MAGRO BEHORIRIKA : FANJAKANA MALEMY NO MISY ETO

Hetsika roa lehibe  no entin’ny Ankolafy Ravalomanana mankalaza ny fetim-pirenena 26 jona. Hisy ny hetsika etsy amin’ny Magro Behoririka ho fanamarihana izany, ka anasana ireo zanak’iDada rehetra eto Antananarivo sy ny manodidina. Ny any Antsirabe ihany koa dia hisy izay hetsika izay. Ny CT Didier avy Antsirabe teny amin’ny Magro Behoririka androany dia nanambara fa fifaliana ho an’Antsirabe ny handray ny Ankolafy Ravalomanana hanatrika ny fankalazana ny faha 52 taonan’ny niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara any an-toerana. Ny Ankolafy Ravalomanana hoy izy dia tsy mahay mihatsaravelatsihy, kanefa izay no zavamisy eto. Nanambara io fitondrana io fa fetin’ny fahaleovantena, firaisankina ho an’ny fampandrosoana. Tsy izay anefa no misy fa ny ataon’ny tanana hafa ary ny lazaina vava hafa. Tamin’ny faha 50 taona ny fahaleovantena hoy Didier dia ny frantsay no mibaiko dia lazaina fa hambom-pompirenena.  Ny CT Hilarion dia nilaza fa ny gasy samy gasy no mifamono any Atsimo.Afabaraka ny fanjakana hoy izy raha tsy mahasambotra an’i Remenabila. Fanjakana malemy tsy maharesy dahalo no misy. Aorian’ny 26 jona hoy Hilarion raha tsy voasambotra Remenabila dia fanjakana efa rava io, ka ho alainsika io fitondrana io. Hatramin’ny taona 2009 hoy Randrianjatovo Henri dia lainga avokoa no nataon’ny fat. Mikasika ny fetim-pirenena dia nanambara izy fa amin’ny mahatompontanindrazana antsika dia zavadehibe ny fiadiana amin’ny mpanjanatany. Tsy nanao ny fankalazana isika ny taona 2009, 2010,2011. Ny antony hoy Henri dia  very ny fahaleovantena. Tsy lasan’ny mpanjanaka ny tany raha tsy nisy mpamadika. Araka ny nambaran’ny filoha Ravalomanana hoy izy dia nanao sonia ny tondrozotra isika, ary vonona ny hamerina ny fiandrianam-pirenena. Efa nanao izay azo atao isika ary toy izany ihany koa i Dada. izany akory hoy izy tsy hoe fankatoavana ny foza. Tsy maintsy mampahalala bebe kokoa ny vahoaka Malagasy ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena isika, hoy Henri ary vonona hampiseho ny herintsika.

7 pensées sur “MAGRO BEHORIRIKA : FANJAKANA MALEMY NO MISY ETO”

  1. tena fanjakana malemy tokoa no misy eto fa raha tsy izany tsy nitsoaka i dada!efa tafaverina izy fa malemy loatra ilay fitondrana ary hanao 26 juin any afrika atsimo

  2. « Retour à l’indépendance » hoy ny ekipan’i Andry Rajoelina t@ faha 50taona.

    Hoy koa zany nareo tsy misy valaka « …NIVERENAN’ny fahaleovantenan’i Madagasikara »

    Mandaitra izany ny pratique d’influence afafin’i DJ kou!!

  3. ANDRIAMANITRA NO NANOME ARY IZY IHANY KOA NO MAKA – eriteretina tsara io teny io satria fantaro fa ny zava-drehetra miara-miasa ary indrindra indrindra mandaitra – ny rariny sy ny hitsiny tsy maintsy mandresy fa ny ratsy kosa dia miharihary eo ary tsy ho ela akory – Amintsika ny telo taona nijalian’ny olona vetivety amin’Andriamanitra ka aza ketraka isika – HANAO FETY TSARA MIARAKA MAIN’NY VAVAKA ISIKA SATRIA MILA NY FITIAVAN’ANDRIAMANITRA SY NY FITAHIANY HIROTSAKA AMINTSIKA MAHANDRASA E

  4. Mahafinaritra dia mahafinaritra ny mijery an’ireto sary, indrindra ny sarin’i Kalamavo, na i Kalamauve no marimarina kokoa ! Mazoto dia mazoto manatrika foana !
    Fa mba hono hoy aho ry zareo, fa maninona no tsy nasehonareo ny sarin’i Manoela tamin’izy nandrofitra an’ilay taratasy fanasàna, ilay invitasiô ?
    Amiko dia mba symbole milay be izany !

    Ary efa vonona ve hono ny lapiazo eny Andranomanelatra, hiarahin’ny zanak’i Dada mba manamarika an’ilay andro fitsigerenan’izany hoe Fahaleovantena, raha tena misy marina izany ?

    Tamin’iny erinandro lasa iny mantsy, dia tena nahamenatra ny nahita an’ilay antso nataon’ny sasany hoe : « Tongava ry miaramila frantsay, mba ampio izahy hisambotra dahalo zato fa ny miaramilanay tsy mahavita azy ; ny midaroka vahoaka tsy manana fitaovam-piadiana sady mpanome ny karamany ihany, no tena kapôkany » !

  5. Faly be aho fa vao nanokatra ity serasera dia Ravinanto no hitako aloha,
    mahavelom-bolo ny mahita olona manana finiavana HITOLONA HIANDY
    ho an’ny tanindrazana toy izao na dia mbola TANORA dia TANORA aza izy,tokony ho menatra ireto
    goaika antitra mpivarotra tanindrazana rehetra noho ilay fitiavan-kely @ fitiavan-tena, sa ahoana KINTANA???
    Miala tsiny fa nanomana zavatra lehibe izahay dia nahazo laharana faharoa ny GASY tokony ho voalohany fa
    tratranay ny hariva kay sipan’ilay mpitsara ( maizina) ilay nahazo ny voalohany ka nataon’ny ankizy mahamay.
    Nahatsiaro an’i Hoaiza aho @’ilay resaka maizina hoe: voavidy moramora , tsy resaka vola ihany io fa rehefa » V »
    dia mandeha daholo,tsy afaka manampy fanazavana aho sao ho raisi-potsiny eto.

  6. Efa Gasy efa totom-bitana raha frantsay indray no nantsoina handamina ao nefa ireo no
    mamboly io olana rehetra miseho ao an-tanindrazana ao io.Dia OPA MAHARARY no sahaza
    izany olona GAIGY tsy mahalala ny atoany izany.Mba azonao lazaina ve Kintana iza no nanao izany hanomezako azy
    kely TENY GASY fa efa maty heritreritra izany olona izany, sao misy ny azoko ahatao mantsy e!!mankaleo ilay toetsaina
    fa tsy mivoitra mihintsy nefa e fa izao no VOKATRA AZO an!!!MBA TONGA SAINA VE NY GASY SA MBOLA HANDADY
    HILELAKA IRETO FRANTSAY EFA MANOSIOSY NY HASINTSIKA IRETO e?????

  7. Całość świetnie wykonana! A naabjrdziej podobają mi się olśniewające portrety Panny Młodej nie mogę od nich oczu oderwać

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *