Madagasikara lovan’ny taranakay Frantsay, Sinoa sy Karana…?

Razily Maherifo

Nosy tanindrazako
Izay navelan’ny razako
Afoiko ho anao ny rako
Ry Madagasikarako

Ranomasina no valam-parihy
Mamefy ny foko rehetra hifankatia
Tsy hampisaraka ny malagasy miaraka

Andriamanitra ô! Mitahia
’Ty taninay ity
Tany izay nomenao ho anay
Lovan’ny taranakay
Madagasikara ho an’ny malagasy
Malagasy kosa ho an’i Madagasikara

LUDGER Andrianjaka

 

31 pensées sur “Madagasikara lovan’ny taranakay Frantsay, Sinoa sy Karana…?”

  1. Latsa sisa ilay hira!!
    « Razily » tsy ho hadinoko mandrakizay ny anaran’io olona io.
    Ho elavelona ianao Razily , ny Tompo anie homba anao sy ny taranaka fara-mandimbinao.

  2. Ary hadinon-dry zanak’i dada angaha fa efa saika namidin-dRavalo tamin’ny Koreana i Madagascar? Soa fa tonga ny mpanavotra an’i Madagascar, i Andry kely mahavita azy, ka tsy tanteraka izany. Isaorana io Boay kely mahery io, izay nanafaka an’i Gasikara teo ambany vahohon’ny TIM sy Valo mpangalatra sady mpivarotra tanindrazana!

  3. hihihi
    k’angaha ‘ty tsy namonjy mantso?

    « vao maraina vao mifohy
    de indro lasa i ramatoa
    tsy sakafo ambava-fo
    eh glou eh glou eh glou »

    Vao @ firy zao
    TY ATIDOHA anefa EFA MIVADIKA sahady!!

  4. Cher frère KM:
    merci pour le lien ci-dessus!

    Tôt demain
    je ne manquerai pas « copier au moins en 50 exemplaires »
    version papier + puis diffuser

    (version en langue malagasy en appui)

  5. Sady mijery matso moa ny tenanay no mampita mivantana ihany koa ny hafalian’ny malagasy amin’izao Asaramanitra izao. Faly Gasikara manontolo miaraka amin’ilay Filoha tanora kely mahay sy mahery. Vahoaka analinkisa no manatrika ny fety miezinezina. Tsapa fa tia Tanindrazana ny Malagasy. Mitotorebika ny rehetra. Tsara ny manipika etoana fa dia tonga ireo Ambassadeurs samihafa miasa eto Tanà, ireo Consuls sy ireo diplômates marobe: manohana hatramin’ny farany an’i Andry Rajoelina izy ireo.
    Ary ireo zanak’i dada hono mba aiza lehiretsy a? Toa any Antsirabe any hono no manao hetsika ireo adala tsy manatsaina ireo. Tsôô! Olon-dresy tokoa mantsy ry zareo ankehitriny!

  6. Tena tsy fahalalana ny marina ve?

    Sa, satria tsy mba fananan-tsaina mikarokaroka?

    Fa dia tena irony boloky mamerina ny tsianjery maina sy m… ireny ianao ‘ty ra-dénise a!!

    Mba mikaroha izay marina fa tena miteniteny foana lava izao ianao

    Tena mirefarefa amin’ny tany ny toe-tsaina sy lazaina!!!

  7. bozoro denise!faly aho milaza aminao fa tsisy likoptera zany teo mamsasina;nihorakoran,ny olona i risara ravalomanana,nivoaka doly ny olo fa tsy faly t@rajoeli dia nofaranana ny defile,nikomy ny miaramila sy zandar;tsisy raha vanona tao e!ka faly ery ny zanakidada manao ksukirsio any bira;tsita tao mialy zany;asa lasa aiza fa tsy afaka mikarakara fianakaviana manko raha tsy miera @freefm

  8. Raha mba nanana fanetren-tena kely toa ny voatsinampy tokoa manko i Valo tamin’ny 2009, ka nanaiky nifampiraharaha tamin-kitsi-po dia tsy ho very voninahitra toy izao izy an! Tadidiko tsara ny valin-teniny tamin’izay:  » Raha te hifanehatra amiko ialahy Rajoelina dia jereo aloha ny herin’ialahy ». Nasehon’ilay boay kely tokoa ny heriny, ka fandresena miezinezina no azony, ka dia nitsoaka sisa hany herin’ilay Valo. Dia izao hitantsika rehetra izao fa dia any Afrika atsimo sisa no manao vavan’ny maty an-drano i Valo, ary ireo zanany tsisy saina kosa dia manantena ny tsy misy sisa ataony. Mahery leisy ialahy ry Andry kely a, manohana an’ialahy leisy ny 95% ny malagasy a! Afaka mitondra an’i Gasikara ialahy mandritra ny 50 taona manaraka!!

  9. Ho anao ry Ray, izay any an-danitra,
    Malaza fa androany, dia asaramanitra
    Ireo vahoaka malagasy anefa dia mijaly,
    Izany dia, tsy nahasàkana ny foza hifaly

    Fa dia mba aiza laotra izato Fitahiana
    Izay nagatahanay, fa aza dia variana
    Manome rariny an’ireto andian-jiolahy
    Izay tsy hitoeram-pahendrena na Fanahy.

    Fibebahana sy vavaka ve, no takalom-pamonjena ?
    Tsy ampy foana ve, izay vitan’ireo nitsara tena ?
    Mba teneno ireto malagasy hafa, fa dia diso fijery,
    Ary ireto Tia Tanindrazana, aza avela hiady irery !

    ……….

    Maniry mafy aho

  10. Tsy mpanoratra eto ny tena anefa dia misaotra an’i KintanaMananDrambo amin’ity rindram-bavaka mahery sy feno hevitra hotsakotsakoana.

  11. Raha ny fomban’ireto mpomba an-dRavalo amin’ny vavaka ataony aloha no resahina dia tena mandeha amin’ny tsy izy mihitsy ilay fiheveran-dry zareo an’Andriamanitra. Aiza ve ka vavaka miaro ompa no ataon-dry zareo. Tena « Opium du peuple » ny fivavahana raha fomban-dry Valo sy ny zanany no jerena. Soa fa tsy izany no tena atao hoe Christianisme. Ny tenin’i Jesosy dia mazava:  » Tiavo ny fahavalonareo, hoy izy, manaova soa ho an’izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo » (Mt. 5, 44-45a). Ka izay no amerenako matetika eto ilay vavaky ny Tompo teo amin’ny Hazo Fijaliana manao hoe « Avelao, ry Tompo, ny helony fa tsy fantany izay ataony », satria tena manaaonao foana mihitsy ireto zanak’i dada ireto!

  12. an’ity mpanenjika eto ambony:
    atsaharo ny fialonana oa
    f’izany ihan no
    rangory fototry ny afo!
    __

  13. Ny an’ny mpivaro-pika toa an’i denise dia miditra oazy ny vola mora ka tsy miasa saina izy fa ny pikany no miasa ary izay no mahatonga azy tsy mahita olana @ zao fahorian’ny Malagasy izao tsy olana aminy no mihanjaka imasom-bahoaka toy izao hataony izao!!! masiso be anefa izay lalovanyfa maimbo foza be izy ka tonga dia midegôba enao raha mamaky izay soratany!

  14. 99,99 % an’ny vahoaka malagasy dia mankahala ny foza ! Izany no tena hoe maro an’isa !
    Inona no soa mba azon’ny vahoaka taminareo, mpangala-mpitondràna sy izay miarak’aminy h
    Tsy fijaliana ve no hiainan’izy ireo, efa ho efa-taona izao ?

  15. hono hoy aho Radenizy
    tsy hainao ny krizy?
    Ianao koa moa be devizy
    ka mitsaontsao-bava izay tsy izy.

    Ny masonao ve mikipy
    sa misarona slipy?
    na dia efa sempotry ny fofona aza
    dia mbola mitohy ny sain-jaza.

    aza ny vavaky ny hafa no asian-teny
    fa tsy hainao ny ho valin’izy ireny
    Ndeha mibebaha izato izy
    fa sao koa hofatin’ny krizy

  16. tena fisaorana mitafotafo no atolotro aní Fanantenana HOAVISOA.

    tena miady ny rima no tena tsara ilay tononkalo hoa n´ilay DENISE mitapy eto amin´ny Mydago.

    Tena mahy ianao ry F. HOAVISOA:
    mba handefaso tononkalo maromaro ireo foza maimbo eto ireo sao mba hampisokatra ny sainy sy ny atidohany maivanabe io.

  17. Marina mihintsy ilay hoe: misarona kilaoty ny masony
    aza omena tsiny izy fa pika no hainy mivarotra hany ka na ny
    tanindrazana aza dia varotany varoboba ohatra ilay pika mivelatra andro aman »alina,izay no mahatonga
    ilay kilaoty ahantona ery ambony loha sisa mba tsy hanakona ilay pika AMIDY, dia ilay efa kely ao anatin’ilay loha
    mbola voatakon’ilay kilaoty indray koa inona moa fa izao izy miteniteny foana izay mba sai-patany re ray olona a!!!

  18. Fanantenana HOAVISOA<<< mety mba hahazo resaka ihany io Denise mpivaro-pika io mahita ny tononkalon' olona mahita sady mandré fa izy io mantsy olona adala kentrina ka vao maika indray izy zao hanary lamba no ahiako fa tsy ny tsiajerim-poza mahazatra no hataony eo!!!

  19. Ho ampiasaina amin’izay hono ny likôptera, entina hanajedahana an’i Remenabilan’ny daigna sy ny tariny ! Tsy maintsy tera-tany vazaha anefa no hipilôty fa sao dia entin’ny gasy mandositra toy ny poleta sy kalaky, ny fitaovana lafovidy !

    Mba jereo kely koa ry zareo ireto â ! Izany hoe mila manao fitadiavana kely ianareo :

    – Renouveau franco-malgache : Des troupes françaises vont s’entraîner à Madagascar !

    – Navaokan’ny Gazette de la Grande Île koa : Une famille d’expartiés agresse un « gasy » à Ambatobe !

    Aoka isika hivavaka, fa tsy fantatry ry zareo izay ataony sy ny ao am-pon’ny vahoaka malagasy !
    Rehefa voa ny havia, tolory azireo koa ny havànana !

  20. ho any denise manokana jereo tsar& MADA fa ny tany mamokatra rehetra las far&ntay eto LA REUNION ny farantay no mivarotra ny btany amy ny reuonnais torakizany MAYOTTE mandehana any vao miteny
    rehefa kely saina dia akombony zavatra tsotra fotsiny miala aminy OIF sy COI MADAGASIKARA dia ho ita eo ny valiny zavatra mety hitranga io ary tena matahotra anio ny farantay

  21. Io kala Jenny io mihintsy no nangalatra an’i Eric Manana!!
    mody be resaka ery io dia lasany i Manana, kala ratsy io!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *