Nahazo fiara hamoretana vahoaka !

Ambohijatovo 28 avril 12 (68)

Nomen-dRajoelina fiara tsy mataho-dalana hamoretana vahoaka maneho hevitra ny « mpitandro ny filaminana » omaly ary dia narantiranty hitan’ny vahoaka izany androany, rakotra fiara feno miaramila ny manodidina ny kianjan’ny demokrasia.Tsy tafiditra ny kianja hatramin’izao anoratanay izao ny vahoaka Malagasy mpomba ny filoha Ravalomanana.Na izany aza tsy mihemotra ny vahoaka fa miandry ireo mpitarika izay mbola tsy tonga teny an-toerana hatramin’izao.Ny azo ambara hatreto dia efa tapa-kevitra tanteraka ny mpomba ny ara-dalana ary vonona tsy hihemotra.Hiezaka handefa mivantana izay vaovao mitranga eny izahay koa dia manasa anao hatrany hanjohy…

11 pensées sur “Nahazo fiara hamoretana vahoaka !”

  1. 7100 WWT ka atramin’ny 7120 WWT aloha no hitako atramin’izao !! Fa firy marina no isany ??
    Ho alefa aiza daholo ireo rehefa tafaverina i Dada ?? Nankaiza daholo ireo an’ny UNICEF ?
    Vahoaka mijaly tsy mihinan-kanina, ireto FOZAM-POTAKA IRETO TSY MENATRA MAMORITRA NY MPIRAY TANINDRAZAN’AMINY !!
    Miala tsiny amin’ny rehetra, ary indrindra aminao r’Ingahy Prezidà, fa tokony ho latsahan’ny varatra ao anatin’ny gabone-ny na eny an-tanety eny ireo !
    Tsy mendrika an’ireo intsony ny zo, maha malagasy azy ireo !

    Ary nafenina sa nalefa aiza daholo ireo fiara nisy saina frantsay ? Efa lasa fitanteram-bary sy lavanila halatra daholo ???

  2. KM a! maro amin’ireo miaramila sy zandary koa anie no mpanatanteraka baiko fotsiny, ary mandray karama ara-dalàna izay alohantsika vahoaka isambolana é, ny lehibe mpanome baiko izay sady mandray ny karama @ hetra alohan-tsika isam-bolana miapy ny ambony apanga avy @reo rehetra mazo tombotsoa @zao fanjakana mamono vahoaka zao no tena azo lazaina hoe tsy gasy intsony, fa robot komandi-na mba hikomandy.
    Tsy misy kivy fa mitohy ny tolona!!!tsy maintsy hisy farany zao rehetra zao hiverenan’ny filaminana,sy ny fandrosoana haingana.

  3. Mandrapahoviana ity famonoana afo ity e!!
    Tsy hatao mahakivy marina fa ireo voasambotra izao
    no mampalahelo ,tsy aharitra ela ny zavatra VIDINA lava toy izao e!!aoka isika samy hanana
    faharetana. Aiza ny Kung fu e!!!efa maty afo koa angaha????toa izay mamoaka vava mantsy
    dia TSIPAZANA miliara dia vita2 ho azy!

    Mitohy ny tolona e!!inona indray re no mabadik’izao e??????samia manongila-tsofina daholo,
    ho vokatra TSARA sa Ratsy?????

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *