Ankolafy Ravalomanana : ho eny amin’ny fitsarana rahampitso

Magro 14 mai 12 (14)

Nifamotoana teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka omaly ny vahoaka mpomba ny Ankolafy Ravalomanana. Nitondra fanazavana mikasika ny hetsika tamin’ny Sabotsy farany teo iny ireo mpitarika ary ny mety ho tohin’ny tolona. Randrianjatovo Henri dia nilaza fa faly ny tenako, fa nahavita sy nanaraka ny toromarika isika rehetra. Nifanarahantsika, hoy izy ny tormarika ka nahafahantsika niverina teto amin’ny Magro. Isika rehetra, hoy Henri, dia tsy nisy nihoa-pefy, fa be dia be no mitady ny hanapotehana ny zanak’idada. Nanafatra ny vahoaka ihany koa ny tenany fa raha misy ny soso-kevitra, na fanankianana dia aleo mifampidinika any Bel’air isika. Ny CST Ravelonanosy Mamitiana dia nanambara fa niteny ny Sadc fa ho saziana izay misakana ny fampiharana ny tondrozotra. Tsotra ny teninay hoy izy fa ampiharo izay voalazanareo izay, fa izahay efa nanaraka ny tondrozotra. Ny zavamisy, hoy Mamitiana, dia rehefa ny andininy faha 20 ao amin’ny tondrozotra no ampiharina dia dinganin’ny sasany izany. Toy izany ihany koa ny hoe hajanona aloha ny fanenjehana arapolitika ny mpanohitra kanefa tsy voahaja izany. Efa nisy hoy ny fanazavana ny fitarainana napetraky ny Ankolafy Ravalomanana any amin’ny Sadc kanefa tsy nisy valiny. Ny fametrahana ny mpikambana CST sy CT dia nisy tampotampoka ny antsoina hoe Ankolafy « Notable » izany. Mifanaraka amin’ny tondrozotra ve izany hoy ny fanontaniana napetrak’ity olom-boatendry ity.Noho izany rehefa tsy mety io tondrozotra io dia foana amin’izay. Ny depiote teo aloha Didier avy any Antsirabe, dia nanambara fa rahampitso Alarobia no hotanterahana eny amin’ny fitsarana Anosy, ny « Appel » nataon’ny orinasa TIKO. Nampatsiahiviny tamin’ny vahoaka fa nisy ny fotoana nandehanan’ny miaralima tany amin’ny orinasa TIKO Antsirabe. Noporofointsika tamin’ny Sabotsy teo hoy izy fa isika dia tia filaminana. Nisy ny ordonnance navoakan’ny fat mba ahafahan’ny mpitaky hetra na ny « direction general des impots » nankany amin’ny orinasa TIKO. Tsy navelan’ny orinasa niditra tao anefa izy ireo satria tsy manana taratasy. Nanao fanohanana na « opposition » anefa hoy ny fanazavana ny TIKO ka niditra fitsarana tamin’ny Zoma 4 Mai teo. Nivoaka ny didim-pitsarana ka nanome rariny ny mpitaky hetra, hanokatra ny orinasa hakana ny fananan’ny orinasa. Taloha hoy izy dia nihinana sakafo tsara sy mahasalama ny vahoaka, fa ankehitriny kosa tsy izay no zavamisy. Noho izany ny Ankolafy Ravalomanana hoy ny fanazavany dia hanotrona tanteraka ny orinasa TIKO eny amin’ny fitsarana Anosy rahampitso Alarobia, manomboka ny maraina.

4 pensées sur “Ankolafy Ravalomanana : ho eny amin’ny fitsarana rahampitso”

  1. Marina fa i Dada no fondateur ny orin’asa TIKO, nahasoa ny Malagasy ny vokatra vita malagasy tao, saingy amiko dia tokony hisaraka ny raharaham-pirenena sy ny raharahan’ny orin’asa. Ny tolom-bahoaka dia mitaky fampiharana tondrozotra (). Rehefa tafita ny tolona dia milamina ho azy ny TIKO satria izay fanjakana mijoro eo dia tsy maintsy miaro ny vahoaka sy ny fananany.

  2. Ka izay no mahamaika andry foza hanaovana ilay izy izao hanakorontanana handaniana andro
    hanaparana fahefana faraparany dia io aloha no masaka dia io no haroso , ny zanak’i dada kosa
    tsy afaka ny hamela an’i TOJO hiady irery eo fa efa mikasika ny fitiavana be dia be an’i dada ilay izy anie e! sady tafiditra
    tsara tao @ ‘ilay FANAPOTEHENA vokatry ny FANONGANAM-PANJAKANA i TIKO! raha izao adaladala ity aloha e! dia
    tsy azo ariana mihintsy TIKO sy ny TOLONA, voaray tao mihintsy TIKO, ary anisan’ny FAHAVOAZANA be niohapampana
    ho an’ireo MPIASA sy VERY asa VOKATRY NY FANGALARAM-PAHEFANA T@TSY RARINY.Raha ny fivavahana dia ekeko
    fa raha TIKO dia TOLONA ary tsy an’i dada irery io fa an’ny MALAGASY « VITA GASY » izay an’isany POTEHIN’i mpanjanaka
    ohatra an’i orinasa mba mijoro eto HANOMEZANA VAHANA NY TSOTSOKA( misy GASY tena efa voaozona mihintsy an!) tsy
    maintsy HISOLELAKA ny VAHINY fa ny GASY HAKIFIKA @ taniny .

  3. ho tsarainy tantara ireo mpitondra izay miseho azy fa me sandry dia i hajo, lavanify,rolly mercia,rakrisy eo atsika mahita azy diavonan-kolava lalao mbola ho ela

  4. Zanakisoa no lohalaharana, efa nisy nanakana ho no kala tsivanona iny
    anie teny @ fitsarana teny e!!mbola hoa avy aminy ny tsy mety fa aza taitra e!
    Tsy efa nomen’i chatay taratasy vazaha ve izy izay angaha ka tsy mifaka aho???fa raha tsy izay!!
    mahazo enao ry zanakisoa!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *