TSY MISY FITSAHARANA…ny fisamborana, fitsarana, fampihorohoroana, fandrahonana, ramatahora

emmo-famoretana

Nandrahona ny mpampianatra ao amin’ny SEMPAMA ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena fa hanapaka karama sy handroaka ireo mpampianatra mitokona ny faran’ny herinandro lasa iny. Tsy tsapan’ireo “mpitondra voatendry” ireo mihitsy fa ny nifanohitra amin’ny zavatra heritreretiny foana no nitranga teto nandritra izay telo taona mahery izay. Marina fa nirirotra, tsy mety tapitra, izao krizy izao noho izany fisainana mirefarefa amin’ny tany izany. Mahatsiaro ho sorona, amin’ny tsy famahan’ny mpitondra ny olan’ny mpampianatra ity ny mpianatra ka dia nihetsika ihany koa nanomboka ny alatsinainy teo. Nahoana tokoa moa izay nitaky rehetra nahitana vola ampolon’arivo tapitrisa maro tao anatin’ny fotoana fohy nefa ny an’ireto mpampianatra ireto tsy rarahiana? Nampihorohoron’ny ao amin’ny “emmo sécurité” tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso, ihany koa anefa izy ireo. Tsy fantatra aloha ilay voasambotra na mpanararaotra tokoa na mpianatra fa dia nisy indray koa izany ny fisamborana.

Ny mahavariana amin’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena ihany koa dia ny nanambaran’ny ny namana mpanao gazety ao amin’ny onjam-peo tsy miankina iray ho mpanao didi-jadona  sady  tsy manana ny fahefana andrahona ny mpampianatra satria voatendritendry ary tsy namono ny voay ka tsy tokony iravaka ny vanginy.

Nambaran’ity namana ity ihany koa fa ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, hono, no mpanao didi-jadona tamin’ny mpiasam-panjakana. Antony iray nanonganana azy, hono, izany. Fa angaha moa nisy mpiasam-panjakana nankeny amin’ny 13 may tamin’ny 2009?  Ny miaramila tao amin’ny CAPSAT, izay tsy ampaha-firin’ny  mpiasam-panjakana,   no nanongana, ary tsy teny amin’ny 13 may.

Ka tsy ny famakafakana toy izany no hahazoana ny fon’ny mpiasam-panjakana fa atao ambonimbony kokoa sady tsy ny olona no iaingana fa ny zava-misy marina.

Mifanandrify amin’izay koa ny fitsarana ireo telo lahy nosamborina teo Ambohijatovo, ny asabotsy 21 Aprily 2012, andro saiky nanaovan’ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita sy ny kongresin’ny Tetezamita tatitra tamin’ny olompirenena malagasy. Niaraha-nahita ny fanipazana baomba mandatsa-dranomaso tamin’ireo “mpiara mitantana” ao amin’io fitondrana io.

Navotsotra izy telo lahy satria toy ny olompirenena rehetra tonga teo izy ireo, saika nihaino ny zava- nisy marina na nolazaina aza  fa nanompa “mpanakorontana olona milamina” izy ireo.

Endrika fanaovana ramatahora ireny tranga ireny satria ny mpisambotra moa dia irony “tandroka mpiaro ny be vozona”, manao saron-tava mainty mitaingina ny fiaran’ny “emmo sécurité” irony. Asa raha mba nijoro tamin’ny fahamarinana ny mpitsara na tsy nisy teny midina, na tsy nanam-potoana namoronana “dossier” na ahoana fa dia afaka nohon’ny fisalasalana  izy telo lahy. Tonga teny amin’ny fitsarana raha teo moa ny nahatsiaro tena fa samy teny Ambohijatovo ihany izy sy ireto nandalo fitsarana ireo.

Mbola ho avy ihany koa ny fitsarana ny Filohan’ny Kongresin’ny Tetezamita, Rakotoarivelo Mamy, amin’ny 18 May 2012 nohon’ny raharaha “marais masay”, mbola resaka baomba koa io.

Tsy mbola nisy eran-tany ny manam-pahefana (autorité) amperin’asa ka tsaraina na anapoahana baomba mandatsa-dranomaso.

Ka rahoviana vao hitsahatra izao fisamborana,

fitsarana, fampihorohoroana, fandrahonana sy ramatahora misy eto amin’ny Firenena izao? Tsy maintsy misy farany anefa ny zavatra rehetra eto an-tany fa tsy misy maharitra mandrakizay.

24 pensées sur “TSY MISY FITSAHARANA…ny fisamborana, fitsarana, fampihorohoroana, fandrahonana, ramatahora”

  1. Accusation gratuite contre Mamy Rakotoarivelo, puisque ce sont les copains des putshistes eux-mêmes qui avaient imaginé ce scenario débile !

    IL FAUT TROUVER UN MOTIF D’ACCUSATION, COMME QUOI MAMY RAKOTOARIVELO TRAÎTRE, MAMY RAKOTOARIVELO TERRORISTE, MAMY RAKOTOARIVELO ASSASSIN, ETC….

    Eh oui ! N’avait-on pas déjà entendu ce genre d’âneries quelque part en 2009 ?? On connait la musique !!!
    L’explosion était telle paraît-il, que la voiture de domelina fut soulevée par le souffle ! Mais nous avons encore en mémoire les photos qui ont été prises, OÙ L’ON POUVAIT VOIR LA PIERRE AINSI QUE LES HERBES QUI AVAIENT SERVI A CACHER LA BOMBE !!!
    HI HI HI !!!!!!!!! MDR !!!!!

    Autre chose !!

    http://www.presquaubout.fr/article-des-fran-ais-vont-porter-plainte-contre-sarkozy-a-la-cpi-et-vous-invitent-a-les-contacter-au-06-83-2-100603992.html

  2. Ao amin’ny geostrategie.com, no afaka mamaky an’ilay izy fa toa tsy mety ity napetrako !!
    Asa na mba iza no mpitarika an’ireo frantsay ireo ???
    Ary ireto gasy mpanongana hono mba ho atao inona ? Mpanjaka eny amin’ny Rova sa…??

  3. Misy toearana roa sahaza azy ireo Kintana a!
    1-Any @ 18 ( tsy Paris io a!) hi!hi!hi!!!!!efa hainao ihany!!
    2-tarisina @’iny sangany iny eraky ny arabe, na Tsiafahy aza tsy sahaza ny olona toy ireo akory fa mbola
    MIAJA LAVITRA raha ireo no atao any, any @ ranon-kapa no tokony SAHAZA ireo tsara ahatsapany fa olona
    tsy misy DIKANY IREO FA FAKOFAKONDRAHA, ary mamono ny HASIN’i Gasy fotsiny MANALABARAKA!!!

    Aleo aho sy hiteny intsony ny momba an’i Mamy.R fa sao sanatria ka mandatsa na sanatria koa hoe: manenji-dresy.
    samy mampalahelo no mahasorena mantsy ny ZAVANISY koa aleo mangina , mahereza e!! dia tandremo @ sisa.

  4. Bin soara daholo aloha e!!! Tonga tsy manao manao ahoana , moa lasa tsy manao veloma ….

    Fa ahoana ihany ary ity mitaraina lava ity e ???
    Tsy efa andron’ny HETSIKA hisamboarana an’ilay Domelina io ve izao e ???

    Tsara dia tsara ilay manao grevy, ary tena mamporisika aza, fa raha ny tena marina, dia atao mazava toy ny lehilahy SAHY MIADY amin’izay kaaaa!

    Ny ankizy efa miantso ny Vahoaka sy ny Ray aman-dreny.
    Esty andaniny koa, efa mivonona ihany hiatrika ny 13 Mai, ka nahoana no tsy avy dia darofana any ireo tsy vanona ireo ???

    Hatramin’ny Mpianatra kely tsy manan-tsiny ery no ampisehoana miaramila mitondra fiadiana.

    Alefaso ny RODOBE ray olona a!!! 😉 nefa moa ….mora tenenina ihany koa e !!!

    Izaho manokana dia manantena mafy fa i Mme Naika Eliane no hitarika ny Delegation Hihaona amin’i Francois Hollande ary koa,
    Ho Fanilo hifampiraharaha amin’ny Miaramila hampiverina azy ireo amin’ny ARA-DALANA? KA TSY HO MIARAMILA VOAVIDY INTSONY !

    Asa izay mba hevitr’i KM amin’izay ???

  5. Toatoa ny mivaha ra-Solo an!

    Araky ny vaovao omaly, dia mikaon-doha i Domelina mba hi-résoudre ny hetahetan’ireo mpitaky rehetra?????!!!!!!!

    Taoky ‘ty ny bala mbola betsaka ny ao @ stock n’ireo miaramila.
    Ary ny CEMGAM toa hendratrendranana amin’ny Y-A-PAS

    Sa efa mihena hatrany @ éventuelle importation. Ny governementan’i Sarko mpamatsy efa tsy ao, moa i Hollande mbola sahirana (asa anga) amin’ny transition-ny?

    IZAO NO FOTOANA AN
    AZA MISY REBIREBENA AMIN’NY SOLUTION à C O U R T T E R M E
    ARARAOTY ARARAOTY

  6. Njara
    Milay be izany vao2 n’i dà izany marina! naka toerana mihintsy bavy.
    Dia ahoana no i Kintana ihany no hanontanian’là izahay koa eto daholo an!
    Nanao olona tsinontsinona loatra ilay sarkalika iny ka avelao ho fantany fa tsy azy ity tany ity, tsy voavidin’izy sy Broni,
    iny kôksany iny,tsy hoe nahazo tsara tarehy izy dia hanao tsinontsinona izao tontolo izao???PV sarkô!!!!MATATESA!!!

    Taitra ny olona tsy mba taitra koa taitra irery vao…………….kenda vy vomanga nasesiky ny tanany ireny ry Hoaiza a!!
    ny vava no tsy hatao be !!!!!aza misy manaiky raha tsy tarisina eraky ny ARABE iny domelina iny miaraka @ bomba
    sy zanakisoa.efa nisy NITANDROKA izany i zanakisoa tany @ fitsarana ,aza avela misy hiala maina eo.
    Roasy any ireo alikan’i Renikely ireo fa mamono ny Gasy fotsiny, atero any @ domelina any fa izy no mila ireo.
    LASA IZAO TSA MIPODY KOA!!!!

    Raha vao mipetraka ny fitoriana an’i Sarkô dia efa manaraka ny MPIRAY PETSAPETSA REHETRA! hatrany @ BDR sns!!

  7. Eisy a itony Rana anabavin-dry zalahy nomen’ny Verbeeck ronono nampitondranay avy tao @ bourse be nay e!
    Mba nilaza t@n-dRabe ianao Rana farany teo, woe mamela ny helony fa tsy fantany zay atoany, kanefa manao taribato vilambava, miantso haine sy violence lava eto miaraka @ Njara dontobe be, mandrevirevy an’i Hollande, kanefa inona no tsy nataon’ny Gasy Tena Trotraka(GTT) taty, fa nataon’i Hollande tohatra fiakarana fotsiny, nifidy azy. Ireto woa mody fanina fa fantany tsara fa tsy hahita mangirana @ Frantsay eo izy na gauche na droite, ary tsy Hollande mihitsy no hamerina an’iny Raosy DROITE CAPITALITSE LIBERAL nangoron-karena sy nampahantra ny tsy manana, fa nampanana ny manana, de Hollande velively no hi-favoriser olona tsy tia Frantsay sy hamono Frantsay.
    Inona zay tsy natao zay ry NJARA vena a! telo taona mahery zay, firy ny grevy tsy natrehan’ny zandry, fa zakany foana? tsy misy famatsiam-bola, tsy afaka ny hanatanteraka izao caprice rehetra izao, ary ny SEMPAMA sy ny MPIANATRA mpomba an-dRaosy, manery ny ankizy mianatra higrevy tao @ Sainte Famille, ka rehefa nanda ireo, de notoraham-bato ny fitaratry ny fianarany, de aleo ataon’ny R-BOMBE mamay any na iza izy na iza refa tia ady sy be mokondoa! ny mahagaga amin’ireny te hanakorontana ireny, de tsy mijanona eo, raha tena mafibe, fa manao ankoholahy fataka mitari-dositra, kely endaka. De maninona no vava no betsaka, fa mandehana mankany Ambatobe na eny Ambohitsorohitra raha mila an’ilay jeune Kely tsy laitranareo manana force tranquille tsy ho resinareo na ovinana naoviana, na inona atao na inona. Raosy woa, mitovy kilasy @n-dry Ben Ali, Moubarak, Kaddhafi… efa nataon’ny gasy bye!bye! tsisy fika intsony, de aza mandrevirevy ry sagnagna, fa na ny CI aza, tsy miraharaha anareo intsony. Aiza ty zesta be taloha woe, aty an-tananay ny laklen’ny reconnaissance, sy Raosy be Zesta woe, izaho no mibaiko ny mpamatsy vola de mivaha io.
    Efa manakaiky ny fifidianana e! hanampy ny UE zay nanao fihetsiketsehana tao @ Hotel de Ville namboarin’ny Zandrinay omaly. De bye!bye! ry sagnagna isany a! mandehana ndray mihinana GARANADRELINA @ Sabotsy, tahaka an-dRamamy tsy mahay miania! manandrama foana zay tsy mbola nahita e!

  8. Mandehàna mamitra ny taim-bazaha ao amin’ny FIAP ry Raintay a !

    Allez ! Ouste ! Dehors !

    Kely sisa dia hoasianay mitelina an’iny satroka kôfboay efa masiso, entina mi-zesta eran’ny vodi-trano iny Rainitay !!! Anti-môla, tsy mbola vokin’ny tain’i Deba ihany ???

  9. Vary mora, menaka mora, tany mora, trano mora, saran-dalana ( air mad ) mora, vola mora, v. mora !!!
    Ho tonga maro hono ny vozongo klôsara fa matsiro loatra ny mofo gasy !!
    Tsy misy vola intsony hono, any ka voatery nahena 40 % HONO ny bidze, dia varotana DAHOLO izay azo varotana ! Izany no nividianana erabisy, mba hitanterana an’ireto tendakanina ireto !
    Rehefa lany ny BDR dia BDR hafa indray no amidy !
    Bonda ! Bonda ! Bonda !
    Manonofy rabemiasma !! Hi hi hi ! Paderekônesansa IZANY eo !!!!

  10. Tena milay be ireo fiara nomen’i Andry kely ny mpitandro ny filaminana. Tena ilaina mihitsy izany mba hanamontsanana tanteraka ireo zanak’i dada tsy misy saina ireo.
    « Ry miaramila mpiaro ny tanindrazana! poteho tanteraka ireo valomananiste mianatra ny miadaladala ireo! »

  11. Ny zavatra hitako dia lasa manankarena tampoka izany ireo akaiky ny fitondrana tsy menatra intsony fa saingy mba fetsy ka any ivelany no apetrany ny volany mba hivantanany rehefa mandositra izy mianakavy

  12. Poteho poteho tanteraka ! Izany sisa no mba vavan’ny tsy mataho-tody rehefa tsy mahazo REKÔNESANSY !!!!!

    HISY RÀ MANDRIAKA ETO RAHATOA KA TSY LANY AHO !!!!!! KIF KIF BORIKÔ !! TSY MAHAGAGA !!!

    POTEHO TANTERAKA NY MALAGASY 90 ISAN-JATO Ê !!!!! ANY AMINAREO NY BASY, DIA OMEO KARANA SY VAZAHA LANY MOFO DAHOLO NY TANINDRAZANAY !!!

    MBOLA HANENENAN’IRETO FOZA IRETO ITY VAVANY !! IANAREO VE RY MYDAGO, EFA ATAONY HOE POTEHO TANTERAKA, NA NY HAVANAREO SY MPIRAY TANINDRAZANA AMINAREO, DIA MBOLA AVELANAREO MIREDIREDY ATO FOANA IREO FOZA IREO ?? SA IANAREO KOA MIRAY KAOMIBERAKA AMINY ??? SA IZANY NO ATAO HOE DEMÔKRASIA MANARA-PENITRA ????

  13. Mitovy ny feon’ireto alikakelin’ny frantsay izay fehezin-drajoelina :
    -hoy dolin ;  » Tsy hanova ny politikam-panjahana ny frantsay ,indrindra eto Madagasikara.Dikany : eto foan izahay ,satria lafrantsa no mibaiko sy mitantana eto M.sikara.
    -hoy i kirikisoa : »Izay tiako atao no ataoko ! Ny frantsay no manohana ny asa ataoko ! »
    Dikany : Izay lazain ‘i Berizky dia rivotra ,fa ny frantsay notompon’ny laka ..
    -hoy ilay manoro vohina : » Ny frantsay no mandoha ny karaman’ny mpampianaztra , ka toa ny mpiasan’ny ozinina izy ireo ka tsy maintsy mampianatra ary tsy maintsy mitondra ny mpianatra hianatra ! »
    Dikany :anjaran’ny mpampianatra no mitarika ny mpianatra hianatra ! Raha tsy tanteraka izany dia tsy mandoha karama ny frantsay..

    Ireo mpanongam-pankana dia tena miankina amin’ny frantsay ! Ary ho azy ireo ny frantsay dia tsy mahita afatsy izy ireo..
    Any ka feno toky ary manantena izy ireo fa tsy hiova hevita ary hanaraka an-tdakiny sy an-davany ny politikan’i sarkozy !

    L’espoir fait vivre les imbéciles !

  14. oh radenise oh!toa tratra ndray androany ireo nikasa hamono zaza mpianatra teny andalana teny e!iza ndray ireo?OMEO SOPAPA §BE NDRAY NY HISITRIBELONA RADENISE OH§

  15. François Hollande :

    « Je romprai avec la « Françafrique » en proposant une relation fondée sur l’égalité, la confiance et la solidarité. Je relancerai la francophonie….. »
    Extrait de l’interwiev donné par le Président HOLLANDE am magazina Afrique-Education

  16. Tandremo rehefa manao pikinika eny ambony bozaka, fa tia mitsofotsofoka any anaty lavaka ireny an !

  17. Sady ny andro efa mafana !!!Hi!hiHi!!!!

    Misy hamerina 100 Milliara atsy ho atsy !!!maty aho vola be!! izay hifanoseany any fa tsy azy Mada,
    ary hitako domelina no may volo-tratra, hitsaoka aiza???boribory ny tany !!!tsy ho aiza eo!!f’
    Raha ho potika aza i Mada ireo Mafia ireo tsy hamela ny volany ho VITAVITA ho azy eo .

  18. Efa hatramin’ny 2009 ry Rana no nilaza ianareo fa hitsoaka Andry. Fa iza tena mpandositra manao ankoholahy fataka, saro-tahotra, kanefa teo an-tanany ny fahefana, tsy Raosy ve? Jereo ane Zandry e! na inona na inona, tsy mihontsina izany velively, tena na de Zandrin-dRaosy aza Andry, tsy afa-mitaha aminy, sur tous les plans, ary na de tsy nahazo fanampiana sy famatsiam-bola aza, mbola vitany foana ny mi gérer ny krizy, na de ny vola be tsy toko tsy forohana notrosain-dRaosy aza, mbola izy no mandoa azy. Tena ho filoham-pirenena hahavita azy io, matotra na de tanora kely aza, teratay hatramin-dRaosy raha vao mahita ny tsanganany fotsiny, ary lalaoviny sy handihizany tanteraka raha mitady hanao barofo. Ampinaniny GARANADRELINA MAMY BE foana reo tsy mahay miaina sy tsy ampy solaitra lian-drà lava ireto! mbola ho aiza ny hahazo e!

  19. Rabe vôpl tena miha mitombo mintsy ny hagegen’sé dia manjary mapimé ny olona fotsiny sisa sé fa tsy mampiakatra tsony an!!! mistsingevana fotsiny @ lé zavatra!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *