Mamy Rakotoarivelo : « tsy izaho no zava-dehibe fa ny filoha Ravalomanana »

IMG_1255
Nanaraka ny toromarika avy amin’ny mpitarika ny tolona ireo tena zanak’idada, satria dia tonga nanohy ny tolona tena amin’ny Magro Behoririka androany. Nafonja ireo delegasiona avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana tonga teny an-toerana, izay nahitana ny solontenan’ireo ministra dimy ao amin’ny governemanta, ny filoha lefitry ny CST Razafimanatsoa Hanitra, ny filohan’ny CT Rakotoarivelo Mamy, niaraka amin’ireo sasan-tsasany ao amin’ny parlemantera. Toy ny mahazatra dia nisy hatrany kabary nifandimbiasana nataon’ireo mpitarika. Ny ministry ny varotra Ramalason Olga, no nisolontena ireo ministra dimy avy amin’nyAnkolafy Ravalomanana. Nambarany fa telo herinandro no nisintahantsika tsy namonjy ny filankevitry ny ministra sy governemanta. Nampitahorana izahay hoy izy, fa handraisana fepetra kanefa mbola eto ihany izahay. Nisy ihany koa ny taratasy nalefa ary natao « rappel à l’ordre » fa ity mbola eto izahay. Namafisiny fa raha tsy tanteraka ny andininy faha 17, 18, 20 dia tsy miverina izahay.Avereno i Dada , izay ihany no takianay eo anivon’ny governemanta. Mifameno hoy izy ny asanay sy ny hetsika eto an-kianja. Ny filoha lefitry ny CST Razafimanatsoa Hanitra kosa dia nilaza fa nisy ny savorovoro kely tamin’ny naha tsy teto anay. Ny nahafantarana ny zanak’iDada hoy izy dia « discipliné ». Tsy mahataitra antsika ny fanozongozonana ny conviction antsika.  Namafisiny fa ny baiko avy amin’ny  filoha ny CT Rakotoarivelo Mamy no raisintsika satria izy no omen’ny filoha Ravalomanana baiko ary manamafy izany. Tsy izay rehetra miteny na miresaka amin’ny filoha Ravalomanana hoy izy dia izy avokoa. Nanafatra ny vahoaka ny tenany mba tsy hiroaroa saina, ary aoka isika tsy ho taitra raha mahita ireo ministra mandeha atsy sy aroa fa misy iraka ataon’izy ireo. Nilaza ihany Me Hanitra fa rehefa miteny i Dada hoe miala dia miala izahay. Telo taona tsy hita izay natao, fa ity krizy ity tsy voavaha. Fa na iza na iza hoy izy manao hetsika dia ny zanak’idada no mamarana ny krizy. Rehefa mifanohitra amin’izay dia tsy namantsika. Ny antsika dia ny famerenana ny filoha Ravalomanana ary afaka milatsaka ho fidiana, fa rehefa tsy izay dia fahavalontsika, « tsy izaho no zava-dehibe fa ny filoha Ravalomanana » hoy izy raha nandahan-teny.
Ny filohan’ny CT Rakotoarivelo Mamy, dia nilaza fa ny antsika dia ny filoha Ravalomanana ihany. Matoky anareo vahoaka izy, ary isika matoky azy. Nambarany ihany koa fa namita iraka tany ivelany ny tenako tany Paris. Henontsika ny fiovana ao Paris ao, manantena isika fa hiova ny politika frantsay. Nahavelombolo hoy izy ny resaka tao. Efa manomboka mihozongozona ny fitondrana fat, satria omaly dia tokony ho tsaraina teny amin’ny « cour criminel » ny tenako niaraka amin’ireo namana hafa. Natahotra ny fat dia nampiharina ny andininy faha 16, ka nohafahana madiodio ny tenako, ny depiote Zaka, sy Felix. Ny talen’ny radio fahazavana, sy Lolot Ratsimba nomena aministia. Dikan’izany hoy izy dia matahotra. Efa mananontanona ny faran’ny volana May ka noho izany minoa ahy ianareo hoy Mamy Rakotoarivelo, fa efa ho avy tsy ho ela ny filoha Ravalomanana. Efa nisy ny resaka natao niaraka tamin’ny TGV ary efa niresaka tamin’ny biraon’ny Sadc izahay. Efa mananontanona any ny vahaolana hoy izy. Ny mampatahotra azy ireo dia rehefa miala eo isika dia rava ny tondrozotra. Ataontsika mangovitra mihitsy izy ireo aloha, ary ataontsika hoe tsy misangisangy ny zanak’idada. Hafatra no napetrak’ity olomboatendry ity, ho an’ny vahoaka. Kely sisa dia ho tratra ny tanjona, mahareta kely. Efa misintona isika, kanefa miantso antsika izy izao. Marihina fa nisy ny fitondrana am-bavaka teny an-kianja ny filohan’ny CT Rakotoarivelo Mamy, izay handeha ho any Europe.

73 pensées sur “Mamy Rakotoarivelo : « tsy izaho no zava-dehibe fa ny filoha Ravalomanana »”

  1. IZAY MAHARITRA NO VADIN’ANDRIANA – MAHARITRA AMIN’NY MARINA ARY MAHAY MIARA-MIVAVAKA ;

    MAHAY MANDALA NY RARINY SY NY HITSINY – NY TSY MAHARITRA IHANY NO VOA EO

    ANDRIAMANITRA ANIE HITAHY ANAREO TOMPOKO SY IREO VAHOAKA MANGETAHETA FAHAMARINANA

  2. Mahereza daholo ry mpitolona tiatanindrazana rehetra a. Ny antsika dada ihany e! Izy irery ihany no mahavita azy!Telo taona izay no teo toa woawoawoa no betsaka!Ireto free fm ireto tokoa toa foza mivadika orana ko!

  3. Efa hatrany am-boalohany ny filoha Ravalomanana no nilaza fa izy tsy andray anjara @izay tetezamita. Koa rariny loatra isika eto an-toerana raha ho tokam-po ohatra ny siny ka tsy ahalala afa-tsy ny fodiany sy ny filatsahany malalaka ho fidina amin’izay. Raha mijery t@ fahita-lavitra ny zava-nitranga teny A/tovo ny 19 Aout 2012 aho leiretsy dia mahatsiaro antsika t@ 2009 rehefa nanomboka nosakanana ny kianjan’ny demokrasy. Fifanenjehana hatrany anaty Tunnels sy teny @ 13 Mai. T@ izany mbola teto an-toerana i sarles niaraka lilson sy alain ramarson. Asa izay niafaran’izy ireny @izao.Nisy vehivavy mpivaroboky maty voatifitra teny Ambohijatovo, nisy ny fisamborana ary tonga dia nidoboka daholo izay voasarika. Tantara ireny tsy fanadino. Sady tena tolona madio, mbola vitsy ny mpitarika antsika fa isika vahoaka no mifanentana tsotra izao dia mahafeno kianja. Na ny mpitarika aza tsy nanao « VEDETTISME » izany fa niara-tonga tao anaty vahoaka tao dia nirava tao anaty vahoaka tao ihany koa. Hatramin’izao izany e sa misy mila tehaka sy dehaka kosa ny sasany @izao? Tsy nisy na dia 1 aza tavim-bonikazon’ny fivondronana nihetsika nandritry ny sakoroka t@ izany. Ny foza indray ary no nitoraka sy namingampingana teny @ esplanade sy ny Lapan’ny tanana iny. Ary mbola tadidiko fa teny A/tovo nisy nitondra radio dia niheno viva hoe inona no mba lazain’ireo @ izao vahoaka marobe izao.Dia henoy tokoa : » alaina sary ireo vahoaka tsy mahatratra zato akory eny A/tovo ireo dia aseho TV fa ireo no irak’i Ravalomanana Marc mpamono olona sy mpanimba zavatra sns… » sady efa ohatry ny ho tratry ny AVC rakalakely @ io noho ny fikizitiny. Lasa vedety be izy io ankehitriny. Tsy vedety fitaingina akory fa vedety tsy hay intsony ny hamaritana azy. Izaho manokana aloha dia niteny ilay olona hoe « ianareo koa no te iheno izany ». Iray tarika ihany t@ sarles ireny e.Mody niady t@ dondrombelina. Izao i sarles any an-dafy maka aina fa ny sasany any Tsiafaha. Ka inty hono ka miverina ny tantara? Aza hitako aza mahita ahy ary aza mahavoa ny goavy manta. Mbola tsy misy voan’ny Alzheimer ny zanak’i Dada a?

  4. ohatry ny tsy mahasosotsa be ity havantsika ry Njara!!
    potika be mihintsy izao ny akama!!milay be kosa aloha e!
    Ary aiza ialahy??efa mazava ny resaka fa aza malahelo intsony, avy @ izay, tongava!!

    tena tsy nazava tsara ity hetsika omaly ity fa efa nipoaka vao hay ve ry foza nivadika ORANA
    no nanao fihetsiketsehana e!raha ny tena marina dia efa tena tė HITRAOTRA ny vahoaka ka
    raha vao misy hetsika dia te HIRONGATRA any daholo,fa ilay fanazavana mihintsy no tsy ampy
    satria raha ny henoko dia hoe: ny Kung fu no hietsika an!!!tsy nisy filazana mihintsy fa FOZA lasa
    ORANA???miala tsiny !!voafitaka indray ny olona ka ireo voasambotra no mampalahelo.

  5. Tsy maka aina izany i Charles fa manefa ny ratsy vitany izy satria izy efa
    MIBEBAKA efa niaiky ary tsy mora ny zavatra mahazo azy @’izao,na ny
    fandidiana nahazo azy fotsiny aza sy tsy maintsy mbola ho hatao, dia mody lelafina tsara koa izy
    satria izy no mbola antoka ho an’ny ho avy ary manana ny MARINA rehetra @’ilay fanonganam-
    panjakana, sady fanainiana VIZANINA mihintsy dia avy eo tsy maintsy MANDADY @’ireto FOZA
    satria efa voavidiny hatr@ ainy fa efa nanaiky azy tany. Anatra ho an’i sisa ireny, aoka ho fanatry
    ny maro fa MANANA NY HASINY IZANY GASY IZANY ary tany MASINA IO, izay mbola tsy voa
    dia HANDRAMO!!lmasina ny tanindrazana!!masina ny Gasy! Zanahary MITAHY!!!!

  6. Ilay maharitra vadin’andriana hoy ianareo : dia afaka firy taona ilay faharetana , efa 4taona anie izay e , tsy haiko aloa e , Andriamanitra aza tsy manampy raha tsy arahin’asa , aleo ary hihandry mana avy any an-danitra eto magro eto foana e

  7. HY HITSIKITSIKA TSA MANDIHADIHA FOANA FA AO RAHA !

    Tsapa ary tsikaritra fa manomboka ny faran’ny kirizy nateraky ny fanonganam-panjakana tamin’ny 17 mars 2009..
    Misy seho-javatra azo tsapain-tanana manambara izany..Ireto misy andinindininy mitory izany:
    …ny fiovan’ny mpitondra eto frantsa..
    …ny hetsika ataon’ny Firenena Mikambana na heverintsika ho tsy tokony natao aza ny famelana an-drajoelina nandahatra ny lainga marivo tototra ,izay nahazoany nandoka tena fa izy dia nampandroso ny Fireneny izay latsaka an-davaka – ny taux de croissance tamin’ny taona 2009 dia latsaka be dia be ary nahatratra 0,4 isan-jato fotsiny , nefa noho ny ezaka nataony dia niakatra 2,0 isan-jato izy io izao 2012 izao..
    Io lainga io ,izay any fomba fiarovany ny asa ratsy nataony dia mitory mazava fa miaro tena izy..Il est sur la défensive..Saingy ny mody adinoin-drajoelina dia io Fikambanan’ny Firenena maro io ( communauté iternationale na C I ) no nanameloka ny fanonganam-panjakana sy ireo nanongam-panjakana..Tsy adinon’io CI io ny fanamelohana nataony ary ny antony nanaovany izany fanamelohana izany..!

    Koa noho izany ny doka -tena sy ny hambo-drajoelina fa nahefa ezaka , fa nanatsara nt fianan’ny Malagasy dia dia fanevatevana , fanompana ny CI nanameloka azy sy ny Malagasy nijaly noho ny fomba ratsy ntindrany ny Firenena.
    Hasehoko eto ny kabary nataony tao amin’ny Firenena Mikambana ..
    …Ny SADC izay tsy taitra ,tsy maika nanao ny fanelanelana -izay andraikitra napetraky ny Communauté Internationale aminy- dia mampiseho finiavana handray ny andraikiny
    …Ny Amerikanina dia mitondra ny anjara-birikiny aminy alalany ny fandavany ny tsy fanajana ny FAHAFAHANA eo amùin’ny lafim-piainana rehetra ,indrindra ny mikasika ny fampielezam-baovao izay imasoan’ny mpanao gazety.
    Marina ary tsy azo lavina fa misy mpanao gazety malagasy misolelaka amin’ny mpanongam-panjakana ary milelaka izay tian’ireo ho lelafiny..!
    …Ny fitombon’ ireo fikamnana manaratsy ny mpitondra ny ankolafy RAVALOMANANA MARC , fa sahy milaza fa manohana ny Filoha RAVALOMANANA MARC dia mahatsiravina : satria raha mody ny Filoha dia tsy hamaivanina ny Tolona nataon’ny Vahoaka mivory eny Behoririka , eny Bel Air , izay fivoriana sahanin’ny mpitondra ny ankolafy RAVALOMANANA MARC , koa ireto mpanaratsy ( ao anatin’izany ny gtt , izay nanao fanambarana fa tsy nahavita na inona na inona ireo mpitarika ny ankolafy ireo )dia fika sy fireharehana mitady  » hanonganana ireo mpitarika ireo ary tetika haana ny toeram-pitondra ao amin’ny ankolafy RAVALOMANANA MARC..
    …Fa ny tsy takatr’ireo mitaty ra kena ireo dia ny kiry sy ny fahaizan’ireo Vahoaka manohana ny Filoha RAVALOMANANA MARC ,ary arakaraky ny firosoana ho amin’ny faran’ny kirizy dia mihamafy io fatorana misy amin’ny Filoha RAVALOMANANA MARC sy olona TENA MANOHANA AZY..
    Ireo ny porofo tsotsotra manambara fa
    NY HITSIKITSIKA TSY MANDIHADIHA FOANA FA AO RAHA !

  8. Ity aroko Anareo ny kabary nataon-drajoelina tany amin’ny Firenena Mikambana tamin’ny 18 mai 2012

    Plus d’une trentaine de chefs d’État, de ministres et d’experts ont débattu les 17 et 18 mai 2012, au Siège de l’ONU à New York, des problèmes et solutions à trouver après la crise économique et financière qui n’a épargné aucun pays depuis 2008. Sur invitation du Secrétaire général de l’ONU pour les chefs d’Etat et les Chefs de Gouvernement, SEM Andry RAJOELINA, Président de la Transition, a participé à cette réunion intitulée « Débat de haut niveau sur l’état de l’économie mondiale et de la finance mondiale ».

    En effet, «le monde tel que nous le connaissions n’existe plus, et nous devons en créer un nouveau basé sur un modèle de croissance dynamique qui devra être équitable, durable et bénéficier aux générations actuelles et futures », a souligné, à l’ouverture des débats, le Secrétaire général. M. BAN KI-MOON. Ainsi les participants se sont penchés sur la lutte contre le chômage et la création d’emplois; la soutenabilité de la dette et la gestion de l’inflation et de la déflation; la création d’un environnement propice à l’amélioration de la production, du commerce et de l’investissement ; le renforcement de la stabilité, de la prévisibilité et de la transparence au sein du système financier international, entre autres, lors des les tables rondes. Des experts comme le Lauréat du prix Nobel d’économie M. Joseph Stiglitz, l’ancien chef de la Réserve fédérale américaine, M. Paul Volcker ainsi que le Président de la Commission européenne, M. José Manuel Barroso ont entre autre donné leurs avis sur ces sujets.

    Plusieurs délégations des Etats membres ont aussi attiré l’attention sur les difficultés particulières auxquelles font face les pays en développement depuis 2008 et le déclenchement de la crise. Par ailleurs, « les politiques de restriction budgétaire ont amené les pays industrialisés à réduire l’aide publique au développement », a déploré le Ministre du rendement et des statistiques de l’Algérie.

    Le Président malgache SEM Andry RAJOELINA a pris la parole pour mettre en exergue les engagements et les orientations de Madagascar, dont discours intégral ci-joint.

    Antananarivo, ce 18 Mai 2012
    Le Chargé de la Communication
    à la Présidence de la Transition

    Andry Rajoelina à New-York
    —————————————–

     » Monsieur le Président,
    Mesdames et Messieurs

    D’emblée, je voudrais saluer ici l’initiative et le leadership du Président de l’Assemblée générale pour avoir organisé ce Débat thématique de Haut niveau sur l’état de l’économie et les finances mondiales en ce moment crucial où la Communauté internationale se penche sur l’avenir de l’humanité en perspective de Rio+20.

    Cette initiative redonne à l’ONU le rôle qui est le sien dans la gouvernance économique mondiale. En effet, l’ONU est le seul forum qui permet la pleine participation de tous dans la recherche de solutions aux problèmes mondiaux, et où les besoins des plus vulnérables devraient être pris en considération.

    La dernière crise financière internationale a eu des impacts dans le processus de développement des Pays les moins avancés, menaçant les acquis obtenus dans leurs efforts pour atteindre les Objectifs du Millénaire pour le Développement (OMD).

    Dans les pays en transition politique comme Madagascar, qui ont été de surcroit confrontés à des crises politiques, les conséquences de la crise financière internationale ont affecté les secteurs de production, l’investissement, les principales sources de revenu.

    Si on revient dans un contexte mondial, l’apparition de la crise financière internationale a déstabilisé le monde. On commence à parler de relance mais la population mondiale continue à subir. Il est temps de penser à une relance dynamique, basé sur une croissance durable créatrice d’emploi donnant une large place aux jeunes et aux femmes.

    Monsieur le Président,

    Bien que Madagascar se trouve dans une période transitoire, des mesures ont été prises pour atténuer les effets de la crise et en vue de la relance économique. Le Gouvernement a fait preuve de courage politique pour la mise en œuvre de mesures concrètes et réalistes consistant à subventionner les produits de premières nécessités tel que le riz ainsi que les produits pétroliers pour juguler l’inflation et protéger la consommation afin d’éviter l’explosion sociale.

    A cet égard, j’attire particulièrement l’attention des institutions financières internationales et des principaux bailleurs de fonds sur leur vision et leur approche face aux situations particulières des Etats les plus vulnérables et notamment en situation de crise comme Madagascar. Nos pays ont besoin de vos soutiens en tenant compte de nos besoins réels qui nécessitent des mesures spécifiques.

    Malgré ses faibles moyens, le gouvernement de Transition d’union nationale à Madagascar s’est attelé à l’application de l’orthodoxie financière par la maitrise de l’équilibre macroéconomique à travers :

    -l’application d’une politique d’austérité qui constitue plutôt une contrainte afin de pallier à l’absence de financement extérieur. Ceci a permis de limiter les dépenses de l’Etat mais n’a pas engendré la croissance économique espérée.
    – le maintien du taux de déficit inferieur à 2%, du taux d’endettement extérieur présentant 20% du PIB, le taux de change de la monnaie locale demeure relativement stable par rapport au dollar et l’euro.
    – Madagascar est passé d’une croissance négative en 2009 à une croissance de 0,4% en 2010 avec une prévision de 2% pour l’année 2012.
    Ces taux restent en-deçà de la moyenne en Afrique subsaharienne et ceci se justifie par l’insuffisance de l’investissement à la fois public et privé.
    Le Gouvernement a par ailleurs adopté une politique de reforme fiscale par le biais de l’élargissement de l’assiette imposable sans créer de nouveaux impôts et sans augmenter les taux existant. Il en résulte l’augmentation de 20% sur 2 ans de la recette fiscale.
    Quant aux problèmes de l’endettement, Madagascar n’a pas emprunté depuis 2009 or le taux d’endettement est de 20%, et pourtant nous avons honorés les échéances de nos dettes.

    Monsieur le Président,

    A défaut de pouvoir établir une politique a long terme, la Transition a défini certaines priorités sur le plan économique et social :
    -Le soutien à la production agricole par la détaxation des matériels agricoles importés ainsi que des intrants afin de pouvoir assurer la sécurité alimentaire.

    -le soutien à la production des énergies renouvelables compte tenu des potentiels hydro-électriques et éoliennes du pays.

    Malgré notre volonté, initiatives et nos efforts, le contexte de la crise internationale aussi bien que local a conduit à l’augmentation du chômage touchant particulièrement les jeunes qui constituent plus de 50% de la population. L’Etat entend résorber le chômage par des politiques sectorielles dont l’agriculture, le secteur tertiaire (services, NTIC) et la mise en place de divers programmes de formation et de renforcement des capacités.

    Ces programmes nécessitent de l’investissement et de la coopération internationale.

    Plus que jamais, il y a nécessité d’une solution globale à travers une coopération internationale mutuellement avantageuse et de rationnaliser la gestion des ressources pour l’avenir des générations futures.

    Il y a donc nécessité d’afficher une plus grande volonté pour prendre les mesures idoines tant au niveau global que national et mettre en œuvre les mesures et recommandations des précédents Sommets. »

    Extrait de TANANEWS

  9. Le fait que rajoelina se vante d’avoir réussi d ‘avoir relevé le taux de croissance tombé à 0,4% en 2009 à 2% en 2012 suffit

    à comprendre que rajoelina ,pour se disculper des délits qu’il a commis lors , après le coup d’état de mars 2009 , n’ a eu aucune honte , ni srcupule à mentir et à se vanter d’avoir été un dirigeant exemplaire..

    Oui ,le mensonge est un moyen pour se défendre..

    Seulement ,rajoelina va se mettre toute la Communauté Internationale contre lui ,car celle-ci , et rajoelina ne peut ps ne pas savoir , est au fait dans le moindre détail de l’état socio-économique , politique des 20 millions des Malgaches et du comportement mafieux de rajoelina !

    La Communauté internationale a condamné le coup d’état du 17 mars 2009 et de ses auteurs qui ont entoué , qui ont supporté, qui ont aidé de différentes manière ce rajoelina , qui tente de se blanchir à la tribune des Nations Unies : oui il a joué son va-tout , son poker menteur..
    Mais là rajoelina convaincu que son exposé surréaliste a rencontré des oreilles bienveillantes , compréhensives , s’est mis le doigt dans l’oeil ,car cette Communauté intenationale ne supporte un instant que quelqu’un surtout un voyou de la dimension epsilon de rajoelina

    contredise leur décision de condamnation ,qui a été instruite par des analyses bien conduites et évidentes..

  10. Tena mahay sy manantalenta amin’ny fampiesonana aloha raha i Rakotoarivelo e! Mody misabaka eo ny lehilahy dia faly ery ny zanak’i dada. Ny karama be raisiny avy amin’ny tetezamita, ny saosy avy any amin’i dada manaraka ihany. Dia manantena ny tsy misy eo ry zanak’i dada. Mody ataony hoe ny fahatongavan’i dada no tanjony, nefa ny seza efa azony tsy avelany. Ny maha eo amin’ny tetezamita azy nefa dia tena manamafy ny fitondrana tetezamita ka ahafahana milaza fa firaha-mitantana no misy. Koa na dia tsy tianay mpandala an’i Andry kely mahavita azy aza i dada sy ny forongony, dia ankasitrahanay kosa ny fihetsik’ingahy Rakotoarivelo, satria tena manamora sady manamafy ny Tetezamita entin’i Andry kely ny fisiany eo amin’io sezany io. Merci Mamy an! Tena mety ilay mise en scène ataon’ise. Tohizo lehiroa a! Tsy mahafaty antoka anay ny manome an’ise io karama be raisin’ise io.

  11. lalatiana sy fidele vé lesy nahazo vahaoka betsaka no ny magro nandritra ny 3 taona
    ouai leliké

  12. Izao indray aloha no azo lazaina izao hariva izao, satria mba nampitain’ny namana !
    Nisy naratran’ny moregy tamin’ny bala omaly fa afenina !
    Manarak’izany, tezitra be ny sud-ad fa nitaraina tany amin-dry zareo ny solotenan’ny SADC izay tonga nanara-maso izay niseho teny Ambohijatovo ; nambànan’ny moregy tamin’ny basy hono ry lerony, angamba niaraka tamin’ny fitenenana hoe : Tsy mila an’ialahisany ety izahay fa mandehàna mandeha mijery zavatra hafa any !
    Hisy akony io raharaha io rahampitso, na ato ho ato !

    Tsy maintsy mipoitra foana ny marina indray andro any ! Ary ny bainga mivadika no vavolombelon’ny asa natao !

    Aza dia variana mijery sary ry Njara ! Malahelo an’iza indray izany ianareo izany ?
    Mino sy manantena aho fa ny manjoa an’ny vahoaka malagasy no tena mampalahelo anareo !

    Izao fotsiny ê ! Mitohy ny tolona, ary faisons comme si…! Tsy maintsy miverina ny ara-dalàna ; izay ihany no ady eo !

  13. Denise pivaro-pika sy rafidy foza ve sisa no miteniteny foana ato fa olona rehetra efa mahazo resaka!?

  14. Afaka manantena sary matetika isika ao amin’ny lafy8 ka !!!
    – Tsy hita e! samy variana amin’ny mahavariana azy ity kooo ! mdr !;)

  15. Ahoana aloha ny fahitan’ilahy an’ilay satroka kely e!!
    potipotika mihintsy dà an!!!milay be oaha!!ary aza malahelo intsony!!
    Ianao ihany no efa namaly fa ilay tsikera dia mitondra vokatra ihany koa indraindray fa arakaraka ilay olona
    indray io aloha an!efa miezaka manazava daholo ny olona fa mitonia @’izay. Ny hivorivorian-kilatoana !sa???

  16. Tsara ho an’ireo SADC izay kah!!aleo izy ahita fa raha tsy voakitika
    toy izay izy tsy handray fepetra, avelao ihany hianaana eo!!ny Gasy efa
    tena mijaly LALAOVINA lava eo, tsy ampy hamoronan’i domelina lainga eo dia miesona, na ny fahatongavany teny
    aza efa zava-dehibe , ary tsy voavidy toa andry Sakamalao isany kosa izany ireto SADC ireto an???SAMBASAMBA!
    mba mafy hatoka kosa izany ireo kah!!misaotra an’Andriamanitra marina!!!
    Misaotra @ fampitana ny vao2 Kintana a!!

  17. Voalohany aloha de misaotra ny rédaction mydago mankasitraka sy mampahery anay @ fandraisana anjara eto ny tenanay. Manantena ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra aminareo ekipa mydago araka ny fanasanareo. Faharoa, de aoka ho mailo hatrany ny vahoaka, zay manaraka ireny antso amin’ireny MANIF ireny, fa tsy kely lalana ny ratsy, amin’ny ataon’ireo mercenaires voakarama manokan-dRaosy, mandranitra ny mpitandro ny filaminana, MITSEFATSEFAKA ANY ANATY VAHOAKA ANY, ARY MITONDRA BASY MITIFITRA MANIFESTANTS , HANDOTOANA NY MIARAMILA, KA MISY IRAY IZAO EX MILITAIRES 29 ANS, NITIFITRA , DE KAROHANA FATRATRA! Tsy kely lalana ny ratsy, ary efa tena mandrovi-tsihy tanteraka, koa de mampahery ny mpitandro ny filaminana ny tenanay. Misaotra ry Denise, ary ampahafantaro an’ireo sagnagna miteniteny fooana eto ireo ny marina @ ataon’ny mpitarika azy.

  18. merci mits ry denise sy rabe ah, mahafinaritra mits le fananazavana. le alika be mandry reo mants kely saina mits. efa tenenina foana fa e e e. zao no ataovy an-tsaina: ts mbola reny ataonareo reny ry kely saina no hampiongana an’i andry eo a. na mbola miampy kung fu, zafy,Free Fm+mpandroba aza ianareo ts mbola mankaiza. ataovy mits ry genéral ravalomanana fa manakorontana fotsin a. tsimpony ts’1/1 any antranony any mits ary aza amelana raha tsy tapitra tanteraka.

  19. http://www.t1ca.com/b2c5o8ye-vih-08-120519-INSF-Antso-avo-ho-an-ny-Filohampirenena-vih_08_120519_INSF_Antso-avo-ho-an-ny-Filohampirenena.mp3.html

    Mandehana rabe mitantara any Bemasoandro, ary lazao amin’ireo vahoaka mijaly sy fadiranovana ireo, fa ny sefonareo no tena mahavita azy, ka tsy tokony hitalao tahak’izao ry zareo â !

    Olona mahafantatra sy mahiratra ny ato, koa dia ho lany andro fotsiny ianareo mihiditra ato !

    Na izany aza hoy aho, mbola gaga ihany aho rahatoa ka mbola tafiditra ato ny foza !
    Tsy ny gazety manaja demôkrasia mihintsy no ho lasa fitaovana ka hivoy ny fotom-pisainan’ny Front national, na ireo Nazis tamin’ny 2e guerre mondiale !
    Tsetsatsetsa tsy haritra ny ahy iny !

  20. na mijaly aza izahay ry kintanamanadrambo ts hangataka any antranon’lah ah, aleonay ko mahatra eo akaikin’i andry kely toy izay nahantra teo @ dadan’lah. zay lety efa nahantra teo @ dadan’lah ka zakanay io fahatrana io. nareo alika reo zao no ts mahazaka fahantrana fa zatra ny voky ronono tany @ndraosy tany. de ts mahalala miasa ihany koa refa tsy eo intsony raosy fa ny fanafihana mitam-basy, fanaendahana ets sy eroa no vahaolana.

  21. momba ny fidiranay ato indray: ialah mits no tena vendrana,site io lety e: open source raha ts fantatr’ialahy. ts gaga ny tenanay raha nanadany 3 taona any @ magro elah satria donto velona fats mba misaina

  22. RABE: hafatra ny ahy tandremo dia tandremo le mijabaka an: »Manantena ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra aminareo ekipa mydago araka ny fanasanareo » ts mbola fantatr’ialahy hoe iza no tompon’ity site ity? site-n’y tim lets ity a, ary azo antoka fa raosy no tompony na ny ao akaikikaiky ao. koa leo ny miaina angah zato izy le? no hanao valala manatona afo? tandremo fa dangy irery any toi. mijanona ho simple visiteur lets fa site io a. aza miditra laina sao de hahita faisana. ny ekipandry zareo reny efa ts matahotra intsony ny mitifita olona.
    hafatra fotsiny ny ahy io, an’lah ny sisa

  23. Izao ve no fahamatoran ny site tiako madagasikara:
    tsy fantatra na faran ny volana mai ,na 26 juin ,sa efa lasa foza koa ?

    Rencontre samedi entre les dirigeants de la Mouvance Ravalomanana et les membres du bureau de liaison de la Sadc : le retour du Président Ravalomanana est envisageable avant la fin du mois. Des journaux avancent la date du samedi 26 juin.

  24. Izaho koa aloha tsy hanome, fa ny alikako aza mendrika kokoa no ialahy ê ! Ny an’ialahy raharaha notadiavina ! Ataovy ao an-dohakelin’ialahy ao izany !
    Izay no izy letsy ry tgv fa raha tsy androany indray aho, tsy toran’ny hehy tahak’izao koa !!! Hi hi hi !! Hitako tany ho any, tsy mdr intsony fa tnh (toran’ny hehy)!!!!!!
    Lany andro miteny irery ialahy ê !! Mba adala ihany ireny olona mandany vola, mijery fampisehoana kômika ireny, fa raha mihiditra ato izy valakin’ny hehy kokoa !!
    Mbô kôzy ry leity â !! Tena hipika no hiafaran’ialahy !!

    Ô ry raelonarivo na ravelinarivo, aza omena tsiny izay manoratra fa mba tiany mafy ny hiara-mifaly amin’ny Filoha hajaina amin’io 26 juin io ê !
    Azo lazaina hoe lapsus révélateur, na koa hoe « mihinam-bary aza misy latsaka » !

  25. ……misy laoka e!!hadinon’i Kintana angaha??
    Kintana a! tsy mampalahelo an’ialahy ve ny mahita io sarin’i Mamy.R io??
    jereo anie e!ohatra ireny ankizy bedesina ireny izy , mampalahelo kely ny mijery azy.
    Ny hanongotsongoana ny maty tsy handevenana ny velona koa izany no mahatonga ny zanak’i dada masiaka.

  26. Qui aime bien châtie bien io ry se â ! Bainga mivadika hoy aho no andrasan’ny vahoaka mijaly, mianjady fahoriana !!!
    Ry tgv avy aza milaza fa mijaly !! Tsy sahy mangataka any amin’i domelina ! Lery mbola variana mikarakara tablarepase !

    Asa izy na handalo Strasbourg, na tonga dia ho any Horsens (Danemark), fa tsara ho fantany fa ny rindrina aza mana sofina !!
    Mila mazava ho an’ny rehetra ny discours sy ny fihetsika ataony !
    Ny fanampin’ny dosie rehetra koa efa lasa, ary efa eny am-pelatanan’ny vondrona eraopeana, ny SADC moa dia tena lingitra, ary ny Filoha mety handray fanapahin-kevitra entitra atsy ho atsy !

    CONVICTION, LOYAUTE, ACTIONS ET RESULTATS PROBANTS, EN CONFORMITE AVEC LES MISSIONS ASSIGNEES ! IZAY IHANY NY AHY !!

  27. Zanakidada a! diso angamba ise ilay daty nosoratana hoe: 12 Août 2012. Fanamarihana ihany ny ahy.

    mba tsy ni-réagir voalohany indray ny Foza mantsiny teto aminíty lahatsoratra ity ry denise, Rafidy, rabe foza isany izany.

    Ry denisy izany kenda tahaka ny kendan-taolana vao hanoratra toa ny TEN fotsiny no voasoratra, sady te hanoratra no mipararetra hatramin´ny fika fivarotra Hi! Hi! Hi!

    Ka vao maika rehefa ho tonga i DADAMALALA ,rehefa ho avy ny fifidianana, na rehefa mitsoaka ilay jiolahim-botona DJ mpivarotra tanindrazana io :

    Tahaka ny hitako ianareo Foza rehetra ho ataon´ny vahoaka Kizoa sy masikita : Valim-pingika, fingaka hoy ny fitenenanana.

    HO TONGA DADA Ô! HITONDRA MOFO O^!

  28. KM a!

    Ilay TGV manao rediredim-poza matin-tahotra, efa mipararetra tsy hita izay atao mapiaktra moraly sisa.

    ny antsika dia tsy maintsy mody I DADA ary tonga ny LERa vita ny anareo TGV ,ny vahoka nampihoseninareo ,nampahorianareo, no hamarana azy . Fa tsy izahy zanakí dada irery akory no mankahal ny TGV sy ireo mpandroba firenena sy ny forongony,

    VITA! VITA! VITA!i Andry rajeolina, Mety ho atao fatin´aliaka tahaka an´i KADAFFI izy sy mialay miaraka aminíreo namany.

    I Ratsirahonana norbert moa efa ela no niala aina moramora , iandry ny farany fa mbola miady mafy amin´ny fitsarana ataon´Andriamanitra ary efa misokatra ho azy ny varavaraní Losifera.
    I alain Ramarosaona sy Lylison ary Caporal Ravalomanana risara Bombino manaraka.

  29. Aza dia manapa-tsinay Misajaona a!mahalatsaka mihintsy ianareo kah!!
    Herim-boatay sisa e!!misy farany ny asan’ny satana.

  30. Misaotra Anao Izahay ANDRIOAMANITRA MAHERY , BE FITIAVANA SY BE FAMINDRA-PO !

    Ela tokoa izay nanantenanay ny fiposahan’ny masoandro hanazava ny andronay ,feno fahoriana sy fahasahirana..!

    Nitahy Anay Ianao ary nanampy Anay hanam-paharentana..Nimenomenona Izahay fa teo Ianao nandrotsirotsy Anay ary nanome koa hery !

    Ho tanteraka ny fampanantenana nolazainao tamin’ny alalan’ireo vavaka sy toriteny nataon’ny Vahoakanao.

    Misaotra Tompo ô !

    Tsapa sy tsikaritra fa efa akaiky tokoa ny faran’ny kirizy..

    Ireto misy seho – javatra izay mitory izany fiovana izany, fiovana satria nikatso ny fizotran’ny fametrahana ny tetezamita..

    Nihetsika ny daomy izay tapina teo noho ny fitsabatsahan’ny frantsay eo amin’ny fitondrana izay no tohanany , nampiany ary nobaikoany..

    Ireto seho-javatra azo tsapain-tanana :

    …ny fiovan’ny mpitondra frantsay ary ireto mpitondra vaovao dia nanambara fa hiankina amin’ny démocratie eo amin’ny fifandraisana amin’ny Firenena Afrikanina..Nofohanany ny ministère de coopération ary nanangana ministère de développement izy ka ny filamatry ny partenariat no entiny miasa miaraka amin’ireo Frenena Afrikanina ,izay fiaraha-miasa ny Firenena mitovy sata ,tsy misy avo na iva fa mitovy andraikitra ary manaja ny rariny sy ny hitsiny ary ny ara-dalàna

    …iaraha mahita ny fitsangana’ireo fikambanana milaza ho manohana ny Filoha RAVALOMANANA MARC nefa manenjika ireo mpitarika ny ankolafy RAVALOMANANA MARC…

    Ireo milaza azy ho  » légalistes  » no tena manenjika ireo mpitarika ny ankolafy :

    manaratsy , tsy mankasitraka ny fomba fiasany ary lazain’ireto légalistes fa tsy mahavita , tsy sahy mitondra ny Vahoaka hifandona amin’ny heri-pamoretana satria kanosa…ary tsy mahita afa-tsy ny vola raisiny avy amin’ny andri-panjakana izay ananany andraikitra..

    …Ny Firenena Mkmbana , ny Amerikanina dia tsy mangina fa ary maneho ny tsy fankasitrahan’izy ireo ny tsy fanajan-drajoelina ny FAHAFAHANA miteny , manoratra ary mampiely vaovao izay asan’ny mpanao gazety…

    …Ny SADC izay tsy taitra , tsy maika nitondra ny asa-panelanelanana izay nankinin’ny Communauté Internationale amin’ny hitsara ny fifanolanana miseho eo amin’ny Malagasy ,mikasika ny fametrahana ny tetezamita.

    Ny asabotsy 19 mai teo dia nihaona tamin’ny mpitarika ny ankolafy RAVALOMANANA MARC ireo solontenan’ny TROIKA / SADC ary niaraka nanapan-kevitra izy ireo fa MODY ANTANINDRAZANA NY FILOHA RAVALOMANANA MIANAKAVY ALOHA NY FARAN ‘NY VOLANA MAI 2012 IZAO..§

    Mihazakazaka tokoa ny seho-javatra ary iaraha-mahalala fa ny fodian’ny Filoha ANTANINDRAZANA dia antoka avy amin’ny Communauté Internationale fa :

    -miverina ny fanampiana ara – bola sy ara-techniques ho amin’ny fampandrosoana ny Firenena ary ho fanatsarana aingana ny fiainan’ny Vahoaka Malagasy

    -mahazo manomana ny fifidianana Isika fa kosa tsy maintsy mandry sy tony ny Firenena..!

    Izany no mahamaika ireo takolapanenitra haka tahaka ny TENA TANTELY IZANY MAMOKATRA
    NY TENA TANTELY..

    Ny takolapanenitra dia miorio fotsiny ,mitabataba sy mihambo fa tantely koa izy..

    TANDREMO FA NY TAKOLAPANENITRA DIA MPANANI-BOHITRA ARY MITSIFOKA AO AN-TRANO TANTELY ! REHEFA TAFIDITRA AO IZY DIA TSY METY MIVOHAKA FA NY TENA TANTELY
    TOMPO-TRANO NO ROAHANY…

    KOA MITANDREMO ISIKA TENA MPANOHANA NY FILOHA RAVALOMANANA MARC DIA HENJEHAN’IRETO  » LEGALISTES NATSANGAN-DRR’I HELIANA SY EMILE IZAY VOAEAOKA TAO AMIN’NY TIM , DIA NANANGANA NY gtt isan-karazany , izay tsy mifanaraka.. !

    MBOLA HO MARO NY RESAKA FA TENA NITONDRA VOKATRA NY TOLON’NY TIM SY NY ANKOLAFY RAVALOMANANA MARC IZAY HO TAFAVERINA ANTANINDRAZANA ALOHAN ‘NY FARAN’NY VOLANA MAI 2012 : IO NY BAINGA NGEZA VOAVADIKY NY VAHOAKA MALAGASY MANOHANA NY FILOHA !

    ISAORANA NY TOMPO LEHIBE !

  31. IZAY HODIAN ‘ NY FILOHA RAVALOMANANA MARC syny FIANAKAVIANY no nimasoana sy nitoloman’ny Malagasy nandritry ny telo taona mahery izao !..

    Ny fifanarahana tany MAPUTO izay niteraka ny feuille de route tany SANDTON dia nandrafitra ny fepetra manamora izany fodiana izany
    Ny fametrahana tetezamita ifanarahana sy tsy manavaka na transtion consensuelle et inclusive no any fomba nifanarahana entina hanantanterahana ny fodian’ny Filoha.Ny tetezamita dia :
    …IRAISAN ‘NY MPANONGAM-PANJAKANA SY NY MPANOHANA NY FILOHA RAVALOMANANA MARC ,IZAY TSY MAIINTSY MODY
    …TSY MANAVAKA : TSY MISY HATAO AN-KILABAO , TSY MISY SAKANANA TSY HANDRAY ANJARA AMIN’IO TETEZAMITA IO..NA NANONGAM-PANJAKANA AZA.

    Io fepetra faharoa io no sarotra Amintsika ny manaiky azy ary indrindra fa nifanaraka ireo ankolafy fa rajoelina no lehibean’ny tetezamita..
    Tsy hain-drajoelina ny nitafy izany voninahitra omena azy izany , fa kosa noharaoraotin’ny frantsay ,mpanolon-tsaina sy mpibaiko azy : dia inyizy nanao izay fihetsika rehetra mifanohitra amin’ny fanahy (esprit )nentina nanao ireo andininy ao anaty feuile de route..
    Izay no mahatonga ny maro milaza fa système foza ny transition..Ary nifikitra tamin’ny fandokdinana ny fanahy ( esprit) tokony nentina nametraka ny tetezamita ny frantsay.
    Iray volana izay no ita fa ho resy amin’ny fifidianana i sarkozy ,izay tena nangeja ny fiainana politique malagasy.
    Ary tao anatin’izay volana iray izay dia nihetsika ny karajia ara-diplomatique..
    Ny 14 mai 2012 dia nivoha ny varavarana mamela ireo organismes manohana ny Malagasy :
    ny SADC ,ny UE. ,ny Union Européenne…
    Betsaka ny fifanarahana diplomatiques tsy araky ny Malagasy ary ena mihazakazaka aingana izany : Io i RAKOTOARIVELO MAMY nasaina any DANEMARK hanatrika ny fivorian’ny parlementaires mikasika ny Accords de COtonou,amin’ny maha président-ny CT azy..

    Ary noho izy membre ny CT ,izay instituton ao anatin’ny tetezamita dia endrinkendrena izy fa hiaro ny système foza no anton’ny diany..
    Fanontaniana ? Raha tsy niditra ho membre -n’ny Congrès de la Transition (CT) moa ny ankolafy RAVALOMANANA MARC , dia putchiste no nandeha taminity fivoraana ity..
    MISY DIKANY ARY NILAINA NY FANDRAISANA ANJARA NY ANKOLAFY RAVALOMANANA MARC ! ARY
    REHEFA TSARA NY ATAO DIA NA NY SABAKAKA AZA MAMPIDI-DRANO KETSA!
    ARY ITY FIVORIANA ANY DANEMARK ITY DIA TONGA TSARA AMIN’NY FOTOANA LANA AZY SATRIA
    HODY NY FILOHA RAVALOMANANA MARC ARY HESORINA EO AMIN’NY FITANTANANA NY TETEZAMITA I RAJOELINA SATRIA MIFANOHITRA AMIN’NY FANAHIN ‘ NY ACCORD DE COTONOU NY MAHALEHIBEN’NY TETEZAMITA AZY !

    VAKIO KELY ANGE NY VAVAN ‘NY KIVINDRO ATAO HOE jango

    « 23 ème Session Danemark :ASSEMBLEE PARLEMENTAIRE PARITAIRE ACP-UE : iza no arovan’i Mamy Rakotoarivelo , ny rafitra misy azy sa ny filoha Ravalomanana?
    Envoyé par: jango (Adresse IP journalisée)
    Date: lun 21 mai 2012 13:21:38

    Izao no isan’ny mampifanohitra ny safidy hiditra système: voa-antso @ ity fivoriana ity mamy rakotoarivelo @ maha tompon’andraikitr’azy ao @ ct.
    Ka misy hino ve fa tsy ny hiaro io rafitra misy azy no ataony ?
    Dia misy hino azy ve ny olona any @ izao incohérence ataony izao, raha toa izy hi-critique dia hiomehezan’ny olona satria izy ary mandray anjara ao?

    Ataovy mazava ny resaka fa ny vahoaka tsy azo anaovana cinéma lava!! »

    Io jango io no santionan’ireo be moko-doha mirediredy..
    Firy moa izy ireny no mandoto ny forum ary mandrebireby ny saim-bahoaka noho ny lainga foronony sy aeliny !

    NY FAHENDRENA DIA NY MANGINA RAHA TOA KA TSY AZONAO NY ZAVA-MISY SY NY FANDEHAN’NY TANTARA..!
    MAIVANA DIA MAIVANA NEFA MIJILAJILA TOA-DRAJOELINA MIKASIKA
    ZAVA-TSAROTRA!

  32. Tena miady saina mafy tokoa ankehitriny ry forongon-Ravalo isany, satria ny zava-mitranga dia mampiharihary fa resy ry zareo! I Andry Rajoelina moa dia hita fa tena miezinezina hatrany ny fandreseny. Hitan’izao tontolo izao ankehitriny fa sady mpitondra mahay izy no tena tia tanindrazana. Noporofoiny tany New-York izany ka nipao-tsatroka daholo ireo nihaino sy nanatrika azy (filoham-pirenena miisa 30, miampy solotenam-panjakana avy any amin’y firenena miisa 112). Mahery i Andry ka! Tena afaka mirehareha ny malagasy ankehitriny. Izy no tena mpitondra nandrasan’ny malagasy hatramin’ny fahaleovan-tena no mankaty. Tena miady saina fatratra koa ry zareo forongon-dRavalo satria tena lasan’i Lalatiana Rakotondrazafy sy Fidèle Razapera daholo ireo olona mba noheverina ho mpitolona. Ireto mpanao gazety ireto nefa dia tolona hafa tsy dia misy fotony loatra no tena tanjony. Ka mazava ankehitriny ny raharaha: izay no izy ny amin’ireo forongon-dRavalo na ny zanak’i dada.

  33. Misaotra ry TGV a! misy ny firahalahiana sy fitiavana matoa mampitandrina toy itony ianareo. Mahatsapa izahay, fa matoa ny rédac mydago, manao ireny fihetsika ireny aminay, de hitany fa misy raisonnement nay mafonja be ao, fa tsy otran-dry KM sy ry Misajaona mitroatra tsy ahoan-tsy ahoana mifanakaiky ny fony sy ny tranon-tainy itony hany ka ny tena resaka momba an-drainy tsy hitany intsony ny marina sy hanaovany azy.
    De aza matahotra ise, fa zahay akory tsy lolofotsy, tsy hitono tenaazo vonoina mora fotsiny.
    Jereo tsara indray ity stratégie 26 Juin ity, tena tsy haiko e! tena sagnagna, mieritreritra mantsy ireto sy Raosy, ny hampiteraka confusion totale ao Mada ao, hidirany mora fotsiny, ka hampiadiana ny vahoaka eny Mahamasina sy ny mpitsena azy, de hiditra moramora. Misaotra an’i Zandry, nanaiky ny hampody an-dRaosy, manatanteraka ny and 20, fa ny tsy fantatr’ireto, de iny loi d’amnistie iny no efa voafidy ianadrasana azy, miaraka @ and 45, ary ny mahasagnagna an’ireto, de ny SADEC no nanao proposition an’iny loi d’amnistie iny, izany woe, mahazo mody Raosy, tsisy hanakana intsony, saingy miandry azy foana ny fitsarana, sy ny fanamelohana, mbola hamaly hatrany ny crimes nataony izy, ireo kakay miandry azy etsy sy eroa @ famille ny victimes, ny TSINDRY HAZO LENA NANAOVANY NY MIARAMILA, ireo halatra bevava ny volam-bahoaka…sns! Ny mahakely saina an’ireto, na de nandrangaranga basy aza ry Coutiti sy ry Raoelina sy ny ekipany teny @ BANI, nampihetsi-bolomaso an’i Andry ve? maika fa Ravalomanana, de t@ Sabotsy teo iny ny manamarina ny teniko hatramin’izay, hoe tsy crédible intsony @ vahoaka izany nareo, fa journalistes kely roa aza mahazaka vahoaka toy ireny, inona ny tsy efa antso sy fanentanana nataonareo hatramin’izay telo taona izay, de mandiniha tena tsara, ary izay no mahatonga an-dRamamy mamapalahelo otran’ny ankoho voakapoka eto. Asaivo avoakany aminareo mialoha ny marina, fa efa fantany tsara ny zavatra miandry an-dRainareo raha miverina any Dago izy.
    Tsy gaga ve reto Zanakosy ireto, fa tsy misy réaction intsony ny CI, raha vao Andry no manaitra ny SADEC de mikoropaka daholo, jereo ity fanasana vao azony tsy ela ity, t@ SG ny UN, Bekintana irery angaha, zay tsy nomba ny MANIF nataonareo velively, fa ireo mpanao gazety no arovany.
    Mbola force n’i Andry koa ny miaramila, zay inona no tentative nataon-dRaosy hatrizay nampiongana azy zay fa en vain, tsy mahazo ny fony intsony fa ny voloany fotsiny no lany fafikatrana, ary fantatro fa mamaky ahy tsara Raosy, ka aza mieritreritra ny hividy anay, fa ireto olonao tsy mahay n’inona n’inona tsisy vision na language politique ireto no azony lalaovina, hany ka lany andro manenjika an-dRajoelina fotsiny. Matoa Rajoelina nanao iny fanambarana farany ny @ maha possible ny hiverenan-dRAOSY, defa misy négociation henjana be tany an’anonanona tany, niainga t@n-dRamamy sy ny ekipany aloha sy ny UE, ny UN , RENY MALALA, ary mba mandinika fa na de ny ambassade Anglisy aza, raha nentim-po niala fotsiny tany Dago, de io fa nanao fanambarana indray hanokatra izany ato ho ato. De mandiniha tsara Raosy sy zanany sagnagna rehetra, fa politika avo lenta io, ary ny tanjona de ny hamonoana an-dRaosy ara-politika tanteraka, satria hitan’ny olona izao, fa tena manaonao foana ianareo mianakavy. Defa tsisy manisy sira intsony. Mandiniha tsara woa, fa politika avo lenta io, ary tena tsy manakivy anareo aho, fa na de Raosy aza mahalala fa tsy ho tafaverina eo @ toerany izany intsony izy. Antony iray lehibe. SATRIA NANAO DECLARATION DE GUERRE TAMIN’I LAFRANTSA, de mazava be, fa zay prezida taty Afrika nanao déclaration de guerre t@ la Frantsa, raha mbola teo amin’ny toerana, de nongotany, maika moa fa itony Raosy efa nametra-pialana itony, tsy haveriny eo intsony.
    Ny zavatra tsy fantatr’ireto Zanakosy ireto, de Raosy tsy woe tsy tia Frantsay izany, fa na defa nanankarena tafahoatra aza Raosy, tamin’ny fangalarany sy ny fampiroboroboany ny orinasany, ny nanaovany ampihimamba irery, marché m-panjakana sy nanakendany ireo opérateurs économiques gasy noheveriny fa mifaninana aminy sy manelingelina azy, de noho ny fialonany ireo opérateurs Frantsay saika hita t@ sécteurs rehetra indrindra ny pétrole, de saika haka ireny koa ny tao an-dohany, de mody zavatra hafa, woe mpanjanaka no nitondrany ny sain-dratsiny. Tsarovy, fa ny fitiavam-bola tafahoatra loatra, de tsy maintsy miteraka ruine ho anao, ary jereo tsara ane, fa Rabe no miteny, raha homelohin’ny fitsrana Raosy, raha hisy CI, hanameloka eo na de iray aza, ary na de ny CI aza, de matahotra azy koa ny hiverina eo, noho io GOURMANDISE-ny io, ka hamay hatramin’ny opérateurs vahiny raha miverina eo Raosy. De aleo manoratra lava toy izao, hampieritreritra ny sagnagna rehetra, fa averiko ry sagnagna, fa mahalala lavitra an-dRaosy miohatra anareo ny tenanay, ka tsy mampieritreritra anareo ve ny estmie ny rédac mydago ny tenanay, fa nareo no te harary fo @n-dRabe eo, dez inona woa ny zavatra nolazain-dRabe teto hatr@izay ka tsy tanteraka. De mangalà onon-draha ry sagnagna hoy zare bôka Avaratra agny!!!

  34. Kay ve match-be ato amin’ity forum ity e! FOZA ORANA VS ZANAK’I DADA; tokony antsoina ny Scoop digital hanao ny tournage. Tonga aloha dia fantatra sahady hoe iza no mandresy e. Ny iray mantsy tsy mahay afa-tsy ny mi-tourne. Mahereza ry mpitolona tiatanindrazana a! Ho afaka amin’ny zioga anie i Madagasikara. Efa akaiky ny farany ko!

  35. Tsy mampiomehy intsony ny traolinareo, fa raha izay no hitan’i MyDago fa mampiety ny aferany, azy ny azy !
    Ny olona manontany tena misy, ary ireo nandao tsy lazaina intsony ! Tsy hiditra pôlemika amin’izany aho.
    Ny post foza aloha dia :

    1) Raha vao lava be dia tsy mamaky ny tenako
    2) Ary fantatra fa fanenjehana tsy mitombona, fa fanosoram-potaka fotsiny, dia adalan’izay tia hamaky !

    Lanio amin’ny zavatra hafa ny enerzia !

  36. Henonay fa efa niala tany Dago Atoa Mamy Rakotoarivelo !
    Ho aiza HONO ?
    Ato ny valiny r’izareo a !
    http://lafy8.forumactif.ca/t25p45-le-retour-du-president-marc-ravalomananaet-discussions#359

    Tena tsy tiako ny satroka nanaovanao Me Hanitra. R. Azafady aloha, fa izay tianao dia tsy maintsy ho ekeko e ! MdR. ! 😉 Naturelle ihany e ! Sao tezitra be eo i Njara. Ka na tezitra aza moa izy, hanao inona ??? 🙂

    Io indray no vaovao mafanafana, fa ajanony any ny resaka amin’ireto Mpangery an-joro ireto, fa tsy mamokatra !!!

  37. Hay efa tonga ato Rabe vôpl à hataovy lavalava hatrany mihoatra ny an’ny sasany sao voa eo ny môralin’ny Foza namanao fa toa ho hejakenjana ho anareo foza mantsy ny vaovao ho avy ato ho ato an!

  38. O rey olon an

    Meteza mamaky itony,
    « Exclusivité TNN : le projet de nouvelle transition que prépareraient Andry Rajoelina et le Général Lucien Rakotoarimasy »
    Fa fianarana inona no nodiavin’ireo
    Andraikitra inona no mba tantanan’izy ireo

    Fa ny organigramme mibilobiloka toa ny fandehan-jaza vao miana-mandeha
    ny famolavolàna zavatra hitantanana ny firenena toa papier hygiénique

  39. Taoko ty tena ry TGV ilay ROBOT hitako t@ Sabotsy, drug-drunk-man?

    K’angaha mou tsy tena ilay MAFY BE, kou inon no dikan’itony?
    « tgv dit :
    Ny ekipandry zareo reny efa ts matahotra intsony ny mitifita olona. »
    __

    Mains nues ou à armes égales oa!!

  40. Coucou HoAiza !

    Raha ny FIHEVERAKO azy, efa mandindona an’i Takoï Domelina fa ho avy i Dada, ka manangana Transition malaky izy.
    Jereo tsara fa ny Chef d’Etat Major Rakotoarimasy no antsoniy, satria…. nankaiza i Ndrianarijaona sy Fidy ? 😉 .
    Tsy efa milaza ve izany fa Misaritaka ao amin’ny Lakazery ao ??? 🙂

    Hangingina indray ny Mpangery an-joro eto, miandry izay ho vokany. Hi hi hi

    Mahitahita tokoa i Lafy8 Ranavalona a !!! Raha tsy tafavoaka ny ala isika tsy hitsinjaka e !!! Mihinam-bary aza, mbola mitady laoka !!! 😉

  41. Aoka aloha hazava, fa tsy ny PHAT nomanana Droit hanangana ny AUTORITE DE TRANSITION , fa tena tsy ampy lavitra mihitsy ny solaitran’ny zandrin’i Rainitay !!!

  42. Bakalelo no diplaoman’i Lery !!! Manam-bola 10 bateaux hono, nefa vola nangalarina daholo, ary ny vola « fanomezana avy any ivelany » hanampiana ny vahoaka no NAMENOANY BATEAUX.
    Marina any izany !!!

  43. Mahasoavà ny taranaka faramandimbiny ny halahelo ny rà ary ny AINA
    latsaka nanangonany ireo VOLA ireo.
    Ny alika aza hono miongo-bolo raha mihinana ny hatsemboan’ny namany koa maika ny GASY MANANKASINA???

  44. Tena tsy voako ilay satroka ka !
    Ilay sanga kely mora sitonina iny ihany no tsara ! Raha tompony dia saro-piaro ! Satroka, satroka ! Tsy ilaina e! Ary efa nijery sary ve sa tsia aloha e !?

  45. Aoka tsy ho variana @ vavaka sy ny kabary ny zanak’i Dada. Matoa i Dada antsointsika dia izy no mahay manavotra ny firenena. Izao anefa. Tsy ny article 20 ihany no ilaina fa ao koa ny article 16, 17 ary 19. Maro amintsika mantsy no mbola somary mandray fanatika ka tsy te hiaraka @ ireo mpanohitra an-Rajoelina mihitsy. Tst iray monja ny tanjona fa maro ka ao anait’izanty dia ny fianjeran’i Andry Rajoelina.
    Marihiko fotsiny fa be lavitra nohon’ny teo @ MAGRO ny olona teny Ambohijatovo t@ Sabotsy lasa teo.
    Atsipy ny tady eny an-tandrokin’ny omby…..

  46. Ny fodian’ny Filoha RAVALOMANANA MARC dia milaza fa notanterahana daholo ny andininy rehetra ao anatin’ny tondro zotra ,izany hoe tafapetraka ny tetezamita iraisana sy tsy manavaka…
    Io fodiana io no dingana voalohany ,izay miaraka amin’ny fampiarana ny article 16,17 ,18 ,19 ,20..Iray tsy mivaky ny tondro zotra..
    Tsy misy azonao terena hanao na tsy hanao izay heveriny fa manampy ny fodian’ny Filoha RAVALOMANANA MARC..
    Iza no manohana ny Filoha atrizay ? Ireo aratsiana atao hoe « fanatiques « !
    Taiza ny sasany atrizay ?

    Isaky ny re na fantatra fa hody ny Filoha dia indreny fa miseho sy manangam-peo ny opportunistes ary mihambo fa nanao izao sy izao.Tsy vitany miseho sy bevava fotsiny fa manaratsy sy manenjika ireo olona TENA NITOLONA SY NANOHANA NY FILOHA RAVALOMANANA MARC ISAN’ANDRO ENY BEHORIRIKA , ANY ANTSIRABE ,ANY TOAMASINA SY ANY AMIN’NY FOKONTANY MAROBE !
    Tsy ny fisian’ny olona maro ( tombatombana izany fa tsy nisy nanisa mivantana ny olona tonga)teny Ambohijatovo INDRAY asabotsy no entina mitory fa nihena ny mpivory teny MAGRO na midika fa ireo opportunistes dia nahasarika olona ankehitriny !
    Ny Malagasy no nifidy ny Filoha RAVALOMANANA MARC in-droa nisesy!
    Ny dingana faharoa dia ny fifidianana izay ho Filoha-pirenena..!
    Ary io no mahamaika ireto opportunistes : atao hoe mpikambana ao amin’ny ankolafy RAVALOMANANA MARC ve izy ireo ?…
    Samy manao izay azony atao fa aza manao ny fihetsiky ny TAKOLAPANENITRA IZAY MITRIORIO FOTSINY FATSY MAHAVITA MAMY TOA NY TENA TANTELY IZAY MIASA MAMOKATRA ARY MAHAVITA TANTELY ,IZAY BAINGA VOAVADIK’IZY IREO..!
    IREO OPPORTUNISTES TOKONY HAMPISEHO IZAY MBA ZAVA-BITANY FA TSY MANENJIKA SY MANARATSY NY VAHOAKA TENA MPITOLONA ,NIADY ARY MBOLA MIADY MBA HO TANTERAHANA NY FAMETRAHANA NY TONDRO ZOTRA ,IZAY ANY LAKILE HANOKAFANA NY VARAVARANAN ‘OLANA ,NY KIRIZY !

  47. Mazava ho azy fa i DADA no tadiavina sy andrasan’ny olona ary ho hamonoany tena,
    toka-po ohatra ny siny ny vahoaka ka tsy mahalala afa Tsy ny RANO! fa raha te hitsapa
    ny FITIAVAN’i VAHOAKA dia ataovy hoe : HO AVY INDRAY I DADA HITSENANA azy, tsy misy dikany izany
    olona tatsy sy taroa , mazava ho azy fa efa leo POLITIKA ny olona sady ao koa ny MPANISY SISA be loatra
    ny mpamadika, fa tsy hampiova ny FITIAVAN’NY OLONA AN’i DADA izany ary mbola izy no MAMY HODITRA
    aloha hatr@’izao. AMIKO TSY ANY NY OLANA fa mba alefaso lavidavitra ny HERITRERITRA dia tadiavo ny
    antony fa tsy manome tsiny ireo olona mihintsy aho, ary tsy nisy filazana mihintsy teny fa tsy mila an’i DADA.
    Aoka isika tsy ho LAMENA @ zavatra tsy misy dikany fa DADA! dada ihany tsy miova mandra-maty ODORIA!!!

  48. Njara efa manokatra foana aho fa tsy hitako a!!
    ireo vao2 ireo no hitako eo dia mamaky aho dia izay.
    Andraso fa ho jereko @ Ordi indray ary hoe ilay sary mihintsy no t misy hitako.

  49. Bezooo r !
    Fa ahoana ary ?!!! Jereo @ faran’io page nomeko io, fa any ny sary no tena milay !
    Mamay ialah a, ‘za aza mba vizana mihitsy 😉 MdR !!!
    Bonne journée !!!

  50. Hita oah!!izaho koa aza mba malahelo fa hitako mihintsy fa sahirana dà!
    Aza matahotra fa tsapako mihintsy ilay hafanam-po . Mankasitraka e! eo fa ho jereko e!
    ialahy koa ity toa lalina koh!!

  51. Hono hoy aho ry zareo ?
    Inona marina moa ity hoe misintaka ity ê ? Fampiantoana ny fandraisan’anjara marina ve ?
    A titre privé izany ve ny dian’i Mamy Rakotoarivelo, sa miantoka azy ny CT amin’ny maha Filohan’ny CT azy ?
    Iza no manana infos ? Raha araky ny hevitro mantsy, dia tsy tokony ho any ankory izy ! Izay no metimety kokoa, rahatoa ka nisintaka marina ry zareo !

  52. Merci Njara t@ seary.
    MDR mijery le miaramila vataT managona briky hihihi
    MDR kou : Kintana kay manana orinasa biraodery (photo n° 47) hihihihi !

  53. Dia tsy hita izy ity ry Zareo a!!mahalasa saina marina ry Kintana???
    Manahirana fa ny antsika sy ialahy ohatry ny tsy fitiavana an’i Mamy .R anie e!!
    atao ihany ny tsy hiteny fa dia tsy hay e!!raha vao mitsiky aho dia PISO! ny ahy ny andrasako sisa izany @’
    ity herinandro it dia n fodian’i dada, tsy te hiasa loha intsony aho fa mandreraka be!!

  54. mijanona mits ry ranavalona a,efa hita hoe ts mahomby. ts aleon-dry miaraka amiko??? ataoko tonga matetika mits ange ny an’toi e..hihi

  55. Ilay fisintahana amiko dia tsy fandraisana anjara @ Kivorivory ao an-toerana
    tsy mandray fanapahan-kevitra TSY MANAO KISONIA fa (mahazo manao bisous).
    RAHA tsy tanteraka sy eken’ny maro ireo Laharana 16………..20 ao @ tondrozotra, izay no fahazahoako azy,
    fa ny maha CT na CST na MINISITRA ny ankolafy dada tsy MIALA fa MIANTONA fotsiny ka azo ampiasaina
    sy raisina fotsiny @ FOTOANA MAHAMETY AZY.Ohatry ny mety be kosa ilay hevitra ,sa????Dia mandray
    saosy ihany, vao maika milay be!!!

  56. Tsy ohatry ny mazava be loatra indray ve io fanazavako io ry Kintana??
    Aza maka « l » fa efa kely sisa lesy e!!

  57. ianao kosa ranavalona v de ts mahita lehilahy afatsy iny raosy iny mits v??? sady bôgôsy tokoa moa no misy sôsy iny ko. hitako mits ianao fa tena potika tanteraka. efa hoavy akia izy a, ts hoela intsony araka ny fampanatenany….de andraso i paoly

  58. efa eto @ ordi aho io njara a! hitako daholo ilay sary, milay be sady
    mampalahelo,tsy tantiko ny mijery ilay olona VOASAMBOTRA, mankarary fo be.
    mamay be ve ilay Portugaise?? hi!hi!hi!!!!misaotra anao fa afa-po na somary
    nalahelo kely aza aho nahita ireo voasambotra, soa fa efa nivoaka iny olona iny.

  59. Ho tonga anie ilay fahafahana! tohero tohero ireo mpamadika tanindrazana izay miray tsikomba2 @ Mpanjanaka ! tohero aripaho fa manimba ny tany! Ndao Ndao Ndao Ndao
    aza kivy na malaina , veleso ny vy dieny mbola mafana! tsy te hahita ny salovatanan’ireny olon’ny frantsay ireny intsony ny vahoaka ka aza miteny @ fahitalavitra intsony fa mampiady antrano.

  60. Hatomboy @ ZANAKISOA ray olona a!!dia faranana @ bomba
    atao madiodio ny PANDA beany iny taritina eraky ny arabe.
    Raha mbola msy vazaha misolantsolana ihany @’izao tsy ho VOABÔTY mipitika ery ry Batoto??
    Ela ny ela !!misy fetrany ny asan’ny satana oah!!HO TONGA ANIE NY FAHAFAHANA!!!

  61. Mirary soa ho an’ny Filoha Ravalomanana Marc ny Tompo anie homba anao sy ny fianakavianao.
    Maninona moa isika raha mba mifampitaiza e! mianatra mihaino , mianatra ny miady hevitra , ny maha tonga ahy miteny izany mantsy dia izao, vitsy sisa isika no mba maneho hevitra eto fa ny tena hita dia fifamaliana sy fanaratsiana hany ka izahay vao miditra mba te hanaraka ny fizotran’ny tolona dia gaga sy kivy fa tsy misy hevitra horaisina ato ka mahavariana. Haveriko fa ny toe-tsaintsika toy izao no an’isany nampiongana ny Filoha Ravalomanana Marc tsy mahay mifanohana fa ny mifanenjika no betsaka , izay toetra izay no nararaotin’ny olona dia izao no vokany izao isika mbola tsy miova ihany fa mbola miady an-trano sy mifampialona ihany ka rahoviana no andresy e! Mampaninona moa raha miditra ao anaty tetezamita ny Mpitarika ankolafy Ravalomanana , izay ilay tondrozotra natao sonia dia manara-dalana izy , miady ny fampiarana ny tondro-zotra ianao nefa ianao ary tsy ao dia inona no dikany , amiko tokony hiditra ny ankolafy Ravalo satria io no lalampanorenana vaovao dia miezaka ianao mpihantra ny lalana , izay no andraikitra ataony ao mampiantra ny tondrozotra.
    Tsy mora akora izany andraikitra izany fa tena sarotra , satria aza adino fa fahavalo no resena lahatra hanaiky hilefitra hiverenana amin’ny fitondrana naongany, tsy mora akory izany fa ny mampalahelo dia isika tokony hifanohana , hifanome hery indray ity no manatsantso ka aiza isika no handresy e!Ny vola azon’ireo olona niditra ao amin’ny tetezamita sy ny toerany izany indray no lasa adi-hevitra mafonja fa tsy ilay tolona atao ka aiza isika no handresy e!Raha mijanona tsy miditra ao anatin’ny tetezamita ary ny ankolafy Ravalo dia inona no atao e! mba hazavao ny hevitrareo e! Ny midina an-dalabe mety io hoe fampisehoana fa mandà io fitondrana io ny vahoaka mety io fa tsy misy milaza fa miongana eo i Rajoelina rehefa midina eny ianao, aza adino fa ny miaramila sy ny mpiasa-mpanjakana no andrin-dRajoelina ary ny vola no andrin’ny miaramila sy ny mpiasa-mpanjakana ka raha mbola mahita vola Rajoelina hanakaramana ireo olona ireo dia tsy miongana eo izy ka tsara ny miditra ao amin’ny tetezamita ahitanao izay fahalemeny azoana mamely azy e!Ao anatiny ianao mahita izy fa tsy ety ivelany izany e!

  62. Anao ny anao raha kivikivy @ zavatra tsy misy dikany ,
    betsaka ny zavtra azo raisina eto fa raha tsy eny ampandrasana ianao
    dia tsy ahita ny atiny, heverinao ho moramora na ny mandahatra eto aza??mila fotoana sy fisainana lalina
    ao ireo tsy mitsahatra mikaroka vao2 etsy sy eroa mbola fakafakana koa na MARINA na DISO sns tsy voatanisa.
    satria olona maro no mijery eto,ary maro ny mankasitraka fa raha izay olombitsy mandoto rano eto no ahakivy
    anao dia asakasakao fa ny tanindrazana no jerena eto ary tsy azo atao ny MIJERY ARINA ATAVA raha misy.
    tsy isika foana no atao handefitra ka raha vao misy ny fanoherana izany dia fanakianana no hita??asa aloha???

  63. Efa hita fa tsy namokatra ny fihidirana tao amin’io FDR io, koa inona no mbola hijanonana ao anatin’io ??
    Resaky ny tsy maharaka vaovao, sa miaro an’ireo izay nanao sonia tao ?
    Mba lazao aminay aza hoe inona, ankaotry ny maha Filoha an’i domelina, no andinin’io FDR narahina antsipiriany !
    Ny fanendrena an’i Beriziky fotsiny dia efa TSY TOKONY NEKENA !
    Nanao sonia ve i Ratsiraka ? I Zafy mbola milaza fa tsy mankasitraka intsony ! Dia iza sisa ?
    Ny mpanongana mizahozaho eran-tany fa efa mandeha tsara ny tondrozotra, kanefa ny vahoaka darohana isan’andro izao ! Ny dahalo avela manao izay tiany atao !
    Mba hitanao ve ny vaovao hoe dahalo miisa 430 mirongo basy, nahafaty olona 17 ary nangalatra sy nandroba tao amin’ny tanàna 3 vao tsy ela ?
    Izany ve no fiainana mirary nandrasan’ny vahoaka ?

    Isaky ny hoe tsy mitovy ny hevitra ve, dia tsy maintsy dikàna ny lalàna, dia manongam-panjakàna avy eo ?

    Rehefa tsy miverina ao amin’ny tetezamita ny ankolafy Ravalomanana dia rava io FDR io ! Ary izy io dia efa naman’ny rava amin’izao fotoana izao !
    Rafitra vaovao, araky ny soso-kevitra naroson’i ditra ohatra azo jerena tsara mihintsy !
    Ny vahoaka tsy mila an’i domelina ho eo intsony !

  64. En complément du post ci-dessus !

    Nouvelle lubie des foza : LEGISLATIVES AVANT LES PRESIDENTIELLES ( PRESIDENTIELLES QUI N’AURONT CERTAINEMENT PAS LIEU, PUISQU’IL EST QUESTION QUELQUE PART DE FAIRE NOMMER LE « PRESIDENT » PAR LES MEMBRES DU NOUVEAU PARLEMENT ) !

    Izany ve no atao hoe : GESTION DES AFFAIRES COURANTES ????? MBOLA HANARAKA AN’IZANY SYSTEMA IZANY IHANY VE ???

    MITSANGANA RY VAHOAKA, FA VERY NY FIRENENA !!! VOAHITSAKITSAKA NY ZO-NAO !! POTEHIN’NY SASANY NY TANINDRAZANAO !!!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *