FETIM-PIRENENA SY FIANDRIANAM-PIRENENA ?

fisamborana razily_

Milaza ny heviny avokoa ny misoratena  ho mpitondra sy mpanao politika izay sady  mihambo ho tia-tanindrazana no miaro ny fiandrianam-pirenena.

Niteny tamin’ny haino aman-jery ny Minisitry ny Raharaham-bahiny fa « fetim-pirenena aloha » vao fihaonan’ny Filoha teo aloha Ravalomanana Marc sy Rajoelina Andry, ary any ivelan’i Madagasikara no hatao ny fihaonana.

Tsy mazava mihitsy izay tena kononkonon’ ireto ao amin’ny fitondrana ireto.

Fetim-pirenena no hankalazaina. Iza no hanao fety ? Ampahan’ny olompirenena toy inona no afaka hankalaza izany?

Fanehoana fitiavan-tanindrazana ve izany sa fisehosehoana fa manana ny fiandrianam-pirenena i Madagasikara?

Tsy misy afaka milaza ho mañana izany fitiavan-tanindrazana izany raha tsy tia ny mpiray firenena aminy aloha, ary tsy manaiky sy miaro ny harem-pirenena tsy ho voaroba.

Inona anefa ny zava-misy iainan’ny Malagasy amin’izao ankatoky ny 26 Jona 2012 izao?

Ahoana no hanehoana ny fitiavana ny mpiray firenena?

Miaina ao anaty tsy fandriampahalemana ny Malagasy, indrindra fa ny any ambany ravin-kazo any.

Manafika tsy misy farany ny dahalo, sady very fananana no mamoy aina ny tantsaha mpiompy. Tsy afaka hanakalaza izany fetim-pirenena izany ireto ampahany amin’ny Olompirenena Malagasy ireto.

Maty ny miaramila am-polony, tany Atsimo noho ny asan-dahalo ihany. Nandefasana miaramila 150 ny any an-toerana hifanandrina amin’ny dahalo. Hampiasa “grenade offensive” izany ry zareo satria ady amin’ny mpitam-basy no hatrehiny?

Ny aty an-tana-dehibe indray, mampihorohoro ny asan-jiolahy mitam-piadiana ihany koa. Ny ao Antsirabe moa mandrahona hanafika amin’ny “grenade offensive” ireo miaro ny orin’asa TIKO (tanam-polo) ihany koa ny “mpanakorontana ny olona milamina”. Satria miantoka ny fiainan’ny mpamboly sy mpiompy maro any an-toerana ny fampiodinana ity orinasa ity.

Manampy trotraka io tranga io ny fisin’ny “club satanique” ao an-toerana.

Nilaza tamin’ny fahita lavitra anefa ny ao amin’ny polisim-pirenena fa tsy misy izany klioba satanika izany, hono, fa fampi-horohoron-tsaina afafy amin’ny tanora sy ray aman-dreny fotsiny izany. Sao dia tsy manan-janaka na mpikambana ao anatin’io klioba io kosa ary ry zareo ka mampandry adrisa?

Ny Olompirenena mañana porofo momba ny asan’ny miaramilan’i  Satana eto amin’ny Firenena koa   dia tsy hankalaza izany fety izany. Efa misy manambara fa atao ho andro fisaonana aza ny 26 Jona 2012.

Ny eto an-drenivohitra indray dia efa nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo ny “pódium” etsy anolohan’ny Carlton. Inona no zavatra hita ao? Filokana, fisotroan-taoka sy fidorohana zava-mahadomelina… Fety miaraka amin’iza izany? Miaraka amin’i Satana.

Ka ho an’iza marina no hankalaza izany fety izany? Ireo olona roa arivo mahery hisakafo sy hisotro eny Iavoloha sy ireo karamaina hijery ny matso etsy Mahamasina? Ary ny tsy mana-kohanina, ny mipetraka eny ambody dabam-pako, sns… mba ahoana?

Rehefa atao ny tambatra dia ianareo mpitondra ao amin’ny tetezamita sy ireo tia kely ihany izany no hanao fety..!

Ahoana indray amin’ny fiandrianam-pirenena, dradraina etsy sy eroa? Any ivelany indray, hono, no hatao ny fihaonan-Ravalomanana Marc sy Rajoelina Andry. Impiry moa no nisy fihaonana narahim-pifanarahana natao tany ivelany? In-dimy angamba izay raha kely. Tsy nanaja izay nifanarahana rehetra Rajoelina Andry satria tsy nisy nanatrika izay fihaonana tany.

Tsy misy ny fiandrianam-pirenena raha tsy misy ny fankatoavan’ny Olompirenena izay mpitondra. Mira zotra amin’izany koa ny fanakatoavana iraisam-pirenena.

Ny Minisitry ny Raharaham-bahiny amin’izao fotoana nanambara fa any ivelany no hatao ny fihaonan’ny Filoha Ravalomanana sy ny filohan’ny Tetezamita (araka ny Tondro Zotra). Aiza ny fiandrianam-pirenena amin’izany? Ny Praimisitra koa, olona efa masoivohom-pirenena tany ivelany, tamin’ny andron’ny Filoham-pirenena telo lahy, nefa dia manaiky izany fanapahan-kevitra tsy misy fitiavana hamaha krizy izany. Nahoana koa rehefa teren’ny Vondrona Iraisam-pirenena vao manaiky ny fampihaonana?

Raha fakafakaina io fanapahan-kevitra io dia ny tahotra ny fahamarinana hitranga satria ny fangatahan’ny maro dia halefa mivantana amin’ny RNM sy TVM ny fihaonana.raha eto Antananarivo. Tahotra ihany koa fa ho an-tapitrisa ny olona hitsena ny Filoha Ravalomanana Marc rehefa tonga izy ka ho  hita mibaribary ny mbola fitiavan’ny Malagasy azy. Atao aorian’ny 26 Jona ihany koa, hono, satria mbola te-hifety faramparany angamba ireo mpitondra voatendry ireo, satria koa mety ho voaroaka rehefa milamina ny toe-draharaham-pirenena. Raha ny vaovao mantsy dia havaozina tanteraka ireo mpikambana rehetra any amin’ny andrim-panjakana any.

Raha ireo zavatra roa loha ireo ny dinihina dia tsy misy fitiavana ny mpiray firenena sy fitiavan-tanindrazana ao aminy mihitsy ireo ao anatin’ny fitondrana ireo.

Tsy mitandro ary tsy miaro ny fiandrianam-pirenena ihany koa ireo mpitondra satria efa asehon’ny any ivelany fa eto anivon’ny Firenena malagasy no hanaovana ny fihaonana mba ho fanamarihana fa mañana ny fiandrianany i Madagasikara.  Nefa dia ireo mpitondra ireo mihitsy izao no manao diam-poza ka mitsipaka izany indray.

Inona marina no katsahin’ireto mpitondra sy mpanao politika gasy ireto?

29 pensées sur “FETIM-PIRENENA SY FIANDRIANAM-PIRENENA ?”

  1. Momban’ny dahalo:
    Mino aho fa ilay manamboninahitra Richard Ravalomanana
    iny no afaka manafoana an’ireo DAHALO ireo fa ny ny mpaneho
    hevitra an’aliny eto andrenivohitra aza zerany BOMBA KRIMOZENA
    de mangina sady misy voasambo-belona.

  2. Ny hevitro ry Elas dia hanaovana lobbying ny CI/ UE-ACP amin’ny hoe:tokony any Tanà no atao ny fihaonana ary miaraka mody amin’i Dada ny solontenan’ny UE, ny solontenan’ny UA ary ny solontenan’ny CSP.Izany hoe miray fiaramanidina mihintsy rehefa mody i Dada.

    Ny miaramila legalista dia tokony hanao izay hahazoana ny toby misy ny fidiana rehetra satria be no vitsy izy ireo. Ny miaramila sisa no herin’io fa ny tsotsoka efa tsy ao intsony.

  3. Fitiavan-tanindrazana ve ry Solo Razafy mihoatra izao ataon’ny malagasy izao a, ny tokantrano tsiraray izao dia efa mihofahofa ny saina, Ambovombe na Amboasary indrindra Faradofay, nolokoina daholo ny hazo reetra Fa hisy ministra hoavy aty dia hanao fetybe am vahoaka aty atsimo reetra.
    Aza mitazan-davitra fa tongava aty hijery ny fifalian’ny vahoaka malagasy nahazo fahalalahana.

  4. ny minisitran ny raraha mbahiny anié ka may volotratra é,sady mitetika hirotsaka ho filoha no hitaingina seza etsy sy eroa nefa ny vesatrin ny heloka izay nataony t@ andron i deba aza mbola tsy voahefany

    tena dahalo marina no mitondra olona maloto eo anatrehan ny vahoaka malagasy ireny dia mbola homena seza ihany

  5. Ho an-dRASOLO RAZAFY;
    Tsaroako fahiny, dimy taona lasa izay, mbola teo amin’ny fitondrana Raosy, nijery ireo 4MI nanaraka iny lalamby iny ny tenanay, tao anatin’ny heriny sy fahefany sy fananany vola Ra8, mba afaka nankalaza ny 26 Jona ve izy ireny? toa natao roaka alika, sy nailika tery Bongatsara rehefa nisy vahiny tonga, sy nanomana fivioam-be iraisam-pirenena Raosy?
    Mba nandia an’Andralanitra na de in-1 mandeha aza nanatitra omby iray teny, fa tsy i Père PEDRO, niahy ny sahirana indray no natao maty enjika, fa ny FJKM no nototofam-bola, nahazo famatsiana amin’ny lafiny rehetra, kanefa inona no nisongadina? toa nareo samy nareo no nigoka ny mamy?
    Ianao mahafantatra, fa natao interwew tao @ TV AL Jezira Raosy, de nilaza mazava izy, fa possible ny hisian’ny opposition mitam-basy any Mada. Modianareo fanina ane woa ny toetra tia ady sy sanguinaire an’iny dadanareo iny e! ary na inona na inona, fanadiovanareo an-drainareo ny monmba an’iny tuerie 7 Fév iny, ny sary sy ny tantara mipetraka, nanao fametraham-pialana avy hatrany ilay minisitry ny fiarovana vehivavy sivily sady renim-pianakaviana, tsy nety nanome baiko, rehefa noteren-dRa8, hampitifitra. De naninona tamin’izy mbola teo, no tsy nanao dementi fa tsy izy no nanome baiko. Iza no sahy naneho dementi tamin’ireo haino aman-jery naneran-tany, zay nanana ny journalistes naka sary sur terrain, nalefa ho hitan’izao tontolo izao, zay samy nilaza woe, notifirin’ny gardes présidentielles ireo manifestants. De naninona no nametra-pialana avy hatrany narahana fandosirana?
    Tanteraka ankehitriny, ny tetika maizin-dRaosy, fa tsy afa-po tamin’ny fiziriziany hanao blocage ny momba ny lafiny ekonomika izy, satria vitan’i Zandry foana ny nitantana zay eo am-pelatanana sy nandoha ny trosa misavovona nolovaina tamin-dRa8, de io ary fa marina ny porofo, an-drenivohitra, de izy no manakarama, ireo FAROUCHES andian-jiolahy manipy grenade etsy sy eroa, sy mametraka baomba artizanaly, ka ireo izay noheveriny fa nanongana azy, sy manohana izao fitondrana izao, no lasibatra voalohany, anisan’izany ny EKAR, ireo bâtiments sy diplomaty Frantsay. Miampy izany moa ny asan-dahalo sy ny asa fampihorohoroana any ambanivohitra manerana ny Nosy, izay tokana ihany ny tanjona, de ny handotoana ny mpitondra, mba hahatonga ny vahoaka hitroatra, ary manomana ny @ fomba ratsy ny terrain-ny @ fifidianana, de tsy maninona, fa ireny vola be nangalarina tsy nisasarana ireny, de afafy katrana, hanaovana asa maloto, ary ianao Ramamy, mandray sy manaparitaka ireny vola sy fitaovam-piadiana, ireny, izay mahazo antoka tsara ianao, fa mandry ivohon’ny vato, fa arovan’ny statut nao, fa raha manantena ianao fa tsy azo kitikitihana, ny todin’ireny,aina latsaka, sy zay efa nalatsakareo ireny, ho avy ao afarafara ao fa aza maika.
    De isaorana hatrany ny heripon’ireo mpitandro ny filaminana, tsy mikely soroka, miady amin’ireto fahavalom-pirenena ireto, mody mitafy odi-janakondry, kanefa amboadia lian-drà, ary io no hanoherako eny fa na de hiatra @ aiko aza, satria fantatro loatra Raosy liandra, ary tsy ho aiza eo rangahy, raha fanohizana violence sy famonoana ain’olona no tetika hiverenan-drangahy amin’ny fitondrana.
    Jereo fotsiny ity tenin’ny Botozaza Pierrot ity:  » raha tsy hatao, alohan’ny 26 io fihaonana io de hisy… » ka inona izay tsy natao izay, sy crimes sy attentats nikotrikotrehana izay, fa nandamoaka avokoa? Mahery Andriamanitra io, fa aza io no ampiasanareo hanadiovana sy hanamarinana ny crimes,sy ny asa ratsin-drainareo.
    Ny olona woa, mahay politika, calme, tsy mitroatra, mijery zay ataon’ny adve, de mi réagir. Tsy mandà ny fihaonany amin-dRaosy i Andry, fa tsy misy zava-baovao io fihaonana io. Fomba sy fifanajana, forme ary fanarahana ny tolo-kevitry ny médiateurs, fa Rajoelina tsy hivaha sy hamadika ny tolona na oviana na oviana, de mazava ny teniny fa raha ny momba affaire judiciaire n-dRaosy, defa clos io hoy izy, ka raha te hody izy, za tsy manakana, fa Raosy kosa miatrika fitsarana, sy mandray ny saziny. De miroso foana ny fotoana, de tonga any @ fifidianana ny farany. De bye bey re RaZEFA a!!! ha aza fady hay moa Solo Razafy, mpanoratsora-poana.
    De aza manahy enao Razafy, fa ny possible aloha, de nareo zanak’i dada zany defa tsy hankalaza fetim-pirenena, satria heverinareo fa fetin-dRajoelina ny 26 Jona, fa tsy fetim-pirenena malagasy; Izahay kosa, na de mahantra aza sy sahirana, de hanakalaza ny fetim-pirenenay dignement ka aza de avandravandra loatra re tompoko ty saina molotoreo ity woe, ho korontanina ny fetim-pirenena raha tsy hatao alohan’ny 26 io fihaonana io, ka fahefana inona loatra re no hananareo, no mananana izany saina maloto izany ianareo? Ary fantatrareo tsara, fa tsy hiova @ fanapahan-keviny ny fitondrana, ary na de ny SADEC na ny CI de handà marin-drano ny tolokevitrareo, noho ny fahafantaran’izy ireo ny maha zava-dehibe izany FIANDRANAM-PIRENENA izany, ary raha hiresaka an’io, de io angamba no antoka voalohan’izany fiandrianam-pirenena izany. Izay woa, no tena mahazendana mafy ahy an’ity mouv Raosy ity woe, mba olon’iza loatra no manolotsaina an’ireto, fa ny lehibeny na ny taritina de maivan-doha tsy misaina manaotao foana daholo. Mba woa mandraisa ny lesona ny @izay efa lasa, faza lany manao wawawawa telo taona sy tapany tsisy résultat na de ny pitiny aza. De ataovy foana fa milay be nareo e!

  6. Fomban’ny foza ny manao accusation tsy mitombona sy ny mandainga ê !

    Anontanio daholo ireto tropin-dralipo, raha nanao fihaonana ry zareo ! Tamin’izany fotoana izany dia efa niketrika ny hamosavy sy hamono ny prezidà mamim-bahoaka ianareo fozan-doza ! Foza=Loza !

    Betsaka ny témoins, ary mbola hivoaka tsy ho ela ny anaran’ireo nanatrika sy niketroka an’izany teti-dratsy izany !
    Efa hitan’izao tontolo izao ilay hoe : « TSY MAINTSY MANAO ACCUSA..TION, HOE RAVALOMANANA TRAÎTRE, RAVALOMANANA CRIMINEL » !!
    Vendra-pe hoy aho ianareo foza !!

    Affaire judiciaire ??? Mpitsara rahonana amin’ny basy ve tsy hilaza an’izay tiany ho lazaina ? Reniny niterak’azy aza mbola ho lazainy koa fa nanao makorelina sy voan’ny sida, rehefa terena hiteny an’izay tsy tiany ho tenenina ilay olona !

    Dossiers firy ao amin’ny Inspection générale de l’Etat, no tsy misy sahy mamoaka ?

    Tsy mahagaga hoy aho !!

    Izao indray dia hitonantonana ho any RIO !
    Mba fantany ve hoe INONA MARINA NY ANTON’IO FIHAONAM-BE IRAISAM-PIRENENA IO ??

    Resaka développement durable sy environnement !!!

    Déveveloppement durable izany ve mba fantany ? Tsy misy izany développement durable izany raha tsy misy ny atao hoe BONNE GOUVERNANCE !!
    Bonne gouvernance izany ve, dia mifandrindra amin’ny fanonganam-panjakàna sy fanitsakitsahana ny zo-n’ny malagasy ??
    Ho anareo foza angamba fa tsy ho an’ny olona misaina sy mandàla an’izany hoe DEMOCRATIE !
    Koa mba mandana mianatra ry rabe, fa aza mandany andro miresaka amin’ny olona misaina â !
    Ny resaka ho atao any RIO dia resaka environnement koa, noho izany olona namotika Parc voasoratra ho ao anatin’ny patrimoine-n’ny Humanité, mpangalatra bois de rose ve no hitonatonana hoe IZAHO NO TENA TIA TANINDRAZANA SY MPIARO NY TONTOLO HIAINANA ANY AMINAY ????
    Ny dosie momban’ny asa ratsiny efa tsy ho zakan’ny kamiô intsony !

    Ka ny niveau-nareo any amin’ny caniveau hoy aho, tsy afaka ny hampiditra zavatra betsaka ao anatin’ny loha-kelinareo foza izahay ê !

    Baolina basikety tsy ho tafiditra ao anaty pitipoâ, ka zory ‘ty lalana !

  7. Mitady hirika foana hanalavana ilay teteza-tapaka e!!!
    dia avy eo indray « mbola mangatsiaka be loatra ,avelao aloha ho
    lasa ny ririnina , dia toa mandrivotra be ilay varatr’aza,dia miditra ny fahavaratra dia tapitra
    ny taona dia eto ihany, ny firenena latsaka akady ,ny harentsika taomina ,ny takolaka sy ny hatoky
    ny foza efa mivalombalona mbola tsy afa-po, moa ny vahoaka tsy sasatra ny MANDEVINA ny
    MATY » .izay io fa aza mitady antony hafa.Mamono heritreritra fotsiny izao ireo TSIVALAHARA ireo.
    Tsy matahotra an »Andrimanitra!!

  8. 91% des entreprises malgaches ont été affectées par la crise politique, selon le représentant de l’Organisation International du Travail (OIT) dans la grande île, Ntsay Christian, à l’occasion du 8e Salon des métiers et de la formation qui se tenait en fin de semaine dernière à Antananarivo.

    Itony ny antontan’isa dia mbola tsara ihany ny ataon’i Domelina?

    Matoa ireo foza ireo tsy tian-dRavalomanana dia resaka personnel izay fa raha resaka fitantanana ny raharaham-pirenena dia mifanao atsimo sy avaratra.Tsy misy rano intsony eny amin’ny faritra iva hono.Izay izany no vitan’i DJ.

  9. Izany rehetra izany, tsara mba ataon’ny GTT-Genève dossier, dia alefa any amin’i Asha-Rose Migiro, izay Vice-Secrétaire générale ao amin’ny ONU, ary misahana an’io resaka Développement durable io, any RIO !
    Dia ho hitan’ny havany any indray i domelikadedaka !
    Mihevitra mantsy ilay vendrana io, fa toa ireo tsy misy saina nentiny teny Ambohitsirohitra daholo ny olona eran-tany, ka hanaiky vokisana lainga !

    Inona moa ity mba nolazainy teny amin’ny 13 Mai ?
    « Satria an’ny CU Antaninarivo ny lapan’Ambohitsirohitra, ka foin’ny CU Antaninarivo omena ny vahoaka  » !……. « Noho izany dia ho alain-tsika » !

    Atramin’ny hoviana ny Lapam-panjakàna no hoe an’ny CU Antaninarivo ?

    Dia olona vendrana toa izany ve no hoe hitantana firenena ? Dia mba inona loatra no nampianarin’ny ray aman-dreniny azy ? Nigoka sy nidaina fotsiny, sa mba inona no dia tsy misy fiheverana tahak’izao ?

  10. Ratsimilaho ve mba misokatra ny maso. matoa aloha tsy tia andra8 ny malagasy dia nandatsaka ain’ny malagasy izy, mazava be tsy mila hazavaina angamba izay.
    Fa tadidio Ratsimolao fa tetezamita ange izao e, olona tsy mitovy hevitra no asaina mitondra ao, isan’izany ireto ministra matahotra midemissiona ireto, sady tsy misy financement exterieur, fa mbola nisy karam-pajakana tsy voaloha ve, fa toa niakatra aza no nisy. ary izao indray ary migrevy ho ampiakarina satria i zandry no heverina hamaha an’io tam mpitondra reetra teto. fa raha tam ra8 aloha dia tsy afaka nitaky izany raha tsy te ho tapa-tenda e.mba valio ireo ry Ratsimolaho fa ianao toa mba manantsaina ihany noho ireto namana sasany fanatik fotsiny.

  11. Enim-bolana hono izao no tsy nahazo vatsim-pianarana ireo mpianatra any ivelany ! Tsy misy devizy hono ! Raha ny ao antoerna mantsy dia dia mandeha be ny fanantontàna vola taratasy ho an’ny rehetra, na dia tsy misy sandany aza !
    Voatery manao zavatra tsy dia mety hono ireto mpianatra ; angamba ny sasany voatery manao makorely !
    Tananews io !
    Tany ho any koa ! Toa hoe 300 miliara isan-taona no tsy hita, nanjavona avy ao amin’ny Banque centrale !
    Ny totaliny mihaotry ny 900 miliara atramin’ny 2009 ! Nankaiza daholo ?

  12. Raiketo io hevitrao io Ratsimilaho ery ambony, fa tsy las’ity an!

    Tsy azo homena fitenenana ny olona mandrorona be latsaka ambany ny lohan’alika
    toa ireo santionany ambony ireo

    Démocratie an’i Andry Rajoelina mamadika ny ambany ho ambony k’ity

  13. Ny tadiavin’i domelina dia ny ho 4mi daholo ny vahoakan’Antaninarivo, dia ilay vazaha pèrdrog no atao mera !

  14. Tsara ho fantatr’i Asha-Rose Migiro ihany koa ny IDH an’i Gasikara tamin’ny andron’i Dada sy @ izao fotoana izao izay fotoana tsy azo hitondrana saina fa mety ho samborin’ny miaramila dia migadra ohatran’i Razily.Misy tokoa izao ny fahafahana, tsy misy miaramila mitondra basy erak’izao zoron-dalana aleha izao.Telo taona izao no mihatsara ny fiainan’ny olona satria mihavitsy ny asan-jiolahy sy ny dahalo(Befotaka,Betioky,…lalana miala ao Miandrivazo mankany Morondava).Tokony isaina isab’andro ny asan-jiolahy misy amin’izao fotoana izao sy tamin’ny andron’i Dada.Anisan’ny anatin’ny developpement durable daholo izany.

  15. Fa angaha kosa moa dia tsy maintsy ho manam-bola be vao ho faly fa fetim-pirenena? Fa tsy tokony hoe ny maha-malagasy ahy – na dia sahirana mafy aza aho – ve no tokony ho asongadiko ka asehoko ireo nahatonga ahy ho toy izao fa mbola mitsangana sy mirehareha aho fa malgasy na dia nampahantrana aza? Tsy fetim-pirenen,ny mpitondra anie io e! Fetin’ny malagasy io koa maninona no hoe ndao tsy ho raharahina satria tsy tianay ny mpitondra!
    Izay nitondra teo nandritra ny 52 taona tsy nisy na iray aza nikatsaka marina izay ahasoa ity tanintsika ity. Tsy nisy na iray aza mba tena nanasongadina izany hoe malagasy izany. Misy mihintsy aza moa nahasahy nilaza fa tsy miraharaha izay tany aloha fa tsy mbola teraka izy t@izany. Koa rehefa tsy mahavita ireo maninona raha asho azy fa isika dia tena manana ny ambontsika ka afaka mirehareha fa malagasy.
    Aza mitarika ny olona hanambany ny fetim-pirenena. Sarobidy loatra izany fahaleovan-tena sy ny ra n’ireo namoy ny ainy noho izany ka tsy mety raha ho ambaninareo satria tsy tianareo ny mpitondra.

  16. Tsy misy afa-tsy ny foza no faly amin’izao vanin’andro izao ! Ny 26 juin dia lasa Fetin’ny fananjahana vaovao ! Iza no ho faly amin’izany ?
    Nisongadina ho reharehan’ny vahoaka malagasy izany hoe TIKO izany, ka tsy laitran’ny vavon’ny foza ; satria angamba tsy mitovy amin’ny nonom-bazaha ary ry zareo foza koa moa dia tena tia sy mankafia izay ranondranony rehetra avy any amin’ireo !
    Ory dia ory ny Firenena, ary fadiranovana ny vahoaka ! Maizina ny lanitra sy ny hoaviny !

  17. Hoatry ny tsara kosa angamba raha ireo Dahalo avy any Befotaka no manao defilé eny Mahamasina @ 26 juin an!!! Misy tanàna @ faritra atsimotsimo any Dahalo daholo miisa any @ 900olona eo ho eo ; mahay mampiasa basy tsar ireo ary voalaza kou fa mahay ody basy!!! miaro fiandrinany kou anefa izy ireo sao dia omen’ny foza ny Mpajanaka indray Madagasikara hi!hi! asa alou raha aharesy azy ireo ny lakrimozena teny Ambohijatovo samy manana ny ao an-tsainy ny Malagasy refa mananga-tsaina;;; asa Iza re no tia tanindrazana ry be vôpl sy tanora vongany lany andro @ tsianjerim-poza fanaratsiana an-Dra8 sa ireo dahalo ireo????

  18. Aoka re ray olona fa tena manome litika!!
    Afaka mifety ao anaty fahoriana mandihy manitsa-pasana ny mpams
    tsy maninona e!!!izay maty maty , izay alevina alevina, izany sisa no Gasy sy ny toetsaina Malagasy
    very tanteraka ilay soatoavina.Mitoamania ianao ry fireneko!!fa dia loza inona loatra re Ray lanitra o???

  19. tena mety sy tsara ny hevitr’i Ratsimilaho, Indrisy, misy indo kely : tsy miray hina ny malagasy na an-toerana na any ivelany.
    Be izay vitan’ny GTT izay fa dia miady irery izy ireo.
    efa nisy ny lobbying natao fa tsy ampy tosika . Be loatra koa ny toerana an-tranokala momba ny fiverenan’ny fahamarinana.
    Koa dia ohatra ny mba miangavy aloha hivondrona IRAY daholo izay tsy faly , ny ezaka rehetra mantsy tokony havesa-danja Magro+GTT+ ny rehetra, ny tsirairay te handray anjara. taratasy iray fotsiny hifanekena milaza ny tena marina sy mangataka ny fodian’ny filoha voafidim-bahoaka, ary halefa hatraiza hatraiza CI, UE, SADC, associations maro, tapakila zaraina an-dalambe eran’izao tontolo izao ka misy malagasy.
    Dia ho Hafa baraka aloha ny foza, ary dia hibaribary ny loha maivana.
    SAINGY IZA NO HANENTANA NY DAHOLO BE ? sa hangana collectif ny collectif ?

  20. Demokrasia ve no tenenina t@andron-dRaosy ry KM? Tsy nisy fahalalahana sy fanehoan-kevitra toy izao tetezamita izao teo @ tantaram-pirenena. Jereo fotsiny ny gazety, radio, tv miseho isan’andro, de hangina ny vava ry KM a! fa raha radio mitonona ho kristiana FJKM Radio Fahazavana, psss! fahazavana ahoana? mitarika ny olona handray basy sy sabatra, hamono vahiny, de aminay izany tsy demokrasia. Raha ny milahatra an-dalambe manao andian-jiolahy, hanapoaka grenade, sy hamaky magazay, de mbola tsy demokrasia koa, ka mendrika ireny no akatona, sy mihinan-kininina any douman, de any ane vao maneninina e! Zay foana no fahafantarana ny zanak’i dada, frivoles be raitrano, tia ady, mpangalatra, mpanao la casse, hany ka raha vao mivoaka ao @ lavany magro ao, de averin’ny mpitarika azy maika any an-davany, fa olona misarakorako be daholo. Tsy tiam-bahoaka sy mahazaka olona intsony, ka any @ free FM no mila vonjy.
    Ramamy ô! ahoana ianareo sy Rasolofo, ry Ravakitampona, isika ni picn taloha ireny, ialana lavitra be fa tsy zaka ny teny ratsinareo, sy ny fofon’ny daina. Tonga tampoka Raosy, de mikorapaka daholo, manao woe, avelao, avelao, miala any bainina. Tojo zanany moa tsy miasa saina, fa maka coin tsara ery, miaraka amin-drasi, midaina trankila be, de ireny mbola tra tehaka tany sambaina ireny, fa mbola mitohy ny fidainan’i Tojo. Aza mino an’i Be woa, fa mba manaova fanadihadiana, na manontania an-dRapa, fa izany no nialany maika tao. De hoy Rapa, ialako lesy ty ry Be, fa fitondrana jiolahim-boto, de ireny no nihafarany. Adinoko, fa rehefa tratran-dRaosy teo ry zalahy, de tadidiko tsara, de hoy Raosy woe! aza manafi-koho ry LE… n’ireto a! de lasa fihomehezana be, de nitohy foana ny ny blague bean-dRaosy avy eo. Mbola santionany zany ry KM ! aleo avoaka amin’izay, raha ilaina izany, ary anontanio, lay mpihira manjakely akaman-dRaosy niaraka taminay, fa mbola ho tonga ny fotoana hitenenan’io sipakely io, hahafantarana ny maha bordely be an’iny dadanareo iny. Izany ane, ny tsy nahagaga ny fanjavonan’ireny 22 millions d’euros tao @ banque centrale nentin-dRaosy nanjavona niaraka taminy any sudAf any e!
    Zahay lesy ry KM mahatoky ny fahaiza-mitantan’io Zandrinay mafy be noho i OSIANTITRA rainareo iny a! ny tsy fisian’ny famatsiam-bola, no anton’izao krizy izao, de midedaka nareo, fa nilalao vola rainareo, ary averimberiny foana moa le woe, fanampiana fanampiana. Raosy nampiana, mitavandra fanampiana, Rajoelina tsy nampiana, de le vola notrosain-dRaosy, Rajoelina no mandoa azy. Fa hivaha woa io krizy io, satria mbola miala nenina farany @ di-dohan-dRaosy ny CI. De jereo ny fiaingany avy eo.
    Io le woe, tsy mahita ny vay an-kandriny, fa mora ny manakiana, fa Tojo ry KM tsy nandripaka alana bois de rose, tsy nizara fa niaraka ninono irery.
    Ô! Raverb a! hilaza ndray angamba nareo, fa nantsoin’ny dadanareo hiverina ny ambassadeur Alemana, zay avy nametraka n ny lettre créance ny t@ Pierrot, miaraka ny an’ny Australie! de ho inona ndray no ho lazain’ny Zanakosy re e! farany woa ho lany jijy eto ireto, de miakatra tosi-drà sy manopaopa sisa ny adin’ny frivoles tsy ampy solaitra raitrano. Hafa ane ny fomba fihetsika sy ny fitenin’olona nianatra izany manoloana izay manatrika azy, eny fa na de izay lazaina ho tena fahavalo aza. De tsisy afatsy ny FRIVANY NY ZANAKOSY MPIZAIKA ETO. Ny ao @ magro zany moa, vao mijery ny sariny fotsiny, miaraka @ndry ondaty, de e!e!e! frivany be daholo. Hevitra no ampiadiana, zay tsy mahatanty mipitika, toa an-dry Njara sy ry Bemafoy, ka efa ho lava kosa koa!!!
    Aiza ihany ty dadam-body, hay diso aho DADA MODY TY E? efa kely sisa ndray ny valiny ô???
    De mazotoa mihinan-kininina hatrany ô! de tairo ndray ny frivany be ry HoaAiza fa tsy MANKAIZA a! kôzy e!

  21. Ny sefonareo anie ry rabetsyfantatro, efa fantatry ny rehetra fa MODY MANAO SY MITENY HOE IZAO SY IZAO Ê !
    NY sonia nataony aza lazainy fa tsy izy no nanao an’ilay izy fa mbola DONTON’NY DAINA NY ATI-DOHANY Ê !

    ZORY ‘TY LALANA RY FOZA, FA EFA FANTATRY NY REHETRA FA TSY fantatrareo foza izany hoe mivily amin’ny « tournant » izany !
    Ny bao-tsy-mivily, mankany an-kady no hainareo, ary tadiavinareo ho entina any ny vahoaka malagasy !

  22. Fantatro fa manao ny GTT ary isaorana azy izany, ry elas.Nisy fotoana nisy ny natao hoe ankolafy telo dia tokony haverina ireny ary iangaviana i Naika Eliane na i Manandafy hanontrona an’izany satria efa miala amin’i TGV daholo na Roindefo na Roland Ratsiraka na i Pety aza; raisina hiaraka amintsika na ireo AREMA tsy miaraka @ i Domelina azy dia manao taratasy arak’izay lazainao izay dia atao sonia amin’ny tranon-kala (tsy adino ny TIM), dia alefa any amin’i Louis Michel, Asha-Rose Migiro, Hilary Clinton ary ny vadin’i Kofi Annan izay mahalala olona diplomaty betsaka no sady sahirana koa Andriamatoa.Raha mazava amin’ireo olona ireo tsara misy ny tsy fahametezany ny tondrozotra dia mety handeha haingana ny raharaha.Eo am-piandrasana izany dia efa nanoratra tany Bruxelles izahay ary efa indroa ry zareo no namaly anay fa ny tondro zotra ihany ny an-dry zareo satria io no vita sonia ara-ofisialy.Afaka miady amin’io tondro zotra io isika fa noho ny OIF,COI sy ny Nabotisme isany dia nikatso nyraharaha satria misy ny afghanistan sy ny fararano tavaratra dia samy nihazohazo teo ny goavany isanymoa koa isika manjifa vazaha lalandava ka tsy ahitan’ny sasany tombon-tsoa.
    Amiko manonkana dia ravan’ny lakrimozena ny gidragidra dia vita ho azy ka mila mihetsika koa ny miaramila mandala ny ara-dalàna.Ny SADC izay afrika atsimo no tena lehibe ao dia dia somary mandringa satria misy ny opposition fa raha miditra ireo olona ireo ambony ireo dia mety ho tsara ihany.

  23. Raha ny fianarana natao letsy Be Vôpl no resahina tsy ambany fahaizana noho ny DJ akory na ny zanako mineur aza

  24. Fa tsy oe refa mahay mandainga @ olona tsy ampy fahalalàna sy tohanan-ny Miaramila biby tsy mahalala tompo ary ny fitsaràna zanakisoa sy ny Mpajanaka karàna sns..dia hanao resabe ;tsy hanao tsianjery afa-tsy ny fanaratsina à!!! tsy misy tsy mahalala ny marina eto @ tanàna @ zao fa ny marina angamba mitavozavoza dia izay no mahatonga an »i Be vôpl hirehareha sy haroratra lavabe eto! tsy misy zavatra vaovao zay lazain’i Bvôpl tanora vongany ary Denise Mpivaro-pika eto fa dia ny tsinjaery fiampangana laina an-Dr8.

  25. de: rabe:

    Voalazanao injinja

    à: Andry Rajoelina: HOAIZA? « de tairo ndray ny frivany be ry Andry Makorelina fa tsy MANKAIZA a! kôzy e! »

  26. Za lesy Raverb tena zendana, boay kely otran-dRajoelina iny, nampisaoty an-dRaosy mana-pahaizana be, manam-bola be, be fahefana be, be je suis be  » vitantsika io…; ny vola misy fa ny handaniana azy no tsy hay…; tsapao ny herinao vao mitsapa ahy…sns » de iny fa notsapain’i Zandrikely, de ankoholahy fataka, any @ kilaometatra tsy hita kaonty vao, mitabataba woe, mafy be aho.
    De io Raverb no porofo, mivaha tsikelikely ny fankatoavana ( Alemana, Australie), alefa alohan’ny mois de Novembre ny fifidianana député.
    Ô! Ratsimilaho ô! aza de entina midedaka re ty anaran’ANDRIANA Betsimisaraka, tahaka an’ilay raikavavy midedaka @ anaran’andrinan’ny Merina, fa tsy izao frivany be zazasary naterak’Osy rehetra izao, de hiambo razan’Andriana fanta-daza teto @ tataram-pirenena malagasy. Tsy mahita ve nareo Ratsimilay fa tena ridicule be le tolokevitrareo. Inona zay tsy nataon’i Naika izay, na taty Europe, na tany Mada, fa nakombony ny vavany. Ra-louis moa de raisiny foana ny écolage avy @n-dRaosy vena, de mody hiatsarany velatsihy, fa iray ihany ny valin-teny avy @ireny diplômates ireny de woe, ny FDR. De io re Ratsimilay, efa nolazain’i Be hatry ny ela a! mbola tsy miaiky foana ve e? na hitanisa anaran’olona aman-jatony aza rangahy, toy itony Rose MIGI-DRO itony, de rera-poana, fa zavatra iray lehibe ihany ry kely ATEDOHA raitrano no ERREUR GOAVANA BE NATAONAREO a! satria nareo nanasonia iny FDR iny, de na ny fitondrana, na ny CI, de mody mihodinkodina @n’iny, zay tsisy tanjona afa-tsy ny hanasaziana an-dRaosy, de jereo tsara, fa mifanaraka amin’izay tian’ny fitondrana atao, ny fanatanterahana azy, de tsy manankiana ny CI, na de nandefa taratasy nanohitra izany tatsy sy teroa nareo, fa miroso foana ny olona, de mba hanomezana anareo fanantenana, de foronina daholo izay tsy hahakivy anareo, na de ity fampihaonana ity aza, de ao anatiny daholo, fa tsy zava-baovao io, sady tsy hisy vokany.
    De Raosy ane tsy bado, fa maharaka tsara, fa fantany fa tsy misy fika intsony ny hiverenany eo @ fitondrana, de adina jiolahim-boto, sy sanguinaire, otran’ireny fanaon’ireny DICTAT very seza ireny sisa no azo hametrahana fanantenana, de tsisy afa-tsy ny manakorontana, manangana trouble, mamatsy dahalo sy milisy, mba ho lasa Somalie Madagasikara, de tsy ho avy @ tanjony na oviana na oviana Raosy, fa henjana be ny ADVE, hafa Zafy fahiny t@ andron’ny herivelona, nangozohozo rehefa niantona ny famatsiambola, fa ity Zandry kely ity, na ny banque mondiale aza, de tena miaiky azy tanteraka, ary ny FMI @izao defa manombomboka hamerina indray ny fiaraha-miasany @i Mada, ary io herim-pon’i Zandrinay miatrika ny krizy io, ataky avy any ivelany, grevy ato anatiny, no tena maha homme d’état azy, courageux, ary mendrika ny toerana misy azy. De aza manantena an’i DADAMBODY, an!an!an! dada hody, fa tsy adala izy akory, ka hanao Rainizafilemena, any tsiafahy no hanantena seza volamena, ary Raosy sy ny CI mahalala tsara, fa manana détermination henjana be Zandry iny, omeko porofo mazava ny sagnagna raitrano.
    Jereo fotsiny, raha vao nitaredretra ny SADEC, ny hanombohana ny texte FDR, nomeny fetra andro, tonga de nikorapaka ny ampitso, toy izany koa ny signature an’iny, nikorapaka foana, de iny koa ny fiantsoana ireo experts NU momba ny lalàna amnistie, tonga de namaly ny antso, de io indray izy izao, fa hanao fifidianana depiote @ Nov de tsy maintsy manaraka azy daholo e!
    De ataovy mirediredy foana woa i Be, fa tsy haiko nareo raha maharaka, na mody fanina, fa averiko indray ô! aza manenina intsony @ nanasoniavana ny FDR, fa ireo minisitra sy parlements mody migrevy ao amin’ny mouv Raosy ireo, de hikorapaka ato ho ato, hamonjy ny sezany, sy hampangina ny vavany hanomana ny fifidianana ny tenany, de hiteny woe raha ho faty aho matesa Raosy. Kôzy e! jereo tsara ane e! Rabe woa tsy be kabary fahatany fa misy VENTINY BE, SY MARINA BE AO. Ndraindray mampalahelo ihany nareo, tsy woe ny maha nareo anareo, fa ny maha sagnagna anareo.

  27. Ny fanonganam-pirenena tamin’ny 17 mars 2009 dia niteraka ny fanalàna fankasitran ‘ny fiandrianam-pirenentsika…
    Tsy misy fety ,na dihy , na hira ho fankalazana izany fiandrianana very izany azo eken’ny saina sy ny fo ary ny fanahin’ny Malagasy..
    Manompo ny Malagasy izay tsy mitsahatra mitolona mba hiverenana izany fiandrianam-pirenena..

    Ny famerenana ny fiandrianam-pirenena ,izay hambaran’ ny Firenena Mikambana-ny Communauté Internationale – rehefa vita ny fihaonana nandatahan’ny Filoha RAVALOMANANA MARC mba hanasoniavana aingana ny tondrozotra izay hafahana mametraka ny tetezamita ifanarahana sy tsy manavaka..

    IO NO MAIKA SATRIA IO HIANKINANAN’NY FIVERENAN’NY FIANDRIANAM-PIRENENA..

    ARY REHEFA TAFAVERINA SOA AMAN-TSARA NY FIANDRIA-PIRENENA ANKASITRAHAN ‘IZAO TONTOLO IZAO SATRIA NIFARANA NY FITONDRAN’NY MPANONGAM-PANJAKANA IZAY JIFIKIRANA ‘TY MINISISTRY NY RAHARAHAN’NY VAHINY ( IZAY TSY AZON’TY MINISITRA NYDIKANY ..)..

    HOY AHO HOE :REHEFA TAFAVERINA NY FIANAM-PIRENENA-IZAY NESORINA FA NOTADIAVIN’IRETO PUTCHISTES -HITSAHINA DIA HEVERIKO FA HO FATRATRA SY HO LEHIBE NY FANDRAISANTSIKA SY NY FIARAHABANA FIANDRIANM-PIRENENA TAFAVERINA NOHO NY TOLONA NATAON’NY MALAGASY MIARAKA SY MIOMBONA AMIN ‘NY FILOHA RAVALOMANANA MARC MIVADY !

    Ny hetsika rehetra ezahan’ny mpanongam-panjakana dia ny fitadiavana petsopetsony hampitaraiky io fihaonana io , IZAY TSY NAMPOIZIN’IZY IREO ARY IO FIHAONANA IO NO LOZA MIANTONA HO AZY IREO FA LEVENAM-BOLA HO AN ‘NY MALAGASY…

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *