Nifamory ny Ct sy CST Ankolafy Ravalomanana !

leriva

Handalo fotoana mafampana amin’ity herinandro ity isika, hoy Leriva Manahirana, teny amin’ny Magro Behoririka androany. Amin’ity herinandro ity, hoy izy, no ampahafantarana ny parlemantera ny volavolan-dalàna momba ny famontsoran-keloka. Na nikabary teto aza i Dada, nilaza fa tsy mila famontsoran-keloka dia Rajoelina mieritreritra fa tsy maintsy handalo an’io izy. Efa nisy ny fivoriana niarahan’ireo Ct sy Cst ary ireo mpanao lalàna Ankolafy Ravalomanana, nivory nandinika momba io famontsoran-keloka io. Ilazana amintsika, hoy izy, izany fa mafana ny adihevitra ao anatin’ity herinandro ity, ary indrindra hanamorana ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana izany.  Nanao antso ho an’ny mpitolona teny an-kianja ny tenany. Aza gaga isika, hoy izy, fa mety tsy ahita anay mpitarika eto ianareo satria hafana ny adihevitra eny amin’ny parlemantera. Ny iangaviana antsika, hoy ity mpanao politika ity, dia mba hanambatra ny hery. Raha ilainareo ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana dia izao vanimpotoana izao no hanaovantsika izany. Nanafatra ny mpandray fitenenana, ihany koa ny tenany, mba tsy hanao kabary fanaratsiana ny ao anatin’ny Ankolafy Ravalomanana. Nanome toky ny vahoaka ny Cst Leriva fa hiady hatramin’ny farany ny volavolan-dalàna momba ny famontsoran-keloka.

9 pensées sur “Nifamory ny Ct sy CST Ankolafy Ravalomanana !”

  1. Tsy dia fanaratsiana loatra fa mba fanairana e!
    ary ny tsikera dia mahatsara zavatra ihany indraindray.
    Tsy maintsy efa tokony ho vonona ny @’izany kosa ianareo indrindra @’izao vanin’andro hiainana izao,ka ianareo aloha no ao
    dia tsy maintsy mba ohatra izay ihany fa tsy midika inona koa aloha fa rehetra tsara ny hataonareo hataoko fa tsy misy ny olana
    na dia eo aza ny TSIKERA fa tsy FANARATSIANA, ny HERITRERITRA sy ny HATAO no ataovy MADIO dia mandeha ho azy ny
    rehetra e!!manantena anareo izahay.

  2. Ny ahy indray dia izao :
    Nanome toky Ingahy Mamy RAKOTOARIVELO fa HIARAKA HIASA AMIN’IREO MPITOLONA AVY ANY IVELANY, ARY TSY HIFANAFIN-JAVATRA.
    Anisan’ny efa nangatahana hatry ny ela IO VOLAVOLAN-DALÀNA NOKOTREHAN’I DOMELINA IO. AIZA ILAY IZY, TOA TSY MBOLA HITA MIHINTSY ATRAMIN’IZAO ??
    Zoan’ny be sy ny maro, NY VAHOAKA MALAGASY REHETRA ny mahafantatra ny antsipiriany momban’izany !!!
    AIZA ILAY « HAFATRY NY SADC », ARY AIZA IZAO VOLAVOLAN-DALÀNA HO « DINIHINAREO » CT SY CST IZAO ????
    MISY TOKONY AFENINA ANGAHA ?? SAO DIA TOY ILAY FDR INDRAY ???

  3. I Mamy .R anie ka nihaona t@ Alain .J tao France e!
    efa tsy hilaina la frantsa fa izy no fototr’izao, koa tsy haiko???
    Vao nandalo tao frantsa koa izy dia efa tsy dia misy zavatra mahagaga raha tsy dia mandeha @
    hilana azy no hita e!!fa iza no MIBAIKO an’i GASIKARA raha tsy farntsa???dia eto indray izany koa inona??
    toa ilay FDR indray io???mihitatra mahazo andro kely indray ny FOZA fa lavalava ny fialantsasatra eto ,miditra
    @ talata indray , dia hiitatra rahoviana koa??domelina efa niala » PÁ « dia ny mialo fa tsy misy dikany izay fe-potoana
    nomen’i SADC.

  4. F a inona koa anefa no haneken’ny mouvance Ra8 ty famotsorankeloka ,tsy ry hat mpagalatra eo ami pouvoir sy mivarotra an’i Mcara ,ny harena ambany sy zanamahasoa no tokony hotsaraiana ampahibemaso ,le mouvance ra8 koa nge dia mety lalaovindry hat foana é!Hampiesoniny d ia miesona eo ,jereo le mamay ratovomalala sy ny tariny mivarotra cahrbon presque gratuit ami tsostsoka ! Entina aiza ty firenena ty é! raha tina hiverina i dada dia midina andalambe no vahaolna handravana an’i tgv sy ny forongony

  5. Ny zavatra tsy azoko alou dia efa hita fa vitsy an’isa ny olom-boatendry Ravalomanana ao @ ireo Parlementa ireo dia inona no azo antenaina ao????

  6. H@ zao aloha dia mbola tena maizina be tsy misy mazava na kely aza ny zavatra kononkononon’ireo mce8 ao @ ct sy cst ireo , ny asa vita no hifampitsarana e

  7. izay ataon’ny ct sy cst ao tsy maninona. Ny fantatary ny be sy maro dia mody tsy msy misy hatak’ansro ny prm Ravalomanana ary milatsaka ho fidiana raha tiany izany. ny akoatr’izay dia bla bla tsy mamaha olana

  8. Hatr@’izao loha dia mbola konikonenina any ilay izy dia avy eo avoaka
    tampoka rehefa vita ny sonia any ambadimbadika any ,dia terena fotsiny
    i dada hanaiky hoe » EFA TOKONY HO SONIAVINA e! » dia ho VOAFANDRIKA toy ny t@ ity FDR indray no hiseho eo.
    Tsy dia mazavazava loatra ny antony dian’i Mamy R tany frantsa kah????eny e! aleo aho aloha tsy hiteny betsaka. fa
    ho hita eo ny FANDEHANY, fa efa misy zavatra losoka sahady fa mbola tsy mazava hatr@’izao ny fandehany sy izay
    ho tapahana .

  9. Tena sahy hiala eo @ fitondrana marina ve i Mamy R sy ny namany raha ohatra ka tsy mahazo famotsorankeloka R8 , mila famotsorankeloka izy satria nomelohin’i Lavasanga Radomelina ka ho hita eo raha tena sahy hiala @ fitondrana marina i Mamy R sy ny tariny, na alika no jamban’ny taolana fa ny mpanao politika kosa jamban’ny seza de ho hita eo ny solution dia ny fidinana andalambe TVM tsy misy ilana azy intsony indrindra fa ialy journaliste Hery rakotomalala sy Bertrand ranaivomanana ngamba mihinana tain’i Lavasanga mihitsy reo

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *