de mbola io ndray fa manaonao foana ny sagnagna!!!!

  4. Tsy fika lany andro mitsy lesy zany ry Rabe fa mbola moderna a, mila atao ny hetsika ahafantaran’izao tontolo izao fa vao² diso na tsy ampy no voaran’izay mihevitra fa milamina ny tany, mila ampahafantarina an’izao tontolo izao ny fanoherana ny tsy rariny mitondra fahoriana ho an’ny vahoaka 20ML zao. Raha mbola misy minia mikipy ihany ka milaza tsy mahita ny fahoriambahoaka dia aoka ho jamba mandrakizay!!!! mba ianaro ny nataon’i Barheïn fa tsy hoe rehefa misy ONU eo de fankatoavana zay, na misy F1 eo de manakarena daholo zay ny vahoaka.
    Lasa isika rey olona fa efa ela no niandrasa a! de aza maharitra ela loatra Solo Razafy vao mipoitra a!

  5. Menalamba
    Manaraha ny vavanao izay mbola minia tsy mahita izao FAHORIAM-BAHOAKA izao
    mba ho JAMBA mandrapahafatiny.

  6. Ka misy poaka ny vômasony fa ny vôpl no sisa fanantenany kou!dia mamrina tsiajerim-poza sisa mba hirahirany!

  7. Tsy maintsy miasa mafy izy fa mafy ny ataky ry Verbeeck a!!
    I Sarkô lôlô efa mitady hisatroka Pô!lany fika ! vao misokatra ny vavany dia MANTSINA
    tsy misy mpihaino intsony, mihetsika etsy mihetsika eroa! koa aza atao mahataitra oah!!mba mafy koa anie ny mahazo azy e!!
    dada tsy manaiky mihintsy,ho traingo eo daholo ny nafenina ka tsy maintsy mba MIALA NENINA IHANY izy sao misy mbola
    jamba azo fahanana lalitra.

  8. Tsara ny hoe hanao hetsika. Fa mba ataovy matotra ny paik’ady satria famonoana ny tolona sy ny mpitolona ny hetsika mora ravaina, ka na dia bomba lakrimozeny iray fotsiny no mipoaka dia iny fa mipatitaka dia rava ny hetsika, ny voasambotra koa eo andanin’izay mangany fotsiny. Izay no mahatonga ny mpitolona maro no tsy sahy mihatrik’ady. Fehiny : mila fiomanana sy paik’ady matotra ifehezana ny hetsika atao fa tsy ny Gl baomba foana no ho « rôle » eto amin’ny tanàna !!

  9. Mba jereo Gtt.org raha hiaino KABARY ry zareo a!!
     » baobab miolana no hatao anton-draharaha » olona ohatra izany no mbola
    midongizina hitondra ny tany sy ny fanjakana sns »hoy Raveloson Costant .Aiza ry foza a!!inona indray no
    SIKIDY hiofana @’ity BAOBAB MIFANOLANA e!!!mbola mahita hialana bala ihany ve e!!!rehefa avy miloloha
    lamba dia manolana BAOBAB, MIAKAPOKAPOKA oah!!!!hataon’ny mitonantonana eraky ny tapitanety sisa mba
    hamokirana ilay sezan’i DADANAY hi!hi!hi!!!!aza hitako aza mahita ahy fa efa hivoaka alina no hiafarana fa efa
    mitohy ihany ny fanompoantsampy.

  10. Coucou Ranavalona,
    Efa tao @ GTT ny aty ary tena milay be ilay « FRIPERIE » Hihihihi !
    Na RABE aza efa FRIPERIE ka manova pseudo sisa fa mba te ho « VAOVAO » !

  11. aleo hanao ry rabe fa ho hitan’ny havany eo a,amiko raha tena hoe ts mil izao fitondrana zao de tokony halainy ny havany ao @ CST sy CT. ry manandaf ohatr’reny sokina nahita tay reny refa nahita seza. de ry constant zany sis ts nahazo de mivovo manenatana ny alika rehatra hanakotaba ny tanàna. ianareo anie no vendrana fa raha mba nagina sy nipetraka tsara ohatr’zay efa vita ny fifidianana. zao ko lasan’ny zandrikely 3 taona be zao ny hena ary mbola hitohy 4 taona ary raha vao mitabataba eo. de rahoaviana in-1 hono ny dadan’ny alika no ho tonga e??? hihi

  12. Baby!!Baobab miolana indray izao no mode-poza 2012!
    maty aho » FIRENEKO « fa manomposampy etsy sy eroa sisa fa tsy misy HAPOAKA e!!!
    Fa dia loza inona loatra ity e!????mėnatsa bė zà marina!!!!!afabaraka ny firenena Malagasy!!!
    nandihy kilalaka hoy Kintana : tsy maintsy miharihary eny ihany ilay FIAVIANA na dia hiezahana hafenina lava @ lamba
    miaja tsara vidy @ ‘ity vola HALATRA vola mora ka HAFAFY mora2 toy ny vary mora,trano mora,fanolanana mora sns….

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *