VHF TV : hanangana tetezamita vaovao

La Rotonde 16 mai 12 (5)

Nanomboka niseho masoandro androany ny Vondrona Hetsika Fahamarinana ho ann’ny Tetezamita Vaovao na VHF TV. Araka ny fanazavana nataon’ny mpitandrina Ramamonjisoa Philibert izay mpikambana ao amin’ny HMF dia izy ireo no mpandrindra ny asa ao anatin’izany. Vondron-kery tsy mitondra loko politika, izay « fanambaran-kery sy fiara mihetsiky ny tia fahamarinana ho an’ny fireneny » ka ahitana ireo fikambanana maherin’ny 50 no mivondrona ao anatin’izany. Vokatry ny ansto izay nataon’ny HMF farany teo no nahafahana namorona ity VHF TV ity, dia ireo rehetra izay mahatsapa fa tsy azo leferina ny zavamisy ankehitriny. Ny tanjona hoy ny mpitandrina Ramamonjisoa Philibert dia ny ahafahana tena mametraka tetezamita vaovao sy mari-pototra, tsy miadany, mitsitsy ary mitsinjo ny vahoaka amin’ny alalan’ny fifandanjan-kery vaovao mba ahafahana hanomanana fifidianana madio sy marina ary eken’ny rehetra.Efa voarafitra hoy ny fanazavana ny vontoantiny tetezamita vaovao, ary efa misy organe iray ihany koa hapetraka ho hery hanatanteraka izany, fa tsy iandrasana ny mpitandro ny filaminana.Nambaran’izy ireo ihany koa fa tsy vahaolana ny tondrozotra fa mainka aza manamafy ny fifadirana efa nisy teto, ka porofon’izany fa na izy samy mpitondra aza tsy mifanaraka. Tsy misy afa tsy ny fifamelana, sy ny fihavanana ka ahafahana mametraka tetezamita vaovao no ivoahana amin’izao krizy izao, ary mbola tsy tara izany hoy ny VHF TV. Ny zavatra tsy aritra dia ny hoe toa samy maka ho azy na ny vondron’ny mpanohitra na ity VHF TV ity kanefa dia iray ihany ny tanjona. Raha ny tsikaritra anefa dia ireo olona izay voailika tao anatin’ny fikambanana na vondrona politika nisy azy no tafaray ka mampitovy tadin-dokanga.

13 pensées sur “VHF TV : hanangana tetezamita vaovao”

  1. Mahaleova mahalasana ê: tsy arakay an
    Nefa ihany aleoko mahita anareo ry Pasitera courageux isany!

    Sao mba misy afaka milaza ny VOKARIn’i Maître Iavoko,
    amin’itony fivoriana ataony: « formation technique spirituel moral »

    Aiza ve koa nanao kung fu,
    tokony ho lasa tandroka aron’ny vozona manoloana ny zava-misy,
    de hitako hoe TSY-MI-PRODUIRE an

  2. Sao dia mba ho voasambotra eo indray ry zareo a!!
    Iza sy iza avy anefa aloha no mikambana @’io fa sao DIA????
    miala Ankatso dia Ambohidempona???ny hitsinjo2 ny maty hono mba tsy handevenam-belona.
    Ka aleo manontani2 foana toy izay manao2 foana???mba omeo kely ohatra ary izahay e!

    I Avoko toa misy zavatra tsy dia mazava ny aminy??miaro ny tanindrazana izy sa miaro ny RAMBONY???

    Ary iza ity madame Rose , voasoratra @’ilay lisitra nivoaka t@’ ilay lahatsoratra ny antony nahafaty an’i
    Topokovavy Nadine dia i Seheno???

  3. veloma veloma ry zanaky DADA! VELOMA VELOMA fa efa tsy tafa….
    na itodika avia na itodik avanana de tsy mamakatra daholo.
    Jereo ny sefon ny bandy sy rola miendrika sarim-bavy taloha (joela lava nify!!!)
    lasa tapis rouge any am be kintana fa i DADA 8 tena sarom-bavy sady tsy tafody no tsy heno tsony no adino ao ATSIMO Ao!!!!

    Mionona lesy fa raha mbola fitondrana jiolahim-boto sy ny miaramila sy ry RATSIRAHONANA , RAMARSON , MARSON EVARISTA SY NY ZANANY, RY MOUNIBOU SY NY TARANANY, DE VELOMA DAOLO DE ADINOI FA NY ADY PACIFIKA TSY HARESEN zanaky dada zany dory amen.

    Ry ranavalona zany moa tsy mba mahavaly ny commentaire napetrako alina, be vava toy ny zanaky dada rehetra fa tsisy apoka.

  4. N’ESSAYEZ PAS DE TROMPER , DE BERNER LES MALGACHES :IL N’ Y A QU’ UNE TRANSITION , CELE ISSUE DE LA FEUILLE DE ROUTE DE SANDTON §

    La lutte que mènent les vrais pro-RAVALOMANANA MARC ( ceux ont été derrière lui avant le coup d’état ) n’a rien à voir les raisons , les petits calculs ,les petits jeux et les fika des petits mpitaty ra -kena , des opportunistes ,qui sont à l’affût d’occasions pour pouvoir infiltrer la mouvnce RAVALOMANANA MARC et qui decouvrent bien tardivement ,comme par hasard , la justesse de lutte menée par les vrais pro-RAVALOMANANA MARC..

    Alors ,maintenant que les vrais pro-RAVALOMANANA MARC , par leur volonté , leir persévérance , leur sagacité , leur cohésion , leur cohérence et leur maîtrise de la force dont ils disposent pour éviter de tomber dans les diverses provocations..
    Voilà lus de deux deux aans que ces » mpitaty ra-kena » , ces opportunistes de tous bords ,ont tenté et tentent toujours de dénigrer les dirigeants de la mouvance RAVALOMANANA MARC :Mr RAKOTO NIRINA FETISON a préféré démissionné après l’emprisonnement arbitraire dont il a été avec ZAFILAHY les victimes..: il a été accusé de trahison par des gens qui n’ont ni l’audace ni l’honnêteté s’identifier et qui n’ont jamais dit en quoi il a trahi qui quoi !
    Et actuellement ce jeu de fléchêtes se met à vise Mr RAKOTOARIVELO MAMY et d’autres dirigeants..
    QUEL EST L’OBJECTIF DE CES ATTAQUES DES OPPORTUNISTES ?
    Ces gens pensent et croient que la mouvance RAVALOMANANA MARC ne sert plus à rien..!

    Cette réfléxion dénigrante sous – estime la mouvance RAVALOMANANA MARC ,car ne tient pas compte de l’issue positive du combat contre les putchistes, actuellement en perdition car ils ont perdu leur soutien principal ,c’est-à-dire leur commanditaire attitré.Alors les putchistes vivent d’ngrédients( (arrestations arbitraires , reprises des procès qui n’ont lieu d’être , intimidations par des éléments des forces armées qui sont visiblement en voie de regression..).
    Ce recul inéxorable des putchistes est la conséquence de la lutte des pro-RAVALOMANANA MARC
    -au MAGRO et à BEL’AIR et d’autres VILLES telles ANTSIRABE ,MORAMANGA , TOAMASINA..
    -ses tracatations , des négociations effectuées inlassablement par le Président RAVALOMANANA MARC sur le plan diplomatique
    …Oui ,bientôt ,la première phase de lutte des pro-RAVALOMANANA MARC contre les putchistes va être couronnée de succès car les bases de la transition consensuelle et inclusive vont être mises en place-et cette nouvelle transition attendue va clarifier la situation surtout avec l’application rigoureuse et obligatoire de tous les articles de la feuille de route..avec l’aide de la SADC , des Nations-Unies , des USA , de l’Union Européenne..!
    …La deuxième phase de notre qui découle automatiquement des résultats de la première phase et se concrétise par
    – le retour de la sécurité et de l’ordre publics
    – le retour du Président RAVALOMANANA MARC et de SA FAMILLE au Pays
    – la reprise desaides financières et techniques pour le développement et l’amélioration des conditions de vie des Malgaches..
    … La troisième phase peut être envisagée : la préparation et la tenue de élections..!
    Il est normal même si c’est malhonnête que des associations naissent soudainement ici et là et se disent pro-RAVALOMANANA MARC ,car la fin de la lutte est proche et chacun veut en être le » vy nahitana « , l’inspirateur , le combattant actif et irréprochable.., même s’il n’avait pas du tout participé de près ou de loin à cette lutte..!
    Alors pour démontrer que ces » usurpateurs de lutte » sont des vrais membres et des vrais combattants de la mouvance RAVALMANANA ,ils accusent les dirigeants de traitres , de poltrons ,de mous , menteurs..

    N.B.:Je rappelle que la feuille de route est un traité international , donc cautionné par la Communauté Internationale et a la force et la vigueur d4une Loi !Elle ne peut ni être abrogée , ni être remplacée !
    La transtion naît de L’APPLICATION DE CETTE FEUILLE DE ROUTE SIGNEE A SANDTON !

  5. Niainga avy any @ ndao ndao ry maître Avoko ary nenjehin-dry rakotozafy mirana ho fofoina ny ainy noho izany
    Taty aoriana tarihiny ho eny an-tendrombohitra ny olona hivavaka

    Ankehitriny raha io hevi-bavety io, dia : mampianatra théorie ny paik’ady tokony hananana ry zareo

    Tandroka aron’ny vozona, tonga dia opérationnel no tadiavina
    __

    Hay FANONTANIANA daholo ihany mila valiana @ TAYm-bava ihany koa
    no apetrak’i RakotozafyMirana-TGV-denise eto?

  6. ho any RAKOTOZAFY be vava itony ilay olona mivadivadika ohatra ny tanala omaly ravalo androany tgv mitovy fisainana amy VENDRANA tsy hitovy velively ielahy io amy GUY MAXIME na ZAFILAHY na MANOELA ireny no tena mpitondra satria tsy napidy kizo ny vahoaka tarihany tamy asabotsy teo ny miaramila tsy nietsika ka inona no atao ny mouvance RAVALO ve no anafika ireo ny tiany rakotozafy rila rama sy ny be taimbava rehetra dia korotana sy hifamono ny MALAGASY samia misaina ary hevitro manokana io

  7. Ny zavaniseho t@’iny dia izao
    Rehefa teo ireo hiraky ny SADC dia tetika hafa indray no nataon’ireto alika
    mody tsy nisy nihetsika ry zareo na dia hita aza fa nibahana fa ny ELAKELATRANO rehetra tany indray no
    saika hanatanteraka ny asaratsiny, tsy kely lalana ny ratsy ary vao maika aza loza fa saika tany daholo ireto
    olona indray no notsiponiny na asa saika hatany inona??fa ny vahoaka tsy nisy nahalala fa FANDRIKA BE NO
    niandrasan’ireo Tsivalaara ireo ny vahoaka, ka izay no tsy maintsy nadraisana FEPETRA HAINGANA niala teny.
    fa ny ahy fotsiny dia hoe: tokony niandry nanambatra ny hery ny alahady dia tsy NISEHO IRENY ZAVATRA IRENY.
    « Tsy nahandry ny andro a ZOMA hono no tsy nanirian’ny nifin’ akoho » mino aho fa mbola nahaomby noho ireny ny
    alahady raha tsy nisy iny SABOTSY iny, nefa moa iny efa natao dia izay vity dia vita e!ilay olona voasambotra fotsiny
    no nampalahelo ka tsy fantatra izay hiafarany any indray aloha.

  8. TSARA ILAY FINIAVANA FA METY HO ANY ANATY LAVAKA NO HIAFARANY, ALEOKO IHANY MIJERY ANAREO PASITERA …FA MATOA IANAREO LASA ANTOKO POLITIKA …MITADY TOERANA KOA IZANY….SA MATAHOTRA NY HO VOASAMBOTRA? MILAZA FA HOE TSY MISY VONDRONA POLITIKA NEFA HITAKO EO IO MPITARIKA NY GJMR(Groupement des jeunes mouvance Ravalomanan) IO I RANDRIAMANANA MISOA;SADY TOVOLAHY FETSIFETSY RATSY IO KA SAO DIA HO SIMBA EO IANAREO MIARAKA AMIN’IO RANGAHY SOLASOLA TIA VOLA BE IO; TOKONY HO TSARA NY TOERANAREO FA ILAY OLONA MIARAKA AMINAREO ANGE ZAVATRA TIA VOLA BE TAFAHOATRA E! SADY TSY A LA HAUTEUR MIHITSY; HO VOAFITAKA EO IANAREO PASITERA IO FA MBA FIDIFIDIO IHANY IZAY ATAO NAMANA E! IZAY VONONA FOANA HANAMPY ANAREO FA IZAO MITENY ITY IZAO DIA EFA NISOLOKIAN’INY OLONA IRAY INY VOLA OHATRINONA; SADY IZAHO TSY OLON’OLOM POANA TOMPOKO O

  9. KOA DIA MBA MIANGAVY AHO, ESORY TAO IO FANETRIBEN’NY FIRENENA
    MADAME DORA MOUVANCE RAVALOMANANA

  10. Na tetezamita zato aza no atsangana eo dia tsotra ny tadiavin’ny vahoaka :

    « Aoka hitovy zo ny malagasy rehetra »

    – Avoay ny Gadra Politika
    – Afaka Miverina ireo voasakana rehetra any Ivelany
    – Malalaka ny safidim-bahoaka

    Tsy teteza mihita izany no tena tadiavina fa ny fitovizan’Zo ho an’ny rehetra

    Fandrebirebena avy tany @ Sarkozy teo aloha no nahatonga an’i Madagasikara toa izao

  11. Prezidà « normal » toa an’i Hollande koa no tadiavinay, fa tsy Prezidà « anormal » mba tsy hitenenana hoe domelina sy mitapy !
    Sa tsy izany ry PSD ?

    Parlemantera « anormal », ministra « anormal », miaramila « anormal » ary mpiasam-panjakàna lasa « anormal », SATRIA NY PREZIDÀ « ANORMAL » !!!

    NY VAHOAKA KIVY SY MATAHOTRA, ANY KA LASA VERY HASINA, SAINA SY TADIDY ! « TSY NORMAL » !

  12. Iza @’ireo ilay kisolasola loha lazain’i Dora??misy 2 sa 3 mantsy izy ireo??
    azafady raha tsy mahadiso Tompoko??

    Aoka aho tsy hiteny betsaka ry Kintana! izay anie no nahatonga ilay Fozaorana e!!rehefa tsy izy dia fozaorana.

    Tsy isika irery no miandrysy mitaky ireo zavatra 3 ireo ry Paris fa efa izao tontolo izao mihintsy a!!fa saingy manao be
    marenina ny foza anie e!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *