Vaky ny sambo !

Magro 25 Avril 12 (5)

Efa resaka any anaty autobus amin’izao fotoana izao, hoy Constant, teny amin’ny Magro Behoririka androany ny hetsika amin’ny Sabotsy. Isaorana isika vahoaka ny amin’izany. Aparitaho ny taratasy ary alefaso ny sms any rehetra any mba afahantsika manentana ny olona. Misy ny toejavatra tsara ho fantantsika eto amin’ny firenena. Manao zinona ny vahoaka Rajoelina, hoy izy, fa baobaba mifanolana no atao. Asa na inona no mampifanolana azy ao. Maka saina isika hoy Constant, raha olona misoratra ho filoham-pirenena no manao baobaba spectacle. Mieritrereta isika. Mafy tena mafy izany hoe ahazo fankatoavana iraisam-pirenena satria tsy misy vola rehefa tsy mifampiresaka isika amin’ny fikambanana iraisam-pirenena. Voatery mandadilandy rehefa misy ny basy, fa ny mpampianatra jerena fotsiny. Ny commision avy amin’ny Air bus, hoy Constant, no hanabatambazana ny miaramila. Vaky ny sambo amin’izao fotoana izao, izay nolazaina fa izay tsy te handeha dia aty ivelany. Tsy ny resaka baobaba ihany no henontsika tamin’ity herinandro ity, hoy izy, fa misy jeneraly mandrahona sahady ka dia vaky ny sambo. Izany no midika fa misy manampahefana ao anatin’ny fitondrana ao misy katsakatsahana sy toherina. Efa misyady an-trano ao ary efa vonona hitifitra ny namany izy. Izany dia fiaikena amin’ny Sadc, hoy Constant, fa samy mihinana ny tsy fihinany. Misy ifandraisan’ny baobaba sy jeneraly. Mikasika ny fivorian’ny governemanta dia nambarany fa ny nivoaka tao dia hoe tsymisy marimaritra iraisana tao. Dikan’izany dia tsy mahavita mampadehana ireo ministra ireo ny Praiministra. Misy dingana azo ataony, hoy ity mpanao politika ity. Ny adidiny dia hoe Hajo, Christine, Mamy Ratovomalala, no tsy mampandeha ny governemanta. Mba hahazoana governemanta mandeha dia alako ireo. Efa hatramin’izay ny CT no hampiadian-dRachristine, ary izao indray izy mampiady ny governemanta. Momba ny hetsika amin’ny Sabotsy dia nambarany fa fantatray ny mampikatso ny andrim-panjakana rehetra. Manankolazaina amin’izany izahay, hoy Constant, fa tsy vitan’ny basy izy mon general. Tsymanana eritreritra hanao jeux de kapoaka amin’ny lacrymogene izahay. Tsy manana eritreritra  hanao bande sy role eny an-tanimbary izahay. Ny adidin’ny Pds, ny prefet, dia ny hitandro ny filamianana. Teneno izahay,  hoy izy hoe izao no tokony ataonareo. Anjaranareo ny miaro an’io fa tsy mandrava. Tsy fanehoankevitra no ataonay fa tatitra ny zavabita.

18 pensées sur “Vaky ny sambo !”

  1. aiza ny Vidaka Solo Razafy a?? ahoana no avela hangingiana toa izao ???
    kabary milay be io ve dia hataonao an’izao fotsiny ????Tsy mamely!!!marina e!!

  2. Hamafisiko mihintsy ny andefasana ny vidéo Solo RAZAFY a ! Tena mahaliana ny mihaino an’io kabarin’i Constant io. Alefaso ny vidéo e! Mitovy aminao aho ranavalona a
    Misaotra nao sahady aho Solo Razafy fa manantena e !!

  3. Aza dia manao sangy ratsy Solo Razafy a! tsy hitanao fa efa tena manaintaina mafy ve
    ny mpisera e?????mangetaheta ambony Sambo fotsiny???aza hatao an’io moa e!!
    tairiko indray ny Grevy an!!alefa ary!!video!video!video…………………..!!!!!!!!!!!

  4. La Feuille de route va être mise en place dans son intégralité ! Telle a été la décision du dernier conseil de gouvernement ! Nous avons signé, nous confirmons notre volonté de participer à la Transition malgré toutes les violations des principaux articles de la FDR !

    DANS SON INTEGRALITE, HORMIS LE RETOUR DU PRESIDENT ELU, DONT LA SECURITE N’EST PAS, OU N’EST PLUS ASSUREE ; ET NE LE SERA JAMAIS !

    DIA AHOANA KOA ???? ZESTA TEKNIKA IZANY IO AMIN’NY ASABOTSY IO, SA DIA INONA MARINA ??
    Misy feo hafahafa mandeha mantsy !

    AIZA ILAY HOE : « AFAKA FITO ANDRO » DIA HO TONGA I DADA ? TSY VOAHISA INTSONY ITY NY ANDRO, FA EFA LASA NY PASKA DIA HO AVY NY PANTEKÔTY ! HITSINGERINA IHANY KOA NY 26 JONA, DIA HO TONGA NY KRISIMASY !!!

    Ny sasany efa midansa, tena raitra amin’ny kilelaka na filelaka !!

  5. Coucou daoly,
    Ka Feuille de route Friperie ange ilay izy ry Kintana ka aiza moa no handeha ny tolona ? Halefa any @ Brokanty io raha mbola manaiky sy mandefitra isan’andro vaky izao ny vahoaka MDR !

  6. Mba manaova bilan @izay efa kabary natao teo @ Magrobaka RACTOSTA nandritra izay 2009 izay a! inona no tsy natao e! RODOBE ATSY, RODOBE ARY, GIGN, ANTSO MIARAMILA, FAMPODIANA AN’I DADANAREO, ATTENTATS….sns, tsisy tainy na de kely aza face an’i R-BOMBE! De be indray ny harary an-doha @ lacri, satria tsy hilatra pacifiquement ireo, fa tahaka ny mahazatra, hanao barofo sy la casse! de mbola tsy mandray lesona ihany, nahita ny manif nataon’ny dadabeanareo Zafy, naparitaka t@ lacri, satria, najaina tsara ny fanaterany voninkazo, avy eo anefa nirodorodo hanohana ny circulation, sady hanao la casse! de ataon’ny miaramila mamay be! tsy mahagaga koa moa fa misy ireo experts NU ireo, indray eo tiana hampiseho fa tsy milamina ny tanàna, de io manao fiadin-jazakely sy diska miverina lava io indray! jereo ane fa raha vao mipoaka ny lacri, de de RACOSTA no mandositra voalohany e! aza mba SAGNAGNA otran-dry Racosta sy ny Magrobaka itony, fa lany andro fotsiny, tsy manao bilan @ zay natao nandritra izay 3 taona izay, fa na de ny DADANY aza, de MOANA TANTERAKA, moa raha miteny kely, de zay nolazaina taloha, de iny foana no miverina. Mba menatra woa refa ataon’olona VENDRANA fa lany andro fotsiny, de ho hita eo @ Sabotsy fa ny eo ihany no eo, sady tsy hahazaka vahoaka izany, fa ny mpanararaotra hanao la casse no ho avy eo betsaka.

  7. Mba manaova bilan @izay efa kabary natao teo @ Magrobaka RACTOSTA nandritra izay 2009 izay a! inona no tsy natao e! RODOBE ATSY, RODOBE ARY, GIGN, ANTSO MIARAMILA, FAMPODIANA AN’I DADANAREO, ATTENTATS….sns, tsisy tainy na de kely aza face an’i R-BOMBE! De be indray ny harary an-doha @ lacri, satria tsy hilatra pacifiquement ireo, fa tahaka ny mahazatra, hanao barofo sy la casse! de mbola tsy mandray lesona ihany, nahita ny manif nataon’ny dadabeanareo Zafy, naparitaka t@ lacri, satria, najaina tsara ny fanaterany voninkazo, avy eo anefa nirodorodo hanohana ny circulation, sady hanao la casse! de ataon’ny miaramila mamay be! tsy mahagaga koa moa fa misy ireo experts NU ireo, indray eo tiana hampiseho fa tsy milamina ny tanàna, de io manao fiadin-jazakely sy diska miverina lava io indray! jereo ane fa raha vao mipoaka ny lacri, de de RACOSTA no mandositra voalohany e! aza mba SAGNAGNA otran-dry Racosta sy ny Magrobaka itony, fa lany andro fotsiny, tsy manao bilan @ zay natao nandritra izay 3 taona izay, fa na de ny DADANY aza, de MOANA TANTERAKA, moa raha miteny kely, de zay nolazaina taloha, de iny foana no miverina. Mba menatra woa refa ataon’olona VENDRANA fa lany andro fotsiny, de ho hita eo @ Sabotsy fa ny eo ihany no eo, sady tsy hahazaka vahoaka izany, fa ny mpanararaotra hanao la casse no ho avy eo betsaka.

  8. fa itony rabe sy bogor itony angamba ilay miasa ao ambohitsorohitra e! tena olona tsy fanao ianao mintsy tsy mahalala menatra

  9. Efa tsy tafavoaka intsony ny baolina e!!mikatso tanteraka.
    Io hetsika @ sabotsy io di TATITRA fa tsy tokony mihintsy hisy fahan-dalitra
    ankoatra izay fa ho hita avy eo ny TOHINY.
    Tatitra ho hataon’ireo CT sy CST mikambana ao @ Governemanta ny @ antony mapikatso ny raharaha.
    Koa tahaky ny ho MISITERY ihany raha hamela imalalaka haneho izany ny FOZA????
    Ilay fomba fiadin’ny foza izay efa mahazatra ihany koa dia rehefa manao fangatahana toy izao?HATAO FANAINIANA
    hampifilafilaina na homena aza dia HATAO EFA HANTOMOTRA BE mba tsy hisy olona firy ho avy sady radio foza tsy
    hilaza izany eo mihintsy.

  10. Oviana moa Rana zay tsisy hetsika tsisy dikanany sy fandanianareo andro izay isaky ny misy vahiny mba tonga! tena vendrana woa nareo mianakavy sady tsy henoin’ny olona mihitsy! mba menatra!

  11. LAHATENY ATOLOTRO NY FILOHA RAVALOMANANA MARC HO FAHATSIAROVANA NY TAONA FOLO NIFIDIANAN’NY MALAGASY AZY HO FILOHA NY FIRENENTSIKA !

    Ho an’ny VAHOAKA MALAGASY TSIVAKILO.MONINA AO MADAGASIKARA.IRAY TSY MIVAKY !

    Ho an’ny Filoha hajaina RAVALOMANANA MARC – Prétoria

    Ho an’ Andriamatoa RAKOTOARIVELO MAMY sy ny ANKOLAFY RAVALOMANANA MARC-Antananarivo

    Ho an’ny TIM eto MADAGASIKARA -Antananarivo..

    Miarahaba ny Filoha RAVALOMANANA MARC am-panajana aho amin’ny fitsingeranana ny faha folo taona nifidianan’ny Malagasy Anao ho Filoha-pirenena !Tsiavina fa ny 30 avril 2002 ny HCC no nanambara io fandresen’ny Malagasy izay nifidy Anao..

    Miarahaba ny Mpikambana TIM eto MADAGASIKARA sy ireo ANTOKO AO AMIN’NY ANKOLAFY RAVALOMANANA MARC

    « Inona marina ny antony nahatonga iny fanonganam-panjakana iny ? »

    Ny antony lehibe dia ny fanalàna ny filoha RAVALOMANANA MARC eo amin’ny FITONDRANA NY fIRENENA MALKAGASY..!

    IARAHANTSIKA MAHALALA FA TSY MISY ANTONY RAHA iSIKA MALAGASY NO MITSARA…ARY VAO EO VE ISIKA NO NIFIDY IN-DROA NISESY HO FILOHA-PIRENENTSIKA NY FILOHA RAVALOMANANA MARC DIA NIVADI – BELA ROA TAONA ATY AORIANA VE ISIKA ?..

    iZAO RESAKA AROSOKO IZAO DIA NY ANJARA LAHIN-JIRO ENTIKO HANAZAVA ITY FANONGANAM-PANJAKANA IZAY TSY ITAKO IZAY NANOSIKA IRETO malagasy nandray anjara tamin ‘izany afa-tsy ny halatra isan-karazany nataon’izy ireo !
    tsy nisy asa-pandrosoana na asa fanamipiana ny Malagay ,izay nikorosy fahana aza tao anatin’ny telo taona ,rehefa mba nandray ny valin-kasasarana tamin’ny ady natao tamin’ny fahantrana !

    Raha ny mpanongam-panjakana no henoina dia

    -satria tsy misy démocratie

    -satria nangalatra ny vola-panjakana ny Filoha RAVALOMANANA MARC ay tsy nikarakara ny fampandrosana ny Firenena fa ny entreprises-ny no nasoaviny

    -satria nivarotra Tanindrazana ny Filoha ( nisy feo nandeha be hivarotra tany amin’ny koréana tatsimo ny Malagasy ).

    Izay ny ambangovangon’ny antony naroson’ireo mpanongam-panjakana

    Izay ny fahadisoan’ny Filoha raha ireo no henoina !

    Nefa jerena akaiky izay mba asa nataon’izy ireo ho famandrosoana ny Firenena , dia ny ny fanapotehina ny fampandrosoana nataon’ny Filoha no tsapa ary dia mieboebo ery ity rajoelina mitokana làlana sy trano-panjakana natao tamin’ny fotoana nitondran’ny Filoha

    Nanenjika ny tsy fisian’ny démocratie izy nefa nahoana no nidina ny radio-tv (radio fahazavana ohatra ) ,nahoana no tsy ràrana tsy mahazo mivory ny Malagasy..ary no fafazana bombes lacrymogènes raha midrikina ?

    Iza no mivarotra ny tany amin’ny vahiny ? Firy hectares ny tany lasan’ny karana sy ny frantsay ?

    Fa ny tena antony iny fanonganam-panjakana iny dia ny alahelo-kanina , famaliam-paty (vengeance) tamin’ny faharesen’ireo mpanohira ny fitondrana nomen’ny Malagasy ny Filoha RAVALOMANANA MARC tamin’ny alalan’ny fifidianainnisesy ( 16 décembre 2001 sy 03 décembre 2006).sy ireo fifidianana solombavabahoka…

    Tsy nisy voka-pifidianana azon’oreo mpanohitra ieo..Ohatra tamin’ny fifidianana natao ny 03 décembre 2006 ,i Zafy dia tsy nahazo afa-tsy 04 isan-jato ny vato azo isaina !

    Koa nitady izay fomba hiverenana eo amin’ny fitondrana satria tsy nisy irika kely ahazoana fandresena amin’ny fifidianana ,dia tohizana ny fanaratsiana sy ny fanosoram-potaka ary fanakorontanana isan-karazany…ary dia mila fiarahana na filan-kevitra
    ary vola amin’ny frantsay.mba handrosoana amin’ny lalindalina kokoa.

    Ary hatosintsika ity rajoelina ity izay tsy tia maizina an-dRAVALOMANANA MARC…Io no ampiasaina atao mpanantateraka ,indrindra fa merina io ka tsy hisy feo sahy hilaza fa fiokon’ny club 18-1 io tranga nataon’ny mpanohitra miaraka amin’ny fratsay taontsika..

    Ny 31 décembre 2008 dia nivory niaraka tamin’ny olona folo tao FRESNE i rajoelina ary dia nanao velirano izy ireo hanao ny fanonganam-panjakana.

    Avy tamin’io fivoriana io dia nihaona tamin-dRatsiraka sy Rajaonarivelo i rajoelina..

    Ny volana janvier 2009 dia nody i rajoelina .Erin’andro avy eo izy dia nanendry an’i Dolin ho directeur de cabinet-n’ny mairie..Tsiavina fa i Dolin dia iray amin’ireo cemgam tamin’ny fotoana nitondra -dRatsiraka ny Firenena..

    Dia nandroso ny planina : saika isaky ny erin’andro nanomboka ny 21 janvier ka nifarana ny 17 mars 2009 ,izay nanasoniavana ny fanangam-panjakana.., izay nahitana ny fandraina anjara ny archévêque zanakolona ,izay nihetsika na kely fotsiny aza niaro ny

    ny Pasteur RASENDRAHASINA LALA , Président ny FJKM ,ary mpiara -miasa aminy ao amin’ny FFKM.

    ARY TENA NAZAVA NY FANDRAISAN’NY MIARAMILA ANDRAIKITRA BE TAMIN’IO FANONGANAM-PANJAKANA IO..!

    Ny SADC amin’izao fotoana izao dia mandinika ny  » débats juridiques « mikasika io coup d’état io..

    Somary mihisatra ilay izy satria i rajoelina izay notendrena (hadisoana ) ho mpitarika ny tetezamita dia miziriziry tsy hizara ny fahefana izay hiarahany sahanina amin’ny praiministra BERIZIKY OMAR..

    Mazava ao amin’ireo andininy maro fa ny praiministra no manana ny fahefana mahefa..

    Ny frantsay izay niaro ary nibaiko an-dRrajoelina dia tsy afaka manohy izany asa -pibaikoina izany satria ny fifidianana izay ho président-n’ny république any frantsa dia mampiseho ny tsy fahombiazan’i SARKOZY ,izay tompon’antoko amin’ izay zava-niseho tany Madagasikara ,saingy hain’izy ireo no nibaiko fa niseho ho tompon’andraikitra..Ka tsy mino aho hoe hanohy io « tentative de reconquête des habitudes coloniales « ny PS , izay nandova ny politique éthiqueno voizin’ny Président MITTERAND eo amin’ny fifandraisana amin’ny Firenena Afrikanina..

    Io tetik’adin’ny frantsay io dia ny françafrique no mitantana izany (francophone) ary mifandona amin’ny SADC (anglophone) izy ireo eo amin’ny sehatra diplomatiqiue mikasika ny resaka momba an’ny Madagasikara..Hiverenako io « ady diplomatique  » io izay mety ho lasa lavitra satria mitady hiverina amin’ny antony nanangananan’nt padesm tamin’ny 06 août 1946 izay natao ifaninana na hamonona ny fikambanana MDRM ,toa ny fikasana ny fanakanana an’ANDRIANAMPOINIMERINA SY RANAVALONA I TSY HANJAKA !

    Na ny frantsay aza no nangataka ny Général RAMANANTSOA GABRIEL ampiantra ny  » pleins pouvoirs  » tamin’ny volana mai 1972 dia izy ireo ihany no nampikorontana ny Fitondrana miaramila mba ahazoan’i Ratsiraka itondra ny Firenena..

    Nesorina ny tsy itondra ny Tany sy ny Fanjakana ny MERINA PROTESTANTS :

    ..Ny Mpanjaka RANAVALONA FAHA III

    ..Ny Général RAMANANTSOA GABRIEL

    ..Ny COLONEL TSIMANDRAVA RICHAED

    ..Ny Filoha RAVALOMANANA MARC

    Fa inona ary iza moa ny SADC izay misolo tena ny Communauté Internatioanale amin’ny famahana ny kirizy malagasy ?

    Ny SADC dia vondrom-pirenena 14 ,izay nitambatra ary nivonona nanampy ny antoko politique atao hoe ANC ao Afrika Atsimo : niady tamin’ny mpitondra noho ny fanavakavahana izay tsy nanaja ny zon’olombelona ary ny démocratie ka tsy nisy fahafahana niteny , nampiseho ny heviny ,nifanerasera ( nila passeport raha nandeha amin’ny tanana hafa..) ary ny asa mafy izay nandraisana karama vary masaka no natokany ho an’ny mainty hoditra ( mitranga volamena , diamondra ,uranium..)…Ny fianaran’ny ankizy , ny fahasalamana dia tsy zarizaey ary natukana ho an’ny mpanjanaka..Nijaly ny mainty , izay maro an’isa nefa tsy nahazo nifidy izay ho mpitondra..

    Ny président MANDELA no namorina io ANC io ,izay matanjaka tokoa eo amin’ny fanoherana ireo didy jadona mifehy ny fiainan’izy ireo..

    Dia izany toe- pitondra manavakavaka sy mpanao tsindry azo lena ary tsy manaja ny kely tsy mamindro nonahatonga ireo Frenena 14 mifanolo-bodi-rindrina amin’ny Répobilikan’ny Afrika Atsimo izay manan-karena ary manana ny Tafika lehibe ao Afrika ..

    Tohina izy ireo ary dia nanapa-kevitra nitondra fanampiana ireo mponina mainty hoditra izay tena mijaly sy ory aop Répobilikan’ny Afrika Atsimp(république sud africaine-RSA)..

    Vita ny statutn’ny fikambanana ary voadinika ny asa atao dia niroso izy ireo nanampy ara-bola , ara-tsakafo.., fa kosa tsy nanome fiadiana na nandefa miaramila izy ireo , satriamifanohitra amin’ny fisainan’ny fanampiana noho ny maha olombelona ( aides humanitaires ).

    Ny fahaizana sy ny fananan’ireo Firenena ao amin’ny SADC ny fahendrena nitondra io olana misy heloka bevava tsapa sy ita maso io ( crime contre l’humanité ) eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary eo amin’ny conseil de sécuritén’ny Firenena mikambana..

    Izany hoe niova ho ady hafa mihintsy ary ireo Firenena nisalasala sy nihatsaraivelanitsihy satria ny toe-karen’izy ireo dia miankina amin’ny harenan’ny RSA (uranium ,diamondra ,volamena ) dia sanganehana sy nizara :

    .. nisy ireo nankasitraka io fiovan’ny fijery ity politiokan’ny fanavakavahana (apartheid)ary nanohina ny SADC ,

    ..teo ireo nialangalana ary nilaza fa tsy mitsabaka amin’ny raharaha an-tokatranon’ny Firenena mahaleotena sy manana ny fiandrianany izy ireo..

    Raha tsorina sy afohezina ny resaka dia nitolona mafy tokoa ny SADC ary nifanandrana tamin’ ny RSA izay notohan’ireo Firenen-dehibe..Ohatra ny fitondrana frantsay niharo s nanohina ireo industries manamboatra sy mivarotra betsaka « centrales nucléaires  » eran’izao Tontolo izao ary amin’ny RSA izy no mividy ny uranium ampiasaina amin’ny centrales nucléaires..dia nifitsaka ny fitondrana frantsay ary nangina toa ireo tsy momba ny atsy tsy momba ny eroa..!

    Lava sy mazana ny tolona ,nefa ny hery tsy mahaleo ny fanahy !

    Ny diplomatie no fiadiana nampiasain’ny SADC ary farany dia nilavo lefona ny mpanavaka ireo mponina mainty hoditra ao amin’ny RSA..Navoaka ny fonja Atoa MANDELA izay nigadra nandritry ny 27 taona..Natao ny fifidianana malalaka izay narahina sy notsarain’ny Firenena Mikambana..

    NAHARESY NY ANC ARY VOAFIDY HO PRESIDENT-N’ NY REPUBLIQUE SUD -AFRICAINE ANDRIAMATOA MANDELA..

    Toa izay ny tantara sy ny tolona nataon’ny SADC..
    Ary traik’efa (expériences) azon’ny SADC no ampiasainy miatrika ny frantsay sy ny forongony afrikanina (OIF ohatra ).

    Nisy ny korontana nitranga teto amin’ny Firenentsika tao aorian’ny valin’ny fifidianana fihodinana voalohany ( premier tour) ,izay nampiseho nivandravandra ny fandresen’ny Malagasy (,na teo aza ny halabato sy nyfomba maro nanovana ny vokatry ny fifidianana )

    izay nifidy an’Andriamatoa RAVALOMANANA MARC ho Filoha-pirenena ..Tsy nekena ny Filoha teo aloha ,izay tsy nofidian’ny Malagasy izany tarehy marika notsarain’ny Haute Cour Constitutionnele ,izay novan-dRatsiraka aingana ireo mpitsara fa nanao fahadisoana..,

    Ary nampanaoviny fanitsiana ny alin’ny fifidianana izay tsy neken’ny Filoha RAVALOMANAA MARC..

    Ary Ratsiraka dia nangataka ny fihodinana faharoa ,nefa nolavin’ny Filoha voafidy tamin’ny fihodinana voalohany..

    Dia nentin-dRatsiraka teo amin’ ireo namany « francophones  » izany ,izay tsy inona fa ny françafrique izay notarihan’i omar bongo.Nivory indroa tany Dakar ,nefa dia nandamoka izany.

    Dia « nampiakarina  » teo amin’ny Organisation de l’Unité Africaine ,dia tsy nitondra fahafam-po ho an’ny rehetra..

    Dia nody ANTANINDRAZANA Ny Filoha RAVALOMANANA MARC..Tsy hivalam-patra amin’ny ady nisy tao amin’ny Tafika aho ,izay nizara roa :

    ..ny mpomba an-dRatsiraka

    ..ary ireo loyalistes izay nanohina ny Filoha vao nofidian’ny Malagasy dia ny Filoha RAVALOMANANA MARC..

    Nitonona ny HCC tamin’ny 30 avril 2002 (izay ho folo taona amin’ny alatsinainy ho avy )ary nanambara fa lany ho

    Filoha-pirenena Andriamatoa RAVALOMANANA MARC izay nahazo 51 isan-jaton’ny vato azo nisaina..

    Io tranga-javatra politique novoizin’ny frantsay atry ny ela teto Amintsika no nampitodika ny Filoha RAVALOMANANA MARC hiditra ho mpikambana hiaraka amin’izy ireo MADAGASCAR , mba hanana fiarovana ny fiandrianam-pirenena izay mety viravirain’ny olona kely saina voa baikon’ny firenena hafa te- hanjanaka Antsika..

    Ny seho-javatra dia manome rariny ny saina matsilo sy mailo ary hendry ananan’ny Filoha RAVALOMANANA MARC..

    Amin’izao tolona efa telo taona atrehantsika izao dia manampy Antsika ny SADC , izay mifanandrina amin’ny françafrique !

    Tsy mora izany .Fa eo aza fahamaikantsika noho ny fijalia »ireo Malagasy 20 tapitrisa dia mbola ilaintsika ny faharentana satria tsy maintsy fongorona
    tanteraka ireo antony na kely na lehibe mety hampirehitra ny afo nandoro Antsika atrizay !Ry Malagasy havako ,

    Io fotoana nanomboka tamin’ny fifidianana natao ny 16 décembre io ary nifarana ny 30 avril 2002 no fotoana mila ny fandinihina , famakafakana lalina ,

    mba hahazoantsika tsara sy mitsara marina ny seho-javatra politique izay nanampoizina sy namosavy ny fiaraha-monintsika..

    Tsy dia lavitra io fanankorontanana io ny frantsay izay nahita olona kely saina na tia-tena na tia vola na tia rehereha azony nobaikona sy nentina tamin’ny sangany hanefa ny politique-panjanahan’ny frantsay izay « tsy nahatanty ny fahaverezan’ireo Firenena nozanahiny ,ka nanao izay azony atao mba itazonana ireny Firenena ireny eo ambany ziogany…

    SATRIA NAHOANA , NOHO IREO HARENA HANANAN’IREO FIRENENA IREO .

    IZANY NO MAMPIKORONTANA NY TANY SY NY FIRENENA MALAGASY ATRIN’NY ELA..

    RAKATRY NY MANJAKA ANDRIANAMPOINIMERINA IZANY SATRIA EFA TAMIN’IZANY NY EUROPEANINA FA INDRINDRA NY FRANTSAY NO NITADY NY FAMPIZARAM-BAZANA NY FIRENENA MALAGASY KA NAHATONGA AN ‘ANDRIANAMPONIMERINA NAMPITANDRINA IREO

    FIRENEN-KAFA FA IRAY TSY MIVAKY NY FIRENENA MALAGASY KA HOY IZY HOE :

    « NY RANOMASINA NO VALA-PARIHIKO ! » dikany : intégrité territoriale : MADAGASCAR EST UN ET INDIVISE..
    Ny famoronan ‘ny frantsay tamin’ny06 août 1946 dia ho antoko nampiarana sy nanofanana Malagasy avy ivelan’Imerina ny ankabezany mba isolo , ifanohitra amin’ny mpikambana MDRM..
    Ny korontana nampirentin’ny frantsay dia nanomboka ny 29 mars 1947 tany MORAMANGA ary tamin’ny tanàna andalovan’ny TCE (Tananarivo Côte Est :train io) ary yao amin’ireo tànana nilavan’ny train FCE ( Fianarantsoa Côte Est).
    Ireo taànana ireo mantsy dia nisy téléfaonina ny chemins de fer , ka mora mandray ny antso mibaiko ireo frantsay lehibe ny korontana..!
    Tsy kilalao ny fanjanahan’ny frantsay fa ny nampizara ny Malagasy ,izaay namporisihina tamin’ny alalan’ny padesm ifamono !
    Tsy nitsahatra izny mandra ankehitriny ary ao anatin’ny ady an-trano Isika raha tsy hendry sy matanjaka..

    Tonga eto Amintsika ny experts-n’ny Firenena Mikambana momba ny fanomanana ny fifidianana madio, mazava ,hafaka..
    Eto koa ny OIF .Inoako fa mitondra ny tenin’ny frantsay sy ny croc -en-jambe nasain’ny frantsay ampiasaina mba handringa ny fifidianana..
    Rakatry ny SADC io fikan’ny frantsay io ka nobaikon’ny SADC tsy hiasa irery ireto OIF fa tsy maintsy miara-miasa amin’ny SADC..: izay ady diplomatique ataon’ny SADC..

    Ary io tarehi-javatra io -ady diplomatique – no mampkatso ny fametrahana ny TETEZAMITA IRAISANA ARY TSY MANAVAKA..TSY MAMPIZARAZARA ANTSIKA ..

    IZA MOA NO NAMPANAO FEHIRANO NY FARITR’IMERINA TAMIN’NY TAONA 2002 TAO AORIAN’NY FANDRESEN’NY MALAGASY TA%MIN’NY FIFIDIANANAA NATAO NY 16 DECEMBRE 2001 , ARY IZA NO NIBAIKO IREO LEHIBEN’NY PROVINCES DIMY TSY HIFANDRAY AMIN’NY PROVINCEN’IMERINA…?

    DINIHO TSARA AIN’NY MASO TSY MIANGATRA IZANY ARY AOKA ISKA TSY HO DITSOKIN’NY FAMPIRATIRATIANA NY FAMPIHAVANANA IZAY HIRIAN4IREO NAHAVITA HELOKA BEVAVA TETO AMIN’NY FIRENENA MBA HO TANTERAHANA DIA HO FOHANAN’NY FAMONTSORAN-KELOKA DIA HO HADINONA IREO VONO OLONA SY DORO TRANO ARY DIA HO LASA TSY MATY NANOTA IZY IRENY !

    TANDREMO LAHY ,TANDREMO ZAVAVY..! AOKA ISIKA TSY HANOSINOSY NA HANITSAKITSAKA NY MARINA !

    ARY MBA NY FAHAMARINANA NO HANAO DIDIKO FE-LEHIBE MIFEHY ANTSIKA EO AMIN’NY FANAMPAHA-KEVITRA ENTINA MANDAMINA NY FIAINANTSIKA ARY EO AMIN’NY FIJERENTSIKA SY FISAFIDIANANA NY LALAM – PANDROSOANA IZAY HIANTOKA SY HIANKINAN ‘ NY FANATSARANA NY MAHA OLOMBELONA ANTSIKA !

    ARY AOKA ISIKA TSY HO VERY FANAHY KA HANADINO NY FAHENDRENA NOLOVANTSIKA INDRINDRA IREO NAMPINDRAMINA FAHAIZANA KA AFAKA

    NANDRATO FIANARANA..!

    « ZANAHARY O TAHIO NY TANINDRAZANAY ! »

    N.B. :Eto am-panoratana aho no maheno ny teny nolazain’ny candidat ho président frantsay , Monsieur HOLLANDE izay manambara hoe: »Je mettrai fin à
    certaines pratiques ..en Afrique ! »

  12. En lisant uniquement le dernier paragraphe ci-dessus, je dis : Ne vendez pas la peau de l’ours avant de l’avoir tué. La France à Fric a été mise en place par je ne sais qui et fait partie de leur tradition. Sinon comment ils vont payer les chômeurs, la sécu et la retraite ?

  13. Merci au Dr Celestin Robin pour son point de vue surtout le rappel du 30 avril 2002 .Au sujet des evenements de 1947 ,l’element de declenchement des soulevements etait en faveur des « Français » ,comme presomption d’innocence,vu aussi certaines victimes (des pauvres « français »:vazaha lany mofo) qui ont trouvé la mort . C’est certain que la coordination n’a pu se faire que par telephone !

  14. valin ‘ny le resaka etsy ambony, dia lazainareo fa friperie ndray moa ty le feuille de route, hahahhha raha zaho ary no miteny de hoy aho hoe tsy friperie io fa papier hygiénique mitsy

  15. Mbola tsaroako ihany ry dada sy ny forongony fahiny, fony ry zareo teo amin’ny fitondrana, azy manontolo mihitsy ny vola, ny fahefana, ny voninahitra, ny hery. Ry Ravalo zany rehefa niteny dia namingavinga, naniratsira, nihevitra ny tenany ho eo amin’ny fitondrana mandramaty, ary tena tsy refesi-mandidy i leiry an! Nogadrainy izay niseho nanohitra, nampidiriny am-ponja izay mba nanana eritreritra hanorina orinasa mikasika ny ronono, nakatony ny radio nahenoina na dia phrase iray monja aza mitsikera azy, noroahiny ny missionera katolika. Ankehitriny dia toa mivaly amin-dry zareo ny ratsy rehetra nataony, ary inoana fa mbola ho mafimafy kokoa aza ny hahazo azy ireo. Kahoy aho hoe: matatesa valin-kitsaka. Efa resy nareo e!

  16. ry dénizy zany amle tsy mahita ambara de io foana ny commentaire alefa amn article rehetra eto ah!!! mafinaritra kosa aloha ny mahita anareo foza kely be de be maka aretim-po ato e!! de efa tsy taitra tsony ny aty satria efa film siligaoma be de taritaritina foana ny le fanaratsiana an’i DADANAY, tiako anie dadanay zay eh » ohatran’ny hoe lasa mampihomehy ahy sisa ny commentaire ataonareo foza kely eto marina mafy e!!!

    fa na de zany aza aloha a! aza adino ny WC portable am le andro atongavan dada 🙂 hehehe

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *