Magro Behoririka : Sahia mijoro mandray andraikitra

IMG_0317
Nanao tatitra ny zavamisy tamin’ny vahoaka teny amin’ny Magro Behoririka androany, ny CT Ralahiseheno Guy Maxime. Nisy hoy izy ny fivoriana tamin’ny Alakamisy teo niarahan’ny Ankolafy Ravalomanana sy ny Praiministra Beriziky. Nampatsiahivina taminy ny hoe tsy izahay no nanao fanambarana nilaza fa ny tondrozotra no nibaiko anao. Noho izany dia hitsakitsahan-dRajoelina ny sonia izay nataony tamin’ny 17 Septambra 2011. Nisy ny vokatra azo tamin’ny asan’ireo ministra antsika hoy izy satria nahemotra ny fitsarana any Manandafy Rakotonirina sy Ihanta Randriamandranto. Amintsika miteny izao hoy Guy Maxime dia tsy misy tsy miteny ny rehetra, tsy misy tsy mitokona.  Niarahantsika nahalala hoy izy ny zavanisy tamin’ny Sabotsy teny Ambohijatovo fa filoham-panjakana no darofana grenady. Nefa tsy nisy ny zavatr amay, na simba, na famonoana olona teto an-drenivohitra. Noho izany dia ampy izay. Nanambara ihany koa ny tenany fa amin’ny herinandro ho avy io dia ho tonga eto Andriamatoa Fransman. Hisy noho izany ny hetsika lehibe ataontsika hanehoana ny herintsika. Nitodika tamin’ny olona tsirairay ity mpanao politika ity, manoloana ny hiatrehantsika ny hetsika manaraka, dia mila anysika tsirairay manao sacrifice. Aza  miasa aloha raha miasa hoy izy, ary aza mitady vola, ajanony aloha ny fivoriana. Sahia mijoro mandray andraikitra.
Ny CT Ravelonanosy Mamitiana kosa dia nitodnra ny fandaminana mikasika ny tolona. Tsyhisy ny hetsika eny amin’ny Magro Behoririka amin’ny Alatsinainy izao, fa hirodorodo ho eny amin’ny fitsarana ny rehetra. Eo amin’ny tranom-bokim-pirenena no fotoana amin’ny 12ora sy sasany ho an’ireo vahoaka mpomba ny Ankolafy Ravalomanana. Fitakiana hoy Mamitiana ny famoahana ireo namantsika miisa telo izay hiakatra fitsarana amin’io fotoana io, ary fitondrana fankaherezana ho an’ireo fiankavian’izy ireo ihany koa.  Amin’io Alatsinainy io ihany koa hoy izy dia fotoana mafanafana satria handraisan’ny Sadc fanapahan-kevitra momba ny raharaha eto Madagasikara.Noho izany dia miantso ny Sadc isika raha ohatra tena afanenina ianareo aleo ny samy Malagasy no anao azy.

8 pensées sur “Magro Behoririka : Sahia mijoro mandray andraikitra”

  1. HOLLANDE 57% !!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!
    2e tour dia vita !!! MDR !!!!!!!!!!!!
    MAHAFINARITRA IHANY ALOHA NY SARY ; DOMMAGE NIFANINDRY NY HETSIKA !!!!!!!!!

  2. Tsy fotoana ve izao hampitambarana ny hery eh!
    Tokony tsy sarahana ny hetsika. Manao ny eny Ambohimanarina: Manao ny ety amin’ny MAGRO. Raha mitambatra anie ka vato eh !

  3. Ary inona koa itony rovitra pataloha tsara terahy noho i Mialy voangaly itony ? Ha ha ha !.
    Antenaina o ! aiza ianao ??? Maheno izahay fa rahampitso Alatsinainy 14.05.2012 no ho tonga ny fandroahana an’i Domelina ary ho betsaka ny hitondra banderolle hoe :

    TGV Mpangery an-joro ! Dégage !!!
    Ataovy kely : Allez ! Ouste ! Dehors any ilay tsy valahara io e !
    Ampy izay !!! alefa ny Rodobe tsy lany andro ! fa efa vonona mihitsy ny vahoaka !

    Ry Mpitolona :

    Aparitao ny sarin’i Dada hienaka eran’i Madagasikara TSY AN ‘ NY VOZONGO !

  4. Tena tsara le eo @ sary ry Njara an! hi!hi! Miombon-kevitra @ Zo za aleo atambatra @ zay ny hery rehetra toy Isika zanak’i Dada eto @ Magro ,ny HMF, ny SEMPAMA, NY Mpianatra sns… sy izay vonona rehetra fa tsy aparitaka fa manjary ela loatra é!

  5. Tsy aleo ve misento fotsiny ry Verbeeck a …..hmmmm ? io ilay hoe Tsiky dia ampy e !! 🙂

    TGV Mpangery an-joro ! Dégage !!!

    Ataovy kely : Allez ! Ouste ! Dehors any ilay tsy valahara io e !
    Ampy izay !!! alefa ny Rodobe e ! Aoka tsy hisy fifampiraharahàna INTSONY !

    Efa vonona mihitsy ny vahoaka !

  6. Ny foza namany aza zao efa mitaona oe « andao raha sahy »! ka tsika ndray ve no hianahana fa tonga dia tairo de omeo!

  7. VIIITAAAAAA!!vita ny tantara e!!mitrakà daholo ry vahoaka voageja!!!
    tsarovy fa tsy isika irery no nitsakitsahin’iny TSIVALAARA iny fa saiky
    niahaka eraky ny Tany tontolo mihintsy koa tonga ny foatoana handraisany ny VALIN’ny ratsy vitany
    tsy hijanona eto ity tantara ity fa tsy maintsy hitohy ary tsy maintsy HANEFA ILAY TSIVANONA INY!!

    Bye!bye!SARKALIKA TSIVALAARA!!tsy faka taranaka!!dia manaraka azy domelina sy ny FORONGONY!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *