Handrehitra afo !

IMG_0296

Mbola misavorovoro ankehitriny ny raharaham-pirenena eto amintsika. Tsy mahita vahaolana hamahana ny fitakiana ataon’ireo sehatra isan-karazany ny mpitondra fat. Fidinana an-dalambe no malaza etoamin’ny tanana. Ny Ankolafy Ravalomanana dia hanao hetsika lehibe etsy Ambohijatovo amin’ny Sabotsy izao. Efa mafana ny fanentanana ataon’ny mpitarika mikasika izany androany teny amin’ny Magro Behoririka. Ramatoa Charline solontenan’ny Andrefan’iarivo dia nanambara fa hirodana afaka fotoana fohy ny fitondran-dRajoelina. Ho tanteraka hoy izy ny nofinofintsika dia ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana eto Madagasikara. Mila atambatra nyhery ahafahantsika manao izany. Andriamatoa Fitahiana solontenan’ny faritra Toliary dia nilaza fa manisa andro sy fotoana isika fa ho avy ny Sabotsy. Fotoana fohy ihany ka hoy izy dia higadona eto i Dada. Izahay avy any dia ho tonga maro hanatevin-daharana io etsy io. Rehefa  misy sakana ao Ambohijatovo dia mankeny amin’ny 13 May isika, ary rehefa misy sakana eny dia mankeny Ambohitsorohitra indray isika. Ny CT Lova avy any Fianarantsoa dia nilaza fa amin’izao fotoana izao dia misy nyafo mirehitra. Tsy mamono afo isika hoy izy fa mandrehitra. Any amin’ny kaomina Tsarazaza, distrika Fandriana hoy izy dia misy kaotenera ambenana miaramila izay mitondra « explosive », miaraka amin’ny kolonely sovietika iray. Hitrandrahana volamena no ataon’izy ireo amin’izany. Mbola tsy nisy ny fahazoan-dalana fa fifanarahana fotsiny no misy kanefa dia potika ny fasan’ny olona any an-toerana, ny voly, ny trano. 12 taonina no volamena hotrandrahana amin’izany izay sandaina 100 Milliara Fmg. Tsy ekena izany hoy ny CT Lova. Ny CT Tsianihy kosa dia nanambara fa samy maminavina isika amin’iny herinandro ambony iny fa hisy vaovao telo lehibe hitranga. Ny iray amin’ireny hoy izy dia maro amin’ireo mpitondra fat no tapaka lalandra. Nitodika tamin’ireo CT sy CST ny tenany, hisy raha amin’ny Alatsinainy sy Talata izao. Ela izay no nilalaovan’ialahy tamin’ny lela sy vava fa ho hitan’ialahy izany amin’iny herinandro iny. Tonga ny fotoana hoy Tsianihy, tsy hanaiky ny zanak’i Dada eto Antananarivo sy ny any amin’ny faritra.Noho izany tonga maro isika hanatevin-daharana ny hetsika

9 pensées sur “Handrehitra afo !”

  1. 13 MAI 1972 !!
    13 Mai 2012 !!

    ATAOVY MAKOTROKA NY FANKALAZÀNA NY FAHA 40 TAONAN’IO ANDROM-PITOLOMANA IO !!!!

    TAOMY HIAKATRA DAHOLO NY AVY ANY ANINDRANA, FA TOLON’NY VAHOAKA MALAGASY IO FA TSY AN’ANTANANARIVO IRERY !!!!!!

    ATAOVY HITAN’IZAO TONTOLO IZAO FA LEO SY TOFOKA, ARY KOA MIJALY NY VAHOAKA MALAGASY !!!

    ATAOVY TONGA SAINA DAHOLO IREO FRANTSAY IZAY MBOLA MIHINIA, MANOHANA AN’IRETO JIOLAHY MPANONGAM-PANJAKÀNA IRETO !! MBOLA MARO DIA MARO RY ZAREO NO AO, ARY MISY AZA DIA TSY TAHOTRA TSY HENATRA, SAHY NIFIDY AN’I HOLLANDE !!!!!!!

  2. Taomy daholo ny antoko rehetra izay tsy mankasitraka izao fitondrana izao,
    aoka izay iity tsitokotoko ity, aza soritsoritana ohatra ny vola ,na havakavahana ohatry ny ketsa
    fa ny valalabe mandry rehetra no tokony handray ANJARA, tokony tsy hisy hoe: antoko inona fa
    avy dia RODOBE dia ao vao manavaka @ sora-baventiny ny tsirairay avy, izay takiany sy izay
    hetahetany ary ny antoko misy azy avy raha hilaina izany.

    Eto @’ilay hoe nifidy an’i Hollande ry Kintana,ataoko fa tsy mahagaga izany, mino mafy koa aho
    fa na ireto foza ireto aza tsy hifidy an’i domelina izany fa misy hinanany fotsiny no hilalafany an’io
    fa na ireo aza efa leo azy.

  3. Rehefa mitolona dia mitolona fa ajanony ity Fanomezana FEPOTOANA ity raha azo hatao
    re TOMPOKO o!!!avelao Andriamanitra no handahatra fa tsy isika mihintsy no hisalovana
    lava eo, sady efa tsy namokatra hatra@’izao izany famera fotoana lava izany, vao maika manome vahana ny DEVOLY izany
    ka aleo tsy miteny fa MIADY dia miady aloha dia ho hita eo ny FIPOAKANY.

    Hay ve tsy i dada akory no hangalatra ny fasan’olona e!!!!hi!hi!hi!!!!ôsy aho e ry foza e!hi!hi!hi!!!izany mba fisainana mba ho entina
    miady ???tsy lasa lavitra!!!mapme be!!!tapaka hatreo iny lalana iny fa aza manantena taitsokona e!!!!MANAPETRA oah ny RATSY!!!!

  4. Iray volana lasa zay no nandrosoako soso-kevitra toy izao,dia ny hisian’ny hetsika andalam-be rehefa tsy mandeha @ tokony ho izy intsony ny hetsika ambony latabatra, tonga soa izy ankehitriny dia aoka ho tohanantsika hatramin’ny farany.
    Na inona handikan’ny sasany na inona ny hetsika rehetra mitranga, dia tsotra fotsiny, MANGIRIFIRY LOATRA NY VAHOAKA KA TSY TANTINY INTSONY, misy farany sy fetrany ny zavatra rehetra.
    Raha olona nanam-panahy ny fat dia efa ela no tokony nivaha ny olana.Ny zavatra azo tamin-kery dia ho ravana amin-kery koa, ary tsy hanana anjara eto intsony ny herin’ny maizina, fa ankinintsika @Atra ny hetsika rehetra atao.Roso zao, tsa mipody koa.

    Masina ny tanin-drazana

  5. EKENA ny hetsika an-dalam-be! Ataovy mafy ny fanentanana. Tena efa mihoatra ny azo ekena ny ataon’ny TGV sy ny forongony.

    LASA IZAO !ZAO DIA ZAO!

    Rehefa betsaka isika tsy afaka mihetsika ny miaramila.

    Miombon-kevitra amin’ny MENALAMBA. Tena mila menalamba isika

  6. Ity hetsika mitsitokatokana anie no mbola tsy hazahoantsika ilay fandresena e!
    dia hihomehezan’i foza fotsiny dia ireny tsiponiny tsirairay ireny, koa tokony hisy
    fanentanana mba hiarahirona in-1 mandeha fa efa MIOVITROVITRA ILAY SEZA NANGALARINA.

    Misy tsy azoko kely ilay hetsika @ Sabotsy ity???tsy aleo ve hiandry ilay @ 13 may ( alahady io) dia manao rodobe
    miaraka @ be sy ny maro manambatra ny hery ???toy izay ho vizana ambony ihany eo dia tsy afaka hiaraka @ olona
    rehetra intsony ny alahady avy eo hiara-hanongana an’i domelina sy ny forongony???tsy maintsy hisy sakoroka mantsy
    eo na tiana na tsy tiana, vola mantsy eto no miteny fa tsy ny lalana intsony.Ka sao hanao toy ilay VIRIJINY adala eo ka
    efa @’ilay fotoana HILAIVANA azy indray vao TSY NISY SOLIKA HANDREHETANA ILAY JIRO???????????

  7. Ny tiako ho lazaina eto dia raha sanatria tsy mahaomby io hetsika ny Sabotsy io
    dia ho FATY ho azy koa ilay @ alahady, ka tsy aleo ve hatambatra ny hery rehetra
    @ alahady izao efa betsaka koa ny nilaza ho avy toy ny Antoko Dadabe Zafy ohatra???tsy haiko raha mety??

  8. Izany mihintsy no tokony ho izy !

    HATAMBATRA NY HERY !!

    Rehefa atao asabotsy dia asabotsy, ary rehefa atao alahady dia tonga ny alahady daholo !

    NA 12 IO NA 13 MAI, METY FOANA REHEFA « NATAO HO FAHATSIAROVANA NY 13 MAI 1972 », fa dia IARAHAN’NY REHETRA ATAO !!

  9. Ka ity hitsitokatokana ny asabotsy ity mihintsy no tsy azoko???
    sady misy resaka Ambohitsiroatra???mamofopofona sorona i dray ilay izy???
    ny hamisavisana ny ratsy anie hiavian’ny Soa

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *