VONONA TANTERAKA ny Ankolafy Ravalomanana !

Tonga ny fotoana hanaovan’ireo CST sy CT tatitra amin’ny vahoaka Malagasy amin’ny zavabitan’izy ireo nandritra ny fe-potoam-piasany. Tonga ny fotoana izay hamerenana ny filoha Ravalomanana eto Madagasikara. Ho an’ireo mpikambana CT sy CST Ankolafy Ravalomanana izay nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy amin’ny hotely Fanatenana Ampandrana io tolakandro io, dia nilaza fa tsy maintsy hotanterahana ny hetsika. Tsy mitovy amin’ny hetsika tsotra io tanterahana eny Ambohijatovo io, hoy Me Razafimanantsoa Hanitra, fa tatitra ataon’ny parlemantera mikasika ny tsy mety sy ny mety teto amin’ny firenena, ary indrindra indrindra mikasika ny Ankolafy Ravalomanana. Matoa niditra tao anaty rafitra izahay dia mba hamaha krizy, ka anisan’ny fanjakana ny Ankolafy Ravalomanana, noho izany dia tokony hahazo hampiasa io kianja io. Manana karatra izahay mpikambana ao amin’ny parlemantera, izay milaza fa tokony arovan’ny mpitandro filaminana amin’izany.  Ny « conseil municipal » ho nanapaka fa kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo, hoy Me Hanitra, ary mbola tsy nisy fanapahan-kevitra hanafoana izany. Nampatsiahiviny ihany koa fa parlemantera tetezamita io dia tsy voafidy fa voatendry. Ny olona fotsiny  hoy izy no niova fa ny fipitsika rehetra dia mijanona amin’ny rafitra parlemantera. Tsy tokony hiova noho izany ny fandinihana ny lalàna ao amin’ny CT sy CST. Tsy vonona ny hampihatra ny tondrozotra ny fitondrana, hoy izy, satria ny andininy faha 16 ao amin’ny tondrozotra dia milaza fa ireo rehetra manana fanenjehana any amin’ny fitsarana dia tokony hajanona. Raha ny tetezamita amin’izao fotoana izao dia tokony hisy ny fanapahan-kevitra iarahana  mba hisian’ny marimaritra iraisana kanefa tsy hita taratra izany. Manana adidy amin’ny fampahafantarana ny zava-misy eto amin’ny firenena ny parlemantera, hoy ny fanazavana, fa tsy atao tompon-trano mihono ny vahoaka Malagasy. Tsy tokony hisy ny fanakanana hoy ity olomboatendry ity, satria toy ny fanokanana ny lalana, ny fitokanana Air bus io hetsika io. Eto Antananarivo no hanombohana ny tatitra ka etsy Ambohijatovo amin’ny 1ora tolankandro. Hampilaminana tanteraka no hanatanterahana izany hetsika izany.  Ankoatra izay dia fantatra fa ho avy hanohana ny Ankolafy Ravalomanana anio ry zareo avy ao amin’ny UAMAD MONIMA. Nisy ny fanambarana nataon’izy ireo teo anoloan’ireo CT sy CST Ankolafy Ravalomanana teny Ampandrana. Mandeha amin’ny tsy tokony ho izy ny tondrozotra, hoy izy ireo, noho izany dia manana adidy izahay amin’izany hetsika izany. Na dia tsymitovy hevitra amiany aza ny Ankolafy Ravalomanana, dia ara-drariny ny hetsika. Tsy ankasitrahana hoy ny Monima ny fisakanana na fanakorontanana izany hetsika izany. Andriamatoa Rakotonirina Manandafy dia nanambara fa mankalaza ny andron’ny fahafahana androany ry zareo ao Afrika Atsimo, ary mivory ny Sadc. Ny filoham-panjakana mivory ao hoy izy dia milaza fa tokony hisy ny fahalalahana amin’ny hetsika rahampitso. Ny hafatra hoy Manandafy dia hoe raha tianareo ny ahazo ny fankatoavana dia hajao ny fahafahana.

38 pensées sur “VONONA TANTERAKA ny Ankolafy Ravalomanana !”

  1. Diso fanantenàna kely aho aloha e !
    Noheveriko hoe hanararaotra ny fandalovan’iraky ny ONU, ny fahatongavan’i Dada !
    Fa tsy olana e ! Ataovy malaza fa ho avy tsy miosy hatahorana izy, ary harefotry ny vahoaka i Baomba mitohana, raha miadaladala ! 🙂

  2. Mbola miady aloha Lemena a!!aleo ho hita eo aloha ny rahampitso
    raha ny faniriana dia ho tsy niala teo akory aza i Dada fa tsy maintsy
    mandalo @’izao aloha, valala aza hono tsy azo raha tsy handriana HILIKA,mahareta fa hanana ny SOA e!!
    ( fa tsy Hanitra an! hi!hi!hi!) soa fa tsy hanitra oah e!!efa taitra aho fa heveriko fa hoe:inona ary no nandiso-
    fanantenana an’i sė????heveriko ilay sary io ambony io indray???tsy dia tsara loatra mantsy izy io?????

  3. Tsy i Satrobory ve io akaikin’i M.Hanitra io ???eto aho mantsy vao mandinika ny sary sisa.
    Tokony tsy hitakosona @’ireny mpamadika ireny mihintsy aloha raha mbola tsy tafavoaka toy
    izao ny TOLONA fa manimba ny mason’ny olona ary mety hanimba ny TOLONA mihintsy aza sa ahoana ry zareo?????

  4. Ataontsika hoe, « politika » io izany dia tsy lavina aloha izao satria « mba ialina  » koa ny maro an’isa e!!! Sa….?
    Tsy hita fa ataontsika izay hananana toky amin’ireo heverina fa mihezaka ireo aloha e!
    Ka hitakosona eo aza moa ry « satrobory », rehefa fantatry ny Ankolafy ny asian’ny tongony, haninona moa izy ?
    Amin’ny lafiny iray koa, heveriko fa ilaina ny Ankolafy Zafy ….HANOHANA e ! tsar kokoa izy miaraka amintsika eo, toy izay alaina ho fahavalo koa ! Sa….?
    Politika io ka samy TSY MAINTSY miaro ny tandrifiny e !
    Ranavalona a! sakamalo sy havozo, ka samy manana ny hanitra ho azy e !

    Efa vita ve ny tolona ry KM, sa mbola miady a ??? 🙂 Izaho oa efa miteny, fa tsy hifanoratra mihitsy raha mitohy izao an !!! 😉 Mba aiza marina i Bemafohy e ?, Sao kivy mba…tohanana ? 🙂

  5. Fa iza ary no mba niantso ny OIF hifanena amin’ny SADC ry KM a ???
    Izahay tsy mila OIF, fa ny Hanitra tazoninay 😉 dia ny SADC ihany e !
    ny OIF : allez ! Ouste ! Dehors !!!
    Alefaso any Toliara any ireo OIF ireo e !!!!

  6. Aza hadino ny fotoanantsika rehetra rahampitso Asabotsy
    Antsovy daholo rabaina, Rabofy, Rafotsy
    Fa ho tonga hanentana ao i Mamy Rakotoarivelo
    Tsy zoviana aminao intsony ny fitiavany an’i Dada tsy indroa na intelo
    Ny tehaka mafy aminizany tsy hadino ataontsika mafy be
    Aminizay rehanizao tontolo izao fa tena vrai
    Fa mbola mamimbahoaka ny prezidà Ravalomanana
    Ataovy izay hahatongavanao any, na tara aza Ranamana
    Dia mametraka ny mandrapihaona vetivety ho antsika rehetra
    Ny akamanareo tsy zoviana intsony manoratra tsy misy fetra
    J’aime · ·

  7. Izay aho vao mba nahita manohana an’Atoa Rakotoarivelo ! Manavotra ahy ianao Rasamy !

    Mino koa aho fa ity sary atao mazava tsara eo ambonin’i Me HANITRA sy Mamy Rakotoarivelo ity dia manazava ny sain’nireo mpanenjika zy amin’izao fotoana kosa ka !!

  8. Iza moa ireo fohy saina nanenjika ny membres-n’ny Ankolafy RAVALOMANANA MARC niditra andray 3andraikitra  » ao amin’ny CT, CST ary ny Gouvernement Beriziky ?
    Aiza izy ireo no tsy miteny tsy mivolana ?
    Amin’ny fotoana toa izao , amin’ny fihaonana toa izao no hatsapana fa ny fanapahan-kevitra natao am-pahendrena , ao aorianan’ny fisainana sy fandinhina lalina dia hahavitana zavatra mihaotra izay noheverina !

    Nahoana no tsy misy manenjika ny ankolafy Zafy izay nisalasala , nampifilafila vao niditra tao ain’ireo andri-panjakana ireo ?

    Nahoana no tsy misy mametra-panontaniana nahoana ny ankolafy Ratsiraka no tsy heno,tsy ita..,tsy niditra ao amin’ireo andri-panjakana ireo ?

    Fa nahoana ny ankolafy RAVALOMANANA MARC ,izay niditra no aratsiana sy hosoram-potaka ohatry ny nangalatra na nampha-fady ?
    Nahoana no nenjehina i RAKOTONIRINA FETISON ,NAHOANA NO NASAINA NIALA ARY NANGATANA TSY HO CHEF-N’NY DELEGATION-N’NY ANKOLAFY RAVALOMANANA MARC IZY ?

    Fantatray tsara ireo antoko na misarisry ho antoko manenjika ny mpitondra TIM..!

    Izao fihaonam-be izao no mitory fa matanjaka ,manan-tsaina mandinika sy mitsinjo ny lavitra ary tsy manaonao foana ireo mpikambana ao amin’ny TIM ary miandraikitra ny ankolafy RAVALOMANANA MARC..!

    Misaotra azy ireo nandany andro sy heri-tsaina amam-panahy nikarakara iizao fihaonan-dehibe manaporofo fa ao Amintsika ny fahavonona , ny finoana ny ho avy ary ny finiavana tsy handiso fanantenana ny Vahoaka izay mijery sy miandry ny fihetsika ary ny asa ataontsika..

    ENGA ANIE IZAO FIHETSIKA LEHIBE IZAO MBA HO SANTATRY NY FIVERENANAN’NY FILOHA RAVALOMANANA MARC MIANANKAVY ANTANINDRAZANA ARY HAMPIERITRERITRA NY SADC FA TSY MIPETRA-POTSINY ISIKA..NA MIRAVIRAVY TANANA !

  9. Samia manao izay tratry ny heriny hitondra olona eo Ambohijatovo rahampitso eh !

    Sahia manao dingana lehibe !

    IZAY BE NO BASY

  10. Nanitsaka bibilava aho izany ! 🙂
    Fa mba misy mahalala moa fa Jean Christophe MITTERAND dia tonga eto Dago amin’ny Raharaha mikasika ny Petrole ?
    Marihina fa Directeur General Ny Solitany any Frantsa ilay tsy mataho-tody io !

  11. Jean Christophe MITTERAND est arrivé hier à Madagascar, pour Affaires concernant le Petrole 🙁 Ancien Directeur Général de ELF chez feu-BONGO !
    Monsieur francafrique en personne .

  12. Tena mbola ao anatin’ny tolona izao ry Ngama â !
    Tsy misy fotoana andehanana ary amin’ilay toerana iray intsony marina â ! MDR !!
    Vonjena ny agôsy, arahi-maso ny adroaty !!
    Bainga mivadika ihany leroa no andrasana sy tadiavintsika â ! Le Président de retour au Païs dabôro ; ankaotr’izay tsy mamely !!!!
    Mankaleo ny zesta teknika !

  13. Tokony filazana fotsiny no nataon’ny mouvance fa tsy fangatahana ,tompony koa ianareo ka tsy tokony hangataka.
    Ka raha ho tampenana i Baomba ny fidirina ao Ambohijatovo dia hataoko fa tsy misy afa tsy ny lalambe no sahaza ireo Vahoaka marobe .
    Dia mankahery antsika mpiara mitolona .
    Fampandrosoana ny tanindrazana sy ny mpiraitanindrazana no tanjona.

  14. Misy zavatra ROA, azonareo TOKÀNANA maneranan’ny nosy miantomboka rahampitso !!

    FANANTENÀNA SY RIVOM-PIAINANA VAOVAO !! LEO FOFOM-POZA NY VAHOAKA MALAGASY !!!

    Tsy mila Air Vicié na Air Bus natao amenoana paosy ny vahoaka !!!
    Tsy mitady fanokànana « lalana kely » mirefy 60 metatra ny vahoaka fa fandaniam-bola sy fizahozahoana fotsiny izany ! Eny fa na dia ny asa vitan’ny Prezidà aza no hisekoan’ny sasany !
    Tsy mahagaga fa olona tsy mahalala fahamenarana no miseho ho mpitondra ! Kilelaka no tena talentany ! Mpampandihy sokatry !!

  15. Tsy gaga intsony ny tenako, fa tena misy olona tsy alapazy mandrak’izay mihintsy, raha resaka pôlitika !!
    Tsy ho tafa amin’izay hiriana raha hazo boboka no hianteherana !!
    Tena TSSSSSSSSSSS !!!!!!!!!!!!!!!!!

  16. Tsara hariva r’IMAHAKA !

    In-telo izao no namaky ny mail-nao aho..Lalina tokoa fa ireo voalazanao ireo no tena toe-dratsy misy ao Amintsika Malagasy atriniela !
    Satria rana mandinika ny ohabolana maro sika dia mahalaza tsara ireo  » kilaman »ny Malagasy tsara ny ohabolana..!
    Fa misaotra Anao aloha fa misy ho tsaktsakoko ireo voalazanao..
    Hono aho ,nanao ahoana ny vokatra teo (ny vary ,ny hanin-kotrana ? Mba namokatra tsara ve ilay masombolina – tsaramaso (soisson)nafaranao § Rizareo eny Ambohimahatsinjo koa dia nanana tsaramaso tena tsara sy matsiro !
    Tsy nisy fahasimbana ve ireo paiso ,poire sy manga tamin’ny fandalovan’ireo rivo-doza teo..Raha nianjera ireo vatotra hazo kininina dia havadio ho chabon fa sao loha am-pitoerana eo..
    Ny aty dia tsy misy ho lazaina fa ny vaovao avy any Aminareo anie no mahaliana sady ilaina é !
    Aza hadinonao ny mampanamboatra ny taimbary ery ambany atsinanana ary koa ny mampanala ny fotaka amin’ny lakan-drano rehetra !
    Mifanambotra Isika Roalahy sahala amin’ny mahazatra ..ny voyage-ko mbola miankina amin’ny zavatra maro..
    Mampamangy ary r’IMAHAKA ary manao mandra-piresaka !

    P.S.: ho eny Ambohijatovo izany Ianareoa ! Mahavita be !

  17. Tsy dia misy antony sy lanjan’izany r’IMAHAKA à!
    ..Izay volaniko tsy fehezin’iza na iza..Ny any mametra izay ho lazaiko dia ny fitsinjovako raha ilana na tsy olaina izay soratako..Avy eo tsy mamefy ny olona izay te-hamaky aho ,na handra azy tsy hamaky Fahafahany izany ary miankina koa amin’ny fahatakarany izay tiako ho lazaina..
    ..Ary nahoana moa izaho no voatery hanoratra izay azoazon’ny mpamaky ? tsy mpanoratra tanatara aho ( roman) ka hitsinjo ny hoe : »Sao tsy misy mpamaky,mpividy ity boky tantatra nosoratako !
    Hevitra no arosoko : misy mamaky na eto frantsa na any M.kara , na aiza na aiza dia tsy ahoako izany..Ny ahy no manoratra no anjara birikiko..,!
    Lava loatra ny teny soratako ?
    Tsy misy voatery hamaky ny teny soratako na fohy izany na lava !
    Fa aiza moa no misy ity lalàna na fepetra mandidy ny halavana ny teny soratana ? Sa dia sekoseko sy eboebo ?
    Mahagaga !Marina tokoa ny filazan’i Socrate manao hoe : »Raha tapenanao ny mason’ny olona dia mahavita mamao fady izy ! »
    Jereo anie fa ireo olona tsy mitonona anarana ( izany miafina ) dia mahay miteniteny foana ,mahavita resak’e..tra !SATRIA TSY FANTATRA IO OLONA IO..
    Ny teny ,na ny resaka soratana voasonia amin’ny tena anaran’ilay mpanoratra dia mazava , madio satria fehezin’ny saina sy ny fanahiny ilay mpanoratra !
    Misy mampiely tsaho fa tsy misy dikany izay soratako : saingy izao izy mitsikera io dia sy mitonona anarana ,dia tsy misy dikany ny tsikkera ataony..
    Misy namako mamaky izay soratako dia sahy miteny izy hoe: »Ovay ilay voasoratra tahak’izao , satria mety misy handray an-tendrony ,ohatra ? » Dia manazava aminy ny tiako lazaina aho ,dia dia hoy izy : » Hazavao tsara ary fa misy mandray dika vilana ! »
    Hatao ahoana ny miresaka amin’ny olona manao saro-tava , tsy mitonona anarana..!
    Sa matahotra inona izy ireny no miafina..
    Analyses psychologiques be ny mitady ny antony ity pseudo ity ?
    Misy serasra toa ny TAFATAFA izay mitaky anarana sy sary izy rehefa misoratra ho MPITAFA ianao..
    Ary dia tsy misy olana , ny resaka mandeha tsara.., ary ny hevitra dia mitombona..!

    Ny fampiasana pseudo dia manimba ny fomba firesaka ary tsy manaja ny fahafahan’ny tena ary mety mampitaraiky ny fampandrosoana satria ny olona miafina dia olona taraika ,tara ary tsy dia azo antoka fa fatsora .

  18. Mafana tokoa ny « ady diplomatique  »
    Tonga moa ny Firenena Mikambana handinika ny fikarakarana ny fifidianana
    Dia nipoitra ny OIF (mpandoto rano iraky ny frantsay) izay no raràn’ny SADC tsy hiasa ireny momba ny fifidianana fa tsy maintsy miara-miasa amin’ny SADC..Izay ny coup droit..
    Dia indro koa ny Amerikanina nitsivalana fa tsy hisy fanampiana avy amin-drizareo raha mody ny Filoha RAVALOMANANA MARC
    Io fanambaran’ny Amerikanina io dia manohitra ny hetsika niezahan’ny frantsay izay nangataka ny fiverena ny fankasirahana ny fitondrana any M.kara.
    Mody fanina sy mody adala ny frantsay nanao io fangatahana io : mihevitra izy fa tsy fantatry ny Firenen-kafa fa noho ny fanonganam-panjakana novoiziny no nahavery io fankasitrahana io koa dia tsy fantatry ny frantsay ve tsy misy fankasitrahana raha mody any M.kara ny Filoha RAVALOMANANA MARC..ary izany no nitsivamlana’ny Amerikanina hoe tsy hanampy any M.kara izy raha mody ny Filoha..
    Iaraha-mahajaja fa be tokoa ny fanampian’ny Amerikanina satria tsy ny AGOA fotsiny …

    Tena mafana ny « ady diplomatique ! »

  19. « Dia indro koa ny amerikana nitsivalana fa tsy hisy fanampiana avy amin-dry zareo RAHA MODY NY FILOHA RAVALOMANANA MARC »
    ….
    « koa dia tsy fantatry ny frantsay ve tsy misy fankasitrahana raha mody any M.kara ny Filoha RAVALOMANANA MARC…ary izany no nitsivamlana’ny Amerikanina hoe tsy hanampy any M.kara izy raha mody ny Filoha.. »

    dixit ny spesialista !!

    Asa ianareo, fa mba niezaka ihany aho fa dia kivy ; ho very hoy aho ny malagasy ê !!

    KMD alias Zorro Masqué

  20. ho ho ho
    taiza itony no novoizinao ra-doc an: « Dia indro koa ny Amerikanina nitsivalana fa tsy hisy fanampiana avy amin-drizareo raha mody ny Filoha RAVALOMANANA MARC »???!!!

  21. Fa rahoviana hono ity rainareo no hiverina? toa ho sahirana rangaha iny, fa voarohirohy noho noho ny vono olona(génocide), @ tribonaly Sud Af, amam-bolana maro, eny mety aman-taonany akory aza? de ho lany maina io hetsika io, fa rano atondrka an-damosin’ny gisa, diska miverina lava! avelao hiteny zay hiteny ry mpitandro ny filaminana, fa raha vao mitady hanakorotana sy hihoa-pefy, hampikatso fiafamoivoizana ‘ hamaky managazay sy hangalatra otran’ny fanaony mahazatra, isaky ny tafavoaka mahita masoandro, rehefa avy mihiboka ao @ magro maimbo ao! tonga de mihetsika ise ry R-BOMBE a! mahatoky anao ary tsy mbola diso fanantenana taminao ny vahoaka hatramin’izay nitandroanao ny filaminana izay. Inona koa moa no mba herin’ireo, ny hanavotr’aina ihany rehefa tairin’ny olona refa avy manao provocation! ianao irery de tsy lanin’ireo ry R-BOMBE a! Raha za ndray nareo ry MAMY sy RY HANITRA ary ry NDAFY, mandeha manao MANIF atsy SUD AF mitaky mba tsy ho rohirohizana @ affaire 7 Fèv Raosy! mitombo ihany ity ny fahavoazana, in-droa mahita ny maizina otrn’ny tainomby atsetsin-davabary! zany le woe aza manao ratsy fa ny ratsy manaraka eny foana!

  22. Fa rahoviana hono ity rainareo no hiverina? toa ho sahirana rangaha iny, fa voarohirohy noho noho ny vono olona(génocide), @ tribonaly Sud Af, amam-bolana maro, eny mety aman-taonany akory aza? de ho lany maina io hetsika io, fa rano atondrka an-damosin’ny gisa, diska miverina lava! avelao hiteny zay hiteny ry mpitandro ny filaminana, fa raha vao mitady hanakorotana sy hihoa-pefy, hampikatso fiafamoivoizana ‘ hamaky managazay sy hangalatra otran’ny fanaony mahazatra, isaky ny tafavoaka mahita masoandro, rehefa avy mihiboka ao @ magro maimbo ao! tonga de mihetsika ise ry R-BOMBE a! mahatoky anao ary tsy mbola diso fanantenana taminao ny vahoaka hatramin’izay nitandroanao ny filaminana izay. Inona koa moa no mba herin’ireo, ny hanavotr’aina ihany rehefa tairin’ny olona refa avy manao provocation! ianao irery de tsy lanin’ireo ry R-BOMBE a! Raha za ndray nareo ry MAMY sy RY HANITRA ary ry NDAFY, mandeha manao MANIF atsy SUD AF mitaky mba tsy ho rohirohizana @ affaire 7 Fèv Raosy! mitombo ihany ity ny fahavoazana, in-droa mahita ny maizina otrn’ny tainomby atsetsin-davabary! zany le woe aza manao ratsy fa ny ratsy manaraka eny foana!

  23. Hoaiza! Kintana!!raha in-1 mandeha hataoko hoe diso kely,
    ary heveriko fa izaho ihany no FANINA!!!!

    Ahitsio na ampio fanazavana kokoa Radoko fa misy tsy mazava a!!azafady!!mampiroaroa saina be ilay izy,
    dia io voasoratrao io tokoa ve no izy fa tena efa miverimberina be matsy ilay hoe: »……TSY misy fanampiana avy @-dry
    zareo raha MODY NY FILOHA Ravalomanana……… »????????????Fanina ny mpamaky Radoko a!

  24. Efa mipetraka koa ny fitoriana an-dRavalo ao Afika atsimo. Ho tapi-dalan-kaleha i dada lehiretsy a! Hody eto Gasikara, Tsiafahy no miandry azy. Hijanona any Afrika atsimo, ny fitsarana koa efa midanadana hitsarana azy. Ny antony moa dia tsy zoviana amin’ny maro intsony: feno rà ny tanan’ingahirainy.

  25. 11:52 Live Ambohijatovo : les consulat de France prévient ses ressortissants par SMS 28/04/2012
    11:32 Live Ambohijatovo : autorisation, il faudrait savoir ? 28/04/2012
    11:26 Live Ambohijatovo : Lalatiana Rakotondrazafy se déchaine sur Free FM 28/04/2012
    11:07 Live Ambohijatovo : les parlementaires CT de la mouvance Ravalomanana sont programmés arriver sur place à 13:00 heure de Madagascar 28/04/2012
    11:05 Live Ambohijatovo : les préfet a dit aux manifestants de chercher un autre endroit 28/04/2012
    11:03 Live Ambohijatovo : les leaders de la mouvance Ravalomanana commencent à arriver sur les lieux 28/04/2012

  26. Oadray !Hoy ny fiteny : » Raha mihanm-bary aza misy latsaka..)
    Latsaka ny « tsy « ..Soa ho an’ny mpivovo izany ,sa hafalian’ny akoholahy midroboka mitelina ilay rehoka latsaka an-tany..?

    Ataona fa samy manana ny antom-pifaliany..!

    Mora loatra ny mitsindroka !

    Mampivovo izany..

  27. Hi hi hi !!! Inon’ity PIKA ry Rananavolana ?

    Izany eo ihany !

    Natokana ho an’ny foza ihany angaha hono ity natao hoe « Kianjan’ny demôkrasia » ? Iza no tena tsy mendrika an’izany toerana izany ???

    Ho an’ilay olona iray : Rehefa maloto ny saina sy ny eritreritra, mazàna lasa miteniteny sy manoratsoram-poana ny olona !! Aza dia mamely laotra an’ilay zavatra, na matoria koa, rehefa mahatsiaro reraka, fa tsy amin’ny 00h00 na 3h00 maraina no manoratra manenjika olona lava ato !
    Ary sao dia izao no atao hoe : Lappe et suce qui rêve elle ??

  28. Te hampisehoony heri-pamoretana mbola eo an-tanany ary manaiky ny baikony ary mety hanantateraka ny baiko !
    Ary io fitadiavana ny fifandonana amin’ny Vahoaka io amin’ny alalan’ireto miaramila no tambazana mirongo basy dia fanehoana tahotra sy fahalemena ary indrindra fanambarana tsy fahombiazana eo amin’ny fifandraisana amin’ny Vahoaka..!
    Samy manana ny tombana ataony : rajoelina mihevitra fa mahery izy ary mora aminyny mampiseho izany hery izany
    Ny Vahoaka miaraka amin ‘ ireo mpikarakara ny fihaonam-be dia tsy manaiky lembenana ary efa leo ny vono vorona !
    Fa miseho azy ho iza moa ity préfet de police ity sa rehefa ho teren’ny Vahoaka dia hiteny hoe : » Izaho anie ka mena ambanin’ny mena é ! ».

  29. 14:21 Live Ambohijatovo : arrivée de Naika Eliane sur place 28/04/2012
    14:13 Live Ambohijatovo : la CUA aurait proposé le terrain remblayé du coté d’Andohatapenaka 28/04/2012
    14:12 Live Ambohijatovo : les parlementaires sont du coté d’Ambatonakanga et s’appretent a descendre 28/04/2012
    14:10 Live Ambohijatovo : les coups de sifflet commencent à se faire entendre 28/04/2012
    13:50 Live Ambohijatovo, Andry Rajoelina : « La mouvance Ravalomanana cherche la petite bête

  30. Andohatapenaka ? Toutes les places d’Antananarivo APPARTIENNENT AUX MALGACHES ET NON AUX FOZA !!!!

    « La mouvance Ravalomanana cherche la petite bête » ? Les légalistes n’ont que faire de sa petite bebête ! On comprend mieux, le pourquoi du comment !

  31. 15:13 Live Ambohijatovo : les forces de l’ordre poursuivent les manifestants 28/04/2012
    15:11 Live Ambohijatovo : 1 arrestation pour le moment 28/04/2012
    15:10 Live Ambohijatovo : c’était Mamy Rakotoarivelo et la ministre Ihanta qui devaient mener la delegation 28/04/2012
    15:05 Live Ambohijatovo : les parlementaires ont disparu 28/04/2012
    15:03 Live Ambohijatovo : les manifestants se replient à Analakely 28/04/2012
    14:59 Live Ambohijatovo : Mamy Rakotoarivelo est bien sur place 28/04/2012
    14:56 Live Ambohijatovo : les manifestants répliquent à coups de jets de pierre 28/04/2012
    14:55 Live Ambohijatovo : ça y est les gaz lacrymogène 28/04/2012
    14:21 Live Ambo

  32. Ho an-dRanavalona..

    efa misy fanintsiana nataoko..Latsaka ny « tsy  » mialoha ny « mody »
    hadisoana izany /diso tsipelina , faute de frappe …

    Mampitehaka ary mahafaly ny adala izany…
    Ireo mamaky dia mahazo ny tiana ho lazaina ,indrindra fa raha ny « contexte « -n’ny seho-javatra no jerena ,tsy hahagaga ve raha ny amérikanina no tsy manaiky ny fodian’ny Filoha ?
    Satria izaho no nandatsaka ilay  » tsy  » dia …..

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *