Fitsarana Anosy : afaka noho ny fisalasalana « ny zanak’i Dada »

Lapan'ny Fitsarana, 07 mai 12 (24)

Nohafahana noho ny fisalasalana izy telo mirahalahy, dia Rakoto Louis, Rasoloarivelo Andoniaina, Randriamanantsia Maminiaina Norbert, voasambotra tamin’ny hetsika tatitra nataon’ny Ankolafy Ravalomanana ny Sabotsy 28 Aprily 2012 teny Ambohijatovo. Io no didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana teny Anosy ny tolankandro teo. Anisan’ny vesatra hiampangana azy ireo moa araka ny nambaran’ny iray amin’ireo mpisovava, ny voampanga ny Me Noro Rabemananjara,   dia ny fandrahonana, fanompana mpitandro filaminana, fanimbana zavatra, ny filazana fa tsy maintsy matinay Rajoelina. Nangataka fahafahana madiodio an’ireo olona voampanga ny mpisolovava satria heverin’izy ireo fa tsy misy ny vavolombelona, tsy fantatra ihany ko any mpitory tamin’ity raharaha ity. Nandà ny fiampangana azy avokoa ireo voampanga. Nilaza ny mpisolovava fa tsy mahafa-po azy ireo ny didim-pitsarana fa fangatahana fahafahana madiodio no ilaina. Vahoaka maro no tonga nanatrika izany teny an-toerana. Ireo mpitarika ny Ankolafy Ravalomanana, ireo CT sy CST sasantsasany dia tonga teny, niaraka tamin’ireo vahoaka maro ihany koa. Horakoraka sy tehaka moa no nandraisan’izy ireo ny didim-pitsarana.

5 pensées sur “Fitsarana Anosy : afaka noho ny fisalasalana « ny zanak’i Dada »”

  1. izany no aina koa te hanao??hi!hi!hI!!!!!!mbola misy be dia be any fa AVOAY e!!!
    avoay daholo fa aza mba manetsikeloka eo ry ilay tsivanona isany a!

    Dia mankasitraka @ firaisankina e! vao fiandohana ihany izao fa ny manetsa be mbola ho avy!!KENDAO! KENDAO@ izay!!
    aza avela hitraka intsony fa AMPY IZAY!!!vita izay ny asan’i SATANA fa ho avy ny an’ANDRIAMANITRA!!

  2. Njara dit :
    7 mai 2012 à 19 h 26 min

    Amiko ry KM, tsy mba raisiko ho olana izany satria : Tena samihafa anie ny fomba firesaky ny malagasy ETO AN-TOERANA sy ny malagasy any ANDAFY any e !

    Ianareo miaina any Frantsa any efa manana ny logique fisainan’ny vozongo, fa ny an’ny malagasy eto an-toerana kosa, dia hafa mihitsy.

    Noho izany ny zva-dehibe amiko dia ny hoe : efa mba misy miresaka ny ho avin’i Gasikara ny Tanora dia efa izy lay, ary indrindra indrindra hoe manohana an’i Dada izy, sy manameloka an’i Domelina.
    Fa indro kely hoy ny Mpandrafitra e !
    Raha mba misy hevitra ny hanoroana ny Ankolafy Ravaloamanana
    1)
    Hanatona faran’izay haingana an’ Atoa François Hollande i Dada, miaraka amin’ireo mpanolo-tsainany :hiresaka momba ity Transition maharitra 4 ans ity.
    2)
    Hampihatra ny Traité de Sandton QUI N’A JAMAIS ETE APPLIQUé 🙁
    3)
    Dieny mbola azo atao dia mba mihaona amin’ireo Premier Ministrable Frantsay, ny Filohan’ny Ankolafy RAVALOMANANA mba HAMPODY AN’iDADA? SATRIA AEFA TSY EO INTSONY sARKO HANAKANA AN’I DADA MBA HODY.

    SANATRIA TSY MANDOHALIKA AMIN’ny VOzongo akory izany fa tsy hisy zavatra ho vitantsika malagasy irery raha tsy eo ny firenena afaka hanohana antsika.

    Relations diplomatiques izany.

    Ny tenako manokana dia mety hihaona amin’olona mba fantatro fa afaka ny hanampy antsika min’izany amin’ity herinandro ho avy ity. Tsy resaka vazivazy izany ry havana.
    😉
    Ampitapitao ireo toro marika roa ireo ry KM raha mba azo atao a !

    Mba vakio kely ity, fa sarobidy dia sarobidy HO ANTSIKA REHETRA :

    http://bayrou-modem.exprimetoi.net/t5047p400-le-retour-de-ravalomanana-a-madagascar

  3. Nampiseho hery i rajoelina rana nanome baiko nisamborana azy telo lahy ary dia iny ilay maivam-body christine no naniraka ireo zandar OPJ (officiers de police judiciaire)niantso azy telohy ary nakavava azy ireo dia nampiditra azy ireo natao mandat de dépôt mandra-pahatongan’ny fitsarana..
    Dia notsarainy ary izy ireo ARY DIA METY HO TEZITRA BE ILAY kirisy kisoa fa tsy nanaraka ny heviny ireo mpitsara ,izay naneho ny fisalasalany ( doute ) izay manome hery ny tsy fisian ‘ny heloka nanenjehana azy telo lahy..ary dia
    manery ny mpitsara nanome fahafahana tanteraka azy telo lahy..
    Mila hamafisiny ve fa izao seho-javatra kitanitanina ,izao fanenjehana tsy manara-dalàna izao ve dia tsy eboebo sy fampisehoana hery ary fanehoam-pahefana ?
    Ary ny didi-pitsarana izay nanadio azy telo lahy dia fanoherana mibaribary ny jadona sy ny herisetra naseho tamin’ny fisamboarana ary fitsarana olon-tsotra tsy nanao heloka bevava ?

    Ny famotsoran’ny tribunal azy telo lahy dia porofo fa nihena ny fahasahian’iretsy mpamorotra , mpapitahotra…Fa nahoana aza ?

  4. Le respect de la Loi incombe à tous les citoyens , qu’ils soient puissants ..ou faibles.
    Si un ministre se croit au-dessus des règles et des lois -parce qu’il est ministre- c’est qu’il se trompe lourdement et s’est mis le doigt dans l’oeil.
    Ce ministre à la manque sest estimé donneur de leçon aux élèves en drêve en les intimant à reprendre les cours , mais le ministre de l’éducation nationale n’a pas une mission d’enseignant par contre il doit veiller ,en toutes circonstances , veiller à la bonne marche de l’enseignement dans les écoles , les collèges ,les lycées dont il a la charge de la gestion :
    ..gestion de la salubrité des bâtiments ,des salles de classe , des tables ,des chaises des élèves
    ..gestion financière : budgets de fonctionnement des établissements scolaires ,
    gestion des bourses en tenant à jour la liste des boursiers de chaque établissement , suivi des salaires des enseignants avec le ministère du budget , surtout quand il y a des grêves itératives..

    Mais la contrainte , l’intimidation par l’intervention des forces armées ne sont des usages ,mais constitue un aveu et de faiblesse et d’incompétence dans la gestion de sa charge ministérielle !

  5. Maromaroa ny toa anao ry dà! mankasitraka e!
    Dada tsy makany frantsa izany aloha raha izao azafady ry dà!,dray!dray!dray!dray!dray!!!!!!
    tsy mahamenatra an’i sarkalika ny hampitifitra olona azy any, aoka etsyyyyy! jiolahy anie iny e!asa raha mba tsapany izao
    ny tsy mety rehetra nataony raha mbola hideaka ihany ????

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *