CELULLE DE CRISE MPIASAM-PANJAKANA : HANEHO FIRAISANKINA AMIN’NY SEMPAMA

cellule de crise 29 Jona 12 (9)

Hanatontosa fivoriam-be iantsoana ny mpiasam-panjakana rehetra ry zareo ao amin’ny celulle inter ministerielle des angents de l’etat. Araka ny nambaran’izy ireo tamin’ny mpanao gazety androany dia ny 02 Jolay izao etsy amin’ny Carlton, hanomboka amin’ny 2ora tolakandro no hanatanterahana izany. Anisan’ny hodinihana mandritra izany ny mikasika ny fanohizana ny tolona, ny famerenana ny hasin’ny mpiasam-panjakana. Momba ny conclave na ny dinika tamin’ireo mpiasam-panjakana teny anivon’ny ministera tsirairay dia nambaran’izy ireo fa nahafapo ny vokatra raha ny tany amin’ny faritra. Niteraka fifanatonana teo amin’ireo mpiasam-panjakana tany an-toerana izany toy ny tany Sava, betsiboka, Sophia. Midika izany fa fahavononana iny fanomboahana iny. Ny teto  Antananarivo kosa dia nambaran’izy ireo fa tsy miova amin’ny fomba fanaonny ny fitondrana. Ankehitriny dia misy indray ny pointage any amin’ny ministera. Tsy azo atao anaty ministera ny dinika. Be dia be ny sakana ary misy ny ramatahora atao amin’ny mpiasam-panjakana. Ny sasany tamin’ireo mpiasam-panjakana hoy ny fanazavana dia tsy mbola nahavita io dinika io, noho ny antony fandaminana. Noho izany dia mihemotra ny fandravonana ny fehinkevitra farany fa tsy arakarakin’ny nieritreretanay azy.  Fandresena lehibe ho anay mpiasam-panjakana hoy izy ireo ny mahita ny fanjakana mikoropaka hatrany amin’ny CST. Ankoatra izay dia nanambara ny mpandahateny fa haneho firaisankina sy hanohana ny SEMPAMA, manoloana ny fanohizana ny fanadinana.Nampitandrina ny fitondrana araka izany izy ireo. Hifankahita eto isika fa atovy raha vitanareo io fanadianana io. Ny solontenan’ny SEMPAMA dia nanambara fa foronina daholo izao rehetra izao toy ny SEMPAMA Miray saina. Entina hamonoana ny SEMPAMA izany.Ankehitriny hoy izy dia tambazana toerana sy vidiana vola ny SEMPAMA Miray saina toy ny ao Arivonimamo, sy Imeritsiantosika. Fanitsakitsahana ny zon’ny mpampianatra hoy izy ny fividianana olona izao. Ny tany amin’ny faritra hoy ny fanazavana dia efa nanomboka ny volana febroary no tsy nianatra.

4 pensées sur “CELULLE DE CRISE MPIASAM-PANJAKANA : HANEHO FIRAISANKINA AMIN’NY SEMPAMA”

  1. Dia mbola mihevitra va hianareo « FONCTIONNAIRES » fa hatoky anareo ny malagasy?
    Efa tamin’ny 2009 no niandrasana anareo ary toy izay efa vita ity krizy ity raha tsy tia-tena toy izao hianareo.
    Raha izaho samy irery dia hoy aho hoe,mivovoaza ohatry ny fanaonareo fa tsy ho tsipazan’i TEGVENDRANA taolana eny ihany va ny fiafarany,dia amin’ny manaraka indray ra-Malagasy ô! bye bye !!

  2. Nanoratra ary somary lavalava ihany aho teo ry ravelojaona, dia nofafako satria tena leo an’ireo FONCTIONNAIRES VOKISAM-POTSINY IREO NY TENAKO !
    Ry zareo ireo dia toy ny miaramila ihany koa ! Mba fantatry ry zareo ve fa ny vahoaka malagasy NO MAMELONA AZY IREO ???
    I Ratsiraka no nanimba ny sain-dry zareo, ary dia tsy tafarina intsony izany ! Misy an’ity fanonganam-panjakàna ity moa dia tsy misy azo antenaina intsony !
    Planton no mahavita manangana VILLA BE, satria mahita ny ataon’ny sefony !!!
    Mila gadraina daholo ireo raha ny zavatra ataony no avaoka eto !
    Maloto hoy aho ny malagasy !

  3. Voasoratra tao amin’ilay nofafako ny hoe : EFA TAMIN’NY 2009 NO NIANDRASANA AN-DRY ZAREO HIKOMY, SATRIA TSY AZO EKENA IZANY HOE MANONGAM-PANJAKÀNA IZANY, NA AIZA NA AIZA !!!
    Olona miseho azy mahay Lalàna no mbola sahy manohana dahalo, ary anisan’izany ilay mpidoroka WHISKY ao amin’ny HCC !!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *