Tsy mahataitra anay ny fanambaran’ny CENI-T hoy Me Hanitra

IMG_1749
Matoa izahay tsy tonga nanatrika ny fanambaran’ny CENIT, hoy Me Hanitra teny amin’ny Magro Behoririka androany dia efa tafiditra ao anatin’ilay fiatoana ao anaty andrim-panjakana nataon’ny Ankolafy Ravalomanana. Amin’ny maha CST solontenan’Analamanga no nitenenany teny an-kianja, ary nisy ihany koa ny fandaminana  teo amin’ny Ankolafy. Rehefa  mety fanasana ofisialy hoy izy dia tsyhisehoanay ary tsapany fotsiny ilay atao hoe haingom-bato ny Ankolafy Ravalomanana. Mikasika ny fanapahan-kevitry ny CENIT dia nambarany fa tsytaitra loatra ny Ankolafy Ravalomanana, raha tsy nisyny dati-pifidianana. Ny antony hoy izy dia mazava tsara fa ny fifidianana tsy atao ankamehana sy hirotorotoana. Tetiandro tekinika hoy Me Hanitra no navoakan’ny CENIT omaly ary mety amin’ny Ankolafy Ravalomanana iny. Mialoha ny fifidianana anefa hoy izy dia tsy maintsy mialoha lalana azy ny atao hoe fitoniana politika. Izay fitoniana izay no ahafahana miroso amin’ny fifidianana madio, tena milamina, ary eken’ny rehetra. Raha mbola tsy misy izay fitoniana izay dia sarotra be ny hanatontosana fifidianana. Tafiditra amin’io fitoniana io hoy Me Hanitra ny famerenana ny filoha Ravalomanana.Hatreto hoy izy dia miandry ny fivorian’ny Sadc amin’ny Zoma izao izahay, ho hita eo ny fanapahan-keviny. Mikasika ireo gadra politika dia nambarany fa tsy hamelantsika ireo raha tsy mivoaka ny fonja.Tsy maintsy hanaovantsika ezaka ny famoahana ireo hoy izy tahaka ny famerenana an’idada
Ny CST Leriva Manahirana kosa dia nindrana ilay fiteny hoe « izay tia mahandry ». Ny tiana hambara hoy izy dia tsotra ihany, betsaka ny nanontany hoe rahoviana i dada no tonga. Telo taona isika nahandry izany ka amin’izao andro farany izao dia tsy tokony hiroaroa saina. izay tia mahandry hoy izy. Raha jerena ny zavamisy amin’izoa fotoana izao, dia tapin-dalan-kaleha ny fat, ka izay no tokony hitandremantsika. Raha tsy mahay isika hoy Leriva dia tafiditra ao anatin’ny vovon’ny fat. Ny ezaka ataon’izy ireo dia ny hampizarazara  sy hampiady . Noho izany amin’izao fotoana iandrasantsika ny filoha Ravalomanana izao dia tokony ilaina ny firaisankinantsika. Nanafatra ny vahoaka ny tenany mba hiomana isan’andro isan’andro amin’ny fiverenan’i dada, ary izy tompony mihitsy no ilaza amintsika ny daty sy fotoana hiverenany

23 pensées sur “Tsy mahataitra anay ny fanambaran’ny CENI-T hoy Me Hanitra”

  1. tena haingom-bato fa voky vola avy @dada!ny sasany mihabanga ampitoerana ao @ magro ao!tsisy lokomena ntsony ny vavy;

  2. Mba jereo kely RAVERB ny hafatra ho anareo atsy @ article  » TSY MBOLA FENO NY FEPETRA MOMBA NY FIFIDIANANA » Fa ho fantatrareo ny tokony atao, fa aza mihorohoro rehefa miseho ny FOZA VAOVAO A!

  3. Pseudo vao noforonin’i RABE indray io ry werbeeck a !
    Raha vao mifanao ambony/ambany dia efa sirika, mpiteny irery !!!

  4. Tsy mahay mamaky teny ve ry Babyfoot a! Rabe! rabe! rabe! io. Sa le fiantsoanay an-dry Verbeeck Raverb indray otran-dry KM, ka na zahay aza antsoiny woe Rabe Vôpla koa. Sady tena ngeza be misy ranony tsara ho an’i Rana io an!
    Refa tsy manan-kambara woa, aza zay raisonnement miva-kitsaka kely ary no entina ry Babyfoot, sa tena mangidy be le kininina.

  5. MARINA NY ANAO ME HANITRA – MAHAGAGA ARY MAHATALANJONA NY FISAINANTSIKA MALAGASY – MIREFAREFA AMIN’NY TANY MATETIKA – AVELAO HIASA NY OLONA ARY MANAOVA OHATRA AZY RE RAHA MAHAVITA E – MAHAREZA TOMPOKO FA NY FANANKIANANA TSY MAINTSY MISY FOANA RAHA MBOLA ETO AN-TANY – RAHA MISAINA KELY FOTSINY ISIKA DIA HAFA NY FIJERY FA MAHANTRA VOLA KA TSY MAINSTY VOLA – VOLA FOANA NO AO AN-TSAINA – MAMPALAHELO

  6. EnY Tompoko andrinay ary hitandrina izahay fa ianareo mihintsy no
    tokona hitandrina kokoa mba tsy HANDISO fanantenana lava @’ity
    fahatongavan’i dada, fa mba olombelona ihany izahay mahalala TOFOKA fa efa be loatra izay
    daty nomena izay nefa tsy misy tanteraka , koa MBA MIANGAVY RE TOMPOKO O! AOKA IZAY
    ITY FAMERANA DATY LAVA ITY FA MIANDRY DIA MINDRY ANGAMBA NO METY SY FAHENDRENA
    KOKOA HO ANTSIKA REHETRA FA I DADA IHANY NO MILAZA IZAY FOTOANA AHATONGAVANY.
    ALEO TSY HANAO TOETRA TSY ZAKA NA DIA IZANY AZA FA TSY METY @’izay tsy mba misy fanazavana
    na mba fialantsiny avy eo fa VITA INY DIA ANY, dia alefa indray ny manaraka rehefa afaka kelikely.

  7. Ka dadanareo ane Rana handroso maty renibe, hihemotra maty renibe e! maninona no miady mafy mba ho amnistier-na, fanga nanao ratsy hono zato izy, ka tsy mahasahy mody raha tsy mahazo amnistie! mba mahagaga ihany koa! sa ahoana hoy Rana? Ka ireo Lieutenants-ny, na Raosy no hilaza daty hiverenany, mitovy ihany ô! manohy ny exile any Tsiafahy aloha mandra-pa e!

  8. Hay ve ranaval mba diso fanantenana ihany e. Io Hanitra io ange ranaval ka avocat n de8 e. Saingy efa nahatsapa izy fa tsy handresy mihintsy satria nanao crime de8. dia izy io hirahin,ny de8 handrebireby anareo vahoaka marobe tsy mahafeno kianjakely ny magro io, sao dia mba hadio ihany ny tanany mihoson-dra.

  9. Ny iray anie no mitondra sy manosika amin’ny labroety ê ! Tsy hitan’i Baby angaha ny mahazo an’ity rabe ?? I ranavalona mody faninana nahita ny sariny !
    MDR !!!!!!!!

  10. Eo indray aloha ianareo mandraoka an’ireo foza ireo, fa mbola maika hamonjy fivoriana ny akama !
    Tsy maintsy omena tosika ilay voafidy vao tsy ela, mba hahafahiny manantanteraka ny praogramany !
    Manantena fa mba hisy hanao tatitra eto, ilay fivoriana miaraka amin’i Mamy Rakotoarivelo ! Izany ry Njara â !

  11. Izay afaka dia hifaliana e ! fa r’izalahy ao amin’ny GTT-IdF ao manome toky hanao tatitra milay ! Ho faly Atoa Rakotoarivelo sy Dada ka ! Sa ???!!!

  12. Ho eny Andranomanelitra ny DST sy ireo « vautours » mpiaradia aminy, HANDRAVA NY ORIN’ASA TIKO !!!

    Inona no zavatra azonao ambara momban’izany ry Me Hanitra satria ianao no anisan’ireo NANANKINAN’NY FILOHA RAVALOMANANA, NY FIAROVAN’AZY SY NY FANÀNANY ??????

    Toa mangingina ianao momban’io ????

    Ingahy Rakotoarivelo indray, dia milaza fa TSY AZO AFANGARO NY RAHARAHA PÔLITIKA SY NY AFERA MIKASIKA NY ORIN’ASA TIKO, IZAY TSY MILA LAZAINA INTSONY FA NENTINA AMOTEHANA AN’NY TIKO, ARY TSY HANANAN’NY FILOHA HERY INTSONY EO AMIN’NY LAFIN’NY PÔLITIKA !!

    FANTATRA HATRY NY ELA, FA TSY NY TIKO NO OLAN’IREO FOZA, FA NY REHAREHA AZON’NY FILOHA RAVALOMANANA NOHO NY ZAVATRA VITANY, NA NY MOMBAN’NY ORIN’ASA NATSANGANY IZANY NA KOA? NY FANDROSOANA HITA MIVAINGANA NANDRITRY NY FITANTANANY AN’NY FIRENENA !!

    HIRAVIRAVY TANANA SY HITAZAM-POTSINY VE IANAREO, RY MADAMA SPESIALISTA MOMBAN’NY DOSIE REHETRA ?????

  13. Ary ity CENIT aza toa efa nitonon-tena sahady ity Chatay fa olony
    efa tsy tratra mantsy fa efa notohanany ny heviny.MAILO!MAILO! MAILO!!!!

  14. Rehefa vita ny zavatra izay spesialite-nao miaraka amin’ireo jiolahy ireo, dia mba asaivo mampianatra anao zavatra hafa indray ry zareo ry denizy !

    Analizy balistika !

    Garda iray no nitifitra tamin’ny tany, ary 45° ny angle de tir ary à 2 na 3 m avy eo amin’ny tongony ; ny tany gidirao misy vato kely fa tsy hoe malama !

    Noho izany, tsy olona ery amin’ny 50 m avy eo aminy no ho voan’ny bala eny amin’ny lohany ( olona mirefy sahabo eo amin’ny 1,65 ka atramin’ny 1,75 ) !
    Ny bala amin’izay koa mbola tsy mitovy !
    Tanan’iza no mioson-drà ???
    Jereo ny sary napetrak’i Josefa ato !
    Tokony ary tsara ampiasain’ny mpandala ny ara-dalàna, io sary io !

    MAZAVA LAOTRA !!!

  15. KM dia ianao indray ve no hiezaka handio an de8… izy tenany ary efa niaiky fa nampitifitra satria miditra ny faritra tsy azo aleha. na dia zazakely ary ve ry KM dia ho resinao lahatra amzany. tadidio oa fa diabolique io dadanareo io.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *