Hanavotra ny Firenena tokoa ve ireto miseho ho “babany” sy “rôla” sa..?

francafrique1

Telo taona mahery aty aorian’ny niandohan’izao krizy izao vao  samy milaza ho kinga saina sy manan-kevitra avokoa ny “gasy” rehetra.  Ankohatr’izany aza dia ohatry ny asaina manao “casting” hitsongaina izay tena mpilalao politika (acteur politique)  kalaza amin’ny alalàn’ny fampilalaovana azy tantara mety maha-resy lahatra ny Malagasy hivoahana amin’izao krizy izao.Misy ireo mampiesona, mampanantena poakaty, mihevitra ny Malagasy, ho tsy mahay mandinika sy mamakafaka  ny zava-misy, ka mora ny hamerina azy any amin’ “iny lalàn’iny” indray izay efa hita fa kizo fara.

Misy koa ireo mpilalao politika mangala-tahaka ny ataon’ny hafa fotsiny ka manao boloky ihany fa tsy milaza izay tena tompon-kevitra.

Tsy vitsy ny mitady hijapy fiaran-dalambian’ny hafa rehefa tsy afa-nihetsika mihitsy ilay noheverina fa faingam-pandeha (TGV).

Misy ny mitonon-tena ho “mpamafy soa” rehefa nojinjain’ny mpanome masomboly ny vokatra ka tsy fantatra intsony aiza indray no hamafy.

Mampalahelo koa ireo “niara-namono ny voay” nefa na ny vangy nomena ho ravahina aza nalain’ny mpiara-dia indray ka mitady voay hafa hazaina nefa ireto mpiara-mihaza toa tsy dia izay loatra no tiany hatao.

Dia tsy voasakana ihany koa ireo mbola tsy voadaroka sy tsy voasambotry ny “miaramilan-dRajoelina” ka mitady hamerina ny fitondrana amin’ny tafika indray.

Ny tafika anefa toa tsy mitovy hevitra ihany koa. Ny ao aza, raha ny filazan’ireo mitarika izao no dinihina (tsy azo antoka anefa ny fahamarinany) dia misy am-pahany efa miara-dia amin-dry zareo. Dia ahoana ny hihatrehana ireo mpiaro an-dRajoelina Andry? Ireo no tena namono ny voay dia hanaiky mora foana ve?

Rehefa atao ny famakafakana dia tsy fantatra marina ny antony sy hiafaran’ity hetsika iray ity.

Androany alatsinainy tokoa no nifarana ny 36 ora ka hanomboan’ny fitokonana faobe. Nihemotra arahampitso  indray izy io.

Ny zavatra mahavariana anefa dia izao, nisy ireo fivondronamben’ny mpiasampanjaka nanome 72 ora ihany koa tamin’ny herinandro faran’ny volana may iny. Azo lazaina fa tsy nisy vokany nahafa-po izany. Ka mpiasam-panjakana iza no miara-dia amin’izao hetsika izao ka afaka hampikatso ny fitantanana ny raharaham-panjakana?

Marina fa mitokona ny mpampianatra, mitokona ny mpitsabo sy ny mpitsabo mpanampy, fa ahoana no fampitambarana ireo amin’ny mpiasampanjakana hafa?

Iretsy voalohany mañana ny fitakiany mazava tsara. Ny an’ny mpiasampanjakana hafa tsy mbola hita soritra, na tsy mbola fantany akory izay ho takiany ka hitarika ny “gasy” hanavotra ny Firenena tokoa ve ireto miseho ho “babany” sy “rôla” ireto sa hanavotra an’iza tafiditra amin’ny kizo izay tsy mahita làlan-kivoahana intsony?

Sao dia hanala ny akanjon’i Paoly mba hazoana mampitafy an’i Piera no tiana hatongavana?

43 pensées sur “Hanavotra ny Firenena tokoa ve ireto miseho ho “babany” sy “rôla” sa..?”

  1. TAKIO NY ACP-UE-NU-UA HANONDRO PRESIDENT DE LA HAT VAOVAO
    (TGV etant exclu pour avoir deja conduit minablement pendant 3 ans)

  2. ITONY INDRAY NY RESAKA MANDANY ANDO NA manalava krizy hataon’ny SADC :

    Fils Infos – 04.06.2012 Envoyé par: Fil Infos (Adresse IP journalisée)
    Date: lun. 4 juin 2012 15:05:57

    Lundi 04 Juin 2012

    *8h30-> A l’issue du sommet extraordinaire des chefs d’Etats de la Troïka de la SADC tenu vendredi dernier, un organisme de médiation régionale sera mise en place pour organiser une rencontre entre Marc Ravalomanana et Andry Rajoelina pour appliquer et mettre un terme à la feuille de route pour sortir de la crise.

    aprés la cellule de liaison ,dia hasiana ny organisme de médiation,fa inona ny Gic sy ny samao sy ny Salamao taloha .

  3. io fanambarana io no atao hoe diplomatika raha nieno kabary RAVELOSON CONSTANT dia mazava ny tenininy aza manantena be loatra satria tsy mitovy fiteny diplomatika sy ny zavatra ataony TROIKA rehefe tonga eto TANA

  4. tena mankafia ny lahatsoratr’i Solo Razafy. Voalazany daholo izay rehetra ato amin’ny saiko ary tena makasitraka tanteraka.
    Hoy ilay reniko izay hoe lasa mpanota daholo ve ? tsy misy mahalala ny tsara sy ny ratsy intsony, tsy misy fitsinjovana ny piara-monina intsony, satria ve mafy ny fiainana ka dia samia manao izay hinanany ?
    Na dia hifamingana aza, na dia hifana-kenda aza.
    Loza izy ity, tsy misy intsony ny toe-tsaina maha-olom-banona.
    Ary tsy misy firenena manao an’izany na dia ny soavazy any atay ala tsy fantatra aza.
    Raha izao no mitohy dia hivari-lavo tsy ho ela daholo, ilaozana mandany andro amin’ny zavatra tsy mamokatra.

  5. Tokana ihany ny olona mahavita mitondra amin’ny fomba mahomby an’i Madagascar ka ahafahan’ny malagasy manontolo hiaina ao anatin’ny fiadanana: i Andrinirina Rajoelina izany. Izy moa dia sady tena mahay no tena mahalala tsara izay tena mahasoa ny malagasy. Ny 95%’ny malagasy rahateo moa dia mahatoky sady tia an’i Andrinirina Rajoelina.
    Ka eto dia tsara ny manipika sy manizingizina fa ingahy Valomanana Marc dia tena tsara ny hanalavirana azy hatramin’ny farany an’i Gasikara, na raha toa izy ka te hody tokoa dia apetraka eny Tsiafahy moa izy mazava loatra io satria maro loatra ny ratsy vitany, indrindra moa fa ny famonoana olona. Ny halatra ny fanananan’i Malagasy moa dia tsy lazaina intsony. Raha hisy tokoa moa ny fihaonan’ingahy Valo ami’ny Filoha ambonin’i Madagascar Andrinirina Rajoelina dia ireto no hevi-dehibe io no atolotra azy: Tsara ho azy ny mipetraka hatrany any antsesitany mandritra ny 12 taona farafahakeliny. Raha mikiry biby ny hody moa ny lehilahy dia lazaina azy amim-pahendrena fa efa miandry azy tokoa i Tsiafahy. Azo anontaniana an-dRavalo moa ny hoe inona no mba tiany apetraka ao amin’ny efitrano higadrany: tsy maninona asiana fahitalavitra kely ao, azo asiana internet koa moa mba ahafahany mba mifandray amin’ireto forngony ireto, mahazo manana telefôna portable koa izy ao am-pigadrana ao. Mety ho hevitra tsara koa ny famelana ireo zanak’i dada hitsidika azy any ka omena alalana izy ireo hanao meeting eo ivelan’i Tsiafahy, ka i Valo dia mba azo ampikarina eoamin’ny tambohon’ny fonja hikabary hankahery ireto olona mpanaradia azy. Nefa amin’izay dia afatotra ny ny tongony ankavanana sao mitetika ny hitsambikina sy handositra ny lehilahy, efa fantatra ihany moa fa olona fatsora sy fetsy ratsy ity Valo ity. Mety ho afa-po kosa angamba ny mouvance Valo amin’io hevitra mafonja holazaina amin’i Valo io.

  6. Nahazo vao2 aho androany ny momba izany andian’olona izay mandrebireby
    fa omeny izay tadiavinao ianao dia avy eo tsy maintsy manaiky azy izay tiany hatao aminao @’izay hono dia maniry Vangy
    no hiafarany dia @ alina koa hono misy Vampire manaikitra dia avy koa dia lasa ohatra ilay Film e!!dia ny ao Dago
    tsy misy manadry tėlėphone intsony raha vao tsy misy numero fa sao ireo andian’olona ireo hono mazava hoa azy
    fa HIRAKY NY SATANA IZY IREO, Koa mba manontany raha misy afaka ny manome fanampim-baovao ny @’io azafady????

  7. io ilay club satanique misy andr’i denise napetrak’i joely. Mihanaka ohatra ny aretina tibekilaozy ilay toe-tsaina-devoly.

  8. Mampahonena sy mahavariana raha ohatranao daholo ny olona ry Denise, soa fa efa ianao sy ireo miaramilam-potaka vitsivitsy ireo sisa no manohana an’io clown io, tadidio fa tsy i domelina no efa andrasana fatratra eny Tsiafahy noho ireto antony ireto ka vakio tsara azafady:

    -26 Janvier 2009: nanao masikita olona i domelina t@ nandoroany ny magasin be dia be teto sy ny tvm, rnm, mbs, izy sy ireo foza namanareo no responsables t@ iny ary tsy ho afa-maina @ iny ianareo fa mahandrasa kely

    -7 février 2009: i domelina sy roindefo no nitondra olona ho vonoina teny ambohitsorihitra hoe « haka » lapa, mbola ho avy koa ny anjaranaero ny @ iny

    -17 Mars 2009: nanongam-panjakana i andry foza, sa inona no handikànareo ny tank sy miaramilam-potaka niaka-dapa t@ iny?

    -Tao anatin’izay 3 taona izay dia:
    * lainga sy fitaka np feno
    * manao sonia foana no sasatra nefa zéro ny fanatanterahana
    * ampiasaina foana ny teny hoe « mora » nefa tena aiza izy izao; ny ppn tsy mitsaha-miaka-bidy, ny tsena mora efa ho herintaona izao nikatona fa lany ny entan’i dadanay nangalarinareo ka namidy tao
    * lasa kianjan’ny bouche cousue (fanapenam-bava) ny kianjan’ny demokrasia notokananareo
    * nidinareo daholo ny hany mba radio-nay: mada sy fahazavana
    * gadrainareo izay sahy mijoro manohitra izao fitondrana jiolahim-boto izao
    * matahotra mafy ny filohany ianareo ka notam roa be izao no navoakanareo t@ minitra farany
    * mpangalatra sy mandroba daholo ianareo foza fa tsy misy tia firenena na iray aza
    * potika tanteraka ny Tanindrazana satria tontakely avokoa ny foza

    Sy ny maro tsy voatanisa, fa dia efa kely re sisa Denise an! asa tonga dia ohatran’ny soavaly manao pmu ka mitampi-tay ny maso fa vakio sy diniho tsara ireo voalazako ireo, tsy teniko irery ireo fa ny 95% n’ny Malagasy tena tia tanindrazana

  9. Elas,
    Ny mampalahelo dia ireo saovazy any anaty ala lazainao ireo, mazàna no tena mbola mitàna an’izany hoe firaisan-kina sy fahaizana miara-monina izany !!

    Fitsiriritàna, fialonana, faniriana mba hanan-javatra toy ireo mba manana, no mahatonga ny olona ho lasa saovazy noho ny saovazy, ary biby noho ny biby !

  10. Quant à Lalatiana ?
    Ne serait ce pas un nouvel A.Rajoelina en jupe ???
    Celui en pantalon ne l’aurait il pas dressé, monté ( ds tous les sens du terme ) ???
    Je m’en mefierais !!! Les Mouvances n’ont qu’à bien se tenir !

  11. Mampahonena sy mahavariana raha ohatranao daholo ny olona ry Denise, soa fa efa ianao sy ireo miaramilam-potaka vitsivitsy ireo sisa no manohana an’io clown io, tadidio fa tsy i domelina no efa andrasana fatratra eny Tsiafahy noho ireto antony ireto ka vakio tsara azafady:

    -26 Janvier 2009: nanao masikita olona i domelina t@ nandoroany ny magasin be dia be teto sy ny tvm, rnm, mbs, izy sy ireo foza namanareo no responsables t@ iny ary tsy ho afa-maina @ iny ianareo fa mahandrasa kely

    -7 février 2009: i domelina sy roindefo no nitondra olona ho vonoina teny ambohitsorihitra hoe « haka » lapa, mbola ho avy koa ny anjaranaero ny @ iny

    -17 Mars 2009: nanongam-panjakana i andry foza, sa inona no handikànareo ny tank sy miaramilam-potaka niaka-dapa t@ iny?

    -Tao anatin’izay 3 taona izay dia:
    * lainga sy fitaka no feno
    * manao sonia foana no sasatra nefa zéro ny fanatanterahana
    * ampiasaina foana ny teny hoe « mora » nefa tena aiza izy izao; ny ppn tsy mitsaha-miaka-bidy, ny tsena mora efa ho herintaona izao nikatona fa lany ny entan’i dadanay nangalarinareo ka namidy tao
    * lasa kianjan’ny bouche cousue (fanapenam-bava) ny kianjan’ny demokrasia notokananareo
    * nidinareo daholo ny hany mba radio-nay: mada sy fahazavana
    * gadrainareo izay sahy mijoro manohitra izao fitondrana jiolahim-boto izao
    * matahotra mafy ny filohany ianareo ka notam roa be izao no navoakanareo t@ minitra farany
    * mpangalatra sy mandroba daholo ianareo foza fa tsy misy tia firenena na iray aza
    * potika tanteraka ny Tanindrazana satria tontakely avokoa ny foza

    Sy ny maro tsy voatanisa, fa dia efa kely re sisa Denise an! asa tonga dia ohatran’ny soavaly manao pmu ka mitampi-tay ny maso fa vakio sy diniho tsara ireo voalazako ireo, tsy teniko irery ireo fa ny 95% n’ny Malagasy tena tia tanindrazana

  12. Izay mihintsy ilay izy hoe: « satanique » ry Elas, ohatra ilay t@ 1999 ve izany ilay hoe: » 666???? »
    ary sao dia izany ireo faty NODORANY teny Ambatomirahavavy fa tsy tiany ho hitan’ny olona ilay
    fahavoazana????

  13. Fa misy inona no hilazanao fa « Prėzdà vao2 an’i Hat? » ry Njara a???f’ angaha koa???

  14. Tsy fantatrareo vé i Denise
    Ilay sipa velona taminy krizy
    Miteniteny foana no hainy
    Fa raha mandinika no tena marina dia tsy hainy
    Mihevitra angamba izy fa tena milay
    Nefa mitovy aminireny kitay
    Izany angamba no fantana fa mety
    Tsy hampoiziny izany woe mitsako kanety
    Ka ny teniko aminao ry Denise
    Aokizay ny fanoratana eto,fa resy hianao aminy isa,tsy izany vé no izy

  15. ilay fitia an´i Mialy rajoelina io navadiny club sataniues io mitady sorona betsaka fa ho ratsy ny fandehan-javatra sao manody ny natao mandrovin-tsihy.

    izay no tsy ahitana an´i mialy rajoelina fa miketrika mafy ny club satanique izao.

    Club satanique = association FITIA = andry rajoelina mianakavy

  16. hadinoko, . izay no nahatonga an´i rajoelina sy ny vadiny hanamboatra ny lalana antsirabe-morondava iny, hanamora ny hanaparitahana io zava-mamoafady io.

    club satanique= andry rajoelina et mialy rajoelina = FITIA

  17. denise iraky ny satana hanapotika ny serasera eto, soa isiky fa mpivavaka daholo.

    KM! a izay no ilana vavaka teo,sy amin´ny tolona, ,entina amim-bavaka ny zava-drehetra dia avy eo vao miketrika izao strategia atao rehetra,

    DENISE anie, mebre club satanika, ilay mpamianatra sy mpanofana i SATANIE ambasadaoro frantsay ilay vao lasa, naparitany ny viriosy dia lasa izy. i Mialy sisa no manaparitaka ny klioba satanika.

  18. aiza i Bebe razanakisoa rakrisy aminízany kliobana devoly izany.

    Aza hametrahan´iny tanana aloha fa devoly misandoka mpiandry iny sao ……

  19. Dia inona no tetika ratsy @’ilay toerana any Vakinakaratra??
    Fandrebirebeba sa ho fandemena ireo izay miaro mivantana an’i dada??
    any mantsy hono no hielezany, rehefa tsy hibebaka @’izao ny Gasy dia efa tsy hibebaka intsony.

  20. inona no mety ho vaha-olana ?
    tsotra dia tsotra, mamokatra ny firenena dia izay mamboly ihany no tokony ho voky. saingy tsy izay mihitsy ny zava-misy, ireo efa zatra-ninono tamin’n’ny andron’ny fanjanahana dia efa voky tsy niaza ary ny taranany rehetra tsy olona havanana hiasa fa mandroba, sarotra ho azy izany miha-mahantra , tena sarotra rehefa zatra niaina tamin’ny hatsembohan’ny hafa, sarotra satria tsy mahay miafy, sarotra ny miezaka. Ny capital eo ampelatanany daholo fa hanaovana rendrerendra fa tsy entina hamokarana.
    Ianareo izay taranaka mpitrongy vao homana, mba te-hanana fa na miasa aza dia zara raha tafavoaka ka noho izay dia raha vao tambazana lela vola dia babo na hamono olona aza.
    Araka ireo voalaza ireo dia Ra8 ihany ary Ra8 hatrany no vaha-olana : izy tsy hirendrarendra aminao, izy hanao izay hanampy ny te hiasa, izy hanao izay hampandroso ny firenena ary izy dia tena malagasy na fisainana, na fitondran-tena, na fitaizana.
    Araka ireo rehetra ireo koa, dia be dia be ny mamofona vazaha na fisainana, na fijery na fihetsika satria any aminy ny capital nolovaina saingy tsy vazaha izy ireo fa malagasy maloto tena maloto voretra. Ireo no tokony ho sasàna voalohany. Ireo no tokony hiantoka ny famokarana rehetra, ireo no tokony hanome asa fa tsy tokony hihevitra azy ho ambony noho ny tena malagasy.
    Iza avy ireo taranaka malagasy maloto voretra tsy amam-panahy, malagasy zandazanda vazaha, karana, sinoa, ary ireo izay milaza fa olo-malaza na be vola fahiny ny ray aman-dreniny ka mandany ny hazo fa rehefa majifa ny poketra dia manongam-panjakana satria tsy maharaka ny tena mahay miasa ?
    tony hoseho vahoaka izy ireo ho tsaraina izay tena hendrny sy tanjany.
    Rajoelina fils, monja fils, ratsiraka fils,ratsirahonana fils, resampa fils,……….

  21. Le club satanique pourrait bien dériver de ce pouvoir Haute Autorité de la Transition
    d’Andry Rajoelina, du moins c’est la HAT qui a initié sinon favorisé son expansion

    parce que en 2009 le vent soufflait que des gens (marchands au bord des routes)
    disparurent subitement enlevés à bord de 4×4 par des inconnus (marchands d’ORGANES HUMAINS???)

    et là la semaine dernière j’ai lu dans un journal une personne ayant pu fort heureusement s’évader et témoignant après qu’il allait faire l’objet d’un SACRIFICE sur autel de ses ravisseurs
    __

    Quid du programme executé de SACRIFICES HUMAINES de la HAT d’Andry Rajoelina: le 7 Février 2009

  22. Hoaiza
    Dia izany dia mbola mila resaka ihany ny momba ity domelina fa tena
    hilaina ao @’io tany masina io mihinsy ve ny DEVOLY no mbola tsy tokony
    hiala ao io satana velona io????

    Voalazanao tsara ry Elas ny tena fanetry be ao @’io Tanintsika io ary ireo no tena anisan’ny niadiavan’ny dada voalohany.

  23. Asa na tadidinareo mpamaky fa fony mbola mpitondra ilay mpitery ronono, Marc Valo, dia nalaza be mihitsy ilay hoe nanao velirano tamin’i Satana izy. Nandeha be ny resaka tamin’izay fa hoe hay nantiny hanasarotsaronana izany no naha filoha lefitry ny FJKM azy. Avy eo moa dia tsy re intsony ilay resaka satria iny izy naongan’ny vahoaka iny noho ny ratsy vitany. Ankehitriny dia indro fa mipoitra ary malaza be ilay hoe Club Satanique. Rehefa natao àry ny fanadihadiana lalina sy ny famakafakana tetsy teroa mikasika ity toe-javamisy ity dia tsapa tsy misy hambahamba fa hay ilay velirano nataon-dRavalo tamin’ny Satana tamin’ny fotoan’androny ity miseho masoandro ity ary tena tsy tako-nafenina intsony ilay izy. Pacte Satanique moa ilay nataon-dRavalo ary io ary i Satana fa tena miverina mampitahotra ny olona. Raha tsorina dia i Valo no ambadik’ity fampihorohoroana avy amin’ny Satàna ity. I Valo manko tamin’ilay velirano dia nampanantena rà mandriaka tamin’i Satàna mba hahatonga azy ho filohan-dry Satàna. Tanterany izany tamin’ny 09 février 2009. Ka io ry Satàna fa te hankalaza izany fanadratana an’i Valo ami’ny fomba ofisialy fa filohan-dry zareo. Dia izao hitantsika mianakavy izao no fisehony. I Valo zany zao no mibaiko an-dry Satàna isany hampihorohoro ny vahoaka satria i leiry mihitsy no voatsangana ho filohany. Tena lasa lavitra be ilay stratégie ataon’i Valo saingy tsy hahomby zany e!

  24. La verité selon les foza !! Ce qu’ils font aujourd’hui mérite une récompense de la part de leur Dieu, j’ai nommé le diable Satan !

  25. Ireto, ireo namany ! Ataovy lehibe tsara ny écran, dia jereo tsara izay fantatrareo !

  26. Adinoko: any amin’ny faritr’Ambatondrazaka iny no miseho iry tantara lazaiko!

    Firifiry zao ny ankizy very?

    Ny zanako vavy atao folo hafatra tsy hanjohy ny toera-mangina
    Tsy ny tanora ihany no velezina @ ity fandrekirekena satanique,
    fa na ny lehilahy efa manambady sy zatovolahy maka ohatra velona avy @ireto mpanodina sy mpanolana tsy maty manota : Izaho rey olon tonga mitsangana ho garde-de-corps-njanako vavy an, bip-eo aho rehefa mihetsika ny demonia ndry zalahy ao anaty taxi-be fa raiminitr sy valo no hahatongavako dia ho hita eo hoe iza no handresy (sens propre et figuré) ny MAIZINA sa ny MAZAVA …

    Aza mba tratrako tenisany ry tgv bogor rabe

    (ataovy mande iry vidéo ry km an)

  27. Tena fanina mihintsy ity isika malagasy amin’izao fiainana izao. Ny mahagaga sy mampametra-panontaniana hoe fa maninona isika no tonga amin’izao toerana izao, tokony isika mianakavy samy mieritreritra sady mandinika fa raha ohatrin’izao dia tsy handroso isika malagasy satria tsy mba tia ny tsara isika fa te iaina amin’ny zavatra mora sy tsy mahomby, sao isika manohana ny Ravalomanana koa no mitavozavoza ka lasa araraotin’ny ratsy rehetra , izao isika misy io club satanika io , firy amintsika no tena nandray andraikitra hanamarina raha tena misy izy io, aiza no misy azy , iza no ao ambadika , izany no tokony ataontsika mianakavy izao dia mianga avy amin’izay no entintsika miady , raha dinihana mantsy dia mety ho fandrebirebena io zavatra io mba hatonga ny saina tsy hifantoka amin’ny raharaha pirenena , na koa misy mihitsy ilay izy fa ny tanjona dia izay ihany fandrebirebena ilay izy , dia izay no mahatonga ahy miteny hoe tokony isika tena mandray antanana ny tolona ataontsika fa tsy mijery fotsiny samy efa mahalala fa ny an’ny Rajoelina mianakavy dia ny hijanona eo amin’ny toerana mandrapahafaty ny azy no ilainy , ka aza gaga isika raha ohatra ka misy antokon’olona manohana azy satria manankarena tsy misasatra, fa anjarantsika no mihevitra izay tokony atao , ny fototry ny fitondran-dRajoelina dia efa fantatra e! tsy mila resaka be , ny miaramila , izay no nahatonga azy ho mpitondra eo , efa mazava izany fa nanongana fanjakana fa tsy nanara-dalana , tsy lany tamin’ny fifidianana ka inona no antenaintsika amin’ny olona ohatran’izany ?aza lany andro amin’ny resaka efa fantatra fa ny fomba handresena azy no tokony hitadiavana hevitra, sa ahoana e!

  28. Mazava tsara ny famintinana ry Vonifanja !
    Anjara-biriky mba entiko kely ho anao sy ho an’i ranavalona izay mivavaka mafy ho an’ny Firenena.
    Ny tsara ho fantatra angamba dia arak’io voalazanao io, dia zavatra entina handrebirebena ny saim-bahoaka izy io, entina hanodinana ny resaka mba tsy ho any amin’ny resaka pôlitika izay tsy hitan’ireo mpanongam-panjakàna intsony izay hanaovan’azy, satria dia tampidalank’aleha ry zareo !

    Tamin’ny années 60, dia nisy ny hetsika nataon’ny Hippies izay mba nalain’ny tanora malagasy tahaka, teo amin’ny fomba fiakanjo fotsiny, satria tsy dia anisan’ireo voatery nandeha niady tany Viet-nam ny tanora malagasy.

    Efa ela ihany no nisy teto Eraopa ny mouvement Gothique, ary amin’ny tanora dia lasa nataon’ny sasany « lamaody » fotsiny na ny fomba fiakanjo ihany koa aza !
    Ny tena mpanaraka, dia mifangaro ao daholo ny zavatra rehetra, fa toy ny punk ihany io : Phénomène de rejet de société !
    Raha misy io zavatra io any Madagasikara, mety tsy dia mahagaga ihany koa, satria ilay Fivavahana, lasa ampidirina etsy sy eroa, kanefa mba jereo kely ny ataon’ireto OLON-DEHIBE IZAY MILAZA FA MPITARIKA FIVAVAHANA !
    Ny ataon-dry Odon sy Andriamanjato, ry Mayonezy dia santionany hita-maso !

    Mba henoy ange ny voalaza ato hoe, misy passage miteny hoe « aversion de tout ce qui est religieux » ; mode style musical tsy feherana !

  29. Dia azo hamaivanina toy izao ve izany ilay izy ry Kintana??
    Samy hafa kosa aloha ny fisehony eto sy ny any @ tanana e!!
    ny eto HAGEGENA fa ilay any @ tanana dia fanararaotana ilay fahantrana mianjady ny firenena.
    Eto sitrapon’ireo olona fa ny any amintsika diafanerena an-kolaka.Ny fahitako azy aloha an?

  30. Tsy hoe manamaivana, fa mihezika mampiseho ny zava-misy sy manazàva ny antony !
    Ilay pasitera lasa manana 4×4 lixa be dia be iny, karazan’olona toy ireny no manararaotra ny fahantràna !
    Rehefa tsy hitan’ilay vahoaka izay mangirana eo amin’ny fiainany, dia « miafina » na any amin’ny fivavahana no miantefa izy, dia araraotin’ireo mpitarim-pivavahana tsy mataho-tody !
    Izay no mahatonga ahy nampiseho izay karazan’na fomba mety hisehoan’io hoe satanisma satanisma io !
    Inona marina ny zavatra mitranga ary aiza, ets… ? Tafiditra ao ihany koa ny fomba fitaizàna !

  31. mihezaka fa tsy mihezika ! Aza fady !
    Misy adino kely : Na dia misy aza io tranga io, rehefa tsy misy olona maty, dia tsy quoi!
    FANONGANAM-PANJAKÀNA DIA GRAVY LAVITRA NO IO RESAKA SATANISMA IO ; ANISAN’NY NAHATONGA AHY HILAZA FA METY HO VOKATR’IO FANONGANANA IO NO MAHATONGA NY TANORA SY IZAY MITOVY HEVITRA AMIN-DRY ZAREO HO : LEO !!!! LEO AN’IZAY ZAVATRA HITANY AMIN’NY FIAINANA, FIAINANA TSY HAHITÀNY MANGIRANA !!!

  32. Tsy tian’ialahy angaha ny mijery an’i Marilyn Manson ?
    Sa ny an’ialahy, na i Marilyn Monroe ihany na Jane Manson ?

  33. Hitan’ialahy ny tsy hitiavako ity devolin’ilah ity???
    ilay izy rehefa manao ilay pataloha misy lavaka ao aoriana
    mba tsy menatra @’ity RAVIN-DAISOA malazolazo kely tsy misy hialavana azy hi!hi!hi!!!!!

  34. Tsy efa hitan’ilah iny ??asiany lavaka roa boribory ilay pataloha nefa dia
    asa na maninona fa dia malazo any izany e!!!kofon’ny hehy aho io hi!hi!hi!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *