Ankolafy Ravalomanana : « tsy hamadika ny tolona izahay mpitarika »

Magro, 15 mai 12 (10)
Mbola eny amin’ny Magro Behoririka hatrany ny ahafahan’ny Ankolafy Ravalomanana sy ireo vahoaka mpomba azy mifampita hafatra sy fanazavana ny toe-draharaham-pirenena. Androany dia nisy hatrany ny hetsika natao teny an-toerana. Mitohy ny tolona; hoy Manoela, raha nandray fitenenana. Adala izay olona tany amin’ny Free Fm, raha manaratsy an-dRajoelina 50% izy dia manaratsy 10% ny filoha Ravalomanana. Noho izany dia tsy ekeko izany, ary isika vahoaka dia aza manaiky ho fitahiana. Fandravana ny tolona ataontsika no tadiavin’ny sasany satria efa vita ny iraka nampanaovin’ny frantsay an-dRajoelina dia mitady hosoloiny hafa indray. Telo taona isika teto hoy Manoela ka nisy ihany ny vita dia ny famoahana ireo gadra politika sivily, fa ireo miaramila kosa mbola any. Ny andininy faha 20 mbola tsy tanteraka ary ny fanokafana ny radio. Noho izany dia mila be dia be isika eto ankianja. Namafisiny fa izahay mpitarika dia tsy hitsoaka ary tsy hamadika ny filoha Ravalomanana fa raha misy manao izany dia tapaho ny tongony sy tanany.
Ny CST Rabenantoandro Lanto dia nanambara fa rehefa miresaka ny filoha Ravalomanana dia Madagasikara izay,  ny malagasy tia tanindrazana, ny fampandrosoana ary tsy afa misaraka amin’izany ny orinasa TIKO. Izahay tany Antsirabe hoy izy dia tsy nijanona nifanenjika tamin’ny miaramila. Raha mitolona eto amin’ny Magro isika dia mitolona ihany koa ho an’ny TIKO. Noho izany dia rahampitso amin’ny 8ora sy sasany no hiakatra etsy amin’ny fitsarana Anosy ny raharaha TIKO. Tongava maro isika, hoy izy, alefaso ny sms ho an’ireo mpiasa tsy an’asa tao. Tsy miraharaha ny didy izay hivoaka eo isika fa ny filoha Ravalomanana tsy maintsy tonga. Araka ny fanazavany dia misy ny Praministra lefitra Hajo, izay mpiasan’ny TIKO taloha. Matoa izy tsy tao intsony dia tsy mahay ny asany. Mahafantatra tsara ny drafitra teknika izy ka manao izay hamotehana ny orinasa TIKO, ka izy no manome baiko amin’izany. Misy ny injustice eto amintsika ka hirodorodo ho eny isika rehetra rahampitso. Namafisin’ity olomboatendry ity fa raha hanananareo vola ny orinasa dia kajio aloha ny fahasimbana tao. Nanao antso ho an’ny mpitsara ihany koa ny tenany mba tsy handray baiko any ambadika any.

33 pensées sur “Ankolafy Ravalomanana : « tsy hamadika ny tolona izahay mpitarika »”

  1. Mahereza fa kely sisa e!!izay Jodasy jodasy any fa ianareo izay
    MAHITSY ahitsio foana ny lalanareo fa aza mivilivily ohatra ny sasany
    rehefa madio ny tolonareo sy ny tanjona dia ny ampody an’i dada dia tokony andry ny sainareo FA
    izay mpamadika izao tolona izao kosa na mivantana izany na ankolaka dia ho avy aminy ny tsy METY.
    Hitan’Atra daholo na mety ny ataonao na tsia koa aza matahotra e!!mampalahelo anefa fa dia MISY dia
    MISY tokoa ao MPAMADIKA fa saingy atao ahoana e! sonjo iray lohasaha koa tsy ilaozan’izay maharara.
    Mahereza daholo dia mba hampodio @’izay i dada malala fa efa tena tsy izy intsony ity marina e!!!

  2. Izay dia manararaotra mihainohaino ery SOLO Razafy fa tsy nisy nitaky VIDAKA intsony!
    tairo indray ny FITOKONANA ry zareo a!! VIDEO!VIDEO!VIDEO!!!!aza dia manao an’io moa e!
    Aiza moa ilay tolona no andeha koa ny mpampita vao2 aza itony efa MALAINA be ihany manome ny vao2 mba ilaina.

  3. ela ny ela ka maty MAGRO, marina ny tenin’ny sasany be bokotra mahazo vola be avy @ joel sy ny renikeliny fa hofati sy levona hoazy eo ny tolon’ny zanaky DADA.
    Rehefa ny dadany no sarim-bavy de toy zany koa ny zanany!!!
    Vao mahita basy de milefa ireo mpitarika…
    be vava toy inona nefa tsy mahavita azy!!!
    Mpnamana tsika taloha fa be reo kivy @ tolona sy ny fitondranareo azy.
    Aleo ny gasy hizaka ny vokatry ny HAKANOSANY.
    Ary i dada aleo ijanona any fa raha miditra eto gasikara de matin’ny foza sy ry HAT.

    MIONONA DE AJANONY NY TOLONAREO SAROM-BAVY FA NY OLONA FOTSINY NO VIZAKA SY LANY ANDRO MANOHANA ZAY DADA TSY HO TAFODY ETO ARY TSY MANAN-KEVITRE HODY ETO.

  4. Aoka hitandrina amin’ny vava avoaka – izany ihany no hanenenana avy eo – aoka koa tsy hanao fisainana jiolahim-boto – fa rehefa tsy faly ianao amin’ny sasany dia mahaiza mangina fa izany re tompôko no fahendrena é !

    Izao fiainana diavintsika izao anie no fianarana mba ho tonga olo-kendry e – ka mahereza fa ny fitenenanenam-poana dia faharesena eo amin’ny lafiny rehetra.

  5. Voalazan’ny gazety omaly mikasika ny ta@ Sabotsy: ny 1 nijanona 13mai; ny 2 nihazo an’i Magro…
    tsy dia misy cohésion.
    De nivoaka télé tokotrany ary ireto lehiben’ny mpitarika iry 1 zany, sangan’olona mpanohana an’i ra8, mangata-tsodrano hisitaka mitondra ny anarany sy ny hetsika manokany

    De hoy aho hoe: ZAVATRA KELY toa iny ve dia isitahana?
    Izao aza vao mainka miombon’hetsika ny groupe des opposants hanalàna an’ny DOMELIN’ISANY

    Ilay manao « je-suis » efa hita fa tsy tafa no tsy traik’efa ahitàna vokany manoloana ny AMPLEUR ny blema

    Io fisamahana io anie ka :
    – Niainga avy @ ireo gasy d’Andafy nivadika à 180° mpanohitra,
    sy ny tariky ry Mémé isany nentin’ny « DOCTRINE 3V des FOZA » ==> Voninahitra – vola –

    Raha mbola nitantana ny firenena i Dada,
    dia tsy nibahi-toerana loatra teo @ fihetsiky ny malagasy : ENTIM-PO lav’izao

    satria be ireo
    PROJETS – PROGRES – ACTIVITES – DEVELOPPEMENT SOCIAL
    nitondra fanatsarana; de nitarika sy nanome toerana ny FIVOARAN-TSAINA

  6. Voalazanao tsara Raozy! Mankasitraka e!
    Tsy mifanome tsiny ry Hoaiza fa efa tsy hita be ihany izy ity a!
    tsy fantatra intsony izay marina sy diso??tsy hay intsony na etsika na inona fa misavorovoro.
    toy izay manao mahazo tsiny fa izay tsy manao vita ihany moa tsy fantatra na tena fitiavan-
    tanindrazana ilay izy na fitiavan-tena ,ny fiainana mihamafy koa samy manao izay hinanany.

    Eeeeee!!!manaintaina be fa mbola misy olona ihany ity Magro marina ! « raha tsy teo io efa tena mba azo ilay ZAVATRA
    (ilay fankatoavana io)ilay zanak’i dada kou ooh!!!maninona izao raha tsy tonga eny intsony?? » efa firy MILLIARA izay no
    lanin’i foza tsy mety rava foana io tolona ao @ MAGRO io???tohizo ny tolona mandrapahatonga ilay fandresena farany ,
    isika hangina hivavaka fa andriamanitra hiady ho antsika.Masina ny tanindrazana!!!

  7. Tena tafiditra ao anaty fiolahana @ lalana mivoaka ny crise isika izao.. Samia mailo toy ny ny voalaza @ io lohateny io… » tsy hamadika ny tolona izahy mpitarika »… fa mitady tena hisy hamadika @ sehatra avo lenta ny tolona. Zay mitambatra vato fa izay misaraka na mampisaratsaraka dia fasika.Tsy misy fifidianana mandeha eto raha tsy mody Dada!

  8. Samy manana ny nofiny marina ny olona ry ranavalona e?!
    Na ny hitondra io anarana io aza tokony ahamenatra… ;…
    Olona na mpanjaka nampamono olo gasy firy io ramatoa io???
    Nefa de ataonao pseudon…
    mahamenatra, ny malagasy dia karazan’olona tsy miova sy tsy ivaotra, satria nataon’ny zava-boahary sesitany eto @ nosy , izany tsy fahafahany mifandray @hafa izany no mampizanona azy ho PRIMATE toy ny DINOSAURE sy ny gidro toy ny sifaka , lemur kata sns zay tsy misy intsono eran-tany raha tsy eto gasykara.
    Tsy hivaotra isika ary zay no anararaotan’ny vazaha ANJANAHANA ATSIKA
    Nisy ny fianakaviako sahala @ ankamaroan’ny gasy NO noteren’ny frantay mpanjanaka hanompo azy, zany hoe ancien combatan…hono… mahamenatra satria ANONTANIO DAHOLO ZAY MBOLA VELONA @izy ireny fa hoy ny FRANTAY momba ny miaramila gasy:

    Ceux sont les êtres les plus peureux et trouillards de la terre, ils font dans leurs pataloha partout au combats, des êtres immatures, ignorants et primates… DONC tant que nous frantay les tiendrons par nos saribakoly au pouvoir, nous pourons tjrs renflouer nos caisses vide de la frantsa reni malala!!!

    Mijanona ao  » magros de endraso eo Poly sy jesosy fa hoavy izy hamonjy anareo!!!!
    2000 ans izy tsy hita ka mbola eo fona…. SANANA…

    RAHA LEHILAHY NOSORANDRENINY MENAKA RA8 SNS… DE MODY TOY NY NIALANY TETO DE MIFAPITADY…

    TSY bola nisy olo nandray fanjakana ankery hiala amizao raha tsy ALANA ANKERY ary ny perte tsy maintsy misy n’aiza n’aiza nisy tolona hialana @ DICTATURE.

  9. Betsaka indray ny ho tapaka lalan-drà fa lasa any New-York ilay boay kely mahavita azy! Hanetriketrika ny fandraisana azy, ary ny filohan’ny firenena mikambana mihitsy no handray azy. Fandresena miezinezina no miandry an’ilay kely fa mahery. Fa ny tena tiana hotsipihana dia ny hoe: KO TOTAL ry Valo sy ny forongony!

  10. Tena sarotrabe aloha ny fandidiana ra olona ô!
    Sarotra be tokoa ny hiaino ireto milaza fa mpitondra an-tsika!!!
    Ny bainga voavadika no ahitana ny asan’ny mpiasa,kanefa indrisy na ny iray grama aza toa mbola tsy voavadiky ny « mpitarika »,ka hiandry hatramin’ny rahoviana tompoko vao ahitana vokany kely fotsiny?

  11. FANAMBARAN’NY GTT INTERNATIONAL – GENEVE.
    PARIS 16 MAI 2012.

    Izahay GTT INTERNATIONAL GENEVE dia manao izao fanambarana manaraka izao :

    Mikatso tanteraka ny fahitanay ny fizotran’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Mivoana tanteraka amin’ny tanjona napetraka (famerenana ny ara-dalàna) ny Tolona. Tsy nitondra tombotsoa ho an’ny fampandrosoana ny tolona sy ny famerenana ny ara-dalàna ary ny fampodiana ny Filoha RAVALOMANANA ny fiaraha-mitantana nofinidin’ny mpitarika ny ankolafy.

    Ny filohan’ny Tetezamita dia efa nilaza fa “tafatsangana daholo ny Andrim-panjakana dimy (Filoha, PM, CT, CST ary ny CENIT) ary mizotra tsara ny fananatontosana ny Tondrozotra. Ka noho izany , hoy izy, dia mahazo miroso amin’ny Fifidianana amin’izay ny Firenena”. Indrindra efa vita ara-dalàna koa ny fananganana ny lalàna momba ny famotsoran-keloka (Loi d’Amnistie). Ary nanaiky izany rehetra izany ny Ankolafy Ravalomanana.

    – Aiza izao ny fanatontosana ireo andininy (articles) izay nahatonga ny Ankolafy Ravalomanana nanao sonia, izany hoe: famoahana ny gadra politika, ny fisokafan’ny haino aman-jery ary indrindra ny fodian’ny Filoha Ravalomanana (andininy faha 20)?

    – Nilaza mazava ny tokony hialàna tsy misy hatak’andro ao amin’ny rafitra ny Filoha tamin’ny 30 Avril. Kanefa fiantonana (suspension) no navalin’ireo izany.

    – Ao koa ny Hetsika izay nahatonga ny fahatezeran’ireo mpitolona rehetra (12 Mai sy 13 Mai). Ny tompon’andraikitra amin’ny tsy fahombiazan’ny Tolona dia ny fidiran’ny Ankolafy Ravalomanana tao anaty Rafitra, ary indrindra nanaiky sy niray asa tamin’ireo mpanonga-mpanjakana.Taiza ny mpitarika tamin’ireo hetsi-bahoaka ireo ?

    Very fanahy mbola velona ny vahoaka manoloana izany ka nirenireny tsy nisy mpitarika toy ny kamboty. Tezitra sy mahatsiaro voafitaka izy ireo. Ao ny teny etsy sy eroa milaza hoe : “Mpitari-tolona mpamadika, voavidy, sns…”.

    Fotoanan’ny tsotsoro-mamba isarahana izao.

    Noho ireo antony voalaza dia:
    – tsy hitanay izay ilàna ny fihaonana amin’Atoa Mamy Rakotoarivelo raha toa ka hiziriziry amin’ny heviny izy ireo,
    – mangataka an’Atoa Mamy Rakotoarivelo sy ireo rehetra niara dia taminy niditra io Rafitra tetezamita sandoka io hiala ny Ankolafy RAVALOMANANA ary tsy hitondra intsony ny anaran’ny Filoha. Tsy misy manakana azy ireo sy izay miray hevitra sy tanjona aminy hamorona ankolafy hafa. Mazava kokoa ny raharaha amin’izay ary tsy ho voafitaka sy voambaka intsony ny vahoaka tena mitolona ho an’ny Filoha,
    – tsy misalasala izahay milaza fa mpiray tsikombakomba amin’ny mpanongam-panjakana ireo mpitarika ny ankolafy ankehitriny.

    GTT INTERNATIONAL – Collectif de la Diaspora
    15, rue des Savoises
    Genève – SUISSE
    [gtt-international.blogspot.com]
    collectifgtt@gmail.com

  12. midrasa ny faran’zao tontolo zao ry vendrana. ndana mankany @ apokalipsy fa raha ny aty ts misy fika

  13. nareo zao ry verbeck no miandranadra ny ts misy eo. ny masisinina lasa ihany oh, de kely sisa de mandat iray oh. miredirede eo ihany

  14. efa ela no niteneneko teto fa Hajo no tomponkevitra voalohany @ fanapotehana ity firenene ity ary misy orin’asampanjakana maromaro izao no tadiaviny ho vidina ankolaka

  15. Be resaka ireo mpandray ny fitenenana fa ny zavatra hita dia nanao ny tsy mety ireo parlemantera t# Sabotsy 12 mai ka nanimba ny tolona. Vitsy dia vitsy ny olona tonga eny @ Magro izao. Tompon’andraikitra i Zafilahy..fa tena tsy matiko l9lo ny fomba firesany t@ miaramila t@ io sabotsy io.

  16. Marina zany TGV à lasa ny masinim-poza fa ny Malagasy mahantra eto foana minadry mora! mora! train ora sdy mandeha mora no nadrasana ngamba fa tsy arka ny tgv!

  17. Aza taitra ranavalona,
    itony « rakotozafy mirana » dia anisan’ny voalaza ao anatin’ity:

    « Des Foza infiltrés qui veulent donner aux autorités les moyens de mettre fin au mouvement de la mouvance Ravalomanana »,

    Mandady indray ny trambo, maromaro izy somary nifandimby teo: handrava ny Magro
    MIKATSO etsy andaniny ity ny gouvernementa…

    Tena kely loha mora mibitaka ry Denise.
    Tsy misy adala mora rebirebena na ambakaina eto,
    TSY MISY ZOVIANA TSY MAHALALA ETO
    fa indrindra raha vao avy amin’itony « un communiqué de la Présidence de la transition » no source d’info fa lasa ambony ny ambany!!

    ANDRY RAJOELINA EST CONVOQUE
    pour faire face
    plutôt à un
    CONSEIL DE DISCIPLINE

    Point barre.-

  18. ndry ry hoaiza!!!
    efa fantatrao ny valiny,
    ANKADY SY antrano fanaovana mal… . Madagascar zany ange efa anaovan’olona filma fotsiny sisa eH!!!
    jereo tsara ange ny dessin animée mandeha @ tele vazaha e, Pingouin de madagascar eeee!!! Le king Julian (hahahaha!) de tena mitovy amin auto-président RAJOEL HIHIHHIHI! lay panolo-tsaina gidro miaraka @ king Julian moa de tena RATSIRAHONANA napetraka mintsy….hihahahahihih!!!
    de ny vendrana rehetra dia reo primaty ambiny foza hatrizay toy ry menelamba, hoaiza sns… sy ny mpitarika ao @ MAGRO.
    SANANA SY VENDRANA JIABY.tsa magaga hoy vouzongo taloha fa gena kanosa reo, indeso basy da hapoay de hanao maloto anaty sikina reo de ilefa!!! TSY HIOVA ZANY!!!
    GASY NOZANAHIN’FRANTSAY DE HIJANONA ANDEVONY HATRIZAY.

  19. Tandremo fa mitombo be ny mpanipy odina akondro!!
    Mailo Zalah a!!mafy ny ataky ka Zanamaria sy ny zanany e!!
    Samy manao izay hinanany,
    tsy vao izao i Magro no nolazainareo foza fa vitsy olona ka tsy ahoanay izany fa rehefa misy
    ny hilana azy tonga foana ireo olona fa tsy MAHATAITRA anay e!! izahay mitoky @ ZANAHARY
    fa tsy my DEVOLY izay mivadika, ZANAHARY mitahy!!Tsy hamela an’i dada irery izy miaraka @
    vahoakany.

  20. Alamino ny saina, fa naheno mivantana ny feon’i Dada izahay raha nihaona tamin’ny President Mamay Rakotoarivelo : Filoha HAJAINA ny Ankolafy Ravalomanana.

    Tsy misy izany mamadika na mamitaka ny PRM Ravalomanana izany Atoa Mamy Rakotarivelo, ary ny feon’ny PRM Ravalomanana no MILAZA IZANY.
    Olona MATOKY sy MAHAVITA azy ny Filohan’ny Mouvance Ravalomanana : Ny mpanimpy hodin’akondro marina no betsaka.

    Mba vakio ary ny tatitra kely tsotsotra ao amin’ny http://lafy8.forumactif.ca e !
    Sary vitsivitsy ihany no notaphina nalefa ! Ny manetsa be mbola ho avy !!! 😉

  21. Tsy misy hisaorana akory izany HoAiza a! Manakaiky ny faran’ny fijalian’ny Malagasy.
    Ary mandeha ny feo ao amin’ny TIM, fa « CONVOCTAION pour rappel à l’Ordre » no nandehan’i Tavilahy Domelina any New York !!!hi hi hi…..Mdr c’est a se PTDR….

    Tiako ny manamrika sao hadinontsika hoy Mamy Rakotoarivelo, fa Izy : Mamay Rakotoarivelo, no Sekretera Jeneralin’ny TIM. Manosika nareo aho HIRAY sy Hiombo-tolona ho an’ny Fitandroana ny ho avin’ny Firenea hoy izy.

    Ny Tenako manokana dia midera azy, manana heri-po sy mitandro ny madinika , ary hafa-po tamin’ny fihaonana taminy. Nanome toky izy, fa tsy ho ela dia mety hihaona indray.

    Ahoana ry Ho Aiza izany hoe : harivariva manahirana izany ??? Mafy tokoa ny mahazo ny malagasy ka.

    Tsy dia tiako loatara ny nanambara ny Bleman’ireo Deputé any amintsika notantatarain’iAtoa Mamy Rakotoarivelo ( Mba omeo azy oa ny hasina sy haja antonona azy e ! ).
    Toa izany Deputen’i Brickaville moaizy izay hoe: nohesorin’ny miaramila daholo ny fananany iray manontolo, na inona na inona, anefa TSY MBA NAMADIKA an’i Dada mihitsy izy. Zavatra toy izany no resaka sosialy novelabelariny.
    Ilaina lazaina ve hoe : Nanidry mafy izy fa ny Tanjona dia NY FAMPODIANA AN’I DADA ?
    Ka raha izay no tanjona : tsy misy izany izy hoe mitady haka ny toeran’i Dada izany.
    Mahereza Ho aiza a ! Misy farany ny zava-drehetra e ! Andriamanitra tsy andriny hafa, andrintsika foana e !

  22. Yeee!tsy mamaly an’ilah intsony aho raha vao miova anarana.Njara ihany !
    ! ilay resaka anie ry dà milay foana fa ilay fampiharana azy no tsy dia
    misy vokany aloha hatr@’izao e!! koa ny asa vita no handrandrainay raha mbola misy na izay no vita???

    Mahay miresaka daholo izay milaza FA??????? ny tena marina dia dia volankakafotra e! omaly tsy miova
    vao maika aza loza!!mikaikaika ny vahoaka !ny alika tsy misy fe-vozona fa samy manao izay hataony.

  23. Tres franchement, j’etais parti avec une seule idée en tête : voir et constater comment etait LA PERSONNE !

    Et je n’etais vraiment pas déçu, Tres honnetement, c’est un Force Tranquille, qui deteste la violence donc tout par la Negociation comme il l’a toujours dit ! Mis à part ce qu’il peut dire, j’ai essayé d’avoir une idée de lui en l’ecoutant tres attentivement -En analysant ce qu’il dit et ce qui a été fait jusqu’à ce jour par la Mouvance Ravalomanana. Et……….je peux dire une chose :
    – Les malagasy sont devenus aigris, agressifs, ne faisant confiance en qui que ce soit ! Est ce la crise qui fait ça ? Je ne pense pas sincerment, c’est devenu notre nature même . Quand on pesne à ce qu’est dvenu le Fihavanana, les liens entre membres d’une même famille, ou les cousins cousines….et tout et tout § c4EST TERRIBLE COMME CONSTATATION, mais il en est ainsi. Encore un exemple : Lalatiana de FreeFM . Il est vrai que c’est tellement invraisemblable qu’elle ait viré tout d’un coup comme ça, mais à bien analyser les faits, pourquoi les malagasy ne la laissent pas ….D’ABORD faire ses preuves,….avant de la blamer aussi rapidement ? J’ai été moi même dégouté par cette journaliste quand elle etait sous les ordres de Domelina et Rolly, mais curieusement, je m’abstiens de la blamer pour l’instant. Je regarde – j’analyse ses dires. Une chose est sure : Nous malagasy avons perdu de notre Solidarite, de Notre Fihavanana, de notre Identité, de nos cultures, à cause de la Colonistaion Intellectuelle que les Français n’ont jamais cessé de nous inculquer. Tout ce qui est beau et bien ne peuvent etre qu’etranger (non seulement français,mais italiens, americains, japonais…….) tout ce qui est etranger. Tout ce qui est malagasy est repoussé d’emblée.
    Si les politiques malagasy etaient comme des politiques français, je suis persuadés que les malagasy y perdraient la raison, tout betement.
    De ce fait, maintenat, il m’appartient de voir et constater de par moi même ce que j’ai envie de voir, de rencontrer, de connaitre, en excluant toutes idées inculquées par ces colonisateurs français.
    J’ai toujours soutenu que la pire des colonisateurs etaient les Francais : Les anglais, ontt éliminé (tué) tous ceux qui ne se flechisaient pas devant leurs lois de la Coloinisation. MAIS ….PAS LES FRANCAIS ! Ils ont laissé vivre tous PRESQUE tous ceux qui etaient contre eux, mais ils les ont….maté, exploité……tous les malheurs possibles, pour qu’ils perdent leurs identités. Eh oui ! Voilà pourquoi, les malagasy ont du mal a faire confiance en leurs compatriotes, et preferent avoir des dirigeants français que malagasy pour un même niveau de poste. Le pire c’est que ceux qui accedent aux postes, ne font egalement pas confiance à leurs compatriotes, et prefent travailler avec des etrangers qu’avec des malagasy ! Le Domelina en est l’exemple vivant ! Ce pov con qui se croit etre audessus de tout le monde !
    Je suis content HoAiza que l’on ait pu echanger ces quelques mots !
    Cordialement . Njara

  24. Masiaka mihitsy ity Ranavalona ity an !!!!??? Sady mahay milailay en tant qu’animatrice ! Sao dia mba tokoa ary izato izy ???

  25. Aiza kosa e!!sarotiny fotsiny fa tsy masiaka e!!fa ianao ihany io an!
    Izay tianao na tsy tiako aza an!sa ahoana ???anao ny safidy!!

    Tiako be ery ilay fitantaran’i Njara ilay fihaonana t@ Mamy .R . ary marina ny anao
    tsy mahagaga ahy fa voalazanao fa tena izy,fa tsara angamba raha mba miova kely
    izy fa MANDAMINA be loatra, amiko aloha an!!!

  26. Tsy hoe miaro an’iza n’iza aho, fa araka ny hevitrao ve i Me HANITRA dia olona afaka hiara-miasa amin’olona tsy manana personnalité ?
    Raha ny fahitako azy aloha dia tsia e !
    Iza moa no nihevitra fa ho vitan’i Hollande ny hampiala an’i Sarko ? Ny olona MISEHO ho bonaika indraindray mamoaka zavatra tsy ampoizina mihitsy ka !
    Nisy fanakianana maro maro an’i Mamy Rakotoarivelo omaly, fa valiteny tena tony sy henjana no nivoaka. Mba mijery sy mandinika ihany aho anie e! 😉
    Rehefa tsy tezitra dia efa faly be aho. Misaotra amin’ny Doka nataonao e ! Mahafaly sy manome hery mba hanoratra ny olona……….;) Ny critque anie constructive mandrakariva e! izay no tena mba andrasa…ko ! Tsy maso akory an !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *