Norobain’ny « miaramila » indray ny Radio Mada sy ny Mbs !

Radio Mada (3)

Nisy andiana miaramila, nirongo fiadiana, naka an-keriny ny fitaovan’ny Mbs sy ny radio Mada tetsy Faravohitra io tolakandro io. Fiara tsy mataho-dalana telo niaraka tamin’ny kamion feno mpitandro filaminana no niditra an-terisetra teo an-toerana, araka ny fitantaran’ny vadin’ny mpiambina ny trano nanatri-maso ny zava-niseho.Tsy tao an-toerana ingahy mpiambina tamin’io fotoana io.Araka ny fitantarany ihany dia milaza ny mbola hiverina ireto mpitandro filaminana ireto ary hisambotra izay tompon’andraikitra tao.Fantatra fa emetteur FM an’ny Mbs teo aloha, table de  mixage, lecteur CD, ordinateur complet, cable antenne no nalainy tamin’izany.

Araka ny nambaran’ny mpisolovava dia tsy nanaraka ny fenitra fanaovana ny fisavana trano ny nataon’ny mpitandro filaminana, tsy nampiseho taratasy momba izany izy ireo, tsy nisy solon-tenan’ny tompon-trano akory teo an-toerana, araka izany hoy izy dia fandrobana tsotra izao no natao teto Faravohitra.

20 pensées sur “Norobain’ny « miaramila » indray ny Radio Mada sy ny Mbs !”

  1. Vaovao :

    Dia ho raikitra indray ny rombo eny Ambohijatovo rahampitso, ary hisy zavatra goavana mety hiseho !

    Romotra ny Mpangery an-joro satria efa tsy miary instony ny Miaramila, fa efa misy ……ANKOLAFY 😉

  2. ..Efa tsy IRAY intsony NY MIARAMILA !!!
    Rahampitso indray e !!! Tsy misy mitsaoka !!!
    Ogé ô ry sakaiza !!! 🙂

  3. ANTSO HO ANAREO MIARAMILA :

    Fony nisy zavatra niseho toy izao tao EGYPTE, dia nanao fanambaràna TOY IZAO ny miaramila :


     » Nous DECIDONS d’etre du côté du Peuple ! et nous protegerons la population  »


    Koa mba manainga anareo izahay e :


    AVIA HO EO ANILAN’NY VAHOAKA !!!

  4. i rabe no sefon’ny mpandroba ! Politika manara-penitra !

    Dia ahoana indray hoy ireo nihiditra sistema ? Nifanarahin-dry zareo tamin’i domelina sy Beriziky ve izao toe-javatra mampalahelo, fanalikàna malagasy izao ?

    Fanajàna ny FDR ve izao ? Mody potehina ny MBS sy Radio Mada dia alaina daholo ny infos ao anatin’ny matériels sy angalarina ny sasany, dia avy eo mody averina. Dia hoe ry zareo no tena mahay mandamina ny raharaha !

    Ny kabarin’ilay Mpanongana dia efa mitory fa TSY PRESIDENT NORMAL TAHAKAN’I HOLLANDE I LERY !

    Alefaso amin’izay ny miaramilan’ny SADC ê ! Vitao any ireo ! HAZA FOZA !!

  5. KintanaMananDrambo dit :
    22 mai 2012 à 18 h 32 min

    « Dia ahoana indray hoy ireo nihiditra sistema ? Nifanarahin-dry zareo tamin’i domelina sy Beriziky ve izao toe-javatra mampalahelo, fanalikàna malagasy izao ? »

    Tsy mazava amiko ry KM ! Iza moa no niditra ny sistema, tsy ny Mpitarika ny Mouvance Ravalomanana ve ??? Dia heverinao hoe NIFANARAKA t@ Domelina izany ireo, hangalatra sy hanapotika ???

    Tsy mazava mihitsy ilay eritreritrao ! azo hazavaina…TSARA ….. ve ??

  6. Njara , diso ianao, i justine tsiranana anie reniní piere tsiranana tsy efa maty ve izany olona izany ,vadiní tompokolahy philbert tsiranana. Fa i ruffine tsiranana io manao politika io izao, misy iray atao hoe. honorine tsiranana koa vadin´i tompokolahy ravony francisc. Ka I ruffine sy honorine izany Anabavin´i pierre tsiranana.

  7. miakapokapoka ny foza fa efa hiala aina koa inona indray no ho lazaina???
    miantso anareo miaramila miampy ny Kung fu fa tsy ampy hoanintsika ireo.
    ireo karana sy vozongo aza hamelana fa ireo sisa no manakarama ireo ALIKA
    tsy voky taolana avy any aminy any daholo.

  8. Tandremo ny mihinana karpa amin’ny andro hariva, sao dia kenda ry Njara !
    Marina ny an’i Misajaona ! I Pierre Tsiranana dia olona anisan’ny mankahala an’ny Filoha Ravalomanana, ary io tary io dia anisan’ireo nanana tantara tsy aiko ny milaza azy, tany Majunga tamin’ny années 70 ! Tsy marihiko ny daty, fa amin’izay dia izay mety voasoratra ato amin’ny internet manamarin’azy !
    Koa raha ny tantara no jerena, dia tsy sarotra ny maminavina ny fandehany !

    Izany eo ihany fa izao ê !

    Ilay Feuille de route, dia nosoniavina mba fiaraha-mitantana an’ilay tetezamita !
    Misy marina ve izany fiaraha-mitantatana izany ? Rahatoa ka misy izany, dia responsabilité partagée izany, izay zavatra REHETRA mitranga !

    IZAY ILAY HOE FIHIDIRANA SISTEMA !

    Fantatra hatry ny ela fa mpanao loham-boto ry zareo etsy ankilany, koa noho izany, NY MISINTAKA VE NO TENA TSARA SA NY TENA MIALA MADIODIO NA AMIN’NY FO MADIO ?

    Efa fantatrao angamba ny ankabeazan’ny zavatra tiako ho lazaina ! Tsy dia misy antony no mbola hamerenako an’izany, FA TENA MARINA !

  9. Lasse de la diffusion du Kabary au nom de l’intérêt superieur de sa Ration
    d’Andry Radomelina
    j’ai changé de chaîne abouti sur viva
    et j’ai vu entendu cette histoire

    Mais où sont donc les pièces d’identité avec photos
    que:
    AUGUSTIN ANDRIAMANANORO a étalé pleines sur cette même table, ra-Solo?

    a l’instar de RISARA baomba, CHARLIE mpimasy,
    le chef d’orchestre Putshiste DJ à donné feu vert le TOP à:
    GISTA coward-allumeur de monter sur scène participer aux CRISIS-films

    3V haingan’i zava-maha-DOMELINA obligent,
    ces gens ne se retiendront JAMAIS de descendre si bas
    abaisser leurs culottes pour pisser sur les gens

    Il faut travailler dans le sens de: « Alefaso amin’izay ny miaramilan’ny SADC »

  10. hi hi hi
    tena rafotsy tsisy saina,
    ny miaramila mi-violer indray
    mbola misaotra misaotra
    merci merci

  11. Ka tsy nisy kil atramin’izay kôôh ! Miantso indray ikala adala hoe ampio fa tsy ampy !!
    Aza mba vendrana sy domelina ihany ê !
    Ampianaro sy mba taizao tsara ny ankizy ry zareo â !

  12. Radio vao nisokatra izany izy ity sa ?????tsy azoko tsara fa raha ny
    fantatro dia efa nikatona daholo ny haino aman-jery nefa ahoana no nandrobany
    io Radio MBS io???

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *