Magro Behoririka : mila miomana isika

Magro 23 mai 12 (17)

Raha tsy misy ny sampona, hoy Leriva Manahirana, teny amin’ny Magro Behoririka androany, dia ho avy tsy ho ela ny raiamandrenintsika, noho izany dia mila miomana isika. Mitsangana hoy izy ho « agent de renseignement » ny tenany isika rehetra manomboka izao. Raisintsika andraikitra ny fahatongavan’ny prezidà na amin’ny fotoana inona na inona. Ny parelemantera rehetra hoy Leriva dia efa « consigné » izany hoe antsoina alina na antoandro dia eo foana. Samia miasa isika, hoy izy any amin’ny toerana misy antsika tsirairay avy amin’ny fanentanana ny olona ho vonona. Mila firaisankina sy firaisam-po izany mba tena hiray hina. Nanafatra ny vahoaka ihany koa ny tenany ny amin’ny hoe ny fankahalana any am-po amin’ny mpitarika any amintsika dia esory fa mibanjina zavatra vaovao isika. Ny CT Raveloson Constant kosa dia mbola nanohy ny kabariny omaly. Nahazo carte blanc avy amin’ny alalan-dRajoelina hoy izy ny jeneraly kely sy jeneraly be hamono ny vahoaka amin’ny lakrimozena.Androany dia misy ireo namanatsika nanao fihetsiketsehana teny Ambohijatovo ary nitaky ny lakile tany amin’ny Edgard. Omaly ihany koa anefa hoy izy no nivoaka ny fanapahan-kevitry ny conseil municipal mampiatona ny kianjan’ny demokrasia. Noho izany dia fantaro ireo olona nampidirin-dRajoelina ho conseil municipal ireo. Ny ainareo no ataony sorona, hoy Constant ary raha ireo no henoinao dia hiambina ny vavahady vy io, ka tsy miendrika Antananarivo ny ataony. Fanontaniana no napetrany hoe ny mpitondra an’Antananarivo ve hanaja ny fahalalahana fototra izany hoe alalana avy amin’ny tananan’Antananarivo ny fanehoan-kevitra, na eny Antaninarenina na aiza. Mipetraka ny safidy hoy izy na ho alam-bahoaka sa ho alan’andriana?  Mikasika ny filazan’IngahyRajoelina fa hanao fifidianana dia nambarany fa mazava izany fa daka V.. azony tany. Efa hitan’ny olona ny nanaovanao fifidianana mpisoloky tamin’ny 2010. Mazava ihany koa izao fa hentitra, hoy izy ny fepetra tany New York. Tadiavina atao petatoko tamin’ny 2010 ny fifidianana. Ny antsika hoy ity olomboantendry ity dia mazava ny dikany fa tsy mahita lalana hivoahana intsony Rajoelina. Nytolontsika hoy izy dia ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana ihany, tsy misy fifampirarahana fa mody malalaka ary milatsaka ho fidiana.

6 pensées sur “Magro Behoririka : mila miomana isika”

  1. Tena naton’i Solo Razafy nifanarakaraka ireo mihintsy ny Andriambavilanitra marina.
    Dia i Ravinanto naverina in-2,Gasy ka manja e!!hitako tsy mety tapaka olona mihintsy eo @ Magro koh!!
    izao kosa ve ny entana???manja bė!!

    Anio efa alarobia???tsy mino kosa aloha aho e!!!nefa tsy haiko aloha e!!MIRACLE angamba ???ny @ ity
    herinandro ity aloha tena tsy azoko hinoana fa ho avy i dada e!!aza dia mampiesona olona ry zareo a!!

  2. Ilay kabarin’i Raveloson kosa rangaha dia mba tsy alefan’i Solo Razafy kohhh!!
    Mba ratsy Fanahy ratsy ery!!efa mba niangavy ve dia ……indrissss!!!

  3. Izany tokoa ilay hoe « ny manantena ny tsy misy no sarotra »! « edrey e! ». Efa impiry moa no nodradradradraina teo emin’ny Magro hoe miomana fa ho avy i dada, fa dia miandry vazoka eo foana. « edrey e! ». Tsy sahy mody i dada e! Efa resy izy! Efa potika tanteraka ny aminy! Iza tokoa moa no nieritreritra izany efa-taona lasa izay? Nanjakazaka anie iny Valon-doza iny e! Rehefa miteny izany dia avonavona, famingavingana ny hafa! Ankehitriny anefa… Voatery mandadilady amin’ilay boay kely mba ahafahana mody. Fa ny boay kely indray tsy hanaiky izany. Mpamono olona sy mpangalatra manko i Valo! Aza manody ny comme ça!

  4. Tsy anjarantsika no manameloka olona – ary fantatra fa ny fototry ny ratsy rehetra dia ny fanamelohana – sao dia mba ianao no ifoteran’izany ka mahaiza mitansdrina re tompoko o – Ny olona mahalala ny fisian’Andriamanitra dia olona mivavaka ho an’ny ratsy – ary Andriamanitra irery ihany no mahafantatra an’izany.

  5. Ary ny zanany aza tsy kivy miandry ny dadany ka inn no mampi-korapaka an’ity denise foza mpivaro-pika io lé? denise rery no maimbo-foza eo zao sa mbola any ny sasany!

  6. F’iza hono no mba mihaino an’i denise ê?

    Reo sisa no mba vavabavaka ataonareo TSIANJERY
    ampiakatra moraly
    ao an-gabine ao an!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *