26 jona Antsirabe : niharan’ny antsojay ny zanak’i Dada

SONY DSC
Nosakanan’ny be bôtin’ny Lehiben’ny Faritra tsy hilahatra ny zanak’i Dada tao Antsirabe izay efa tonga maro  teny amin’ny kianjan’ny fahaleovan-tena.
Izay mpitandro filaminana avy nilahatra tonga dia nentina tamin’ny fiara vaovao mba hiatrana ny zanak’i Dada.
Toa ny gasy samy gasy indray ity no mitady hifanjanaka; loza mitatao amin’ny firenena ity fisehon-javatra ity. Pendina ery ingahy Lehiben’ny Faritra niantso sy nilaza fa an’ny Malagasy ny fetim-pirenena ka tsy hanavahana na iza na iza,  rehefa tena notongavan’ny olona vao tora-kovitra sa taranaka PADESM ihanykoa?
Ny soavaly aza nahazo nilahatra fa ny olona tia ny tanindrazany nosakanana teto Antsirabe.Nimenomenona ny vahoaka sendra anay ka vaky vava ny hoe : « nahoana raha Remenabila no anaovana angaredona fa tsy ny zanak’i Dada? »
Nanatrika teto moa Andriamatoa Mamy RAKOTOARIVELO Filohan’ny Kongresin’ny Tetezamita,
Andriamatoa Botozaza Pierrot Praiminisitra lefitra, Andriamatoa Rolland RAVATOMANGA Minisitry ny fambolena, Ramatoa Olga Ramalason Minisitry ny varotra, Ramatoa Ihanta ANDRIAMANDRANTO Minisitry ny fiompiana,
Ramatoa Hanitra RAZAFIMANATSOA Filoha Lefitrin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ary ireo CST sy CT avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana.
Nilahatra nihazo an’i Magro avaratsena ny zanak’i Dada rehefa nambenana tamin’ny basy fa ny tena nahatsikaiky dia mbola narahin’ireto mpitandro ny filaminana hatreny avaratsena.
Teny ireo vahoaka marobe no niandry ireto manampahefana ireto ka tamin’ny fety makotrokotroka no nitsenana azy ireo teny ambavahady.
Nandray fitenenana teto Andriamatoa Botozaza Pierrot Praiminisitra lefitra sy Andriamatoa Mamy RAKOTOARIVELO Filohan’ny Kongresin’ny Tetezamita ary samy nanamafy fa ny zanak’i dada dia tsy mihemotra fa mandroso hatrany ka na misy fihaonana na tsisy fihaonana i dada tsy maintsy mody ary tsy maintsy mirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena hitondra an’i Madagasikara indray ka mitohy ny tolona mandram-pahatongan’i dada.
Notsindriany mafy teto ny fihetsik’ireo mpitandro ny filaminana fa mbola ho avy ny andro ka amin’izay fotoana dia izy ireo indray no hijery antsika hilahatra.Nampahery ny vahoakan’Antsirabe ireto Delegasiona ireto ary nanafatra ny hanohizana ny tolona.
Nisy ny fizarana vatomamy ho an’ireo olona rehetra tonga teto ho mariky ny fiaraha-mifaly
Ny sabotsy izao dia efa hifamotoana etsy amin’ny Magro indray ny mpandàla ny ara-dalana.

16 pensées sur “26 jona Antsirabe : niharan’ny antsojay ny zanak’i Dada”

  1. Ny andro ririnina dia mbola vatomamy ampihetsika olitra indray no zaraina ve
    ray olona a???tsy naleo aza tapa-mofo???ary taitra i Botozaza tato ho ato fa misy inona???
    izao aho vao nahita ilay io mba niloa- bava, efa mampiteny ny moana mihintsy ilay toe-draharaha marina moa!!!
    dia inona ny soa azon’ireto foza t@’izay sotasota kely tsy dia makaiza izay??efa tena marary andoho izato izy fa
    irin-kofaty vao ela velona ny mpomba an’i dada ka TSY ZAKAN’NY LOHAKELY.Voa milahatra anie izahay fa tsy mbola
    mannona e!!!aza mbola mikoropaka sao vita alohan’ny tantara eo ry foza a!!
    I bomba avy nanadio tarehy tany an-dafy fa tena nadiodio ilay panda a!!dia ilay volo e!!!hi!hi!hi!!!noalamaina mihintsy,tery @
    18em Paris tery angaha i JENERALY no niantsena fa eny no betsaka fanatsorana sy fanafotsiana .efa ho atsasakadina @’io
    mbola tsy nisy fanontaniana voavalin’ilay tsivanona t@’ilay invitė de zoma, nanome litika fotsiny ny anareo dia naleoko niala.

  2. MAHAFINARITRA BE – IZAY SOTASOTA TSY MISY ANTONY – RAHA TSY NANAO AN’IRENY NY BE BOTY DIA TSY METY INDRAY – IZAY NO MARIKY RIZAREO E ! SAMY HO TRATRY NY FARANY DAHOLO E

  3. Ho tratry ny faran’ny inona Raozy???
    Misy misitery ho ahy ilay voalazan’i » NY MARINA IHANY » t@ 10 mars 2010 17h28
    Mydago » Mijoroa hanohitra ny fangejana » .Hitanao ve io Raozy???toa mifandray @’io mantsy ny zavatra lazainao
    matetika eto, ary ilay tolona eo @ Magro koa raha vao resaka hery dia tsy vanona foana, ary lasa filamatra mihintsy
    azy ny milaza fa HETSIKA AMPILAMINANA??efa fambara maromaro koa izay fa tsy vao io olona io ihany fa eto moa
    ny azy tena nazava tsara ny filazany azy fa saiky MIFANTOKA sy manamafy io voalazany io daholo izay heno avy @’ireo
    olona izay nomen’TRA izany soavana sy BITSIKA izany.
    aleo ary isika Hangina hivavaka fa Antra hiady ho antsika . Amen!

  4. Raha ny sary aloha dia betsaka tokoa e, fa ny olona kosa dia vitsy araka ny mahazatra! Isaorana etoana ny mpitandro ny filaminana nahay nampihatra ny lalàna. Tena niasa mafy tokoa izy ireo ka mendrika omena valin-kasasarana. Ireto zanak’i dada ireto manko dia tena manatalenta amin’ny fanakorontanana sy ny terrorisme, ka tena nety ny nataon’ny mpitandro ny filaminana. Nahazo lesona tsara tokoa zay ry forongon-dRavalo. Tena nety ny nataonareo ry miaramila fa tohizo hatrany a!

  5. Mangina ialah fa izahay sy Raozy no miresaka,
    efa fantatro mihintsy fa tsy maintsy hitsivalana eo i Kintana,
    Asa raha fantatrao Kintana fa namoaka FILM i Avoko talohan’izao FAHAVOAZANA izao hoe
    « MIFOAZA ry MALAGASY » saingy « NISY NIHAINNOOOOOOO….?koa ny efa kenda roroka daholo izao vao hoe
    DOMY AHO RANAOTRA ary eto vao mifanome tsiny ampitoerana daholo, EFA TARA!!ny voalavo efa an-tanantsaka!!
    ary aoka ianao HINO fa MANANKASINA ny GASY ka tsy mahagaga ny fisehoan-javatra toy izany fa na izaho izao aza
    afaka mahita izany rehefa tena mifantoka @’ilay finoana fa tsy maintsy mamakafaka hatrany dia arahana tsara ny FISEHONY.
    Nitarika antsika HIBEBAKA i AVOKO fa tsy nisy nihaino ary niseho t@ haino aman-jery mihintsy izy nampita ilay HAFATRA,
    Efa voalazana daholo izao zavatra mitranga izao fa saingy indrisy fa RAMALAGASY BE MARENINA miseho ho be MOKONY daholo.
    Koa tsy naleo ve mba nisoroka toy izay izao e????

  6. fa ngah tsy hoe « fief » na taninareo ndray bira?Mba nanao vacances hoe ry kotovelo a!tsy nasian’olona sira mihitsy fa zatra kobosoroka

  7. Lalàna hiarovana ny mpivaro-pika no hainao ry Denise fa aza dia miboridana imasom-bahoaka fa mba any @ chambre any ihany à!

  8. Tsy voatery an!!pika efa zatra mivelatra tsy afaka hikombona intsony
    na antsaha io na an-tanana na anaty trano io na aiza hi!hi!hi!!!!!ny eto
    @ ity serasera moa dia efa tsy lazaina intsony ha!ha!ha!!!!!!!

  9. Misy voninkazo mikombona rehefa alina ny andro !
    Fa ny ankabeazany mikombona ho azy rehefa malazo ; dia ariana any amin’ny zoridira !

  10. mahafinaritra fa saingy simba ireto be boty sy be basy ny zaza sy vehivavy no anaovany matimkambo hoe miaramila mitana fiadina fa manoloana ny MALASO manana fiadiana ohtranazy dia mihemotra ireto be basy sy tsara fitafiana armee de merde

  11. Ka ilay Malaso anie tsy tena Malaso fa Malaso volendry zareo e!!!
    ka iza no ho samboriny eo ??raha tena hisambotra ireo Malaso ireo izy dia
    ny tenany aloha no samboriny aloha(ny foza io).Itony ry Hajo sns ohatra, ireny no tena dahalo ambony
    latabatra.

    Araka ny efa mahazatra @’ireto foza mpamadi-dresaka ,fetin’ny fahaleovantena hono dia nanao ny nataony
    daholo izy mianakavy tao ampijerena fety tao fa MAHALEOTENA hono, Andriakakiko ianao o!!

  12. Kintana!!sao dia mba ny foza kosa no diso fanantenana tany Antsirabe io e??
    izao mantsy, nanantena angamba izy ireo fa HOMBA azy ireto zanaky dada
    kinanjo ireto sarin’ny dada no nirantiranty ka dia navadiny ny rasa fa nasainy nifoteran’ireto miaramila ilay
    mpomba an’i dada, nefa na izany na tsy izany dia nampalahelo fa soa fa nisy an’i Zafilahy sy Manoela nijanona
    tao @ Magro.

    Ary mba aiza i Njara ray olona ???aza dia maharitra ela loatra ry dà a!!sao hanaraka an’i Bemafohy any ary an??
    Bedy an!!!

  13. Mandalo eo ihany izy ô !

    Mahaleotena sa tena mankaleo ranavalona ? Inty indray ny anao sy raozy ê !

  14. Dia efa azo tsaraina @’izany zavatra izany anie hoe: olona ohatra an’iza no
    nanatrika ity fety teny e!!!Miteny hoa azy ny sary sa….????

    Matin’i Kintana aho fa ity hira ho hiraina indray ity no tsy hita, tsy mety kosa ilay @ 3 fa ovao kely
    raha azo hatao.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *