Arahaba tratry ny fetin’ny reny !

IMG_2102

 

Tamin’ny fandraisam-pitenenana ny vehivavy mpikabary tetsy amin’ny Magro Behoririka, dia samy nitondra firariantsoa sy fiarahabana tratry ny fetin’ny reny hoan-dRtoa Lalao Ravalomanana.

Isan’ny nanamarika izany ihany koa ny fizarana lamba fitafy hoan’ireo vehivavy mihoatry ny 60 taona.

Niendrika fety ny tetsy Behoririka fa tsy nahitana kabary politika mihitsy.

 

50 pensées sur “Arahaba tratry ny fetin’ny reny !”

  1. Dia TENA FALY miarahaba ny Reny rehetra : Ho tahian’Atra hatrany ianareo ary ho lava andro iainana, ka mba hirehareha eo anivon’ny vahoaka sy ny Ankohonanareo tsirairay avy !

    Neny Vadin’Atoa PRM Marc Ravalomanana : Maniry anao ho eo anivon’ny fahaslamana sy ny fifalina feno hatrany Tompoko !

    Tena raitra ary aza manao solomaso intsony moa rehefa miseho vahoaka aky, fa toy ny tsy manaja olona a ! MdRRR !Mmmmman ny lambanao mikopakopaka e ! Gasy oa ka manja e !
    Bisou indray…mmmmmmmhhhh
    Tsy adino ny NAMANA mpanoratra eto / BISOU Mamy BE daholo noho ny fetin’ny Reny.
    Tsy hitanisa sao misy adino ! Bisouuuuuuuu ! mmmmmmh !

    http://mydago.com/wp-content/uploads/2012/06/IMG_2069.jpg

  2. I Lalao Ravalomanana moa no nanolo-tsina an-dRavalo hitifitra ny malagasy tamin’ny 09 février 2009. Azo lazaina fa tena mitovy toetra ity Lalao Ravalomanana ity sy ramatoa vadin’ingahy Ben Ali tatsy Tunisie! Ka izay no tsy namelana azy hody tamin’ny volana février lasa teo. Tena vehivavy nahavanon-doza tokoa i Lalao Ravalomanana, ka tsy azon’ny malagasy leferina ny zava-dratsy vitany. Marina aloha fa manitsakitsaka azy ny vadiny, saingy tsy mampihena ny heloka vitany akory izany!

  3. Fetin’ny reny efatra izay ! Mbola hisy ve ny fahadiminy ? Tsy omeko tsiny izay faly, fa izaho dia malahelo mafy an’i Neny any lavitra, tsy avelan’i satàna miverna an-tanindrazana, ary koa ireo rehetra tsy nanan-tsiny kanefa namoy ny ainy, nandritr’izao fotoan-tsarotra, fanjakan’ny baroa sy ny demony izao !

    http://mydago.com/wp-content/uploads/2012/06/IMG_2076.jpg

    Arahabaina ihany aloha ny reny rehetra, nahatratra izao vanin’andro izao ! Ho lava andro hiainana ; mba ho ao anatin’ny fifaliana sy fahafinaretana anie izany, fa tsy ao anatin’ny tebiteby sy fahoriana lava izao !

  4. Misaotra @ fiarahabàna amin’izao fetin’ny reny izao.

    Ry ranavalona sy baby mbola somokotra mamoha ny cadeau na mikarakara sakafo, sa vao tsy tafaverina avy nivavaka?

    Alaiko an-tsary an-tsaina tsara fotsiny ny fianan’ny vehivavy rehetra … raha i dada no mbola teo!

    Ny teto andrenivohitra alou tsy maintsy nahita aho hoe: fetifety nahitana vehivavy manao tanavou ary misalotra lamba blanc, vente-exposition GOAVANA asa-tanan’ny renim-pianakaviana isany, karazam-b »voninkazo » maniry amidy tetsy sy teroa sns

    BONNE FETE A TOUTES LES MERES légalistes et donc dignes!!

  5. Bôny fety ho an’ny legalista rehetra, niteraka ary TIANA !

    Mampita fisaorana ny aty !

  6. Mamporisika ireo zay afaka manao gravage (copie) an

    « de i neny izay nanoro sy nampianatr’ahy hivavaka » : Wouaw koa à Lilie

  7. Vao tsy ela aho ry HoAiza niaraka….naka sary tamin’i Lillie, raha sendra nandalo taty aminay izy !
    I Bodo indray, dia tena diso praograma izaho sy ilay ranama iray izay !
    Avelako aloha ianao, fa may ny laokanay ! I Ramatoa tsy manao na inona na inona androany !
    Aty moa fantatrao fa sady boto no patrô !

  8. Tsy i Lilie fa i Nanie no tiako nosoratana ! Efa maika laotra, satria « lapia atao nahandro gasy » no kaomandin’i madama ! MDR !!!

  9. Mampamangy any @ madamonareo isany any ê!

    F’ireto mpihira roa samy tiako, mampiaran-peo : Lilie & Sitraka

  10. Farany de farany: aiza i ranavalon’izay ô? Ity ilay duo HIRAintsika roa!
    (efa mba natôtôko teny antsehatra – FAHINY fony mbola demoiselle)

  11. Mbola maka fy tsara aho io fa aza tabaina aloha e!
    Njara
    Tena latsaka ! tena matin’ny hehy aho !!!Vonjeo e!!!!
    Faly aho manana anreo akamako rehetra eto! sambatra be aho!Mankasitraka e!!
    Miarahaba ny andriambavilanitra zanak’i dada rehetra koa indrindra ireo izay rehetra mafana fo eo @ Magro.
    ( ny vinanton’ny sasany tsy hadino).
    Tantely amam-bahona anefa ny fiainana koalatsaka ihany ilay ranomaso , fa ranomasom-pifaliana an!!! Hoaiza
    tiako be daholo ireo hira nalefan’i sė, fa ilay hiran’i Bodo no tsy harako fa tsara koa( sao mitomany eo i Njara)
    Dia mba miangatra kosa i Kintana! dia ahoana izny izay momba tsy niteraka lesy nefa ireo no tena mitaiza an???

  12. I Njara mihintsy no tsy maharaka fa » la mode « moa ry Kintana ilay satroka kely o!!hi!hi!hi!!!!
    Njara ! hadinonao angaha ilay hoe: « mangihi-potsy ? » izay dia sady miarahaba no mibedy ihany .

    Aza mety hadalain’i Njara sė ry Hoaiza fa i Camille ihany no Vittal a!

    I Baby mbola mihira mafy ary ampiangonana henoko aty mihintsy ny feony.

  13. Efa malaza izao ny ômôseksiela roalahy, manangan-jaza, ary mitaiza !
    Iza no tokony arahabaina ??
    Tsy miangatra re aho, fa izay mahatsiaro tena ho « reny » rehetra dia arahabaiko ê !

    Ankaotry ny foza, na dia tsy dia tian’ny prezidà aza ny fomba fisainako !!!

    Malahelo laotra ity fo keliko, ka tsy mety ê ! Aza dia omenareo tsiny aho !

    HoAiza !
    Mbola mitàna angaha ny feo ? Hira resahinao io, anisan’ny nampianarin-draiko ahy notendrena FAHINY !
    Mety tsara izany ny praograma rehefa tonga ilay fotoana, sady manana taralila toa an’ilay rangahy io aho ! Manao antreneman kely fotsiny ny ratsana !

    Njara, inona indray ity tolory tanana ity ê ?

  14. I Njara zatra an’ilay satroka kôfiboay anie ê !! MDR !!!!
    Eny amin’ny magazay izao, feno bônetra ny rayons-mbehivavy, kanefa dia tena tian’ilay rainay ireny taloha !

  15. Dia miarahaba ny Reny rehetra isika . na dia ao anatin´ny kriszy aza dia izao no ataovy anatin´ny loha hoe. ity ny fetin´ny reny farany anaty krizy, ity ny fetin´ny ren farany anatin´ny fitondrana Foza

    Bisous mamy be ho an´ny Reny rehetra indrindra fa ny reny mlagasy legaliste sy ny Reny miaritra ny ataon´ny Foza.

    izaho aloha tsy miarahaba ny Reny foza rehetra .Efa voky sakafo matavy ieny ary miesona tahak ny kisoa.

    Miarahaba manokana an´i Neny any afrika atsimo » Bonne Fête ianao Madame Lalao Ravalomanana »

    Aiza ilay kalakely mpisalotra ny toeran´i neninay izao, ikala Mialy, isataona dia izy no voalohany Miarahaba ny Reny , izao izy efa milevim-belona anaty lavaka nanafenan´i andry rajoelina ny fianakaviany.

    hita sy Tsapa fa tena toerana naalarina ,izao vao ten hoe. Hay an ´ Neny LALAO ny toeran´ny First lady malagasy.

    Ny an-dry Mialy, hanagalarina ny toeran´i neny Lalao, hangalarina ny teoran´ny ranavalona, hangalarina ny fiakanjon´´Jennifer Lopez.

    iza izao, nilefa, niafina, tsy hita intsony fa mangozohozo ny toerana nagalarin-drabitrolavanify.

    I rabitro Lavanify domelina aza lasa nahiakely , efa miasa ny loha,

    hafatra. tokony efa araha-maso i radomelina sao handeha hitsaoka, aza avela mandositra iny fa aleo ho tsarain´ny vahoaka mlagasy, rehefa tsy hita izy ny rainy sy reniny ary ny anabaviny .

    kapakapao fa ratsy fanahy ! Izay no hiaka tokony hatao rahampitso amin´ny greve general .

  16. Andriamanitrin’ny fiadanana, Andriamanitra fitiavana anie homba antsika legalista rehetra, ARY hitahy antsika Sy hanotrona antsika mianakavy eo amin’ny TOLONA IZAY TSY MAINTSY TOTONSAIN-TSIKA, FA TSY HIANDRY AZY FOANA !!!

  17. Hay ve ilay eo ambony ihany no aambany ry Misajaona e!

    Andriamanitra tsy manampy izay tsy manamyp ny tenany ve ry Kintana??izay ve??
    « masoko manganoanao  » io no ahatsiarovako an’i Dà.Homba anttsika Atra e!!

    Bà mamy be ho anao ry reny malala any lavitra any ary hitombo finoana hatrany anie ianao,tsy hoe manadino aho fa
    ireto zanak’i dada ireto no mahavariana ahy eto, ho tahian’Atra hatrany anie ianao ry renin’i Gasy voageja dia ho avy tsy
    tsy ho ela ilay fahafahana.Homba antsika Andriamanitra e!

  18. Heno be ilay feo manao hoe: »Anjemanitsaa  » sy  » masoanjoo » heveriko fa vazivazy hay tena
    ilay vazaha no mihira( aza mba ….ihany oah e!).Voan’ialahy indray aho t@’iny.

  19. Misy hetsika lehibe indray angaha rahampitso ry Misajaona??
    miaraka @’iza io fa ry Free FM sy Avoko aza anie efa traingo fa
    manana tetika hafa indray e!!raha tsy izany feno HIPOKA indray MAGRO omaly???miriorio ny angidina fa
    any @ Magro ihany no hiafarany , NY MARINA TSY MBA MATY E!!!!Efa voahasina koa io toerana io angamba.
    Ny an’i Lalatiana sy Pasitera Edward moa dia hita fa mitady hampiditra baolina fotsiny sisa nefa Magro no nitoto
    sy nahandro, dia mitady HIINANA HITALAPETRAKA FOTSINY ny sasany.MAILO !MAILO HATRANY O!!mandady
    ny trambo o!!!Mbola misy tsy tonga saina foana an!!!mbola tsy ampy ny sasan yizao fahavoazana izao fa mbola
    mamboly kirizy vao2 indray ny sasany.

  20. Variana miverina maka « péro » angamba ny sasany, dia mba nitsangatsangana izay vaovao, nitety « tranokala » fa tsy tranon’na kala !!
    Mba imbetsaka ihany aho no nilaza fa na ny rindrina aza manan-tsofina, koa maika ve fa resaka atao eny ankalamanjàna ?
    Rehefa mba manao kabary, mba tokony asiana fanomanana ihany, fa tsy tokony ho entin’ny hafanam-po !
    Fa raha marina ny voalazan-dramatoa, mety ho maro ihany ny ho tonga ao amin’ny Magro ; mety ho betsaka ireo mieritreritra hividy billet !

    http://www.tim-madagascar.org/forum/read.php?1,739078

    Miala tsiny fa izay hitako teny an-tsena no mba nentiko, ataoko voan-dalana !

  21. Efa mandeha satelita ihany hono ny feo ankitrio, ka asa mba mety ho henony ihany angamba izy ity, any ambony any !

  22. Aoka re e ! Ity ary e! sao tonga eto daholo ny hira miaksika ny FITIAVAN’i RENY !

    Mamy izany Reny izany e ! Mendrika izy ireo omena fitiavana betsaka !
    Bisou Bisou ho an’i MAMA REHETRA

  23. Tsy mandeha i lery, fa hiran’i Barijaona sy Odette « Manimanina an’i neny » no saika nalefako eto !

  24. Fa mba hono hoy aho ry zareo !
    Isan-taona i Mama Lalao Ravalomanana, rehefa vanin’andro toa izao dia miantso sy miarahaba ny reny rehetra ao amin’ny Magro ; tamin’ity taona ity toa tsy nandre ny tenako hoe niantso izy ?
    Izany koa dia nampitaina tato amin’i MyDago foana koa, kanefa toa tsy nahitàna na dia tatitra ara-tsoratra fotsiny aza, rehefa tsy nisy ihany ny video na sary ?
    Sa dia araky ny tenin’ilay Lanto hoe, izay tiako ihany no mahazo mihiditra eto amin’ny Magro ? Dia i Me Hanitra indray izany izao, no nisolo azy ve ? Sa sanatrivina, tsy dia salama izy ?
    Miala tsiny aho raha diso !! Mitovy eritreritr’amiko angamba i « bônetra keliko », ka izany no nahatonga azy ho manganoano, sy ketraka tahak’izao !
    Malahelo dia malahelo mafy mihintsy izy !

  25. Mba misy afaka manome valiny ve, io fanontaniako io ambony io, fa dia malahelo an’azy mafy izaho sy « bônetrakely » ê ??

  26. Malahelo an’ilahy izy!!hi!hi!Hi!!!!!jereo fa nazavain’i M.Hanitra ao @ Gtt ny antony
    fa mety ho tsy mahafa-po an’ilah fa fantatro ry Kintana, ny mety antony koa dia
    angamba ohatry ny miantsy ady @ Kala mialy fa izy anie hono no vadin’i filoha e!! miady varotra ery kala mialy
    dia naleon’i Neny nandefitra fa izay manetry tena ihany hono no handrandraina, izay no tsy hazahoan’i domelina ilay
    fankatoavana anie e!! manandra-tena toa voatango koa vao maika aletiky ny FM any anaty lavaka mangitsokitsoka fa
    tsy mety tonga saina .

  27. Dia manontany tena aho eto @’ireto Mpianatr’i Pata mandefa « hiragasy »
    Mba fantatrareo angaha ireny HIRAGASY IRENY ???HI!HI!HI!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *