Ankolafy Ravalomanana : etsy amin’ny Magro fa tsy Ambohijatovo rahampitso

IMG_0998

Nitohy eny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka androany ny hetsiky ny Ankolafy Ravalomanana.Nisy hatrany ny fandraisam-pitenena nataon’ireo mpitarika ny tolona. Ny mpikambana ao amin’ny CST Rakotoamboa Jean Louis dia nanambara fa somary manahirana ny tolona ataontsika satria tsy mirindra araka ny tokony hoy izy. Ny iangaviana antsika Ankolafy Ravalomanana, hoy izy, dia aoka hajanonana ny fifanenjehana mandinidinika  fa ny fahavalo iombonanna hatrehina iray ihany. Mazava ny resaka hoy Randrianjatovo Henri fa tsy misy afaka mamerina an’i Dada afa-tsy ny Ankolafy Ravalomanana ihany. Rehefa may volon-tratra ny sasany dia mitonantonana manatona antsika. Ny antsika hoy Henri dia tsotra ihany, aoka isika tsy hiroaroa  saina. Be dia be ny zava-mitranga etsy sy eroa kanefa ireny dia mitady hisintona ny ampahany amintsika eto an-kianja. Efa nahavita ny adidintsika teny Ambohijatovo isika hoy ny CST Rabenantoandro Lanto. Tsy hoe tsy nanao isika fa ny filohan’ny CT no nitarika ireo parlemantera teny. Noho izany na nivoha na tsia dia mety tamintsika foana ireny. Mikasika ny fifdianana dia nambarany fa ny rehetra dia samy milaza fa fifidianana no vahaolana. Isika, hoy izy ,dia tsy matahotra fifidianana fa zavatra roa no angatahintsika. Araka ny voalazan’ny tondrozotra dia ny fisian’ny fitoniana politika, ny fampiharana ny andininy faha 17, 18, 20. Milaza ny CENIT fa hanome daty hanaovana ny fifidianana ny 28 May izao. Raha izay no izy hoy Lanto Rabenantoandro dia tsy maintsy tonga alohan’ny 28May ny filoha Ravalomanana, ary miala i Andry Rajoelina raha hirotsaka hofidiana. Ankoatra izay dia samy nanao fanentanana ny vahoaka ho tonga maro rahampitso ireo mpandray fitenenana rehetra. Hetsika lehibe no atao eny amin’ny Magro Behoririka rahampitso satria hisy vaovao lehibe ho ambara.  Noho izany dia ny zanak’i Dada dia tsy misy mandeha mamonjy ny hetsika ataon’ny  sasany any an-kafa fa etsy amin’ny Magro no fotoana ahafahana manome ny toromarika rehetra amin’ny fanohizana ny tolona.

7 pensées sur “Ankolafy Ravalomanana : etsy amin’ny Magro fa tsy Ambohijatovo rahampitso”

  1. Malahelo be aho fa tena nazava tsara ny fanazavanao ry Rakotoamboa
    nefa tsy haiko misy inona marina???raha ny fahitako ilay tolona mantsy dia
    Noho ny tsy fahampian’ny olona dia mbola afaka manaparitaka moramora ireo mpanao fihetsiketseana
    ireo alika voky taolana koa maninona raha MITAMBATRA???dia avy eo mandeha @ fifidianana, fa tsy
    tokony ho ireo antoko hafa ve no hiatakataka amintsika satria matahotra ny fanohanana an’i dada ny @
    fahatongavany ahalany azy ohatra???Misy tsy mazava ry zareo a!!!!soa fa i dada no jerena fa tsy ireo
    olona fa tsy haiko e!!mba omeo fanazavana fanampiny izay mahalala azafady e!! maninona no tsy miaraka
    RODOBE nefa ny tanjona dia iray ???????ary izao no fotoanany???raha ireo hanao hetsika indray no
    tsy manaiky dia ZAVATRA HAFA INDRAY IZAY! izany hoe raha misy mandeha eny izany ny zanak’i dada
    dia mandeha @ maha-vahoaka manohitra an’i domelina fotsiny???

  2. Mazava anie ny tantara fa i lalatiana, tsy miteny mihitsy momba ny fiverenan ny filaoha ravalomanana, mitady vahoaka taritina hanohana azy izy fa matahotra ny higadra.

    isiska zanakí dada aza manaiky rebirebeny, fa mpisarangotra tolona ireny, mahareta fa ho avy i mamy rakotoaraivelo hitondra tatitra ho antsika.

    Aza hadino fa i maitre Hanitra koa ,iny mitondra ny vaovao marina foana .

    Aza manaiky rebirebena. I lalatiana anie tsy miteny mivanatana hoe. hanongana an´i rajoelina fa mody mano fampitandremana foana, tahaka ireny olona mpifankatia miady i rajoelina sy lalatiana. Diniho anie fa na i rajoelina na ireo namany na ny emmoreg, tsy misy mikitika aní lalatiana, akory.

    mano cinema handravana ny tolon´ny magro ilay lalatiana, voakaraman´ny TGv angamaba fa akaiky ny fifidianana, ka atao izay tsy hiverenan´i DADA

  3. DIA MATOTRA V NY SITE TIAKO MADAGASIKARA « raha milaza hoe tsy nahazo visa i Domelina Andry .

    hoy orange hoe:
    23h45 – NEW YORK : Ban Ki-Moon, secrétaire général des Nations Unies, et Andry Rajoelina se sont entretenu à 23h10, heure de Madagascar. La vidéo de la mise en place des deux personnalités dans la salle de réunion est disponible en webcast ici : http://www.unmultimedia.org/tv/webcast/index.html sur le canal numéro 2.

    Date : 18/05/12

    20h00 – ONU : Andry Rajoelina est prévu faire un point de presse à New York à 16H45 (23H45 heure de Madagascar). Point de presse que l’on peut suivre en direct sur le webcast suivant : http://www.unmultimedia.org/tv/webcast/index.html canal numéro 2.

    Date : 18/05/12

    19h00 – ONU : Le secrétaire général de l’ONU, Ban Ki-Moon recevra Andry Rajoelina à 16H10 (23h10 heure de Madagascar) au siège de l’ONU à New York.

    Date : 18/05/12

  4. Mba miangavy Video re tompoko fa tena zavatra
    tokony ho fantatry ny rehetra mihintsy ny voalazan’i Rakotoamboa io e!!
    ataoko fa mila fandiniana lalina mihintsy ny voalazany eto,ary marina !
    mba miangavy re Solo Razafy a!!lelafina ny faladianareo ry Mydago a!!
    mba asio VIDEO na dia io kabarin’i Rakotoamboa io ihany aza e!!!mba samy mba
    handinika ny rehetra izay lalana tokony ho harahiny @’izao savorovoro misy izao a!
    Mba miangavy re TOMPOKO O!!VIDEO RĖ e!!raha azo hatao a!!mba tolona hiaraha-
    manana ity fa mba avoay re TOMPOKO o!!!

  5. Fa i Lalatiana ve no hanao hetsika sa ny Kung fu aloha ry Misajaona azafady
    raha tsy mahadiso???
    Fa maninona koa izy no higadra???

  6. Ny fialan’i domelina aloha izao no tanjona koa rehefa miala i domelina
    dia mody ho azy i dada e!!dia miroso @ fifidianana dia izay ho lany eo
    ny radio izany efa hivoa daholo nefa i Lolo .R sy ny lehibeny voasazy mandritra ny 6 taona( radio fahazavana io)
    Ny fahitako ilay fandehan’ny raharaha dia efa hita fa efa kiry sisa ny an’i Foza ka andramana ihany aloha sao mba
    mbola misy GAMAINA, efa ambivitra ny ainy, efa tena KENDAROROKA, asa izay mahazo an’i domelina any fa toa
    tsy nandrenesana feo avy @ foza DEAKA ireo mihintsy.Misy farany ny asan’i SAATANA oah!!!

  7. Tsy misy azo antoka ankoatra ny zanak’i Dada nijoro hatramin’izay. Isika tena vahoaka tsy niroaroa saina fa nijoro vavolombelona tamin’ny foto-kevitra efa nijoroantsika hatramin’izay. Ireo mpanao politika ireo manana ny kajikajy tsy haintsika fa isika koa no tsy maintsy mamolaka ireo @izay. Marina fa misy ny dodona te hiverina haingana @ ara-dalana tantanin’ny olom-boafidy sns kanefa be koa etsy andaniny ny manararaotra izany itaomana sy anodinkodinana olona. Dia misy tokoa ny roboka. Tsy omena tsiny koa izy ireo fa izay ny kajikajiny. Mbola mampatsiahy ihany aho ny zava-nitranga teny @ BANI Ivato. Aiza i Charles izao? dia aiza ireo Jeneraly sy colonels nantenaina hitondra fanazavana momba ny fanonganam-panjakana t@ 2009? Natao tolotra teo @lelam-pitana fotsiny i Charles (mety nahazo t@miliara mihintsy an)t@ fihetsiketsehana rehetra dia voajono daholo ny nanara-dia. Dia izay koa ny tetika mandrak’ity ny androany.
    Izao dia midradradradra ry Lalatiana Ravololomanana fa ny ankolafy Ravalomanana tsy manana paik’ady mazava fa tsy an-tany tsy am-parafara. Mba anontanio azy hoe maninona koa izy milaza fa tsy manana olona ao @fitondrna tetezamita nefa Ingahy Beriziky praiminisitra ka olna natolony? Afaka milaza am-pahibemaso ve ry zareo ao @ankolafy Zafy fa nanao fahadisoana t@ fanolorana io olona io? hatramin’izao mantsy toa mbola mahita hoe « diplomate loatra i Beriziky sns… ». Tsia rehefa tsy mahomby dia ataovy filazana miharihary tahaka ny filazanareo ny momba ny ankolafy Ravalomanana. Dia azo antoka fa tsy latsak’izany koa ny fisian’ny mpikarama an’ady ao @ ankolafy Ravalomanana rehefa tatandindonin’ny vola be dia eo ianao ry magro, ry filoha Ravalomanana sy ny firenena. Ho avy ny filoha Ravalomanana ka isika vahoakany no manana adidy voalohany indrindra aminy sy ny firenena. Inona ary no andraikitrao andraikitsika manomboka izao?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *