Ny malaza izao, hoy Raveloson Constant, teny amin’ny Magro Behoririka androany dia Rajoelina  milaza fa farano ny krizy. Rajoelina izay rangory fototry ny afo nanongam-panjakana, nanota fady teto amin’ny firenena, ka nahatonga antsika ho tafiditra amin’izao atambo izao.Farano ny krizy dia tokony hiala tsy moramora izy, satria rangory fototry ny afo. Aza mitady zavatra sarotra na manahirana, hoy izy, raha misy  miteniteny hoe lava loatra ny krizy. Ny Malagasy efa mijaly telo taona ka ny fanafodiny dia ianao Rajoelina miteny hoe farano ny krizy no tokony hiala eo.  Na izay tian’Ingahy hoy Constant, ka asa na tonga saina na voakapoky ny décalage horaire ka dia ho hitantsika eo ny tohiny. Eto misy zavatra miseho, omaly dia nisy jeneraly kely, an-damosin’ny jeneraly lehibe nanao confence. Efa fambara ireny hoy Constant,satria efa voateny henjana tany ho any. Ny Sadc na nodarohana lakrimozena, na nanaovana vavabe dia tsy niala teo Ambohijatovo. Ny dikan’ireny dia efa miezaka mitady ny lalana  ialana ka tsy tomponandraikitra amin’ireny aho fa nobaikon-dRazoky. Nefa hatramin’izay hoy izy dia miseho milaza hoe izaho nianatra, asako io. Mbola misy ohatr’ izao tsy ahafabela an’ialahy satria araka ny vaovao any amin’ny internet dia manimba rà ny grenady  lakrimozena natao teto amintsika. Fanosihosena ny zon’olombelona izany hoy Constant, raha tamin’ny ady isika dia « crime de guerre » no ilazana izany. Tokony mba hamaly ilay jeneraly kely sy ilay jeneraly be, hoe maninona no izany no nampiasaina taminay. Mba tianay hofantatra,hoy izy, izay sivily nibaiko azy nanao hoe miparitaha ary afafazo rano hiparitaka. Tsy mahafaka ny jeneraly Richard ny ao an-damosin’ilay jeneraly be. Zava-dehibe hoy ny fanazavana ny conference omaly satria ain’Antananrivo no lalaovin’ny Richard Ravalomanana.  Averiko ombieny ombieny, hoy izy ,fa ny mpitarika politika rehetra dia mametraka fa omeo toerana izahay, ary tianay dia Ambohijatovo.Notsiahiviny ihany koa fa tamin’ny 72 dia tsy hoe gaigy akory ny olona tamin’izany ka nanimba zavatra. Ny zavatra simba dia ho raiketin’ny tantara. Ny mpitondra ny tananan’Antananarivo tamin’izany dia nampiditra ny FRS tao amin’ny lapan’ny tanana hitifitra olona. Naka fiarabe anefa ny olona mahery fo ary nadofotra tao mba hampitsoaka ireo FRS. Légitime defense no nataon’ny vahoakan’Antananarivo tamin’izany, satria ilay manam-pahefana sivily dia nampiasa miaramila ho herim-pamoretana. Noho izany dia tsy mila mpitondran’Antananarivo misitrisitrika any ambadimbadika any, hoy izy, fa tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra, fa ampy izay. Rehefa fotoana tahaka izao dia miseho ho tompony vahaolana daholo. Ny antsika hoy Constant dia adin’ombalahy ihany, fa tsy manao adin’ny lalimanga. Ny tsara amintsika dia tsy misy velively Rajoelina.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

35 Comments

  • KintanaMananDrambo dit :

    Ao anatin’ny TENA CONSTITUTION fa tsy ilay Constitution fôpla vao noresahinny tao anatin’ny kabary, dia mazàva ny tokony atao ho an’ny MPANONGAM-PANJAKÀNA ; ao anatin’ny CODE PENAL KOA !!!

    Koa inona ity misary adala miaraka amin’ny jiolahy ity foana ê ????

    Natao ho an’iza ny zavatra voalaza rehetra ao anatin’ny Constitution ? Ho an’ny kisoa sy ny alika, ary ny voalavo ????

    MBA MAHAIZA RY VAHOAKA MALAGASY MIERITRERITRA, SY MANDRAY ANDRAIKITRA, FA TSY HO TAFAVAOKA AO ANATIN’IZAO ISIKA MIANAKAVY NA ZATO TAONA AZA !!!!

    DU JAMAIS VU SUR TERRE !!!!

  • desabuse dit :

    …tokony hiala tsy moramora izy,…
    ==> Hiandry ny sitrapony hiala ve izany ? ka tsy hiandry vasoka eto ?

  • ranavalona dit :

    « ho ravana ny tondrozotra hanakanana ny fahatongavan’i dada »
    io indray izao no malaza,koa inona no tokony hatao @’izany????
    iza no tena miesona sy mampiesona e!mihamilentika ihany ity
    raharaha,tanteraka mihintsy ity ilay biby mitorona,tsy sasatra
    ny miemotra ny foza, izany no aina koa te hanao????te hangalatra
    eo koh!!!mino aho fa tsy maintsy hisy hijoro ny @’io.tsy misy manaiky
    an’izany eo!

  • KintanaMananDrambo dit :

    Asakasak’izay tadiavin-dramalagasy io ê ! Fiainana milamina mandrak’izay, sa bordel tahak’izao foana no hiainan’ny zanaka amam-para ?
    Stratégie-ndry zareo hatry ny ela anie io ranavalona â ! Ilay domelina tsangan’olona tsy misy ati-doha, fa dokafan’ny sasany dia manitsa-tay ! Laingam-poza sy fandrebirebe-mbahoaka ny discours nataony, mody manatsara tena hoe mijaly ny vahoaka, ary tokony ho farànana haingana ny tetezamita !
    Efa fantatra hatry ny ela ny zavatra ao an-tsainy, fa ny hijanona eo amin’io toerana io !
    Ny mahagaga dia ireto gasy tsy misy tonga saina !

    Izay naratra ka notsaboina teny amin’ny hôpitaly Befelatànana tamin’ny asabotsy 13 mai 1972, dia mbola nohenjehana ary notifirin’ny FRS tao anatin’ny Hôpitaly ! Saika namoy havana akaiky aho tamin’izany andro izany, fa soa ihany izy fa nahay nandeha nody raha vao vita ny fitsaboina vonjimaika !

  • ranavalona dit :

    Azafady Solo Razafy mba asio kely VIDEO indray eeeeeeeeeee!!!!!!!!
    mba miangavy rė TOMPOKO isany raha azo hatao oooooooooooo!!!!
    lelafin’i ka ny molotrao!!mba azafady Mydago a!!eo moa eeeeeee!!!!!
    mba mitalao re a!!!

  • ranavalona dit :

    Ny tena mampalahelo dia  » Miiisy miiiiiaonnnoooooo?? »
    olona efa MATY TAPAKA no HAMPITANA ZAVATRA ka
    tsy mahataitra azy akory.
    @ manaraka asivo garabana akoho mihintsy dia hidiana ao dia sady mifatotra .
    Misaotra lesy @ ilay ry vao maraina a!!

  • KintanaMananDrambo dit :

    Mila mailo foana hoy aho fa mandady ny trambo !

    http://www.obiwi.fr/culture/plus-de-culture-94674-didier-cujives-ambassadeur-d-europe-a-madagascar

    Ao anatin’ilay lahan-tsoaratra :

    « C’est donc sous l’égide d’une ‘feuille de route’ qui doit permettre la tenue prochaine d’élections que Jean Omer BERIZIKY a été nommé Premier Ministre de la Transition, avec LE SOUTIEN DE LA QUASI TOTALITE DES PARTIS POLITIQUES MALGACHES ».

    Didier CUJIVES, ambassadeur d’Europe ???? Lol !!!
    Philippe Fontayne, conseiller spécial du premier ministre ??? Lequel ? De L.Fabius ou de Beriziky ? Toujours est-il, que le sieur Fontayne s’était marié avec une malgache (Mireille Ranaivosoa) en septembre 2009 !!

  • HoAiza dit :

    km, à commenter stp:
    « Didier CUJIVES a participé notamment au meeting de Jean-Daniel CHAOUI à Diego Suarez (Nord de Madagascar) en APPRÉHENDANT LES PRÉOCCUPATIONS PRINCIPALES DE NOS COMPATRIOTES A L’ ÉTRANGER COMME L’ENSEIGNEMENT, LA SECURITÉ, LA PÉRENNITÉ DES CONSULATS OU LA SAUVEGARDE DU STATUT DES BI-NATIONAUX »

    __

    Njara: (manao spaoro eo @ manodidina ny esplanade Analakely eo ny tenako isaky ny Alarobia & Sabotsy): TSY MISY OLON ERY AMBOHIJATOVO sy ny manodidina t@ 1ora aty teo (alou an)
    __

    ho an’ny télé gasy isany: aoka re tsy tonitononim-poana foana hoe manaraka izao manif de l’oppo. rehetr izao ny ankolafy ra8 an
    (à moins qu’un notable y partisan vous ait approché)

  • ranavalona dit :

    Azafady fa « @ilay vaovao vao maraina  » no tiako hambara,
    maika tsy faingana fotsiny aho.

  • KintanaMananDrambo dit :

    Mety daholo na vaovao vao maraina, na vao maraina ê ! Izy aza mba mazoto, sa tsy izany ry Njara ?

    HoAiza,
    Ny zavatra azo lazaina aminao angamba raha fintinina ny resaka, dia izao : 2010 dia efa nanomboka tonga saina ny governemanta frantsay fa nitsabatsabka tany amin’ny lalana tsy tokony naleha ! Ils s’étaient mis le doigt dans l’oeil (sens figuré io fa zavatra hafa ny tena dikany) !
    Hitany fa ho ratsy ny fandehan-javatra, satria nanomboka ny fankahalàn’ny malagasy an-dry zareo mpitondra, eo koa ny zavatra samihafa nahazo an’ny tera-tany frantsay, dia nanomboka teo ny fanampahin-kevitra noraisin-dry zareo, satria hoe tsy misy budget firy intsony.

    – Fermeture d’écoles et lycées français dans les villes de province (Midi Madagascar : Fermeture d’écoles et de lycées français – Manifestation des parents d’élèves ; Fianarantsoa : fermeture du Lyée français René Cassin, etc…..)

    – Projet de fermeture de chancelleries (Consulats Diégo-Majunga et Tamatave ), même raison avouée.

    – Insécurité : Efa fantatrao

    – Statut des bi-nationaux : Durcissement de l’octroi de la nationalité française, et surtout de l’obtention de visa pour les jeunes filles ou femmes malgaches ( aussi bien en Afrique qu’à Madagascar ). Sahirana ry zalahy be antitra manambady viavy kely !
    Mesures destinées à mettre fin aux combines provinciales !

  • KintanaMananDrambo dit :

    Avy any amin’ity village KELY ( env. 1200 habitants) ity, ilay ambassadeur d’Europe noraisin’i Beriziky !

    Feno gasy manambady lahy antitra ny tanàna tahak’izao ( nord-sud-est-ouest ) ! Mbola tsy nahita vazaha vavy antitra, manambady gasy tanora aloha ny tenako ê !
    MDR !!!

    http://www.paulhac.fr/

  • HoAiza dit :

    ha ha ha
    mahatapa-tsinay i:

    « km a dit: Ils s’étaient mis le doigt dans l’oeil (sens figuré io fa zavatra hafa ny tena dikany)! »

    ohtrn hoe zazakl ny oln

  • HoAiza dit :

    Toa mampanahy be niany
    na ny mijery aza ety ivelany,
    marim-pototra ve ny maha: ambassadeur européen eto @ tanàna an’io ê?

  • KintanaMananDrambo dit :

    Tsy tianao angaha ilay fanamarihana adaladala ? Hi hi hi !
    Mba mihomehy kely fa efa mandreraka izay hita sy re, etsy sy eroa ê !

  • KintanaMananDrambo dit :

    Ny siège-n’ilay Fikambanana hoe Midi-Pyrénées Europe any Bruxelles, no antsoin-dry zareo hoe Ambassade.
    Dia izay no nahatonga an’i lery lazaina fa hoe « ambassadeur de l’Europe » !
    Maire kely ery ve ho ambassadeur ry HoAiza â !
    Vao nandre an’ilay titra i Beriziky dia velombolo sy namelatra tapia mena ! Hi hi hi !

  • misajaona dit :

    Ilay antidahy manambady viavikely ve inona no mahasamy hafa azy ireo amin´ny pedophile, raha ny difference d´âge nojerena,
    tsara vintana izy ireo, fa misy ny lal´na milaza fa majeur ny olona iray á partir de 18 ans.

    Ny lahy antitra manambady viavikely, dia mitady viavy ambakaina, mitady infirmiére koa, na mpitaiza, ary ireo antidahy anie kahihitra ny ankamaroany sady saropiaro ihany koa.

    ny viavikely aloha tsy oemna tsiny fa mitady mpiahy, izao zava-misy eto M/car izao lasa  » sauve qui peut » .
    ny viavikely fetsy fa mitady sponsor hamelomana ny ray aman-dreny sy ny fianakaviana sahirana.

    ny viavikely anie manao cinema mody miteny  » Je t´aime  » fa ilay vola no tena tiany.

    Betsaka ny viavikel no tsy mahandry my ahafatesan´ny antidahy mba handova raha tsy efa nanao testament ny anti-dahy,

    Fa aleo aloha ny viavikely manambady antidahy toy izay hivarotra fika eny an-dalambe tahaka n-dry denise sy kristelle eto.

    maromaroa ny antidahy frantsay hanambady ny viavikely malagasy mba ho betsaka ny viavikely sy ny fianakaviany ho avotra hiala aminny fahantranbe mianjady.

    Ny Viavy antitra manambady bandikely gasy betsaka ihany koa, fa miafina ny bandikely fa menatra ny miseho miaraka amin´ilay antibavy efa miketronabe ireny. Misy koa ny tsy mateza fa ataon´ny bandikely gasy fakana taratasy sy fiakarana dia isarahany avy eo.

    GASY KA MANJA ,ka na ny sipakely na ny bandikely be mpitia indrindra ireo vazaha lahy sy vavy antitra .

  • KintanaMananDrambo dit :

    Satria betsaka ny sahirana, ka ho fenoina anti-dahy ve izany Madagascar ry Misajaona ?
    Sao dia tsy mety izany raisonnement izany ?
    Tsy tsara kokoa ve ny miezaka mba ho Firenena mandroso, ary tena mahaleo tena i Madagasikara, mba tsy ho tongavan’ireo mpitady ravin’ahitra sy ravim-b. vaovao ireo ?

  • dénise dit :

    Ntsôô! Tena mihena an-toerana ohatra ny fen’antitra ireto olona tonga eny amin’y Magro! Aiza kosa moa no tsy ho kivy ny olona ko, aiza ve ka habobo sy ronono an-tavy no tantaraina eny! Aleon’ny sasany mihaino an-dry Lalatiana Rakotondrazafy sy ingahy Razapera, samy hihaino lainga ihany hoy izy ireo!

  • Brandon dit :

    Vaovao farany koa : miady an-trano ny samy foza. Nilaza ampahibemaso ry Voninahitsy Jean Eugène fa mila esorina haingana ny ministre des finances sy ny ministre des forces armées des foza.
    Vao manomboka ny raharaha dia efa mipararetra sy mampiady tongotra ny crabes iray harona.

  • HoAiza dit :

    De i Ravalo ihany hatramin’izay nahavory saina,
    no mba fantatra fa mpitondra firenena malagasy tonga hatrany @ « lutte contre le tourisme sexuel »

    __

    O ra-Denise an, hum… Lalatiana is one mean to get rid of the dictator,
    aftermath ahôn hoy iz comme d’hab? « on nous a jeté comme des chaussettes usées »

  • KintanaMananDrambo dit :

    Ahoana aloha ity afera TIKO ity ry HoAiza â ? Inona marina no tena vaovao henonao ?

  • rabe dit :

    Ndriiiii! tena mampalahelo sisa ry Dénise ny mahita resa-jaza fanaon’ireto. Manoatra noho ireny ado tsy misy ho resahana fa resaka misavilîvôla mifosa olona mitsikera ny any anaty silipony sisa! aiza moa no tsy hangery mihitsy hatramin’izay telo taona mahery izay. Mihevitena ho vedety ao @ oppositions, hay olona roa defa afaka afaka nangalatra ny vedetiny! de zao sisa no azo resahana e! atao ahoana, Raosy moa de manao salaka tanana lava ao Atsimotsimo ao, tsy manan-katenanina intsony, satria ireto ry KM sy ry Njara sy ry HoAiza mba « intellos » be hono, zazasaina tsisy apoaka. De mahereza Raosy ô! ireny tsinona no zazasary mba nianteherana koa! Tsy miaiky foana ve Rana Tambawaks fa henjana Zandry a? mba milavo levona @izay e! Aza miresaka an’i Lafrantsa zany woa, fa nanao zay ho afany Ramamy taty, naka audince na de olona iray proche kely an’i Hollande aza, fa voatipaka ambavafo, de izy sy ny GTT Suisse ndray taty no nifandringana. Hiady an-trano woa no hiafaran’ireto! mba kôzy e! Sagnagna sy zazasaina miteniteny foana toy izao tsinona, de avelanay aloha manoratsora-poana toa an-dry dr Céléstin fopla, de tampenanana amin’izay ny daomy mba hangina, hiova sujet ndray. Lalaovy foana Racosta ao @ Magro ao fa sagnagna a! ny antsika ireny efa nifanarahana tamin’ireny iraka alefanao matetitetika ao Vohisorohitra ao e! De misaotra Ramamy @ mission a! Manaova otran’ireny ankoho voakapoka mody gisa ireny foana. Aza mandeha mialoha eny @ front refa raikitra ny gidra, fa avelao ny sagnagna no handray baomba lacri! de le zarazao anjakana iny noresahana iny foana e! miesona eo foana ny sagnagna e! mahifanaritra be ny mi-manipuler ny vena! sa ahoana Rakosta sy Ramamy! de za raha tsy fantatrareo le mpanome document hosoniavina iny e! @ manaraka indray e!

  • HoAiza dit :

    Misy apoaka izay maimbo ho anareo PUTSHISTES
    matoa miaka-pofona koa i Rajoelina isaky ny mbetika,
    Aiza ra-rekonésansy ê!
    Tsssssssss

    ___

    Azoko ny hafatra, km:
    sao ra-Solo misy ambara
    fa hitrandraka ihany koa ny tena

  • ranavalona dit :

    Ny raharaha TIKO dia takian’i Zanakisoa PATATY nadritra izay 3 taona nandrobany azy izay ny TIKO.
    Mahay be kala, ary tena miantsy ady mihintsy.

  • KintanaMananDrambo dit :

    Koa tsy tokony totofana amin’ny ovy iray kamiô ve izy raha izany ?

  • ranavalona dit :

    FOZA ORANA iray sobika dia efa ampy ihinana azy tsara ao anatiin’i ADIN-3.

  • rabe dit :

    Tsy mbola misy rekonesansy eo ry HoAiza, raha tsy aorian’ny fifidianana. Ny mahamaika ny CI de ny fanatanterahana ny FDR ihany, zay tsy ahitan-dRaosy avantage mihitsy na de kely aza, midika izany, fa ankatoavin’ny CI hatreto ny fanatanterahana ny FDR. Ny signe lehibe n’io reconnaissance io aloha zao, de ny fankatoavan’ny UE, ny ny UN, sy ireo bailleurs hafa, ny antson’ny SADEC an’izy ireo, hijery miaraka ny famatsiana ny fanatanterahana ny fifidianana haingana. Io ny réalité politika amin’izao fotoana faza mody fanina ry Zanakosy sagnagna isany ô! ary io zavatra mi-bouge io no tsy zakan’ny tsenanareo, de manao zay hevitra rehetra hanakorontanana ianareo, hany ka mihinana lacri lava, atao daholo ty hevidratsy ity, fa e!e!e! mandamoaka hatrany.
    Foana Rana ny fanjakazakana sy ny fanaovana zay tiana natao, teo @ fitondrana a! Maninona ny PMI/PME, ny mpandraharaha madinika, sy zay tsy TIKO, nampandoavina hetra tsy toko tsy forohana. Naninona ny ORINASAN-DRAOSY tsy nandoha na de ariary aza? de io ary fa averina amin’ny vahoaka ny volam-bahoaka e! toa tsisy mahasahy manohitra, fa hay manaiky fa tsy nandoha hetra hatramin’izay, ary tadidiko ary, fa na de tamin’ireny adin’izy sy Ratsiraka ireny, no efa tsy nandoha sy nandositra hetra Raosy. De iza no mbola mahasahy milaza fa olona digne d’être chef d’état zany tsy mandoha hetra izany. Ny olona mandoha hetra de olona mahatsiaro ny adidiny @ tanindrazana. Ny hadalana ankoatran’izay moa de mandany pages marobe raha ho tanisaina eto. De veloma ry manao an-dRaosy DEMONY ho andriamaniny ô! mbola ho aiza ny fitsaran’Andriamanitra e! mbola mitohy hatrany hatrany!

  • KintanaMananDrambo dit :

    Omaly dia efa nianatra nandatsa-bato ny foza !
    Mihevitra izy ireo fa izany mandatsa-bato izany, dia mitoraka vato eny amin’ny vahoaka !!

  • rabe dit :

    Ka ny olona mpandahatra vato( mpanao barrage) de rariny raha handatsahan’olona vato ry KM. Tsy lojika be ve! de avelao ny vahoaka ihany no hitsara azy e! hitany tsara zay fa tsy mahay afa-tsy ny hanakorontana ny filaminam-bahoaka sy ny fanelingelenana ny fifamoivoizana nareo, na de ho tafiditra ao Ambohijatovo ao aza, de de tsy mahay afa-tsy ny hanao sakoroka. De sakoroka mivaly sakoroka, fa mba lehilahy faza mba mi-jouer ho victime lava re ry Zanakosy, fa raha lehilahy, atrehana tsara ny hadalana a!
    Ka sagnagna sy tsisy apoaka tsinona koa inona no atao eo! mbola aiza ny hahazo e!

  • KintanaMananDrambo dit :

    Mba mihinàna sira misy iode ry rabe-dénizy, fa aza dia miteniteny foana â !
    Fanantanterahana FDR inona no nankatoavin’ny CI ??? Tadidio fa na nankihinin’ny UE tamin’ny SADC koa aza ny fanelanelànana, mbola manana anjara lehibe amin’io raharaha any Madagasikara io ny vondrona eraopeana !

    Tsy nasian’i Ban Ki Moon sira akory na tsy iodé aza tany New-York, dia izao mandadilady sy mandoalika any Luanda !

    Vaovao vao mafana ! BAROUD D’HONNEUR ANGAHA HONO NO NATAON’ITY MPANAO BAROFO ???

    http://www.lexpress.mu/story/385557-madagascar-feuille-de-route-baroud-d-honneur-a-luanda.html

  • KintanaMananDrambo dit :

    Gouvernement foza, épinglé de nouveau par Amnesty International !

    http://tananews.com/2012/05/amnesty-international-un-apercu-toujours-aussi-sombre-de-madagascar/

    IZA NO MANDIKA SY TSY MANARAKA, NY FAMPIARANA AN’ILAY FDR ?????????????

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*