Ho eny Ambohijatovo indray amin’ny Sabotsy ny Ankolafy Ravalomanana

Magro 08 mai 12 (11)
Hivoaka ny kianjan’ny Magro Behorirka indray ireo mpomba ny Ankolafy Ravalomanana, ka ho eny Ambohijatovo amin’ny Sabotsy ho avy izao. Tsy afapo tamin’ny hetsika notanterahana ny Sabotsy 28 Aprily teo izy ireo ka hiverina eny indray. Efa saika niompana amin’ny fanentanana mikasika izany avokoa ireo lahateny samihafa teny an-toerana androany.Ny solontenan’ny Tanora Tim avy any Mahajanga raha nandray fitenenana dia nisaotra ny vahoaka tonga amin’ny fanohanana ny tolona. Ferana hoy izy ny anay any Mahajanga ny hetsika. Vonona hanampy ny vahoaka eto andrenivohitra izahay avy any satria dia fiarabe telo no hitondra ireo solontenanay ho avy eto.
Ny CT Donas avy any Atsimo Atsinanana dia nanao tatitra ny diany avy an-toerana. Rehefa nandre ny ramatahora nataon’ny ministry ny fanabeazana ny mpampianatra any, hoy izy dia tsy nisy nisokatra ny sekoly rehetra. Tany tsy misy fanjakana eto raha any amin’iny faritra iny no jerena. Fanontaniana no napetrany hoe aiza avy ilay fiara 4×4 miisa 30? Natao hanenjehana ny zanak’i dada ve ireny ? Mampalahelo ny toy izany. Aza variana manenjika ny zanak’i dada fa tsy ho azonareo izahay fa jereo ny vahoaka efa mijaly.
Ny CT Tsianihy kosa dia nanao valin-kafatra ny jeneraly baomba. Ny fitondran-dRajoelina amin’izao fotoana izao dia fitondram-boalavo. Tsy mahay manamboatra fa mahay manimba. Ao amin’io Rnm io no mitatatata ny vavany fa tsy mahay manamboatra. Tsy azo ekena izany hoy Tsianihy fa tsy maintsy miala Rajoelina sy ny forongony. Raha natolotra ny mpitandro filaminana ireny 4×4 ireny hoy izy dia natao hanenjehana  dagalo sy jiolahy any ambanivohitra sy an-tanadehibe. Mifanohitra amin’izay anefa no zavamisy fa natao hanenjehana mpianatra sy ny zanak’i Dada ireny. Manoloana izany dia tsy hain’ny mpitandro filaminana ny asany. Zaza mananatra raiamandreny no misy ankehitriny. Ho an’ireo vadina mpitandro filaminana, ambarao azy ny tena asany fa tsy hainy hoy izy fa natao hanenjehana jiolahy ireny. Raha hihetsika ny vahoaka manerana ny Nosy dia mbola mitambatra ary miandrandra ny hetsika. Tongava maro isika hoy izy amin’ny Sabotsy.
Ny CT Ravelonanosy Mamitiana dia nanambara fa ilay kianjan’ny demokrasia dia ankizy sisa no milalao ao. Gaga aho hoy Mamitiana anikeho fa ankizy no manao fitokonana, ka hatramin’ny fitondrana dia lasa kilalaon-jaza.Nambarany ihany koa fa herim-pamoretana sisa no itokisan’ity fitondrana ity. Nanomboka hatramin’izay nitondran-dRajoelina hoy Mamitiana dia mitombo ny mpivarotra amoron-dalana, noho izany dia hita fa mihalatsaka ny toekarena Malagasy. Nanao antso avo ho an’ireo masina ny tanindrazako ny tenany. Aoka ho tonga saina ianareo fa mahantra ny vahoaka Hilazao daholo hoy izy ny any amin’ny faritra mba hifandray tanana fa kely sisa dia ho tonga ny filoha Ravalomanana.

14 pensées sur “Ho eny Ambohijatovo indray amin’ny Sabotsy ny Ankolafy Ravalomanana”

  1. Tsy hisy fiantraikany hoan’ny Rajoelina ny hetsika eny Ambohijatovo raha tsy miray hina ny mpanohitra an’i Rajoelina. Ilay ihany koa ny radio mba hanamparitahana ny hery ka aleo tsy kianina ny free fm fa ilaina @ tolona ny ampamoaka sy ny fangatahina ataony. Raha izao hetsika izao no miaraka @ hetdiky ny GTT dia tena hisy fihantraikany be dia be. Samia mandray izay tandrifiny. Fa ny 13 mai dia fotoana fanoganana ny mpanogsm-panjakana.

  2. Mitovy hevitra aminao aho ry lazalazao: opposants de tout bord, unissons-nous.
    L’union fait la force – Très bonne action pourquoi pas: malgacho-malgache! hihihi

    Tsy efa eny @ 13Mai ve isik, sa mankany alou?

  3. Ilaina ny mpanohitra raha toa ka manohitra am-pisainana sy am-pilaminana, fa raha barofo sy hila gidragidra amin’ny hevitra ny hamerina an-drainareo tsy hangery io intsony, de miomana foana raha hihinana GARANADRELINA , de omeo azy foana ny hafatra ry R-BOMBE raha tsy fay a! mila raharaha otran’i Rainizafilemena e! maivana be, ihomehezanay fotsiny!

  4. Okay ry zalahy a!
    Raha ny mpanao grevy sy ny mpanohitra REHETRA eto Tana (mpianatra, SEMPAMA, Mouvance RAVALO, SECES, HMF …) miaraka amin’ny avy any amin’ny Faritra no hiaraka amin’ny Asabotsy sy amin’ny manaraka, dia minoa ahy ianareo, fa hitsoaka any amin’izay hitsoahany io lava nify jiolahim-boto io!
    Koa noha izany, ATAMBARO NY HERY, fa tsy maintsy ravantsika io na eo aza ny hery famoretan’ilay biriky kahy iry e!…

  5. Hoay ilay Rabetay milaza azy ho misaina kanefa misaina amin’ny fivoahan’ny diky!…Dia mbola tsy hitany foana ve izao zava-misy izao no ilazany fa tsy misaiana ireo olona ireo, sa izy irery no tena misaina?
    Olona firy amin’i Rabetay no manana fisainana toy izany?… Tena mitampin-diky ny mason-dRabetay e!… MIhosona hatrany amin’ny ati-dohany!… Tsy mahagaga!
    WWWOOOAAAAOOOUUUUHHHH!

  6. Eny Ambohijatovo indray izany amin’ny Asabotsy eh!
    Asabotsy mifankahita !

    AZA MISY MAMAKY raha vao hoe RABE ho aho! FOZA io ! Lany andro fotsiny ianareo mifamaly aminy. Ny tsy jerena ihany no mahamety azy. Tsy asian sira. Tsy valiana ! Dingano fotsiny! Aleo hirediredy eo! Aleo ho tapaka lalan-drà any.

    TOLONA ity! Tsy maintsy mandresy ny tolona! Na iza faly na iza tsy faly !
    ATAMBARO ny Hery !

  7. Fa mbola tsy fay ihany ve ry vendrana a! Tongava eny Ambohijatovo e! Ny miaramila mpiaro ny tanindrazana no miandry anareo eny e! Afaka mandroso tokoa ianareo saingy amin’ny maha mpiaro ny fandriampahalamana ireo miaramila mahafatra-po ireo dia voatery izy ireo hampiasa hatrany ny fandrotsahana ny ranomaso ho anareo. Mbola tsy ny 0,1%’ny tahiry manko no lany hatramin’izao,ka zara aza misy anareo hampiasana izany. Koa tongava rahavako isany ô.Ataovy tsaratsara ny kiraro hahafahana mandositra e! Miantsoa koa vazaha maromaro alaina sary, mba hahafahantsika milaza hoe naka mercenaires ilay boay kely mahavita azy e! Ary mianara manao cinema na teatra tsara amin’ilay fanaovana mody maty e, ary atao maromaro mihitsy mba hampihetsipo ny SAdc e! Izay an! Ho avy ao amin’ny nofinareo anie idada!

  8. Eny Ambohijatovo indray izany amin’ny Asabotsy eh!
    Asabotsy mifankahita !

    AZA MISY MAMAKY raha vao hoe RABE na DENISE ho aho! FOZA ireo ! Lany andro fotsiny ianareo mifamaly aminy. Ny tsy jerena ihany no mahamety azy. Tsy asian sira. Tsy valiana ! Dingano fotsiny! Aleo hirediredy eo! Aleo ho tapaka lalan-drà any.

    TOLONA ity! Tsy maintsy mandresy ny tolona! Na iza faly na iza tsy faly !
    ATAMBARO ny Hery !

  9. Na dia nitomany nandritry ny telo taona aza ny vahoaka malagasy noho ny alahelony, satria niainany daholo na ny vono-olona, famoretana, fampihorohoroana sy ny sisa, dia tsy ho tapitra ny ranomasony izay tadiavinareo tsy valahara asaina harotsany !

    FA MBOLA HANODY AMINAREO NY RANOMASOM-BAHOAKA LATSAKA MARAINA, ANTOANDRO SY HARIVA !!

  10. Misaotra ry KM a !
    Cette image restera une image symbole de la Nation Malagasy : Une très profonde tristesse devant l’IMBECILITE d’un Putschiste dépourvu d’humanité et de Justice.
    D’autant plus que cet ecervelé de Traitre de Domelina, continue à martyriser nos enfants qui se mettent en greve, pour QU’ILS PUISSENT ETUDIER.

    Ce n’est pas pour rien qu’un autre imbecile s’appelle Rainitay, Domelina n’est qu’une M….

    http://mydago.com/wp-content/uploads/2012/01/22-Janv-12-13.jpg

  11. aoka re ry Kintana a!!!!marina izany !!tsy ho tapitra ilay ranomaso,
    fa ho loza hoa n’izay nahavanona ny LOZA!!!

  12. Aoka izay fa maty aho e!!tena tsy tantiko marina e!!!!
    Tena miaky ireo foza ireo mihintsy aho fa DEVOLY VELONA ireo!!!

  13. rabe vôpl sy denise mpivaro*pika sisa foza mitampina diky ny masony eto an!… Eny Amboja zany é! @ sabotsy!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *