Tsy miova ny fitiavanay an’i Dada hoy Leriva Manahirana

Magro 20 mai 12 (11)

Izahay hoy Didier mpikambana ao amin’ny kongresin’ny tetezamita teny amin’ny Mgaro Behoririka androany, dia efa tamin’ny 2009 no nahatsapa fa mpitandro ny fanakorontanana ireo mpitandro filaminana eto amintsika. Ny hetsika ataontsika dia am-pilaminana hatrany kanefa izy ireo indray no manakorontana. Raha tsy misy ireo miaramila ireo sy ny basiny hoy izy dia tsy tonga teo amin’ny toerany Rajoelina. Izahay parlemantera dia niezaka mafy nihaino anareo, nanao ny amnistia, kanefa ianareo lasa fitaovana fotsiny. Maro aminareo ireo anefa no nahazo izany aministia izany, noho ny fahatsapanay fa mitandro ny filaminana ianareo. Raha tena mahatsiaro fa tandroka aron’ny vozona ianareo hoy izy dia atodiho any amin’ny fitondrana ny basy. Ny CST Leriva Manahirana dia nanambara fa misy ny fihetsiketsehana atsy sy aroa, kanefa ny kianjan’ny finoana ihany no mamerina an’idada.Misy hoy izy fikambanana milaza fa hamerina an’idada, nefa efa manomana olona faharoa hasolo an’i dada. Izahay mpitondra ireto hoy Leriva na iray segondra aza tsy mieritreritra ny hanolo an’idada. Ny anay , na iza faly na tsy faly dia tsy maintsy tonga eto Ravalomanana, izay ihany no ao an-tsainay. Aza miroaroa saina isika hoy izy fa aoka ho mailo isika amin’izay milaza fa izy no hamerina an’idada. Tazanonay hatramin’ny farany fa tsy maintsy tonga ny filoha Ravalomanana ary milatsaka hofidiana.Nysasany hoy ity olomboantendry ity dia milaza fa mitaky ny kianjan’ny demokrasia, kanefa tsy mamerina an’idada, ny sasany milaza fa mamerina an’idada nefa tsy manala an-dRajoelina. Tsy misy afa tsy ny Ankolafy Ravalomanana ihany no mamerina azy eto. Nanafatra ireo izay manaratsy ny mpitarika ny tenany. Eto amin’ny Magro hoy izy dia misy fitsipika arahina, noho izany raha misy ny resaka  dia malalaka any Bel’air hifampidinihana. Manana finoana fa tsy maintsy tonga ny filoha Ravalomanana satria izy no afaka mampandroso ny firenena.Tsy miova omaly sy anio ny fitiavanay an’i Dada hoy Leriva.

26 pensées sur “Tsy miova ny fitiavanay an’i Dada hoy Leriva Manahirana”

  1. Misaotra Anareo Rehetra tsy nitsahatra nitolona , nanam-paharetanana , be kiry sy be finoana ka nahandry ny figadon’ny faran’ny kirizy ,ary noho ny tolona sy ny ady amin’ny fanahy ratsy nataonareo no nahatonga ny seho-javatra maro hametraka ny Firenena amin’ny laoniny , amin’ny fitandroana ny rariny sy ny hitsiny ary ny ara-dalàna.., ka hampibaliaka ny MASOANDRON ‘ NY FAHALALAHANA eo anivon’ny FIARAHA-MONIN’NY MALAGASY TONY SY RAVO ARY VONONA HIATRIKA NY TOLONA LEHIBE DIA NY EZAKA ENTINA HAMPANDROSO NY FIRENENA ARY HANATSARA AIGANA NY FIAINAN’NY MALAGASY…!

    IZAO FAHAVONONAN’NY « MIARAMILA (OFFICIERS , SOUS-OFFICIERS ) AO ANATIN’NY COORDINATION
    NATIONALE DES OFFICIERS « HANDRAY NY ANDRAIKITRA MIENDRIKA AZY IREO, DIA POROFO FA AO AMINTSIKA MALAGASY TSIRAIRAY DIA MISY FANAHY TSY MANAIKY ITSAHANA ,MINO NY HERIN’IZANT FANAHY IZANY KA MANOSIKA ANTSIKA HITSANGANA ,HIJORO
    HIADY AMIN’NY RATSY IZAY NITADY NAMOTIKA NY HASIN’NY MALAGASY..
    MISAOTRA AZY IREO AHO ?ARY AZOKO TSARA NY SAFIDIN’NY FOTOANA ISEHOAN’IZY IREO AMIN’NY ALALAN ‘NY FANAMARANA ALOHA..
    MIOMANA TSARA IANAREO..ARY MIRAISA SAINA SY HERY..AZA DISO FAHAVALO..EKENTSIKA FA NISY NAMANA DISO SAFIDY,VERY LALANA…
    MAHAVITA TSARA NY TETIKA ARAHINAREO….
    MIOMBONA AMINAREO Dr CELESTIN Robin PARIS.

    Ry Malagasy velom-panantenana ,

    Ity arosiko Anareo ny fanambarana nataon’ireo zandry miaramila.

    « Jeneraly sy kôlônely nandray andraikitra : Mampitandrina ny fitondrana hampitsahatra ny fidarohana vahoaka
    Envoyé par: mifohaza (Adresse IP journalisée)
    Date: lun 21 mai 2012 22:02:12

    source : [www.gazetiko.mg]
    vaovao misongadina 22-05-12
    Jeneraly sy kôlônely nandray andraikitra
    Mampitandrina ny fitondrana hampitsahatra ny fidarohana vahoaka
    Image CST ( « Colonel Sans Travail » ), mitonona ho tsy manana asa, manodidina ny 600 sy jeneraly maromaro no namoaka fanambarana manoloana ny raharaham-pirenena, omaly.
    Mihazakazaka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena tato anatin’ny 48 ora ary tsikaritra ho miverina tsikelikely sahady ny tantara, na dia vao 3 taona monja aza no lasa. Taorian’ny nandravan’ny mpitandro filaminana avy amin’ny Emmoreg ny hetsiky ny mpanohitra, teny Ambohijatovo, tamin’ny asabotsy lasa teo, mantsy dia nisy manamboninahitra namoaka fanambarana miaraka, omaly, izay naparitany tany amin’ny fampahalalam-baovao samihafa. Nilaza ho tsy te- hotsarain’ny tantara manoloana ny fampiasan-kery nataon’ny mpitandro filaminana amin’ny samy Malagasy izy ireo koa nanao antso sy nampitandrina ny fitondram-panjakana « mba hampitsahatra ny fidarohana ireo vahoaka malagasy maniry haneho ny heviny ». Tsy nitonona anarana izy ireo fa dia hoe mivondrona ao amin’ny « Coordination nationale des officiers ». ary hoe avy amin’ny andiany faha-10 sy faha-11 ary faha12, nivoaka tao amin’ny Akademia Miaramila, ao Antsirabe.
    Teboka dimy !
    Somary vazivazy ny nilazany fa CST (Colonel Sans Travail ) no anarana iantsoana azy ireo. Ary tsy izy ireo fotsiny fa efa misy manamboninahitra lefitra miaraka amin’izy ireo. Voarakitra ao anatin’ilay fanambarana fa nisafidy ny hangina izy ireo hatramin’izay, saingy tsy afaka hanohy izany intsony manoloana ny tsy fihainoana ny fitakiana ataon’ny vahoaka sy ny tsy fandriampahalemana ary ny fampisaratsarahana ny samy miaramila gasy. Teboka dimy no nivoitra tao anaty fanambarana. Voalohany, mampitandrina ny mpitondra manoloana ny fihetsika ataony. Faharoa, mandroso soso-kevitra ny tokony hampitsaharana amin’izay ny rà latsaka. Fahatelo, miantso ny mpitondra ambony eo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy hampitsahatra ny fandraisana baiko avy amin’ny mpitondra entina hamonoana ny samy Malagasy. Fahefatra, miantso ny jeneraly rehetra efa misotro ronono handray andraikitra ihany koa fa tsy hijery fotsiny izao zava-misy izao. Farany, miantso ny Malagasy rehetra hivondrona sady nampahatsiahy fa misy farany ny zavatra rehetra. »
    V.R.

  2. Ary mihamanja2 ihany izany zanak’i dada izany an!!!
    Izay tsy tonga eny no matiantoka oah!!!mankasitraka e!!
    mankasitraka ny Andriambavilanitra tonga MITOLONA ho an’i Tanindrazana e!!!
    dia ny sisa tsy hadino!!!
    Vao maika aza MAMY be izany dada izany fa aza misy mety kivikivian’ny olona fa ny antsika iny azo antoka 100%.
    Andrasantsika ary hitolomantsika mandrapahatongan’ilay FAHAFAHANA.Homba antsika Andriamanitra e!!tsy maintsy
    mandresy ny tolona! kely sisa !

  3. Tsy omen’i Mialy ireny Rana a! ireny le mpitanty rakena kely ery @ magro e! sao mba tonga eo ireo Deba toa an’itony Leriva Manahirana itony.Mba irahan-dramose mikarama kely de tsy quoi refa tsy hita e! Na anaran’tony aza tena MANAHIRANA BE! hafahafa be ihany. Ary ty ondaty woa no tena tia an-dRaosy e! malaza tia vola hono ry zalahy ireny, ary tapahiny loha mihitsy raha fantany fa misy vola any aminao. Tsy miraharaha fihavanana zany hono ireny, fa tonga de ajedany na havany akaiky aza, rehefa tsy mifanaraka aminy @na resa-bola. Tsy mahagaga koa moa fa tarana-boanjo, foto-boanemba, zay mitovy no miaraka e! de ireny le woe ty ondaty ro tia OSY. Hi!hi!hi! mapme be! andramo ihany Rana fa milanja be hono ry zalahy ireny a! ny ahy aloha le vôpla proposer-n-dRaverbeeck PD iny ho an-dry tsy omeko, na de glady be feno ronono aza fa reservena ho an’ny olona tsy tambawaks otran-dry!

  4. Mitovitovy endrika
    amin’ny coiffeuses falehako 2 (roa) tany aloha

    zanak’i Dada be dahol :
    ny iray tsy tapaka mankeny @ Magro isaky ny manana fotoana malalaka
    ny faharoa manontany vao2 aty amiko isaky ny mifanena eny an-dalana

    Marc RAVALOMANANA foana foana ihany
    Ambiance milay, atmosphère mahavelombolo ny eny @ Magro: vao miditra ny vavahady, dia ohatran’ny fianakaviam-be tsy misara-mianakavy!

  5. Tsy mazava ny resaka !Fa toa mandaka ny baolina any antsisiny ity be sekoseko ity..

    Ny seho-javatra misy marina dia fanambarana telo :
    …ny fanambara iraisan’ny TROIKA sy ny Anlofy RAVALOMANANA MARC izy milaza ny fodian’ny Filoha amin’ny faran’ny volana mai 2012.
    …ny fanambaran’ireo manamboninahitra miray hina ao amin’ny « coordination nationale des officiers  » ,izay mampitandrina ny mpitondra ankehitriny hampijanona ny fidarohana ny Vahoaka te -hivory..!
    …ny fanambarana nataon’ ijeneral ravalomanana richard izay milaza fa techniciens-technichiens izy ary mahazo baiko dia manao ny asany..Ary dia mamafy lacrymogène..
    Ny fampiasana bombes lacrymogènes ve dia mila fahaizana lehibe ,izay ve no mahatechnichiens azy ?
    Misy feo manohitra ny fanamelohana azy ho midaroka ny Vahoaka ,nefa tsy iza no tompon’andraikitra fa ireo manome baiko azy !
    An ? Ay ve ilay bombes lacrymogènes dia télécommandées ary ireo lehibean’ny soanagaly nahazo baiko no mibaiko lavitra an’ilay bombe ,dia eo no eo ihany ilay bombes dia mitifitra ilay Malagasy mivorivory..
    Ity garde indigène (soanagaly nahazo baiko ) ity dia tsytechnichiens satria tsy izy no mibaiko ilay bombes izay mandray baiko avy lavitra..
    Tsy izahay , hoy izy no tompon’andraikitra , fa ireo gades indigènes sefo..
    rajoelina no sefo be ny gardes indigènes ( soanagaly mahazo baiko )..
    Ary raha dinihina tsara ny tenin’ity jénéral gadre indigène ity dia izao tiany ho fantantsiaka : « Tsy izahay no tompon’andraikitra amin’ny fidarohana ny Vahoaka fa ny sefo manome baiko ! »..
    Samy miala bala daholo ary manondro an-drajoelina no tompon ‘andraikitra satria izy no manome baiko mampitoraka bombes lacrymogènes !

    Dia iny rajoelina nanao fanambarana androany !
    Misaoritaka ny resany.., tsy misy lohany sy vodiny , izay mitory

  6. Aiza no halehan-drajoelina satria :
    …ny Filoha RAVALOMANNA MARC hody ANTANINDRAZANA :MADAGASCAR TSIANOLONDROA ARY ETO MADAGASIKARA TSIROANOMANDIDY !
    …ity jéneral garde indigène ity dia miala bala ary milaza fa tsy izy no tompon’andraikitra satria tsy izy no manome baiko mampitoraka ny bombes ny Vahoaka mivory..
    …ny manamboninahitra miay hina ao anatin’ny coordination nationale des officiers dia mampitandrina ny mpitondra ny Firenena mba hampijanona ny fidarohana ny Vahoaka
    … inona ny hafitsok’i rajoelina hampanginana ny fitakian’ireto mpanao grevy ?

    Dia iny indray rajoelina fa maely tsaho fa hisy fananganana directoire !Matahotra i rajoelina fa angamba tsy mampandre ireo manomana directoire !
    Mbola aiza ré ! Fa izao aiza no haleha ?

  7. Manadala be daholo fa manahirana tokoa ny misafidy !!! Ilay manao solomaso aloha dia raitra e ! Saingy efa reservée ho vinanton’ny sasany !!!

    Lasa adala koa i Solo Razafy marina, ka manjary Floue na ny sary aza ! Calme ianao Razafy a ! Aza mora tonga fofona fa tsy tiany an !!! 😉

  8. RAJOELINA LAKAN-JILA SY NY HAJEJOANA !NAMENO NY PAOSINY NO VITANY..!

    TSY MISY RAHARAHIANY NA KELY AZA IZAY TRANGA SY SEHO NANDRITRY NY TELO TAONA TETO AMIN’NY FIRENENA !

    Tsy misy halahatra intsony ary lany lainga i rajoelina…

    Ny diany tany amin’ny Firenena Mikambana (fiantsoan’i BANK MOON azy..) dia tsy araka y filazany.

    Nampiantsoina ny Seketera jeneraly izy mba hitondra na hanome ny heviny mikasilka ny fametrahana ny tetezamitaifanarahana ary tsy manavaka !

    Lainga vary raraka no nasetrin-drajoelina ny fanontaniana

    Tsy fantany fa mifandray anie ny Sekretera jeneraly sy ny SADC ,izay iraky ny Firenena Mikambana na Communauté Internationale !

    Rehefa tery ny manodidina an-drajoelina dia mampiasa ny heir-pamoretana izy..

    Koa dia nanome baiko izy handrava ny fivoriana nomanin’ny membres CT sy ny CST avy ao amin’ny ankolafy RAVALOMANANA MARC !

    Herisetra sy fitorahana bombes lacrymogènes , izay itan’ny mason’ ny solontenan’ny SADC.Notadiavina ilay jeneraly mibaiko ireto miaramila mpitoraka bombes..Nandositra izy ka tsy afaka ny resaka taminy ny solontenan’ny SADC..
    Iny fampisehon-kery amin’ny solontena-panjakana (membres ny CT sy ny CST ,izay tokony nampian’iny jeneraly bombe araka ny Lalàna izay misoratra ao aan-damosin’ny karatra milaza fa mlembres ny CT na membres ny CST izy ireo..

    Izany herisetra mihao-pefy izany no

    …nanaitra ireo manamboninahitra ao amin’ny coordination ka natonga azy ireo nampitandrina an-drajoelina tsy hanome baiko hidarohana ny Vahoaka te-hivory

    …ary nanosika an’ilay jeneraly nanao fanambarana fa tsy tompon’andraikitra izy fa mpanantanteraka fotsiny !

    Ny sekretera jeneraly koa toa toa tsy nino ny fanazavana nomen-drajoelina..!

    Dia io izy fa manaiky ny hiresaka ny fodian’ny Filoha RAVALOMANANA MARC

    Dia io izy milavo lefona ary milaza fa vonona ny hiresaka mba noho ny fihavanana.!

    Aiza re izany làlana é! Hibontsina sa hitsefotra moramora ?

  9. Fanambaran’Andriamatoa RAJOELINA Andry
    KABARY AM-PANDEVENANA (ORAISON FUNEBRE POUR L’ENTERREMENT POLITIQUE DE RAJOELINA )

    Filohan’ny Tetezamita
    22 Mey 2012

    Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana,
    Ry Ray aman-dreny rehetra eto amin’ny Firenena,
    Ry Zoky sy Zandry, Anabavy sy Rahalahy manerana ny Nosy,
    Mandalo kihon-dalana ny Firenena ankehitriny, maro dia maro ny fanontaniana, misy ihany koa ny ahiahy any an-tsaintsika rehetra any, koa raisoko adidy ny hitsidika ny isam-baravarana mba hifampizarana ny momba ny raharaham-pirenentsika.

    Naneho ny fitakiany hanovàna ny rafi-pitondrana sy ny rafi-pitantanana eto amin’ny Firenena ny Vahoaka Malagasy.
    Tafajorontsika ny Lalampanorenana vaovao ; voasonia ny Tondrozotra hirosoana mankany amin’ny fananganana ny rafitry ny Repoblika fahaefatra ; fantatsika fa sarotra izany làlana izany nefa tokana ihany koa, ary dia voapetraka ny fiaraha-mitantana notakian’ny vondrona pôlitika samihafa.
    Tafatsangana ireo andrim-panjakana ato amin’ny Tetezamita, nampiseho fahavononana hatrany ny fitondràna amin’ny tokony hirosoana, na dia teo aza ny fahasarotan’ny fiaraha-mitantana, ary dia tonga eo amin’ny dingana farany amin’izany Tetezamita izany isika ankehitriny dia ny fanomanana sy ny fanatanterahana ireo fifidianana izay efa tena andrandrain’ ny Malagasy rehetra.
    Efa tena andrandrain’ny Malagasy manerana ny Nosy tokoa mantsy izany fifidianana izany satria sady famaranana ny krizy politika izay efa nitarazoka ela loatra ; no hifidianan’ny Vahoaka izay olona hitondra ny Firenena.
    Fantatsika fa ao anatin’ity Repoblika fahaefatra ity no hananganana Firenena vaovao izay hahafahan’ny Malagasy rehetra miaina am-pilaminana ao anatin’ny fampandrosoana tsy misy sakatsakana.
    Mazava arak’izany fa goavana loatra ity dingana farany amin’ny Tetezamita ity. Mbola misy anefa ireo mamorona korontana samihafa. Maro ihany koa ireo mila voatsiary, ireo mamafy lainga sy mamorona antsanga tsy aman’orana, miezaka mampisavorovoro ny sain’ny olom-pirenena.
    Tsy mendrika ny hampiainana krizy vaovao intsony ny Malagasy. Tsy izay krizy naharitra telo taona niainan’ny Malagasy izay no mbola tokony hamoronana krizy lavareny hafa indray. Tsy mendrika ny Malagasy ny mbola hisian’ny korontana eto anivon’ny Firenena.
    Mahakely aina ny maro ny fanontaniana hoe :
    • Ho tomombana ve ny taom-pianarana ary hahavita ny fanadinana ve ireo zanatsika, raha mbola misy ireo Mpampianatra mitokona ?
    • Ahoana re no ihafaran’ny marary, raha mbola hitokona indray ny Mpitsabo Mpanampy ?
    Koa miantso ny feon’ny fieritreretan’ireo Tompon’andraikitra rehetra tsy ankanavaka ny tenako.
    Aoka mba, tsy ho ao anatin’izao fotoan-tsarotra izao, no hanerena ny Firenena, hanatanteraka ny hetaheta rehetra, izay tsy tanteraka tao anatin’ny taona maro. Aoka mba ho ny fiainam-bahoaka no atao laharam-pahamehana. Aoka mba ho ny tombontsoan’ny maro sy ny Firenentsika ihany no ho banjinina. Ary aoka mba hiezaka hampitovy ny fomba fijery isika rehetra, mba hahasoa ny Mpiray Tanindrazana.
    Ilain’ny Firenena ny fahendren’ny tsirairay avy.
    Ny tena fitiavan-tanindrazana dia ny fiezahan’ny rehetra hamarana haingana ny Tetezamita amin‘ny alalan’ny fifidianana madio mangarahara.
    Koa manao antso avo ny tenako ho an‘ny tsara sitrapo rehetra, hiaramisalahy, hanomana hatraty amin‘ny foibe ka hatrany ifotony isam-pokontany miaraka amin’ny CENIT ny fikarakarana izany fifidianana izany.
    Ny tenako dia manao ny ezaka rehetra mba hahavitantsika soa aman-tsara izany fanamby izany.
    Vao avy nihaona tamin’ny SG Firenena Mikambana, Atoa Ban Ki-Moon ny tenako. Fihaonana manan-danja izay nandraisany ahy, tamim-piralahiana tanteraka, na dia maro aza, ireo olana goavana manahirana azy ankehitriny, ary dia, afaka nanazava tsara taminy, ny tokony hirosoantsika Malagasy haingana, amin’ ny fanatontosana ny fifidianana ; izy rahateo dia nampiseho ny fahavononany hanampy antsika amin’izany.
    Toy izany ihany koa ny SADC izay efa ao anatin‘ny fandinihana ny hanampiana antsika ary dia hihaona amin’ny Filohan’ny SADC rahateo ny tenako.
    Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana,
    Mila fitoniana sy fahavononana ny asa miandry antsika rehetra, mila fitadiavana vahaolana ara-pôlitika ary mitaky fitiavan-tanindrazana marina.
    Tsy efa voasedra tamin‘ny sarotra va isika ?
    Koa mijoroa ry Malagasy ! Mifandraisa-tànana ry herin’ny Firenena !
    Mihazavà fa ho tonga ny fahazavantsika!
    Tsy maintsy tafita ity Nosintsika ity ! Tsy maintsy handroso I Madagasikara malalantsika!
    Ry Vahoaka Malagasy,
    Tsy hamela anareo irery aho, ary vonona mandrakariva ny tenako, hanatontosa hatramin’ny farany, ny adidy mavesatra iantsoroako.
    Masina ny Tanindrazana !
    Misaotra Tompokolahy, Mankasitraka Tompokovavy.

    HANENJIKA AZY ANIE NY ERITRERINY RAHA KA MANANA IZY !

  10. FIJERY NY MANARAKA AKAIKY MBA TSY HISY NY MPANDREBIREBY!

    Maro ny fanambarana izay samy milaza ny seho-javatra ,izay mitory ny tsy fisian’ny finiavana na ezaka hamaranana , hanafohana izao fikatson’ny fiainam-pirenena..

    Aoka Isika handinika tsara ny feuille de route..Ny fanantateraha tanteraka azy io no

    mamoha ny varavarana mitondra Antsika :

    …ho amin’ny fodian’ny Filoha RAVALOMANANA MARC,

    …ny fanafahana ireo gadra noho ny antony paolitika,

    … ny fanokafana ireo Radio sy TV nidiana..

    Ireo no dingana lehibe tsy maintsy hefana ary tanterahana mazava tsara..

    Ny dingana manaraka dia

    … ny fiverenan’ny fanampiana ara-bola sy ara-teknika ho an’ny fampandrosoana ny toe-karem-pirenena amin’ny lafiny rehetra ary indrindra ho fanatsarana aingana ny fiainan’ny Malagasy

    Ny dingana fahatelo dia ny fanamafisana ny filamina sy ny fandriampahalena eto amin’ny Firenena , mba hahzoana

    manomana ny fifidianana rehetra ,indrindra izay ho Filoha – pirenena am-pitoniana , am-pahalalahana..

    Ny fahalalantsika sy ny fanajana ny laharan’ ireo dingana ireo dia manampy Antsika tsy hisahotaka , na hanao famonanihana tsy mitombona nefa mety handrebireby ny saim-bahoaka..

    Rehafa tody soa aman-tsara ANTANINDRAZANA NY FILOHA RAVALOMANANA MARC DIA IZY NO MANDAHATRA SY MANORO IZAY TOKONY SY TSY MAINTSY HATAONTSIKA …

    .

  11. MANAINTAINA BE KOA ILAY FILAZANAO AZY FA EFA « RESERVEE´ » MBOLA BE DIA BE AO E!

    VAO2 INDRAY FA HO RAVANA ILAY TONDROZOTRA HANAKANANA AN’I DADA TSY HODY: MAFY
    REHEFA MANAO RATSY KAH! ALEO HONO ENJEHAN’I OMBY MASIAKA TOY IZAY ENJEAN’NY
    HERITRERITRA.MANGALATRA TSY MAHALALA MATY DAHOLO KOA EO VAO HOE:OYA OY EO!!!

  12. NY TAJON I RAJOELINA DIA HAMPITARAZOKA NY FIJANONANANY EO @ IO TETZAMITA IO .:

    ny tetika ampiasaina @ izany ny famùpidrafesana ny mpanohatara azy.
    FAMOHAHANA KARAZANA tondrozotra isanikin ny 6 na 8 volana ,
    Ny famoahana andro hanantanterahana ny fifidianana.
    Ny famoronana fifandonankevitra ,toa ny hoe ny fifidianana Président sa ny legislativa no hatao aloha ,ary io ady hevitra io dia matetika dia tsisy valiny ,fa mitarazoka fotsiny ny valiny ,ka eo @ hilan ilay vendrana azy .
    avy eo dia hazo hitarina daholo ny asa ratsy rehetra.

  13. Dia izay angamba Ravelonarivo ???nefa koa hanomezany ny fahefana @’ireto miaramila hamoritra ny vahoaka
    fa efa tsy zakan’ny lohany intsony ilay toerana , heveriny fa mora toy ny mandroba sy MANDAINGA angaha ity
    mitondra firenena ???kenda vao hoe: domy aho ranaotra!

  14. I domelina, amin’ny maha domelin’azy, dia tsy manana capacité intellectuelle ni morale, hitondra firenena izany ! Ireo namany dia efa NIVAKY AN’IZANY !
    I lery toy ireny maivan-doha rehetra ireny, faly sy jejo mizahozaho eran’ny tanàna ! Henatra izany tsy fantany akory, fa raha olona misaina sy normal tsy hanao velively izao ataony izao ! Hitler no atao hoe nidegany, fa dia tena izay tao andohany no nampiariny ; fa ity dia baiko avy any aman’olona !

    Iza IREO OLONA IREO ? Tsy sarotra ny maminavina, satria efa hatry ny ela izy ireo NO FANTATRA FA FAHAVALON’NY VAHOAKA MALAGASY ( ARY MISY MALAGASY MIARAK’AMINY )!

  15. Ny feuille de route dia Lalàna nosoniavin’ny Firenena maro :ny SADC -izay vondrom-pirenena efatra amby folo- dia solontenan’ny Communauté internationale..
    Tsy azo  » rovitina  » io..
    Ny Filoha RAVALOMANANA MARC tamin’ny resaka an-téléphone nataony tany TOAMASINA farany teodia nampitandrina ny mpitondra ny tetezamita ankehitriny fa
    raha toa tsy tanterahany araka ny fifanarahana dia hiala tanteraka amin’io processus de mise en oeuvre io ny ankolafy RAVALOMANANA MARC , dia rava ny tetezamita..
    Raha rava ny tetezamita dia foana ny asan ‘ ireo milaza azy ho mpitondra.., tsy hanam-pahefana intsony..
    Ary ny fampitandremana nataon’ny SADC dia manamafy izany , satria raha tsy tafpetraka ny tetezamita iraisana sy tsy manavaka ,dia handray fepetra hentitra ny SADC…

    Ny fanam-paha-kevitra niaran’ny SADC sy ny ankolafy RAVALOMANANA MARC mikasika ny fodiana ANTANINDRAZANA ny filoha amin’ny faran’ny volana mia 2012 dia mety anisan’izany fepetra hentitra izany..Hisy fivorian ‘ny Vahoaka nantsoin’ny radio free androany..Dia nanome baiko ny heri-pamoretana i rajoelina handrava izany amin’ny heriny rehetra ( rfi tamin’ny 5 ora sy sasany (heure universelle)..
    Omaly ireo jeneraly misotro ronono dia nanao fanmbara ,toa izany koa ireo sous-fficiers eo am-perin’asa !
    Oui les torchons et les serviettes brûlent..
    Et rajoelina ,stoïque , intrépide attend avec courage l’exploision …de cette situation sous tension !
    Qu’il explose avec…!

  16. « Taorian’ny zava-nitranga teny Ambohijatovo, ny 19 mey lasa teo, mijoro ny Komitin’ny fanavotam-pirenena (Kfp), milaza hamory vahoaka eny indray, anio…

    Miantso ny vahoaka ho tonga indray eny amin’ny Kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo, anio maraina, ny Komitin’ny fanavotam-pirenena (Kfp), tarihin’ny Pr Paul Rajaonarivelo, araka ny fanambaran’izy ireo tamin’ny mpanao gazety teny Ampandrana, omaly. Voalaza fa tsy mijanona ny tolona raha tsy efa resy ny jadona, ary mipetraka ny fahamarinana sy ny demokrasia. Ivondronan’ireo hery velona eto amin’ny firenena ny Kfp: ankolafy politika, sendikàn’ny mpiasa, fikambanana… Izany dia taorian’ny zava-nitranga teny Ambohijatovo tamin’ny faran’ny herinandro teo.

    Manohitra tanteraka ny jadona ny Kfp, ny tsy fahamarinana, ny tsy fisian’ny fahalalahana maneho hevitra, ny fanaovan’olom-bitsy ampihimamba ny harem-pirenena, ny tsy fisian’ny fandriampahalemana, fanaovana ampihimamba ny haino aman-jerim-panjakana, ny fampiasana ny mpitandro filaminana sy ny foloalindahy ho herim-pamoretana. Manentana ny vahoaka hanangana Kfp isan-tsehatra izy ireo: fokontany, minisitera, toeram-piasana, Faritra, distrika, kaominina… Miantso koa ny foloalindahy sy ny polisy hiaro ny vahoaka maneho ny heviny amim-pilaminana ny Kfp. Hampilamina ny toe-draharaham-pirenena ve izao? »

    R. Nd.

  17. I Rabe vôpl sisa foza eto an!!!! fa nankaiza sahady ny foza kely navitribitrika tao ho ao zay?? nankaiza denise mpivaro-pika??? tsy mety zao an!!!

  18. ok! tsy misy miala @ Dada izany ny eo na hipoaka aza ny baomba na hitifitra aza i Generaly , ataovy tonga fotsiny ange i Dada fa tena tsy hisy lalana hitsahin’ny fiara intsony eto Iarivo fa ho tonga hirohitra hitsena ilay Mahery daholo ny olona rehetra na Lehibe na kely na ny malemy na ny jamba dia faly avokoa!
    Ho tonga anie ny fahafahana! ho avy anie Dada
    Homba antsika anie Andriamanitra

  19. Pour préciser la situation politique réelle , actuelle à Madagascar ,le bureau de la TROIKA:la SADC à M.car ,a jugé bon de rappeler à Tous qu’il existe un traité international dénommé la feuille de route de SANDTON( signée en septembre 2011 issu des Accords de MAPUTO du 09 août 2009 ,amendé par l’Accord additionnel de novembre 2009..

    Toutes les dispositions de cette feuille de route doivent être appliquées et
    respectées dans leur lettre et leur esprit par Tous..

    La SADC est prête à sévir au cas où la procédure de mise en oeuvre de cette feuille de route est entravée .

    N.B. ceux qui prétendent rédiger une autre feuille de route ne peuvent ignorer l’existence de cette feuille de route donc en connaissance de cause ils organisent des assemblées de je ne sais pas qui , à qui ils font croire la possibilité d’élaboer une autre feuille de route malgache : ce ne sont que des menteurs , donc des escrocs car ils mentent en connaissance de la situation réelle actuelle du Pays .

    La SADC exige le respect de la feuille de route
    Envoyé par: Menja (Adresse IP journalisée)
    Date: mer 23 mai 2012 22:15:02
    mercredi 23 mai 2012 par L’Agence de Presse Xinhua

    Madagascar : La SADC exige le respect de la feuille de route

    Le Bureau de liaison de la Communauté de développement de l’Afrique Australe (SADC) à Madagascar a rappelé à l’ordre les dirigeants du pays sur le respect de la feuille de route de sortie de crise malgache, indique un communiqué reçu mercredi.

    Le bureau de liaison de la SADC s’est dit préoccupé suite aux événements qui ont eu lieu au cours des derniers jours, dont la manifestation du 18 mai qui a donné lieu à des affrontements entre les forces de l’ordre et les manifestants.

    Il a exhorté les dirigeants du pays et les forces de l’ordre à faire preuve de retenue et à agir de manière proportionnelle à sa responsabilité constitutionnelle de protéger le pays et ses citoyens selon la feuille de route qui mentionnent clairement la protection et la promotion des droits humains et nécessitent des mesures de confiance. Le bureau de liaison de la SADC exhorte tous les dirigeants malgaches à respecter la feuille de route et à travailler de manière à permettre le rétablissement de la confiance du peuple dans leur leadership en cherchant une solution pacifique et permanente à la crise politique à Madagascar.

    Reconnaissant les frustrations des Malgaches dues à la lenteur de la transition que le pays a entrepris, le bureau de liaison de la SADC a appelé le peuple malgache à exercer son droit universel et démocratique au rassemblement et à la liberté d’expression mais en le faisant pacifiquement.

    « La mise en œuvre complète de la feuille de route suivant sa lettre et son esprit ne peut pas être différé plus longtemps car c’est la seule voie viable pour sortir de l’impasse politique actuelle. Les dirigeants de la SADC sont pleinement engagés dans cette mise en œuvre, et appelle ses partenaires continentaux à rester engagés dans cette mise en œuvre complète. A ce propos, il reste prêt à invoquer l’article 43 », dit le communiqué. Selon l’article 43 de la feuille de route, en cas de non- respect ou de violation de la feuille de route, la SADC et ses partenaires prendront des mesures et des sanctions.

    Madagascar traverse une crise politique depuis trois ans et demi. Trois grands accords ont été signés pour sortir le pays de la crise, à savoir les accords de Maputo et l’Acte additionnel en 2009 ainsi que cette feuille de route signée en septembre 2011.

  20. Efa nilaza ny SADC fa Zo-n’ny vahoaka malagasy no manao fivoriana AN-DALAMBE, MITAKY AN’IZAY TIANY HO TAKIANA, FA AM-PILAMINANA !!!!

    MAZAVA DIA MAZAVA NO TIANY AMBARA, ARY EFA FANTANY FA TSY TIA ROTAKA NY VAHOAKA MALAGASY, KOA DIA TOHANANY TSARA !!

    Aza miandry mpitarika izay mahatsiaro tena, sy mahita fa any an-davaka ny Firenena amin’izao fotoana izao ; tongava maro eny amin’ny avenue, manao akanjo fotsy ary mitaky an’izay tiany ho takiana !

    HEVITRA MANOKANA NY AHY : FIVERENAN’NY FILOHA RAVALOMANANA ETO AN-TANINDRAZANA !! Avy eo manapaka an’izay tiany ny vahoaka !

  21. Ny vahoaka anie milamina fa ry zareo no manakorontana @’ilay bomba e!!
    tsy misy anaovany ny asalikany hisamborana mantsy.
    Tondray rano ilay Bomba ry zareo a!!na apodiano any aminy any. mbola misy
    ihany anie ny voasambotra e!! na inona filazan’ireo SADC na inona ary maratra,
    tokony ho harahindry zareo akaiky mihintsy hatrany @ elakela-trano rehetra any.
    Dia tokony ho asainy hajanona ity BOmba efa tsy mifanaraka @ lalana zavatra mahafaty ity.

  22. Tsy mahazo mandefa baomba izany intsony ry zareo !
    I domelina aza convoqué-n’ny SADC, ho any Luanda hono ( Angola ), ho saziana angamba !

  23. Io mbola setroka be @ sary nalefan’i Njara io sa vao oviana izany ry Kintana??
    Dia izay no vita raha vao sy mahazo mandefa Bomba intsony , vita ny Tantara,
    izay vao azoko fa io kay ilay nolazain’i Mpivaro-pika fa andeha haka ilay Fankatoavana any @ SADC i domelina a???
    Dia izay izany koa inona moa!!efa hivoaka izany Dago fa efa ankatoavin’i SADC hi!hi!hi!!!manantena tsy misy no sarotra
    fa ny mamoy mora foana.Mapmė be!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *