Daroka sy vono ary fisamborana no nandravan’ny herim-pamoretana ny fitakian’ny mpianatra

nidina an-dalam-be ny mpianatra, 07 mai 12 (3)

Nafampana teny Anosy sy ny manodidina androany. Nisy ny hetsika izay notanterahan’ireo mpianatry ny lisea. Niainga teny Alarobia izy ireo ary namonjy nihazo ny kianjan’ny 13 May, ary avy eo nandalo tao amin’ny Sainte Famille Mahamasina, naka ireo mpianatra tao, ary niafara teny Anosy misy ny ministeran’ny fampianarana. Fitakiana ny tokony hampianarana azy ireo no sorabaventy nentin’ireto mpianatra ireto. Efatongamialoha teny Anosy anefa ireo hery mpamoretana izay maro dia maro. Nisy ny fisamborana nataon’ireto hery mpamoretana ireto, ka mpianatra iray no voasambotra tamin’izany. Daroka sy vono no nanaovan’ireo miaramila ity mpianatra ity , rehefa voasambotra. Nisy ihany koa ny vovoka baomba mandatsa-dranomaso nanaparitahn’ireto herim-pamoretana ireto, ireo mpianatra nanao fitakiana, izay tsy nandrava zavatra fa nihorakoraka fotsiny. Ny zavanisy dia tsy nisy nianatra ireo mpianatra tao amin’ny LMA sy ny tany amin’ny Lisea JJ Rabearivelo. Ireo mpampianatra mivondrona ao amin’ny SEMPAMA ihany koa dia mbola nanohy ny hetsika teny anoloan’ny ministeran’ny fampianarana. Fiara 4×4 feno herim-pamoretana no niandry azy ireo tamin’izany ary namparitaka tsikelikely ihany koa tamin’ny vovoka baomba mandatsa-dranomaso. Tsy to teny izany hatreto Ingahy Ministra Manoro Regis satria tsy nilefitra ihany ireto SEMPAMA ireto. Tsy mahita vahaolana hamahana krizy intsony ny mpitondra tetezamita ka mampiasa herim-pamoretana hatrany. Tao anatin’ity tetezamita entin-dRajoelina ity dia mbola atao fitaovana hiarovana ny sezany ny mpitandro filaminana.

33 pensées sur “Daroka sy vono ary fisamborana no nandravan’ny herim-pamoretana ny fitakian’ny mpianatra”

  1. izao no vokatry ny fisaratsarahana !tsiponiny ohatry ny PARASY fotsiny
    sady izy efa maimbo rà ireo izao???tsy mitonon-tena???tena efa maty
    heritreritra mihintsy ireo ALIKA VOKY taolana ireo fa ankizy mitaky ny zony avy no hampisehoana ny
    habibiana toy izao fa tsy misy zanak’ireo miaramila ireo mianatra ve aoan-toerana sa any Frantsa daholo
    ny fianakavian’ireo alika ireo??tsy matahotra izay hatahorana mihintsy izany raha olona??

  2. fa maninona ireo ankizy ireo no avela hiady irery toy izao e!!
    sao dia mba tsy rariny ry zareo a!!fa inona no andrasana e!!
    tsy efa tokony ve izao???ankizy ireo aza mahatsapa ny tsy rariny koa maninona no tsy misy
    mba manoana e!!rahoviana indray vao HIFOHA E!

  3. tokony ny raiamandreny no mandeha manampy ny tolona ny zananay
    efa gaigy ny gasy ré ola oooo!
    ny raiamandreny zany dia tsy taitra akory nefa ny zanany ary tsy mianatra
    tena efa gaigy tsika gasy
    on merite le president k on a, et la pauvreté ki nous arrive
    peuple gaigy tsisy saina fa samy tia tena daholy

  4. O rankizy a! Inona no hitokonanareo e? Te hianatra ve? mety ny nataon’ireo element namanay nandrava anareo teny anosy anikeo, fitiavana anareo ireny. Tsy misy ilaina izany fianarana izany fa fandanian’andro, handrato fianarana dia hanao inona anefa rehefa avy eo? Jereo ny President-ntsika, izy angaha nianatra taiza akory kanefa zao izy president! Izahay nanao academie militaire aza manenina nandany andro firy taona kanefa tsisy nilaina ny fianarana natao mihitsy, nentina ahazoana grady officier fotsiny ny formation academique dia izay ihany, izahay miaramila tsy mila miheritreritra sy misaina lalina fa manatateraka baiko fotsiny dia vita ny adidinay. Tsy mila mamboly izany izahay dia voky, raha vao misy mitady hanapaka ny karamanay na mandrebireby anay dia ny basinay no arangaranganay ka tsy afaka mankaiza eo leroa a!

  5. « PEUPLE GAIGY TSISY SAINA FA SAMY TIA TENA DAHOL0 » !!!!!
    Tena mba marina ny teninareo rehetra ato !!!

    Fa TETEZAMITA VE IZAO MISY IZAO SA INONA Ê ????

    INDRIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIISSSSSSSSSSSSSSSSSSSSYYYYYYYYYYYYYYSY !!!!!

  6. Mahalasa saina ihany o , toa mitazana fotsiny daholo @ ireto ankizy , dia tena tsy nisy nanampy , raha samy maka ho azy fa tsy misy ny firaisan-kina dia aza misy mimenomenona fa na 20taona aza (krizy) foana dia mazotoa homana lacrymogène foana e

  7. Raha izao no misy hetsiky ny miaramila legaslista na kely fotsiny ihany aza toy ireny tany @ FIGN ireny na tao @ BANI dia vitas ny krizy…Koa samia ary manao izay azo atao mba hihetsehan’ny miaramila legalista.

  8. Ny ankizy indray ity no mampianatra ny lehibe mba hijoro ! Tena mahamenatra. Aiza ny Ray aman-dreny sy ny olon-dehibe! Atao ny hetsika eo amin’ny Magro ny tonga ihany no tonga. Atao ny vavaka eny Anosivavaka : ny tonga ihany no tonga. Any an-trano any anefa samy mimenomenona daholo fa tsy lasa intsony izy ity ! Mila miaramientana indray mandeha anie dia rava io eh! Raha averina ireny tamin’ny 2002 io dia vita io.

  9. Tena ao tsara mihitsy ny hevitrao ry LAZALAZAO ! Ilaintsika ho atao namana ny miaramila, satria izy koa mba voan’ny tsindry hazo lena amin’ireo Mpanjanaka ireto.

    Ry rabe atao hoe Rainitay no mpamendofendro eto, ka aza misy mandeha amin’ny resaka fanodikodinany ianareo.
    Asa misy mi-reagir fa olona efa feno TAY ny lohany, ary efa voaompa hatrany amin’ny reniny fa terak’i Razanakolona ireny ka na ny reniny aza tsy asiana lanjany.

    Ianareo Miaramila kosa, dia mba miangavy mafy anareo izahay : AMPIO NY VAHOAKA MAHANTRA SY MATIN’NY HANOHANANA;
    nY ANKIZY TSY AFAKA MIANATRA – Ny LEHIBE VERY ASA NY ANKAMAROANY.

    Vonjeo ny vahoaka ry miaramila malagasy, fa izany no tena adidinareo amin’ny Tanindrazana a !

  10. Tsy dia azoko ry zareo ity mibaradaka ao amin’ity Fesyboky ity â !
    Toy ny zazakely koa ny sasany ! Tantaraina ao daholo na dia ny kilaoty masiso kely aza !
    Mba misaina ihany ve ireo izay miseho ho mpitari-tolona ireo ?

  11. Amiko ry KM, tsy mba raisiko ho olana izany satria : Tena samihafa anie ny fomba firesaky ny malagasy ETO AN-TOERANA sy ny malagasy any ANDAFY any e !

    Ianareo miaina any Frantsa any efa manana ny logique fisainan’ny vozongo, fa ny an’ny malagasy eto an-toerana kosa, dia hafa mihitsy.

    Noho izany ny zva-dehibe amiko dia ny hoe : efa mba misy miresaka ny ho avin’i Gasikara ny Tanora dia efa izy lay, ary indrindra indrindra hoe manohana an’i Dada izy, sy manameloka an’i Domelina.
    Fa indro kely hoy ny Mpandrafitra e !
    Raha mba misy hevitra ny hanoroana ny Ankolafy Ravaloamanana
    1)
    Hanatona faran’izay haingana an’ Atoa François Hollande i Dada, miaraka amin’ireo mpanolo-tsainany :hiresaka momba ity Transition maharitra 4 ans ity.
    2)
    Hampihatra ny Traité de Sandton QUI N’A JAMAIS ETE APPLIQUé 🙁
    3)
    Dieny mbola azo atao dia mba mihaona amin’ireo Premier Ministrable Frantsay, ny Filohan’ny Ankolafy RAVALOMANANA mba HAMPODY AN’iDADA? SATRIA AEFA TSY EO INTSONY sARKO HANAKANA AN’I DADA MBA HODY.

    SANATRIA TSY MANDOHALIKA AMIN’ny VOzongo akory izany fa tsy hisy zavatra ho vitantsika malagasy irery raha tsy eo ny firenena afaka hanohana antsika.

    Relations diplomatiques izany.

    Ny tenako manokana dia mety hihaona amin’olona mba fantatro fa afaka ny hanampy antsika min’izany amin’ity herinandro ho avy ity. Tsy resaka vazivazy izany ry havana.
    😉
    Ampitapitao ireo toro marika roa ireo ry KM raha mba azo atao a !

    Mba vakio kely ity, fa sarobidy dia sarobidy HO ANTSIKA REHETRA :

    http://bayrou-modem.exprimetoi.net/t5047p400-le-retour-de-ravalomanana-a-madagascar

  12. Izao ataon’ny EMMOREG izao izany ilay dradradraddraina hoe 3ecole de guerre » lazain’ny FAHAVALOMANANA Richard! Ecole de guerre miady amin’ny mpianatra!
    Ny tody letia ry Risara Baomba tsy misy, fa ny atao no hiverina a!.. Ho hitan’ialahy eo ny zava-misy aoriana kely ao! Be vava ey ialahy ao amin’ny Télé, kanefa raha tena izy sady kanosa no mpifori-drambo!
    Ny ray amandreny kosa dia mba mahatsiarova tena: fa na diso na tsy diso ireo zanantsika ireo, ny marina dia izao: TSY MANDEHA INTSONY NY FAMPIANARANA AMIN’IZAO FOTOANA IZAO! .. Ka maninona ianareo no tsy mba mitsangana hanongana an’io Radomelina io?.. Sa mihevitra ianareo fa raha hianatra eo dia ho tsara ny ho avin’ny ankizy?.. Asa, aoka ianareo no hieritreritra!

  13. Miala tsiny @ rehtra raha averimberiko io message fa efa fantatsika ny fomban’i Raintay, raha vao misy zavatra manelingelina azy ! 🙂
    Aza tsiny indrindra e!
    😉
    Antenaina o ! mba vakio io message eo ambony io azafady e !
    Tairo ny RODOBE ry Malagasy a !
    Aza misy matahotra intsony hilahatra ery amin’ny MASO IVOHO FRANTSAY e.

  14. MANGATAKA IREO LEADERS LEGALISTES AO ANATY SYSTEME HANAO FANAMBARANA FANOANANA IREO MPAMPIANTRA SY NY MPIANATRA MITAKY NY ZOANY .

  15. Mampalahelo ny ho avin’ny zaza malagasy! Tena efa mamono eritreritra aho ny amin’izany:
    – Isaorako ny Avo fa tafa any ivelany mandrato zavatra maro no sady ilaina any rahateo ny « lahy tokako »

    Tsy vitan’ny efa nandatsa-drà ireto putshistes, fa TSY MAHITA fanampiana eo anivon’ny fampianarana satria kely tsy mba mamindro?, mihoatra ireto miaramila vokisana hatrany,
    Ô SACRIFICE, quelle(s) sacrifice(s) ce mouvement orange nous fait subir

    km, josefa: marina fa fivoizana vaovao sy fahalalana hafa maro ny facebook
    – F’efa nahita olona saika hifamono aho fa hitan’ny iray ny rambo notaritaritin’ity hafa
    – Extériorisation excéssive, Exposition etc…

  16. Selon mon hypothese la chute de la 1ere Republique est basée sur un motif raciste ; en comparaison au samedi 13 mai 1972 et la chute de la premiere republique le lundi 15 mai 1972.Ce qui s’est passé ce lundi 07 mai 2012 contre les eleves est beaucoup plus grave que ce que les eleves ont subi le 13 mai ,et les attaques des eleves etaient plus violentes sur la place de l’hotel de ville ce samedi 13 mai 1972 malgré l’absence des leaders qui etaient à Anosylava .
    C’est certain que Madagascar est dans une spiral de violence et de desordre et de deliquescence de l’Etat .Reconciliation d’abord ,car l’union fait la force ,election ensuite !

  17. Tondromolotra fotsiny hono hoe: » io no nitarika  » dia voatoton’ny vavabasy sy
    voahitsaka teo @ lohany ilay MPIANATRA , ary ny tena mampalahelo sy mahavaky FO
    dia olon-dehibe mihintsy hono no nanondro hoe: » io » asa na nahazo ohatrinona io olona nanondro fahatany io???
    izany no toetsaina GASY sisa ry Tompoko isany , mifamorika ampitoerana anomezana vahana ny MPANJANAKA.

  18. @Saryteny,

    En partie d’accord Saryteny ! le seul probleme est que : RECONCILIATION veut dire RETOUR du PRM Ravalomanana….aussi ! Il me semble qu’il n’y aira pas de reconciliation proprement dite, tant que le PRM ne soit pas là.
    Autrement dit, cela suppose que son retour est prioritaire ! Ce qui ne me semble pas favorable pour le President lui même.
    Voila pourquoi, j’ai choisi personnellement, qu’il faut à tout prix FAIRE DEGAGER LE DOMELINA d’abord !……….PLUS RIEN ne s’y oppose, SARKOZY étant hors d’etat de nuire.Ce fut le seul qui empêchait tout par l’intermediaire de Satanié qui a des fonctions limitées actuellement.

    le plus important actuellement je crois est que :

    Le PRM aille rencontrer le plus rapidement possible Francois HOLLANDE pour faire le point la-dessus
    Qu’une delegation de la Mouvance avec les autres mouvances reclament le depart de l’armée française de Mcar.
    Que le Traité de Sandton, que beaucoup ne connaissent pas, SOIT appliqué dans sa Totalité,
    ….ET NOTRE President pourra revenir SANS PROBLEME.
    A mon avis, une Délégation dirigée par Mme Naika Eliane, accompagnée de Raveloson- Me Hanitra – Rakotoamboa – Zafilahy. Mona cela n’est qu’un avis personnel !

  19. @ HoAiza,

    Quand le Domelina venait de prendr la HAT, beaucoup de jeunes etaient en sa faveur. Actuellement, ce n’est plus le cas, beaucoup de jeunes se rendent compte que ce n’est qu’un IMBECILE avide de pouvoir et d’Argent, sans Capacité Intellectuelle ni donc Instruction.
    Voila pourquoi toutes ces manifestations. Leur avenir n’est que nebuleuses….:(

  20. Mbola mandeha ny fandaminana ry dà a!
    hataoko fa efa voalamina daholo ny @’izany fa teo aloha aza
    jereonao tsara ny ezaka vitan’i dada koa maika fa izao??.matokisa azy fa tsy maintsy efa eo ampandaminana
    ny raharaha rehetra izy . Mba miangavy izay hietsika mba ahay hanambatra ny HERY mba tsy ho voan’ny izao
    tsindrihazolena lava izao, raha mbola tsy tafa aloha aza MIJABAKA fa efa fantatra fa ALIKA no hiraisamonina fa tsy
    olona intsony, alika efa vokisana zavamahadomelina daholo mba hanao habibiana @ vahoaka antanam-polo toy
    izao.
    Rehefa tsy RODOBE dia aza mijabaka fa mampalahelo fotsiny ireo voasambotra sy maratra.

  21. Hollande une chance à saisir pas seulement pour faire revenir le fromage Biba !

    On risque vraiment de s’entretuer en crevant de faim (par faiblesse de l’Etat) ;soit le ventre vide ,meme en etant Chretien parait-il c’est plus douloureux .

  22. Ny alikako ry Ranavalona dia azo itokisana tsara ary na dia ny Alika fotsiny sy ny zanako no ao an-trano dia tsy matahotra ny zanako satria miaro azy ny alika fa ireto midaroka ankizy ireto alou dia tena ambany fisainana ary ambany razana noho ny alika é!!!! KA ALEO OA ATAMBATRA NY HERY HAJERANA AN’IREO!

  23. Oui, vive la solidarité.

    Même Rajemison Rakotomaharo, le renverseur de veste, s’y met aussi: réclame le retour de ra8.

    Comment ça y est, GTT?
    On a vu le drapeau que vous avez hissé au 1er tour!
    J’avoue à chaque fois ainsi dans un pays étranger CA M’EMEUT,
    à tel point que qques gouttes de larmes s’écoulent de mes yeux

  24. Njara: les jeunes il les a subjugués, en promenant son immense photo, durant campagne éléction de Maire d’Antananarivo (très talentueux travail en MARKETING).

    Le mouvement orange, oui des jeunes mais au fond de prédominance … bas quartiers!

  25. Il faut s’en mefier Ho Aiza. Cela pourrait avoir un but precis : semer la discorde au sein des Mouvances.

    Mais cela en fait un coup à Domelina quand même :C’EST UN AVEU QUE LE petit con de ferere de Raintay ne vaut plus rien…
    Preparez vous à fermer les portes de secours !!!
    Domelina ne doit pas fuir.

    Dans un sens les jeunes n’etaient pas aussi interessés à la vie du Pays quand TOUT ALLAIT BIEN avec DADA;
    Maintenant, ils s’apercoivent combien Domelina les a berné !!! C’est un pas en avant vers la Conscientisation des Nationaux.
    J’avoue que la seule chose de valable que Domelina a fait , c’est d’avoir appris à la Popuplation malagasy, COMBIEN LA NATION, LA PATRIE EST SACREE. Malgré tout, cette population l’apprise dans la douleur semée par le Domelina chef-Mpangery an-joro.

  26. Aleo ny mpianatra no hitarika azy miaraka amin’ny mpampianatra rehefa tsy hihetsika ny hafa fa samy efa LEO DIA LEO DIA LEO an’ity fitondrana ity ny malagasy 75% farahakeliny.

  27. mahalatsa ireto zanaka sisiny dadany ireto ka, heverin’izareo fa hitolona ho an’ny de8 angaba ireo tanora malagasy ireo.
    zaza te hianatra ireo, ary mitaky izany izy ireo, fa ireo miaramila ireo dia miezaka hatrany hiaro azy ireo tsy haratra sy sy hioam-pefy.
    ire mpampianatra kosa dia mitaky ny hanondrotana ny karamany satria mino izy ireo fa io zandrikely io ihany no afaka mahavita izany, eny na dia amzao krizy izao aza, fa tsy tahaka tam de8 izay bevola fa tsy te hiraharaha izany fampianarana izany.

  28. Fa firenena aiza izany misy krizy izany ? Angaha tsy tena fiainana lavorary sy fitondràna manara-penitra ry foza no misy ao â ?
    Tsy efa mora dia mora daholo ny zava-drehetra, na ny vary in-telon’ny sotro aza efa gratuit ny 90 isan-jatony ?
    Ny vola azo avy amin’ny volamena aman-taonina izay nahondrana, ny vatosoa ( safira sy emeraody sns..), ny Boaderaozy, ny vehivavy misarika miaramila frantsay sy vazaha anti-môla rehetra izao,.., nankaiza daholo ?????
    Any am-paosin’ny foza, nanaovanareo bildina sy nividiananareo katikatra daholo ?????
    ANGAHA INDRAY TSY HOE : JE NE SERAI PAS PLUS NUL QUE LE PRESIDENT RAVALOMANANA ?????

    Ndryyyyy !! Aiza re izy izany ê ?? Tsy vitan’ny hoe ataonareo am-paosy ny volam-panjakàna, fa ny kely mba an’ny vahoaka any an-tranony aza mbola robainareo ??? Efa manan-manjoa sy tra-pahoriana ny olona, dia mbola tafianareo atrany amin’ny fiandrasam-paty !!!! Ah !! Tena milay kah !

    TENA HO TSAROIN’NY VAHOAKA MANDRAK’IZAY HOY AHO NY SOA ATAONAREO AMINY !!!!! HO SORATANY AO ANATIN’NY BOKY MAINTIN’NY TANTARA MALAGASY !!!!!!!!!

  29. Zaza vao MINONO aza voaholana!!!manodiavà ny taranaka faramandimbin’ireo
    FOZA ireo izao fahavoazana izao.
    Dia tsipazana bibilava indray izay olona mba mbola afaka mandeha TAXI dia robaina.
    ny fiarandry zareo moa raitra daholo ka azo hidina tsy voan’izany mihintsy.

  30. hihi, atsangano ny maty hanampy tosika ny miaramila légalista e. miramila retraité iray no hitako niaranijoro t@ manadafy teny ambohijatovo fahiny. mety efa maty aza iny zao.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *