28 pensées sur “Hetsika VOT, 11 mai 12”

  1. I domelina sy ireo mpanohan’azy tsy mivakla amin’izay fitarainanareo ry zalahy â !!

    AIZA FOANA ITY SORA-BAVENTY MBA NATAO HO VAKIAN’IREO MITENY ANGLISY SY FRANTSAY ????

    Mba ataovy manara-penitra amin’izay ny fomba fitolomana ê !

    TSY HIETSIKA EO RY OBAMA, RY HOLLANDE ARY I MERKEL RAHA TSY HITANY TSARA IZAY TIANAREO AMBARA SY SORATANAREO !!!
    POROFO NO TADIAVINY FA TSY HONOHONO LAZAIN’OLONA !!

  2. Efa porofo impiry izay ry Kintana fa  » misy mihainooooooooooo??? »
    i Merkel tsy manaiky nefa tsy hita izay fanapahankevitra raisiny fa toa Bisous2 miaraka @
    Sarkô no mbola betsaka????Obama indray nisaotra an’i Sarkô( ohatra ny misaotra vady nisintaka).
    izay angamba ilay Soatoavim-bazaha????hi,Hi!hi!hi!!!!!

  3. Efa miova anie ny dônina ê ! Ilay raikalahy efa misy fitoriana miandry azy any ho any !

    Adinonao sa tsy fantatrao fa milaza ny UE fa efa milamina ny tany sy ny fanjakàna, ary efa mandroso ny fampiarana an’ilay FDR ?

    Izay no antony ! Soa ihany fa misy an’io hetsika rahampitso io, ary koa ilay taratasy, na dia misy tsy mazava laotra amiko aza ao anatiny !

    Tsy dia asiana resaka, fa dia ho hita eo ny rahampitso !

  4. Sao mba mety hilain’ny Fianakaviany :
    Mercredi, 09 Mai 2012 00:00
    Selon les informations émanant de l’Ambassade de Madagascar à Moscou, un ressortissant malgache du nom de TSAO JUSTIN, ex-étudiant résidant à Krivoy Rog – Ukraine, est décédé jeudi dernier suite à une agression survenue dans la nuit du 02 mai. Le défunt serait originaire d’Ambatofotsy Ikongo, et pour le moment, l’Ambassade ne possède aucune information sur son adresse exacte à Madagascar. En vue du rapatriement du corps ou de son inhumation, et en raison de l’insuffisance d’informations concernant le défunt, les membres de la famille sont invités à se présenter auprès du ministère des Affaires Etrangères à Anosy (service des affaires générales – porte 29) afin de procéder aux formalités administratives correspondantes.

    Mirary fiononana SY fankaherezana ho an’ny Fianakavian’ i TSAO JUSTIN !

  5. Marina mhitsy io remarque ataon’i KM io fa tokony mba misy @ teny frantsay sy anglisy ny banderole mba hahalalan’ny any ivelany ny tena marina sy izay tena takiana, inona no serasera mahomby kokoa ahatafita ity hafatra ity eny ifotony,mba ho réaliser-na fa tsy mijanona fanamarihana foana eto, nefa misy lanjany tokoa.

  6. Misaotra ry Menalamba amin’ilay fanohanana an’ilay soson-kevitra ! Naroso mantsy izy io satria, malagasy iza no tsy MANANA HAVANA MIJALY SY SAHIRANA AMIN’IZAO FOTOANA IZAO ???
    NA IREO FOZA TIA-TENA IREO AZA !!!

    Mba ahafahin-tsika manampy ny mpiray tanindrazana arak’izay azo atao, dia tsata mba misy banderole amin’ny teny hafa fa tsy tena gasy lava izao !

    Betsaka ny olona afaka mba mampita an’ireo sary ireo any amin’ny vondrona eraopeana ohatra, fa raha tsy azon-dry zareo izay lazaina ao, tsy misy dikana firy !

    Ity koa izao misy hevitra iray azo aroso, satria na ny mpanao gazety ao amin’ny Midi aza toa tsy mahazo ny fandehan-javatra, raha izay soratan-dry zareo no vakiana !

    Ventesina lava izao ilay hoe IVe République sy Constitution vaovao !!
    Atramin’izao ve dia mbola misy sahy miresaka ary koa mino fa manan-kery, ary eken’izao tontolo izao iny referendum fôpla iny ??????

    Ny mahagaga, dia na ny mpiaro ny ara-dalàna aza, tsy mba misy manakiana an’izay mbola mivoy an’io resaka tsy mitombona io !!!

    Tsy mahagaga rahatoa ka midigin-drambo sy mampiorohoro lava izao ny foza mpanongana !

  7. Iny mihintsy ilay nolazain’i Onitiana t@ domelina « rep faha-4″fa mbola tsy azon’ny
    lohakeliny dia ny voafahan-dalitra koa tsy misaina vao milaza zavatra fa izay dia izay.
    Toy ilay hoe: filoha teo aloha, ohatra ny mba misy FILOHA VAO2 ery eo fa tsy olona marary saina tsy vonton’ananatra
    avy any @ misy azy any no mibodo n tsy an’ny tena sady tsy SAHAZA azy akory ??mitady ny randrana manendrika ny hafa
    hany ka any N-kady no hiafaran’ny firenena noho ny tsy fiaverana kely akory.

  8. Fisaorana mitafotafo no atolotra hoan’ny VOT. Ireo no tena anisan’ny vahoaka. Tohizo hatrany fa ianareo no tena vahoaka sy zanak’iDada fa tsy ireo mpanao politika sary tahotra sy tsy mazava ireo. Marihina eto ihany koa ny « Vahoaka Miray » ihany koa di tena mitolona hoan’ny tanindrazana.
    Matokisa ianareo : VOT sy Vahoaka Miray fa manakoako any ivelny rehetra any ny ataonareo ary maro koa eto an-tanindranzana no manamparitaka ny ataoanareo. Misy fifanampiana lehibe ataon’ny Zanak’i Dada eo @ serasera ary mametraka ny VOT sy ny Vahoaka Miray lohalaharana @ tolona.
    Misaotra sy mankahery anareo.

  9. Miarahaba ny rehetra ! Km ! Mbola tadidinao ve zâ ? Mitsaitsaika mandom-baravarana…
    Rehefa tsy hamely ny ankolafy Ravalomanana noho ireo mpitondra kanosa sy fatra-panaja lalàna amin’ny tany anjakan’ny hery, dia iraisako hevitra amin’i Lazalazao izay voalazany rehetra eto.

  10. Tsy ny TIM ihany, fa rehefa mitolona ho an’ny firenena sy miaro ny zon’ny malagasy dia zanak’i Dada daholo ! OBJECTIF VOALOHANY : DEGAGE DOMELINA & CONSORTS !!!

    Efa eto ihany aho dia mahita ny resakao ranavalona !

    Repôblika faha-4, efa lazaina fa tsy misy izany, ary tena kentrina sy tsy mahafantatra Lalàna izay mbola miresaka an’izany !

    Fa nisy nitantara momban’ilay omaly, ka ho resahiko eto. Nanontany olona hono izy hoe : Maninona no tsy mba nanao « samboady » ireo parlemantera (vitsy) nandeha nilahatra ? Ny valin-teny azony dia ny hoe : Izy ireo na dia parlemantera aza, dia tsy olom-boafidy fa olona voatendry daholo ka tsy mety !
    Azo ekena ny valin’ilay fanontaniana, fa mipetraka kosa ny fanontaniako na hoe lasa ny eritreritro.

    I domelina izay mpanongam-panjakàna, TSY NISY NIFIDY ARY EO AMIN’NY TOERANY IO NOHO NY ANTONY IZAY MBOLA TSY DIA FANTATRO LOATRA ATRAMIN’IZAO, maninona no mizesta amin’ny SAMBOADY REHEFA OHATRA 26 JUIN, na occasion hafa ireny ???

    Iza aminareo no afaka mba manazàva ???

  11. Faly miarahaba sy mahita anao tonga eto indray ry VeroMAnitra ! MDR !!!

    Tsy mbola nahita ny soratrao aho, raha nametraka ny ahy etsy ambony io !

    Hitako ao amin’ny TNN foana ianao, fa mba mandalova ihany na dia izany aza ê ! Efa hatry ny ela ny antsika no hoe Tolona ho an’ny FIRENENA ALOHA, SATRIA NY HOAVIN’NY TARANAKA SY NY FARA AMAN-DIMBY NO TSINJOVINA VOALOHANY !

    Asa izay paikan’ireo miseho HO TENA MPITARIKA, fa ny ahy dia ny hoe BAINGA MIVADIKA IHANY NO VAVOLOMBELON’NY ASA VITA !!!

    Voaray ny msg, fa

  12. Km ! Nalahelo be aho hoe tsy hitanao ny msg-ko. Ny tolona atao dia iraisana na eto na any amin’ny Tnn. Ny hevitra tiana haparitaka amin’izao tontolo izao no mahatonga ahy any. Na izany ary dia variana aho fa mivoatra tokoa i Mydago amin’ny fandefasana ny sarin’ny tolona amin’ny fotoana ilàna azy. Mankasitraka Tompoko !

  13. Aza malahelo izany, fa efa hitako izy io !
    Tolona iraisana ity ê ! Samy mpinamana daholo ny eto ankaotr’ireo foza !
    Na dia faly koa aza amin’ilay fanomezam-boninahitra, ilay Tompoko angamba diso…trop !!

    TAHAKY NY BAININA BE VOLOFOTSY IZANY NO FAHIT0KO NY TENAKO AMIN’ILAY IZY !! MDR !!!

    Tsinjaraina ny asa, noho izany misaotra anao manao izay mety ao amin’ny TNN, na any amin’ny toeran-kafa ! Fanamarihana kely fotsiny. Izaho tsy MyDago fa mpisera toy ny rehetra, fa ry zareo angamba no tokony hisaoran-tsika. MIFAMPISAOTRA ETO DAHOLO Ê !!!

  14. Kintana
    Maninona i Domelina no misalotra samboady????efa iry voavaliko ambony iry,
    Efa hoe adala marary saina, atao kilalaon-jaza ny fiainampirenena, te hisalotra an’ity aho dia salorana
    Koa inon aindray????
    Mbola tsy niditra teto aho no efa nahita an’i Verohanitra fa vao nitsidi-pahitra fotsiny koa faly aho raha faly
    raha miverina eto ianao fa TSY MASASOSOTSA ny firehe-kevitrao sady tena zanak’i dada ihany koa.
    Mankasitraka verohanitra a!izaho vao taty afara fa haiko tsara ianao teto @’itay serasera ity.

  15. Nataoko ihany ny tsy hiomehy ry zareo fa ity Denise-pika ity tena
    nahalatsaka ahy mihintsy, ahoana io Denise-pika io ry Verbeeck???

  16. Tsy mety ny mifampisaotra Km â ! Ny vady tsy tiana no isaorana. Tsy vadiko akory ianao fa ohabolana malagasy io. Tsy ianao no nataoko Tompoko fa Mydago mandefa sary hahafahana mahita ny zava-nitranga tany Tana.
    Azoko an-tsaina fa tsy bainina be ianao fa tanora mpitolona mafana fo ary mpisera teto amin’ny Mydago efa ho telo taona izao.
    Ranavalona, misaotra amin’ny fandraisana mahafinaritra ! Efa ela koa no nahitako anao teto fa namaky fotsiny aho nefa hitako tena tsara ny zavatra lazainao rehetra ary olona tena tia tanindrazana tokoa ianao. Misaotra tsy manadino an’i Madagasikara na dia any an-tany lavitra aza.
    Niteny tamin’olona iray nanasa ahy hiverina amin’i Mydago aho fa olona tena saro-kenatra ka andraso aloha handom-baravarana moramora. Faly aho mahita fa mahafinaritra daholo ianareo ! Hiezaka aho handalo matetika.

  17. SAO DIA MBA FAUTE BE AHO RY VEROHANITRA !
    fA ARAHABA SOA ARAHABA TSARA E !
    Miombo-kevitra amin’ireo namana aho. Tonga amin’ilay hira hoe :
    « Taitra aho ry Bavy nahita anao ! 🙂

    Vazivazy fa tena mahafaly tokoa e ! Raha ny amiko, toa tsy mila mandona varavana akory ianao, fa efa zanaka an’trano daholo isika !
    ……ary ny mita be tsy ho lanin’ny mamba !

  18. Izaho anie mba gaga hoy Radaoro izay, tamin’ilay Misaotra Tompoko ê ! Mitohy ny tolona ê !

  19. Mahafinaritra koa no mahita fa i Denise efa lasa Pika sady mandefa sary mahafinaritra be ! Taty aminay io. Noravan’ireto herim-pamoretana ireto koa ny hetsiky ny mpampianatra amin’ny Sempama. Nahazo fiara 4×4 vaovao be ry zareo dia tena mirehareha fatratra aok’izany mivezivezy eran’ny tanàna. Mandritran’izany, ny sekta satanika mampaory ny olona manomboka amin’ny 12 ka hatramin’ny 50 taona.
    Mampanontany tena hoe tany voaozona ve ity Madagasikara ity e ?

  20. Mason-tsokona ny ahy ry Verohanitra ka ny kely hananana no ahiratra a!

    Arak’i Verohanitra tsara moa ny nahatonga io PIKA io???ha!ha!ha!!!!!

  21. Aza ampiana » Radaoro « intsony fa efa be loatra ilay anaran’i Njara ry Kintana a!!hi!hi!hi!!!!

  22. Misaotra Njara a ! Tena tsara tokoa ilay hira ! Mankatelina e !
    Ranavalona ! Tena arako mihitsy ilay resaka pika fa aleo mba mamerovero amin’izay e ! Raha i Denise tranainy io nivadika pika io dia arahabaina tonga saina niala amin’ny fatin’….

  23. Il n’y a que les imbéciles qui ne changent pas ! Ont-ils raison ou tor ?
    Toujours est-il que moi, je suis toujours « fidaile » à mes idées !! MDR !!

  24. Atokisako e!
    Ny zavtra tsikaritro koa dia tonga ny hafatra e!! mety ho voafahana lalitra koa izy ireo ka rehefa
    mitatatata eto ny zanak’i dada dia hayyyyy mba misy mihainoooo ihanyyyyy ka ny ahy izay no mahafaly ahy.
    Izaho mantsy no tena mpimenomenona eto hoe: mmmmiiisy mihainoooooo???

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *