Fitsarana ny FIGN : asa an-terivozona enin-taona

FIGN1

Tao anatin’ny telo andro no nanatanterahana ny fitsarana ny raharaha Fign teny amin’ny fitsarana Anosy. Ny raharaha Fign izay ahitana ireo manamboninahitra teny amin’ny toby Fort Duchesne, toy ny kolonely Andrianjafy Raymond, izay voalaza fa nikomy tamin’ny fanjakana, ireo sivily nahitana ny Pasitera Rafanomezantsoa Valisoa anisan’ireo mpitarika ny HMF, izay voakasika amin’ity raharaha Ny 20 May 2010 ity. Anisan’ny vesatra hiampangana ny Pasitera Valisoa ny fanankorotanana, ny fanapotehana fananan’olona, fiantsoana olona hametraka sakana. Ary Andriamatoa Rakotoamboa Jean Louis Ankolafy Ravalomanana.  Efa noheinoin’ny mpitsara avokoa ireo voampanga, sy ireo olona voakasika rehetra, ary nandritra ny andro farany androany dia voalaza fa ny mpisolovava ireo voampanga no nandray fitenenana teo anoloan’ny mpitsara., saingy nisy indray ny vavolombelona nilaza fa nahita ny bala nitfifiran’ireo Fign ilay miaramilan’ny Fis namoy ny ainy tamin’io fotoana io.Ireo voampanga rehetra moa dia samy nanda ny fiampangana azy. Ny mpitarika sy ny vahoaka avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana moa dia tonga maro teny amin’ny fitsarana Anosy nankahery ireo voampanga.

Tokony ho tamin’ny valo ora alina teo vao nivoaka ny didy ka voapanga hiasa an-terivozona enina taona ary dimy taona tsy mandia farintany ireo voapanga tamin’ny raharaha  FIGN ny 20 Mai  2010. Marihina fa hampiakatra fitsarana ambony, hangatahana  fanafoanana ity didim-pitsarana  ity ny mpiaro ny voapanga.

13 pensées sur “Fitsarana ny FIGN : asa an-terivozona enin-taona”

  1. Mbola hivaly amin’ireo tsy mataho-tody ireo ny fitsaran’Andriamanitra!
    Ary tena nahaleo-tena tokoa ve ny Fitsarana namoaka an’izao didy izao?…. Mampalahelo fa toa izay mpandainga sy mpangalatra no tena manjaka eto an-toerana!

  2. Raha mbola zanakisoa no ao @ fitsarana dia tsy maintsy zao foana no hiseho, jereo ny TIKO tany ANtsirabe teo.
    Ny FR dia efa nohitsakitsahina tsy nisy dikany intsony.
    Raha tsy domelina no harodana dia tsy misy fitsarana mahaleotena zany eo, zanakisoa baikona fotsiny .
    Mila tohizana sy hamafisina ny hetsika, fa fa tsy izy intsony izao.

  3. Non-observation, NON-RESPECT des points pourtant clairs et stipulés dans FDR:

    ==> Article 16.
    … toutes les institutions de transition doivent s’engager chacun en ce qui le concerne à adopter des mesures de sécurité et de confiance pour créer une atmosphère sereine et apaisée, en METTANT UN TERME aux poursuites judiciaires en cours engagées à l’encontre des membres de l’OPPOSITION qui pourraient apparaître comme fondées sur des motifs POLITIQUES, et en assurant le respect de l’état de droit et du principe de l’égalité de traitement.

    ==> paragraphe I : institutions de transition
    « Neutralité et le Consensus » ??? pouahh

    __

    l’on N’aboutira JAMAIS à une quelconque forme d’éléctions crédibles justes et transparentes
    et ainsi de suite

    Tous simplement parce que ces points entre autre sont foulés au pied par
    . Le Président, …, l’institution judiciaire AU POUVOIR ACTUEL

    à qui vous – la communauté internationale s’adresse
    en ayant bien mis
    les points sur les « i »

  4. Mahonena !!!mbola ho avy ilay maraina ary TSY MAINTSY!!!mahereza daholo!!!
    Homba antsika ANDRIAMANITRA,aza mitsahatra ny mivavaka izay afaka manao
    izany ary izay mbola misalasala?? izao no fotoana ,koa alahoery ary ry GASY tia tanindrazana rehetra,
    andao hatambatra ny HERY , mivonona fa tsy ho ela intsony ny FARANY.

  5. Ampahafirin’ny olona nampitondrainy Faisana izany e!!
    vao fitsaram-bahoaka izao fa mbola ho avy ny SISA!!

    Bye!bye! ianao rasarko fa efa be loatra ny olona nitondra faisana no ho ianao a!

  6. Raha ny tarehy marika hita eny aminy tabilao dia resy hatraiza hatraiza i Rasary.Midfika izany fa tsy mety no nataon’i Rasary.

  7. Taiza indray koa Merkel no nitomany teo Rasamy a??
    tsy ny frantsay ihany no tsy tia azy fa efa saiky manerana
    an’ny tany , malaza ratsy loatra laikely iny , Ratsy ohatra azy ihany ny Fanahiny.
    Ho hita eo koa raha hijanona @ iny eo ity kala makorely vadikeliny???

  8. Westerners want to see the wildlife in the nartual habitat of each species. Statues of wildlife and animals in zoo-like’ settings are a HUGE turn-off. The tip-off is the fabricated walkway with railings over a moat, leading up to the freshly cut grass and a monkey chilling on/in a prop.Smart guy who is not worried about the fact that current revenues are dowm. He knows that everything goes in cycles.My idea is that you want to get repeat customers!!If I enjoy my stay there

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *