FILOHA RAVALOMANANA : TSY NANADINO NY ZANANY NA DIA ANY AN-TANY LAVITRA AZA

IMG_3342

Niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby teny amin’ny Magro Behoririka androany ny Filoha Ravalomanana. Toy izao raha fintinina ny kabariny. Faly aho hoy izy afaka miresaka mivantana aminareo na dia aty an-tany lavitra aty aza Dada tsy manadino.   Zavadehibe loatra ny vaninandro ahatsiarovana ny fetin’ny Ray.Miarahaba ny Ray rehetra ary ireo izay mahatsiaro ho Ray, hoy ny Filoha Ravalomanana, ary mankahery ireo fiankavian’ireo miaramila niara-boina. Nanome toky ny vahoaka ihany koa ny tenany fa hanao izay azo atao amin’ny hamerenana amin’ny laoniny ny firenena eo anatrehan’izao tontolo izao. Mahatsiaro aho fa manana zanaka mahatsiaro ny Ray hoy izy, koa enga anie ho tratry ny taona mitsingerina indray. Manatena aho fa hahavita ny andraikitra amin’ny maha Ray. Aza matahotra hoy ny Filoha Ravalomanana ianareo fa mahalala ny làlana aleha aho. Mampamangy amin’ny fianakaviana, mpiray tampo, ny mpiray firenena koa misaotra betsaka. Henoko hoy izy izany antsonareo izany fa ho avy ny fotoana izay hihaonantsika.  Mino sy manantena aho fa eo Andriamanitra , koa apetrantsika amin’Andriamanitra ny fandaharana  ny zavatra rehetra.

45 pensées sur “FILOHA RAVALOMANANA : TSY NANADINO NY ZANANY NA DIA ANY AN-TANY LAVITRA AZA”

  1. Miarahaba anao amin’izao fetin’ny ray izao Atoa Filoha! Manantena ny ahita anao mivantana amin’izay izahay, ary mino fa tsy ho ela izany Tompoko!
    Andriamanitra anie homba anao!

  2. hay ve!tsy ataoko hoe tonga i dada!ary toa tsy be credit angaha zany izy no vetivety sady tsy be resaka !manatena ilay fivoriana ngah!tena tsy raikitra anie lay izy fa tsy eken,ny beboty ;ary i boaikely nametrapetraka!tsy mandaitra ntsony ilay filafila;mba lazao ndray hoe tsy handray sosy zahay!zaran,ny olona ara tsy eo nareo

  3. Ianao Andriamatoa Ravalomanana dia tena olon-kendry, olom-boahosotr’Andriamanitra tokoa, misy dikany dia misy dikany tokoa matoa 3 taona aty aoriaa mbola izao ihany i Madagasikara sy ny Malagasy: tsy misy na inona na inona mandeha intsony ankoatry ny halatra sy ny didy jadona ataon’ireto jiolahim-boto mpanongam-panjakana ireto. Matoky ary tena matoky tokoa isika fa mbola ho avy ary tena ho avy ny Fandresena tena izy fa mahandrasa kely fotsiny fa tena efa andro sisa no isaina. Misy tsininy sy todiny ny fahotana mahafaty nataon’ireto tsy valahara tarihin’i Radomelina sy ny namany izao. Kely sisa

    Tratry ny fetin’ny Ray ianao Dada Ravalomanana. Homba anao anie Andriamanitra ary ho tafahoana tsy ho ela ianao sy ny vahoaka an-tapitrisany miandrandra mafy anao.

  4. Faly miarahaba anao ry Dada malala , ny HERY Masina rehetra anie hiambina anao hatrany,
    Ny ainao sy fanananao.
    Ho ela velona Dada Malala !!dia aza ela intsony fa MIJALY NY ZANAKAO DADA A!!!!VONJEO NY TANINTSIKA !

    Aty ampanidinana aho io fa @ HERINANDRO MIHAONA RY AKAMA ISANY A!!MIARAHABA AN’i DADA FOTSINY
    AHO IO. BISOUS DAHOLO DIA HENDRY TSARA AN!

  5. Ahoana ity olom-boahositra ity ry Noor a! nanova pseudo kely nga ty Neninoro. Matoa ry Neninoro nesorin’Andriamanitra niala teo @ sezany ka nandositra any an-tanin’olona de nahavanondoza sy nanao ratsy, izany woe olom-boahositra fa ny DEVOLY no nanositra azy, fa Satana mpamono olona sy mpandatsa-drà, ka aza ity Andriamanitra ity fona woa, no hanamarinana an-dRainareo izany, fa iny no tena tsivalahara e!
    De rahoviana hono ty dadambody, nijangajanga nanitsakitsaka an’i Lalao vady mariaziny tamin’i Onja Tinondia. Toa fanintelony zao, no noharabaina tratry ny fety, kanefa na ny salovatavany aza, matahotra hiseho ny fianakavian’ny olona novonoiny. De na dada mody, na dadambody de ny faha VALO tsy mahazo mody, raha tsy izany, de any Tsiafahy indray no arahabaina tratry ny fetin’ny ray. Aza mihatsaravelatsihy @ miaramila woa, fa miandry an-dRangahy ny miaramila, zay tsy manaiky ny hodian-dRangahy. Sa ahoana Rana kôksa manidina. Hay ve nareo manidina e! naka vola vidin-draha tao atsimotsimo tao angaha?
    De miarahaba anao tratry ny fetin’ny ray, Andriamatoa filoha Andry, manam-pahendrena lavitra, na de zandriolona aza, raha mitaha an’ilay taranaky ny devoly mpamono olona, sady tena courageux na de miatrika ady sarotra aza, de mijoro hatrany, ary tsy manaiky ny devoly Osimainty hiverina hanjakazaka intsony @io Madagasikara tany masina sy mananjiny io. Ho lava velona sy ho ela fanampahana ane ianao, ary aza kivy @ asa ratsin’ny devoly valo, fa ireny de rivo-doza sy tafiotra no entiny handrava ny fanorenan-trano, natsanganao tao anaty fangidiana, fa ianao kosa de ANDRY MAFY ORINA TSY MATAHOTRA NY DEVOLY OSY SY NY FORONGONY TSY MIKATSAKA AFATSY NY FAHANTRAN’NY VAHOAKA HAMPITARAZOKA IZAO KRIZY IZAO SY ASA FANAKORONTANANA ETSY SY EROA.
    De mampamangy re Raosy fa amin’ny herintaona indray, de mbola hiarahaba anao tratry ny fety ndray ry magroreraka kely, fa enao moa @izay de mbola manesitany foana ny tenanao any @ gena any. Mafy lereto zany tsy manantsafidy te hody an-tanindrazana izany, kanefa tsy mahazo satria namono olona. Aza manody ny toy izany marina.

  6. RABEKODANA, Vous pouvez rêver un peu mais n’oubliez pas que vous rêvez !
    Chacun son tour et à votre place, je ne monterais pas sur mes grands chevaux ! N’oubliez jamais mes conseils !

  7. Fetin’ny Ray rehetra…Andro fety natokana iarahabana ny Ray rehetra
    ary arahabaina manokana ny Filoha RAVALOMANANA MARC ,izay mibaby ireo Malagasy Rehetra miombo -tolona aminy mba hiverina tsy ho ela miara mody aminy ANTANINDRAZANA
    ny fiandrianam-pirenena ankatovin’Izao Tontolo Izao…!

    Izany fodiana izany no antony iadian’ny Malagasy amin’ireo mpanongam-panjakana mivehevitra fa ny hanihany , ny fikafika ,ny fandosidosirana , ny fialana bala..dia haharitra na ho heken’ny olona mifanatrika aminy..
    Io fandosodosirana ataon-drajoelina io no nahataraiky ny fivoahana
    amin’izao kirizy izao !
    Vita teo ny hafetsifetsen-dratsy satria ny SADC dia nampitandrina fa izay manao fanahy iniana « hamboly ‘ sakana tsy hampandroso ny faran’ny kirizy..!

    Raha te-hilalao toa ny voalavo rajoelina , ny SADC efa nametraka « tonta-boalavo « !

    Ary eo ambonin’izany sain-jaza izany , dia misy fitondran-tena hentitra ,tsy manaiky lembenana na saim-boto !

  8. Hita fa tsy niova tamin’ny toetra ratsiny lehiretsy ity Valo ity a! Tena tsapa sy hita ny maha olona tsy tia tanindrazana azy! Ny fitiavam-bola no tena mibahana ao an-tsainy, ary tena lalina ny fitiavan-tenany!
    Tena hita fa tena olona maivan-doha tokoa ity Valo ity. Tsy dia mahagaga moa izany satria efa tena tsy manana conscience intsony i Valo satria maimbo rà ny tanany. Vono olona manko no heloka be vava vitany. Tsy mendrika ny hiverina eto Gasikara intsony ny lehilahy. Ny fonja no mendrika izany olona izany! Ny tranomaizina no midanadana ho azy raha te hody eto izy. Raha ny tena marina aza dia ny fanamelohana ho faty no tokony famaizana atolotra azy, saingy tsy atao izany mba ho fanalefahana ny saziny. Figadrana mandra-pahafatiny no fanomezana tsara indrindra azo atolotra izany lehilahy nahavita ratsy tsy roa aman-tany teto Madagasikara izany. Tena nahavanon-doza tokoa manko izy!

  9. Dia tsy mahalala menatra mintsy ve Be vôpl sy denise mpivaro-pika fa io tsianjerim-poza io foana no hatao replay eto foana… sa mou zany henatra izany tsy fantatry ny foza intsony ny fisiany fa dia toy ny olona mihanjaka ny mahita an’i Be vôpl sy denise mpivaro-pika manoratra eto!!!

  10. Arabaina Atoa Ra8 Ray modelin’ny malagasy tratran’ny Fety. Dia mirary soa, fahombiazana, fahasalamana, hery sy tanjaka, dia ho tafody haingana dia haingana an-tanindrazana, fa miandry anareo mianakavy ny vahoaka hendry rehetra ary mbola tsy vita ny fitaizanana ny zaza sasany fa maningana ary lasa foza mibakabaka famindra.
    Tsy hitanay zanakao hendry izay hanaovana azy ireo ka lasa mikorontana izay tsy izy ny tokatranontsika.
    Rehefa tafaverina ianareo mianakavy dia hataontsika izay hanenjehana azy ireo dia alefa any amin’ny akanin-jaza maditra; Misy ilay faralahy tsy tonga volana iny no tena manao toera tsy zaka fa faingana Tompoko fa tena very sy maloto ny trano.
    aza misalasala mamaky ity tranokala Mydago ity fa fintininay eto daholo ny adalana sy toe-tsaina tsy mendrika ataon’izy ireo.
    Tokony tsy nateraka io zaza io fa tsy hitan’ny dokotera hoe tsy nitombo ny ati-dohany tao an-kibon-dreny dia izao isika vao mijaly satria tsy hazo tsaboina intsony efa tara loatra; Ny loza dia manomboka mihaka ilay aretiny fa aretina mifindra .
    Mahereza Tompoko fa fitiavana goavana mendrika anareo ary Atra hombanareo.
    Miandry sy malahelo izahay kanefa tsy adino fa ny olo-marina tsy mba very

  11. izaho ary milaza fa rage sy denise dia rajoely sy mialy Satrai olona mibodo toerana ireo kanefa tsy mahay ny asany dia mandany andro eto satria tsy misy hatao.
    Rehafa mamaky ny sorany ianareo dia ampitovio amin’ny kabariny, izany hoe miradarada fotsiny fa tsy mazava, misy lohany fa tsy fantatra izay vodiny.
    Dingano fa aza mamaky fa lany andro fotsiny ianareo.

  12. somary ampioko kely tsy mahay miasa rajoely sy mialy satria mpisoloky.
    ohatra ilay miseho hoe dokotera kay tsy manana ilay fahaizana dia tsy mahay mitsabo. Maty tsirairay ny marary.

  13. VAOVAO FARANY : JEREO http://lafy8.forumactif.ca rubrique politique

    Miarahaba an’i Dada tratry ny fetin’ny ray ary faly koa ny tenanay raha nandre fa hisy ihany ny fihaonana amin’i Domelina.Afaka manazava tsara izao i Dada ka mankahery anao hatamin’ny farany.
    Isika legalista kosa dia tokony hanao lobbying hatrany mba ho any madagasikara no atao ny fihaonana ary amin’ny teny malagasy izay ho alefa ao amin’ny MATV fa io no tsy miandany amin’iza na iza.

  14. ARAHABAINA ianao filoha hajaina Marc Ravalomanana
    toy izany ihany koa ny lailahy rehetra ato
    tratry ny FÊTE DES PERES!

    (afatsy ry Rabe-Denise-tsitairina tarana-dra be vôpl)

  15. Tratry ny fety DADA a !
    Ho tahian’Andriamanitra anie ianao sy ny ankohonanao. Tsy manadino anao ny vahoaka malagasy latsaka ankaterena fa Andriamanitra anie hitahy antsika malagasy ary hamaly ny ratsy vitan’ireo taranak’alika ireo.

    Masina ny Tanindrazana !

  16. Elas,
    Misy malformation tsy haiko ny anarany fa hitako t@ « Question pour un champion ». 35 ans ilay candidat, mitovy halavàna @ Julien Leperc. Ny tenany normal fa ny lohany sy ny tarehiny ‘ont pas suivi fa tarehin’a zazakely 5 ans. Ka io malformation io no nahazo an’i Domelina !
    Naty tsika Baba !!!

  17. tena nisy fahavoazana mihitsy rajoely : jereo tsara ny lohany sy ny sorony kely balitika midika izany fa kely ny atidohany na paokaty ny lohany dia tsy misy hazon-damosina.
    Diniho tsara fa tena marina ireo. Asa na firy milligramme ny ao anatiny fa ny lohany aloha dia zara 100 gramme.
    Nisy malformation de naissance io.

  18. Raha za manokana aloha ry Elas tsy handray modely aman’Osy mpangalatra, mpanitsakitsa-bady sy mpangoron-karena ary mpamono olona a! raim-pianakaviana aho, fa tsy tezaiko ho mpifoka rongony toy ry Tojo ireny ny zanako. Raim-pianakaviana aho, fa Andriamanitra tsy ampiasaiko ho fitaovana lava hanaovako ny asa ratsiko, kanefa izaho miseho ho tsy manan-tsiny. Tena kentrina ane nareo ireto e! Fa naninona moa talohan’ny nandosirany no nifona tamin’ny vahoaka Raosy, nanao woe, tsy nety ny nataoko. Fa maninona io Andriamanaitra zay nampiasaina lava io, « MINOA FOTSINY IHANY » no tsy mamerina azy indray @ toeram-bolamenany zay katsahany fatratra sy narovany, izay sahany nandatsahany ny ain’ny mpiray tanindrazana aminy, no mbola manasazy azy ho sesitany, ary mbola hanafay azy, no TSY HAHAZOANY VALIMBAVAKA MANDRAK’ANKEHITRINY? fanontaniana mipetraka izay santionany @ ireo marobe mbola tsy ahitanareo zanany valiny izany, fa rediredy no betsaka fa nareo mahalala fa tsisy fika intsony ny @ndrainareo, noho i Andry zay notendrenan’Andriamanitra, hanilika io taranaky ny devoly sy ny menarana io. Ny tokony ataonareo, de mandiniha tena @izay natao, de mandraisa lesona ary mibebaha, fa Andriamanitra tsy ho azonareo na oviana na oviana hanaraka ny hadalanareo. De iza no tena mandrevirevy e? Andry eo @ fitondrana sa, Raosy any an-tsesitany? de averina foana ve le woe kely sisa kely sisa, de tiako omena anarana indray ireto hoe TARANAKY NY KELY SISA. Tena kely sisa marina, ka jereo ange na ireto hamaroany ao @ MAGRO e! tena kely de kely, tena tian’ireto ity hakelezana ity!!! marina mihitsy izany koa, aiza no tsy telo taona, tsisy tainy, fa kely daholo zay atao, indrindra KELY ATEDOHA. De ianareo no tokony ho menatra fa tsy ny tenanay. Ataon’ny pince ny FOZA mikiakiaka mihitsy. Foza ray sy roa, de mampikorapaka ray trano, za aloha tena kevoka @ mahafoza ahy. Na Raosy dadany aza, nokakerin’ny foza, efa saika tapitr’aina raha tsy nilefa. De jereo ane eto, ataon’ Rabe vôpla, Rabekodana, rabefoza…Rabe…sns marary fo ray trano. Anjarako foana woa, ny mitondra ny débat araka izay itiavako azy, haiko ihany koa ny mampanonga maripana, hainay ny mampiseho ny marina anle vrai Raosy, tafavoakanay hatramin’ny saindratsin’ireto, miantsy haine sy menace de mort, zay vava fotsiny eto, fa na singam-bolon’i Zandry aza, tsy vitan’ireto ny mikitika azy, fa vavan’ankoholahy fataka no betsaka, hatramin’izay ela nampiongana an-drainy izay. De aza mba terak’Ambohitsagnagna ihany fa menatra aho raha za no t@ place nareo. Kôzy e!

  19. Mbola tsy mitsahatra ny manoro hevitra
    Ny fanaovana ny olon’ny fat(y) toa an-ddry rabe sy ry denise dia tsy vakiana izay soratany. tsy valiana izay lazainy fa toizo ny fifankaherezan-tsika. Na manoratra 5 pejy aza aleho akapony amin’ny vatony ny lohany fa aza vakiana.

    Misaotra ny filoha Ravalomanana nitondra ny teny fiarahabana ny Ray tsy ankanavaka.

    Tsy maintsy mandresy ny tolona. Tsy maintsy miverina eo amin’ny fitondrana ny filoha Ravalomanana

  20. faly milaza amitsika fa tsy hisy fety B eo mahamasina @ty ndray mitoraka ty no sady tsisy vola;ny antony nanafoanana azy koa dia miandry ny movansy ravalomanana hiverina hiasa;faly aho tena faly fa ho faly koa ny sadc fa tsisy fety ntsony eto fa halambahoaka i phat;i rossy lasa any zamerika fa tsy mapirevy eo mahamasina ary manao greve daholo ny mpanakanto eran,ny nosy;tsisy zany fety zany fa sokafy alouuh tiko

  21. Mba iza no niarahaba an´i Mialy rajoelina fetin´ny reny, izy aza lasa nilevim-belona raikitahitra, tsy nitetateta niseho tele tahaka ny fanaony misalovana ho renin´ny mlagasy , misalovana ny toeran´i neny lalao izao nisitrika

    Iza no mba niarahaba aní Radomelina ho dada, iza no hano dada an´iny zaza ratsy taiza iny.

    Fa izaho izao miandry vaovao rahampitso hoe. norarafan´ny dahalo tifitra vary raraka ny delegasiona notarihiní beriziky sy razanakisoa, sy ny minisitra roa lahy.ary ireo tafika nanaraka azy ireo.

    miandry vaovao hoe. notafihin´ny dahalo ny tranon´i Radomelina ao Ambatobe ka nahantona amin´ny tendany izy.

  22. Izaho dia mihevitra hatrany fa tokony hiray hina ny ankolafy efatra na dimy:Ravalomana-Zafy-Ratsiraka(izay tsy miaraka amin’i Rajaonarivelo)-Roindefo-Roland Ratsiraka + 2 GTT+ TIM mba hitambatra iray ho vondrona politika iray mba hanan-danja kokoa eo amin’ny sehatry ny fifandraisana ara-politika amin’ny any ivelany.Satria raha fikambanan’ny mpanohitra fotsiny dia tsy manan-danja ara-politika.I NAika Eliane no tokony hitondra io vondrona io.

    Manaraka izany dia tokony hangataka ny legalista mba ho atao ao amin’ny MATV ao Tanà ny fihaonana ary amin’ny teny malagasy.Mba amparitaho io hevitra io raha azo atao e!

  23. Efa tena ao anatin’ny vanim-potoan’ny fetim-pirenena tokoa ankehitriny ka samy faly ery ny vahoaka. Ny tsapa ombieny ombieny dia

  24. Ö ry ZO a! za ane tsy manery na iza na iza hamaky zay lazaiko eto e! ary tsy ianareo 5 na 6 mizaika eto no hanoratako. Fa fanohizana hatrany ny tolona nampiongana an-dRaosy sy hampingina tanteraka ny vavanareo. Tsy azonareo sainina ve fa na ny sasantsasany aminareo aza nanipy gants raha tsy hilaza fotsiny an-dry Bemafohy sy ny Njara @ filazanay ny marina noho ny hadalan-drainareo eto.
    Ny olona woa mailo ry Masinjaona a! na de eo aza ny fitavan-tanindrazan’i Mialy, @ fikarakarany ny zanaka malagasy sahirana, izay nandritra ny fito taona i LALAO tsisy asa sosialy mba nataony, fa nataon-dRaosy fiterahana fotsiny, ary betsaka aza ny feo, fa tabatabain-dRaosy isan’andro, tsy mahazo miteny, ary tsy nahita an’iny LALAO iny aho mba nentin-dRaosy niaraka taminy, isaky ny mivoaka izy, fa lery mandeha céliba foana, satria dadambody, de jereo ireny izy sy Onja ireny, fa ny ilan’i dadambody azy, de hampanaovina iraka kamikaz otran’ireny teny Ivato ireny.
    Ny an-dry Rotsirotsy moa de sahala @ Zanakosy rehetra, mandrotsirotsy lainga, manao intox, zay fomba fiady mahazatra, sy fatao efa tsy nangery hatramin’izay, de ho hita eo zany fetin’ny 26 tsy hisy zany, ny marina de Raosy sy ny taranany no manda ny fetim-pireneny, tahaka ny nandavan-dRaosy fahiny ny ran’ny mpitolona 1947 nanao woe, TSY MBOLA TERAKA AKORY AHO TAMIN’IZANY. De jereo fotsiny ry mpandrotsirotsy lainga iny vavaka natao ho an’ny tanindrazana omaly teny Ivato niaraka t@ FFKM iny.
    Raha lafiny souveraineté izany woa, na SADEC, na UN, Zandrinay iny tsy azon’iza hozongozonina izany, ary aza manantena tsy misy, fa tsy hisy fihaonan’ny roa tonta hatao alohan’ny 26 any Mada zany woa, fa zay sitraponay no atao, fa tsy ny anareo! mazava ve e?
    Hiverenako, indray lay dada ry Masinjaona, ny gasy 20 millions tsisy miantso an-dRainareo ho dada izany, fa nareo mianakavy ihany no mampivady an-kolaka ny reny niteraka anareo amin-dRaosy. Tena mba manana calorie firy lery hibata an’izany mamanareo be de be izany, an!an!an! mety hilahatra handalo tsirairay eo alohany aloha, de izay 10 premières faran’ny manja ihany no ho zakan’ny tsenany. Na Tsiranana, na Ratsiraka, na Zafy tsy mba nitomany natao dada izany, ary ny mapme be de le dada amin’zay mandao ny zazasariny rehetra tsy mahasahy mody, ka na de jus kely na café kely hanafanana tena etsy @ magrobaka noho ny fitiavana an-drainy aza, tsy foin’lery, tena mahazendana koa!!!
    Mialy sy zanany ane, nandraisana fepetra ny sécurité-ny noho ny nahazahoana information ny @ fanakaraman-dRaosy @ millions d’ariary vahiny mpikaraman’ady, hanao kidnapping na ny zanany na ny vadin’ny filoha Andry, hatao takalon’aina hampiova hevitra azy hifampidinika, fa ny olona tsy adala, fa vao miainga ny an-drangahy Raosy, ny an’ny olona efa any Ambovonana a! ataon’ny R-BOMBE a! izany ry vahoaka ny zava-misy, fa BE tsy mijanona manoratra eto, raha tsy tampina tanteraka ny vavan’ireto, fa inona zay fampivondronana opposition tsy natao izay RATSIMILAY hay moa Ratsimilaho, fa e!e!e! tsy nangery, satria nareo mihitsy no tsy tian’olona iarahana satria maloto saina, lian-drà, tia korontana, tia tena eny ka na Zafy sy Deba aza nitsoaka matanjaka niala anareo satria sarotra be ny miaraka amin’ny SAGNAGNA isan’andro eo @ magro mandritra ny telo taona tsy mahavita sy tsy mahay n’inona2. De woe ndray ve kely sisa kely sisa ny anla! de rahoviana ihany ry zanaka kely sisa vena raitrano ô?

  25. Efa tena ao anatin’ny vanim-potoan’ny fetim-pirenena tokoa ankehitriny ka samy faly ery ny vahoaka. Ny tsapa ombieny ombieny dia mazava fa tian’ny olona tokoa ilay filoha mahery Andry Rajoelina. Tena hainy ny manome hafaliana ny vahoaka. Talentny ny manome hasambarana ny rehetra. Raha amin’izao tokoa manko no misy ny fifidianana dia hahazo ny 95% i Andry kely mahavita azy! Ka eo vao tena ho torana na ho tapaka lalan-drà mihitsy i Valo, ka mety hody any amin’ny « Valo tsy mifody »! I Valo manko raha ny fahaizana dia ny fiterena ronono no tena talentany. Indraindray aza hoy ireo mahalala azy, rehefa vita ny fitereny ronono dia…miala tsiny aminareo fa ny zava-misy no ho lazaina… rehefa vita ny fitererna ronono, dia anaovan’i Valo zavatra maharikoriko ilay ombivavy.

  26. rotsirotsy a. efa Fety be ny eto atanana nanomboka hatram sabotsy fa aza Tia tena, Faly ny malagasy mankalaza izany miaraka am mpitondra amzao.
    Ratsimilaho a. ireo mpanohitra ireo dia manohitra ny fomba fitondrana fa tsy te hamerina an Ra8 izany mihintsy satria iza am ireo mpanohitra ireo no tsy nogadrain’ny de8 moa, aza manonofy oa fa nanao maloto loatra dadanareo ka mendrika ho antsoina dada akory aza.

  27. Raha tadidinao ry tanora dia efa nankato ny ankolafy Roindefo ny ankolafy roa:Ravalomanana sy Zafy ary i Roland Ratsiraka tsy afaka ny hizara roa ka efa hitany fa tsy hamovoka le DJ dia miala izy.
    Manahirana ihany ny mandray ny zavatra lazainao mazàna satria dia misy mifanohitra.Lazainao fa milamina any atsimo nefa jereo no mahazo an’i Befotaka sy Bekolintsa ary ny maro hafa koa noho ny afitsoky ny dahalo.

  28. maintsysika tpkoa ny fitiavana , ny kiry , ny fahavononana , ny fandeferana izay vokatry ny fitaizana tamim-pahendrena sy tamin’ny fahamarinana azon’ny Filoha RAVALOMANANA MARC teo amin’ny fiainany..

    Misy tokoa Malagasy gina sysina mijery ny fihetsiky ny Filoha eo anatrehan’ny voina mianjady aminy..Lehibe tokoa ny finoany an ‘Andriamanitra…!
    Sarotra tokoa ny manaiky tsy hamaly ny rtsy vita tamin’ny tena..!
    Amin’ny Filoha dia dia ankininy amin’Andriamantra ny famelan-kelok ‘ireo nahavita eatsy taminy..Manamaivana sy manafaka azy izany ary hafahany misaina , mandinika ny eho-javatra manahirana ny Malagasy , ka manosika sy manome hery sy fanetren-tena azy ny SADC hampihaona azy Filoha RAVALOMANANA MARC , nofinidin’ny Malagasy in-droa nitondra ny Tany sy ny Fanjakana amin’i rajoelina naningam-panjakana..,noho ny fitiavany ny Malagasy izay ana sy mivesatra fahoriana sy fijaliana nandritry ny telo taona mahery izao !
    Asehon’ny Filoha Antsika fa na ao anatin’ny sarotra sy ny maizina aza Isika dia tokony hamiratra mba ho hitan’ny maro toa ny kintana mitsika mananazava ny làlantsika ho any Kanana , dia ny fabaovana sonia ny tondrozotra (feuille de route )..: izay :
    ..mitory ny fiafaran’ny tetezamita ampiasain’ny mpananngam-panjakany
    ..manambara ny fametrahana ny Tetezamita ifanarahana sy tsy manavaka ary dia tapitra eo ny fitondra halatra izay nisekosekoin-drajoelina..
    Io elanelany misy eo amin’ny tetezamita nampiasain’ny manongam-panjakana sy ny tetezamita vaovao io( interface entre les deux transitions ) dia tsy maintsy diovina , atao mazava tsara ka mila audits financiers , audit moral , audit mikasika ny halatra nafenina ao ambadoky ny varotra , hélicoptères , avions ,terrains agricoples , bois de rose , volamena…ary ny aiudit mikasika ny passif dia tiokony havahana amin’ny audit financier.., mba hisongadina tsara fa halatra io fa tsy faty antoka !
    Izany audit izany dia atao isaky ny ministère koa ,izay nivady sandok , izany hoe nanao fausses factures ikasika zavatra ody novidiana..
    Ny ministère-n’ny Fitsarana dia tsy maintsy hatao sava hao mikasika ireo dossiers natao mokasika « affaires noforonona « ..!

    Mbola maro ny zavatra nibiloka mitongola tsy maintsy ..hahitsy qy harenina !

  29. AZAFADY

    Vakio hoe azafady (ery amin’ny phrase farany:
     » Mbola maro ny zavatra mibiloka sy mitongilana tsy maintsy hahitsy sy harenina  »
    Misaotra Tompoko !

  30. Asa raha mba azonao antsaina izany aty atsimo izany, fa izay halatr’omby izany dia tandra vadin-koditra efa hatram’izay ka tsy mahataitra ny olona aty intsony, dramatisena ilay izy, indrindra fa malalaka loatra ny fanehoan-kevitra ao ka milaza izay tiany ho lazaina daholo ny gazety reetra, fa ny vahoaka aty dia tsy taitra amin’izany akory, fa manomana ny fetimpirenena sahady ary ny vahoaka aty atsimo nangataka ny PM mba hiara-hanao fety aty.

  31. Tonga amin’ny tsotsori-mamba isaharahana
    Envoyé par: Menja (Adresse IP journalisée)
    Date: lun. 18 juin 2012 12:15:46

    Ka aoka hiray hina, hiray feo.
    Hatreto,
    – Ravalomanana sy ny mouvance Ravalomanana dia manaiky sy nanao sonia ny tondrozotra, manaiky ny hanatanterahana ny tondrozotra
    – Ravalomanana sy ny mouvance Ravalomanana dia manaiky tanteraka ny fanaovana tetezamita iaraha-mitantana
    – Ravalomanana sy ny mouvance Ravalomanana dia manaiky ny consensuel sy inclusif
    – Ravalomanana sy ny mouvance Ravalomanana dia manaiky niditra tamin’ny fananganana institutions (na dia mbola tsy consensuel sy inclusif aza ny fomba nentina nananganana an’ireo, ary na dia tsy consensuel et inclusif aza ny hery politika nampidirina any anatin’ireo)
    – Nampiseho fahavononana hatrany Ravalomanana sy ny mouvance Ravalomanana amin’ny fampiharana ny tondrozotra na ahoana na ahoana nitondran’ny fat, radomelina sy ny mouvance radomelina izany lazainy fa fampiharana izany
    – Na nanaiky na tsy nanaiky ny fomba nananganana ny andrim-panjakana ny mouvance Ravalomanana, dia niroso sy niditra ho fanajàna ny sonia napetraka
    – Tena mbola ao anatin’ny andrim-panjakana izay natsangana ny mouvance Ravalomanana fa tsy niala na nivoaka velively, fa dia nahantony fotsiny aloha ny fandraisana anjara
    – Ravalomanana sy ny mouvance Ravalomanana dia manaiky ny fampiharana ny article 16 sy 20 izay mbola tsy tontosa aloha hatreto
    – Ravalomanana sy ny mouvance Ravalomanana dia nanaja ny Zo fototra rehetra ary tsy nisetrasetra na nampiasa hery tamin’iza na tamin’iza
    – Ravalomanana sy ny mouvance Ravalomanana dia tsy nisakana na inona na inona NA DIA TSY NANKASITRAKA AZA, amin’ny fampandehanana ny rafim-panjakana : TSY nisakana ny fananganana institutions, TSY nisakana na nitsivalana tamin’ny asan’ireo institutions ireo.
    – Ireo olona avy amin’ny mouvance Ravalomanana izay nandray fitondrana andrim-panjakana (na senateurs, na ministra na députés) dia tsy nampiasa hery na nanao fanamparam-pahefana, na nandrara ny fanehoan-kevitra malalaka sns….

    Tahaka izay ny fisehon’ny fifandraisana eo amin’ny mouvance Ravalomanana sy ny tondrozotra. Ary mbola mitazona an’izany io mouvance io.

    Koa tahaka izay ny fototra ijoroan-dRavalomanana entiny mihatrika ny fihaonana.

    Raha ireo no jerena, tsy manana ho kihanina amin’ny ezaka nataon’ny mouvance Ravalomanana mihitsy ny Sadc Troika.

    Koa raha milaza ny Sadc FA ESORINA MIALA TANTERAKA amin’ny processus-ny tondrozotra izay tsy manaja sy tsy mivonona ny hanantanteraka io tondrozotra io araka ny tsy maintsy ho izy, dia tsy misy azo itsikeraina na hanilihina ny mouvance Ravalomanana mihitsy aloha ny hita sy izay notanterahana hatreto.

    +Ny fanatanterhana ny fihaonana eto Madagasikara, izay ankasitrahan’ny mouvance Ravalomanana

  32. Fantatro ry tanora ny fisian’io fomba io ary manana namana avy any aho mpilalao an’i SOMASUD taloha asa raha tadidinao; tsy mila fitaovan-piadiana ny manao an’io.Izao mirongo fiadiana avy ry zalahy dia misy maty ny miaramila any.Hitanao milamina ve ny tany amin’izany??

  33. Ary tena lasa lavitra mihitsy ny fisainan’ity Valo ity an! Ny mampahalahelo moa dia lasa lavitra mankany amin’ny ratsy hatrany ny fisinan’ingahirainy. Aiza ve ka tonga hatrany amin’ny famatsiana ara-pitaovam-piadiana ireo dahalo dia i Valo daholo no ao ambadika. Tena efa mivary lavo mihitsy i Valo satria andramany daholo ny fomba ratsy rehetra hanonganana an’ilay Filoha mahery fo, Andrinirina Rajoelina. Andramany ny grevy, nataony ny fanamboarana baomba artizanaly, nokenonkenoniny ny attentats, niarahany niasa i Satana, ary aminizao dia ny dahalo indray no ahetsiny. Nefa moa tsy ho lasa lavitra i Valo satria olon-dresy ireny, efa nateraka ho resy mihitsy!

  34. Nisy adala mivady atao oe Sônada sy Ra-pauline zay teo @ arcade teo taloha ela refa vory vahoaka iny dia mihanjaka tampoka izy na manao ny tsy fanao imasom-bahoaka izy roa dia toy izany no fahitako an’ity Rabe vôpl sy Denise ireo tsy mahalala menatra intsony fa gaigy !miteniteyny foana!

  35. faly milaza anareo fa raikitra ilay fivoriana @26 juin hoy dadanay joely;ary manasa anareo izy tsy hanatrika ny fety karakarainy satria tendakanina loatra sy be famàtra;ho hafarany i dada8 hibaiko ny emmoreg sy ny fis eny mahamasina;i manandafy no ho praiminisitra ary rava ny governemaasaka fa omena ny zanak’i dada jiaby!

  36. 26 Jiona 2012 : tsy hanatrika ny Ankolafy RAVALOMANANA (+vidéo)

    Dia raharahin iza inona ianareo na hantrika na tsy hanatrika .
    Fa kosa raha misy hetsika mahery noho izany ,misy miaramila mikorotana ireo mpanao matso dia hataoka fa ho taitra ny sasany .

  37. Hi! Hi! Hi!

    vao resaka DADA dia mangovitra mivoaka an-davaka miovaova loko eto ny Fozatayn-Dradomelina lavanify tsy iza izany fa ilay mano Rabe-Tanora-denise-ratsimilaho-zanafpoza sy ny tarika fozatay mpanohana an-dradomelina

    matahotra mafy an´i DADA ilay Filoha voafidim-bahoaka, sy ilay mahery fo mamim-bahoaka nitondra an´i Madagasikara tamin´ny sehatra avo da avo sy manana orinasa mamelona ny malagasy sy arifomba .

    Loza ny najo fa sendra ireto tsy valahara zanaka satana ,mpangalatra fahefana, ka hany narendrika anaty kizo ny firenena nampidirina amin´ny fahantrana ny vahoaka, nopotehina ny toe-karena.

    mifalia faraparany ry fozatay sy ny foriongony fa ho faty tapaka lalandra eo amin´ny kianjan´i mahamasina ny ben´ny fozatay andry radomelina fa hanafika azy ireo dahalo avy any anosy.

    Ela notoratorahana ka nahavoa voamason´angatra,

    omany ny gonin-tsaribao hasiana ny fatinálika dia i rajoelina Andry mianakavy izany, miaraka amin´ny rainy sy reniny ary ny taranakka razakandisa rafozany.

    miaraka maty aminy koa ny tarika FAT rehetra izay niara nikaon-doha nanongam-panjakana.

    26 juin 2012, Tsy misaona ny sainam-pirenena fa mifaly satria Maty ilay mpivarotra tanindrazana andry radomelina sy ny forongony, ny volan-dravatomanga ho zaraina amin´ny mahantra averina amin´ny vahoaka, ny vola halaztran-dravatomanaga mamy sy rajoelina andry,

    Ho afatotra amin´ny tsanganana bois de rose dia samy mamono azy ny vahoaka ,ny sisa ataon´ny aliaka tsakitsaky, ny fatin-drajoelina andry

  38. Azafady ry gasynijaly fa ianao angamba no mitapy.Jereo kely ny zavatra nosoratako hatramin’izay.Vao izao ianao no tonga eto ka miwawawa.

  39. @rabe: Rabe angaha no nivarotra rongony tamin’i Tojo
    fa tsy ilay ekipan’i DST ireny non nandatsaka môly
    hamoronana dossier @ tsy manan-tsiny. Kely loatra
    ny atidohan-drizareo FAT ka tsy mahazaka reflexion
    honnête.

  40. gasimijaly, midelira ve e, de8 efa mandadilady am zandry sy mitomany am sadec sisa dia ho hatahorana e, fa ny Malagasy efa tsy te hiherika itony mpitondra mpamono olona sy jadona itony e.

  41. Marina io ry Tanora a! tsy Rajoelina velively no nangataka fihaonana nanoratra tany @ SG SADEC fa Raosy. Midika izany fa mandadilady @ zandry aloha vao mahazo mihaona amin’Andriamatoa Filoha Andry.
    Miady mifanipaka ho azy eto woa ny Zanakosy, tsy iza izany fa i Gasinijaly sy RatsiMILAY. Mbola aiza re ny hahazo e! averimberiko foana woa, fa nareo samy nareo no hifamono an-toerana. De tena marina ny anareo Ravelonarivo a! Iza no miraharaha anareo tsy hanatrika 26 jona izany, tena lany henatra tanteraka ireto, na ny CI aza tonga mirodorodo hanome voninahitra ny gasy noho izany fetim-pireneny izany, ireto Zanakosy ireto angamba tsy gasy fa extraterrestre, ary tena mody manenjika Frantsay nanjanaka an’i Mada, hay rehefa azo ny fahaleovan-tena, ny daty fahatsiarovana ny nahazoana an’izany mihitsy no ataon’ireto tsinontsinona ankehitriny. Ny ady ry tsisy saina ireto na ara-tsandry io na ara-politika, de azo tohizana mandra-pisian’izay resy raha ilaina izany, fa ny FETIM-PIRENENA IZANY, de tokony hajaina sy tokony hifaly, hisy fandriampahalemana na de io andro iray 26 Jona io aza, fa tsy fetin-dRajoelina io na Raosy, fa an’ny gasy manontolo, de tokony hankalazaina am-pamendrehana, na inona na inona kilasy sy saranga, ary tsy anareo Zanakosy akory ny 26 Jona ka zay tianareo atao aminy, de ekena sy mety avokoa. Au contraire ary ny zavatra tokony hataonareo, de mampiseho delegasiona mafonja miditra ao Mamasina, maka tribune, na gradin, milanja sora-baventy, mampiseho ny fitiavan-tanindrazanareo, sy ny zavatra takianareo eo imason’ny CI? ary eo no tokony hanehoanareo, fa manome vononahitra ny MIARAMILA ianareo, izay fetiny rahateo moa io, fa ireto Zanakosy ireto woa tena tsy mba kevoka @ maha gasy azy, fa na ny tantarany, na ny fiandrianam-pireneny, de hitsakitsahany @ tany, ny miaramila tandroka aron’ny vozony de ataony maty enjika, ka manaraka hatrany ny modely navelan-drainy, manao tsinontsinona ny fiandrianam-pireneny, ka ny miaramila gasy nosoloiny vazaha, ny mpanolotsaina gasy nosoloiny vazaha daholo ny tao an-DAPA, tsy mila avocat gasy fa tsy maintsy vahiny…sns, de rehefa kendam-bomanga nasesiky ny tanany, ka voadona mafy, de ny olona no atao maty henjika, ny firenena no korontanina sy kendaina, fa tsy misaintsaina mandini-tena @ tsy mety natao, de mandray lesona @iny, de tsisy mahatsapa mihitsy woe, tsy mety ane ity fanapahan-kevitra ity, fa tsy woe zay lazain’ny dada sy Ramamy, de iny foana ny marina, hany ka na de olona iray aza, tsy manana tsangan-kevitra tena izy, fa saika mpanara-drenirano avokoa, de aza gaga raha mamerimberina eto aho woe, ela no nahitako, sy niainako, tao @na antoko na vondron’olona, fa tsy nahita vondron’olona SAGNGAGNA toy ireto mouv Ra8 sy Zanakidada ireto. Ireto moa de ny midadadada isan’andro no fantany, fa na de Raosy rainy aza, tsy mbola niantso na nanjanaka an’ireo velively. De nahita ihany aho fa tena tsy nahita olona kely atedoha sy tsy misaina toy ireto; tena kôzy io an!

  42. Tsssssssss ! Io ndray le mpiteny irery, manao « ambony/ambany ». Tena Sônada sy Ra Pauline marina ireo k’ty !!!

  43. Ahoana Baby a! ela2 sė an!!mbola gaga ihany angaha sė @’ireto foza e!!
    tsy efa mba afaka kosa ve izay e! avelao izy ho eo fa mahatsara zavatra ihany ny fisiany eo.

  44. Coucou Ranavalona, ity iany zà ry sé a na dia mahalam-piavy aza fa be asa be.
    Izaho aloha dia tsy mamaky ny soratr’ireo Sônada sy Ra Pauline ireo. Ny 1ère ligne fotsiny no ataoko jery vilana hamaliako azy dia avy eo japeko. Mety mihintsy ny fisiany satria demokrasia ny antsika fa tsy manao ampihimamba toa ny Foza masiso.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *