MAGRO Behoririka : mitaky ny fihaonana eto Antananarivo

Magro 05 jona 12 (8)

Mafampana ny fanentanana ny vahoaka amin’ny fitsenana an’idada eny an-kianjan’ny Magro Behoririka. Isan-andro dia efa misy foana izay fanentanana izay, saingy mafimafy kokoa izay, tao anatin’ny andro maromaro.Ireo fikambanana samihafa ao anatin’ny Ankolafy Ravalomanana dia efa misy solontena mandray fitenenana nanomboka androany. Ny solontenan’ny KMFB dia nilaza androany fa tsy ho anay ny niaretantsika teto tao anatin’ny telo taona fa ny filoha Ravalomanana. Amin’izao fotoana izao hoy izy ireo, dia efa akaiky ny farany, ka ho hitantsika eo. Vonona ny KMFB hifanome tanana ka noho izany dia hisy ny  dinidinika mikasika ny fiverenan’idada hotanterahina ny Sabotsy izao eny amin’ny Firaisana I ary ny Alahady kosa ny Firaisana Avarandrano.Ny CT Brenda dia nanambara fa ny zavamisy ankehitriny dia efa nampianarin’idada hifamela heloka isika. Mikasika ny fihaonana eo amin’ny Rajoelina sy Ravalomanana dia nilaza izy fa misy ireo olona manalokaloka an-dRajoelina satria lasa misalasala izy. Nanamafy kosa Andriampilamanana Rostand fa tara herintaona ny fandraisan’ny fat ny voalazan’ny Ankolafy Ravalomanana.Tamin’ny tao-dasa isika no niteny fa ilaina ny fifanarahana politika kanefa izao izy ireo fa manaiky fa ilana izany. Na dia manaiky hihaona amintsika aza, dia aza matoky saka fa trondro ny laoka. Efa maro ny fifanarahana natao toy tany Addis Abeba, hoy izy, fa laviny avokoa. Noho izany dia mila mailo isika, na izy manaiky na tsia fa tsy maintsy miroso isika. Raha manana ny fiandrianam-pirenena marina isika,hoy ny CT Hilarion avy any Fianarantsoa  dia atao eto Antananarivo ny fihaonana. Tena manaiky ny politikan’ny filoha Ravalomanana ny rehetra hoy izy satria raha nandeha nihaona tamin’ny SGn’ny ONU sy UE Rajoelina dia nilaza izy ireo fa ny Sadc no mamaha ny olana. Ny manahirana anefa dia ny mpomba antsika, izay nilaza fa miala tao ianareo rehefa nisy ny fisintahanay. Raha niala tao izahay, hoy Hilarion, dia tsy voaasa tany ACP ny filoha Rakotoarivelo Mamy. Tsy maintsy miverina amin’idada ny fitondrana amin’ny alalan’ny fifidianana. Ny CST Ravelonanosy Mamitiana dia nanambara fa ny vaovao tanyivelany tany dia nisy ny fanapahan-kevitry ny Sadc hanampy ny olona hanelanelana ny raharaha eto amintsika, ka Chissano no hanampy an’i Fransman amin’izany. Noraisin’ny Sadc ihany koa hoy izy ny fitarainan’ny Ankolafy Ravalomanana, dia ny fisian’ny tsy  fitanilana eo amin’ny fitantanana ny tetezamita. N’inon’inona fanapahan-kevitry ny Sadc dia dada ihany no tonga ary amin’ny 17 jona isika dia efa tokony hanao fety eto.

18 pensées sur “MAGRO Behoririka : mitaky ny fihaonana eto Antananarivo”

  1. Mba miangavy re Tompoko raha azo hatao aoka tsy hanomėmė daty
    fa i dada ihany no milaza izay fotoana ahatongavany fa efa be loatra
    izay daty nomena teo iazy fa tsy manokatra a!dia miady isika izao fa aza mbola misy manantena
    inona aloha fa hatr@’izao mbola tsy misy inona eo, vinavina ny antsika olombelona fa ny lahatra
    dia azy ZANAHARY irery ihany.Koa mivavaha mafy fa ilay AVO irery ihay no mahalala ny ahasoa
    antsika, minoà fotsiny ihany!ho mba antsika Andriamanitra!

  2. Aza dia ny fety rė no mahamay fa izay mba hiarovana an’i dada aloha e!
    Chissano?????hennn!! tsy ahatokisako!!efa teo izy ary aoka tsy ho hadino
    ny nataon’ny ekipany teo aloha aN ! ry sakamalao isany.Izaho aloha dia tsy manantena zavatra be loatra e!!
    misy zavatra tsy mandeha ao e!! hatao inona indray i Chissano ???mbola misy azo hantenaina ve ny aminy??

  3. Talata 26 jona, dia hisioka sifle ny ALBITRA !! Vita teo ny lalao (ratsy) ! Hisy vahiny ho tonga hanamafy an’io !

    Miomàna ianareo ry vahoaka malagasy, fa ny ASABOTSY 30 JONA 2012 « IZY » NO HO TONGA !!!
    Tsy maintsy mitsangana ny saina malagasy dia ny 18 jona !!

    Hisy antso ny 18 jona : APPEL DU 18 JUIN MALGACHE !!

    Mahafam-po anao ve io ry bavy ???

  4. Hiverenako indray ny @ Mamy R fa t@’ilay izy niteny farany iny dia
    Minoa ahy ianareo hoy izy ( naveriny in3) mihintsy io an! dia teo ihany
    dia efa notoizany hoe:  » raha tianareo hilamina ny tany dia averinreo alohan’ity faran’ny volana May
    ity Prėzdà Ravalomanana ». toe no ho eo an!!dia aiza???efa hisasaka koa ity ny Jona inona no tsy
    milamina @’ tany eo ( misy hetsika sa inona?).
    Atao ihany ny tsy hiteny fa efa mihevitra olona dia tena efa Paiso mihintsy ireto mpanao POLITIKA ireto
    ary saiky MATETIKA MIHINTSY.
    dia teny faran’i Mamy R koa dia hoe  » arakaraka ny fahavitan’ny resak’i dada sy domelina hono no ahafahany
    manohy miditra ao @ fitondrana » amiko dia mifono zavatra be dia be io fa isika variana an!MAILO daholo o!!!!

  5. Tena tsara mihitsy kosa aloha ilay fangatahan’i Magro heo eto Tanà no hanaovana ny fihaonana. Tena tsara ilay hevitra ary mankasitraka izany izahay mpomba ny HAT. Tena milay be ilay sosonkevitra, fa ny tiana hotsipihana dia ny hoe fihaonana manao ahoana moa ilay izy: araka ny hevitra nangonina tetsy sy teroa dia ho tsara tokoa ny fihaonana, saingy hovàna fotsiny ilay hoe fihaonan’iza sy iza ilay izy: avela mody i Valo, malalaka ny varavarana. Atao ny FIHAONANA eto Tanà. Tsy Rajoelina nefa no hihaona amin’ingahy Valo, fa ireo MPITSARA, satria heloka anie lehiretsy izay vitan’i Valo zay e! Avy eo moa dia ho tohizana ny fihaonana, ka tsy ireo Mpitsara intsony no hihaona amn’i Valo, fa ireo PENITENCIERES satria eny TSIAFAHY no hihaona amin’i Valo ireo mpiambina ny fonja, hijerena ny hoe inona no mba exigences madinidinika ilain-dRavalo ao amin’ny cellules misy azy. Mba ho afa-po kosa angamba i Magro sy ny forngony amin’izay!

  6. LE PRESIDENT RAVALOMANANA MARC ,TSY MATY VONOINA ,

    ….ayant constaté les dysfontionnemts de la mise e oeuvre de la feuille de route ,du fait l’action unilatérale utilisée par rajoelina dans ce processus – qui doit être régi de façon copnsensuelle -,
    ….ayant constaté les tergiversations de la SADC , qui ont tardé à répondre aux questions posée depuis novemnbre 2011 par la Mouvance RAVALOMANA MARC sur ces dysfonctionnement concernant le processus de mise en oeuvr de la euille de route ,

    a pris la décision de s’inviter dans la discussion en demandant de rencontrer de rajoelina..et ceci en appliquant l’adage français :
     » On n’est mieux servi que par soi-même ! »
    Alors il a pris le taureau par les cornes et prend la direction des opérations !

    Après tout ,il est le premier intéressé et première victime du coup d’état du 17 mars 2009 avec tousles préjudices (mora ,politique , écnomiques , financiers..! »..
    Personne ,mieux que lui ne peut le remplacer pour le défendre , pour exposer l’évaluation de ses pertes et le mmontant des dommages subits !

    Le Président RAVALOMANANA MARC sait ce qu’il a décidé , il sait aussi qu’il est suivi et sotenu par
    ….la majorité des Malgaches qui ont aussi tout perdu avec lui
    ….la Communauté Internationale dont la SADC qui ne l’ a pas laché et l ‘ a protégéa en refusant de négocier avec personne ou avec n’importe quel Etat la reconnaissance internale des putchistes..
    l’andevo ,l’obligé de la mafia françafrique a accepté d’affronter l’homme que cette mafia a voulu neutraliser par tous les moyens ( attentats.., interdiction de rentrer dans son Pays , destruction et vols de ses biens, condamné par contumace par une parodie de justice..
    «  »Io izy io tsy maty vonoina ! »
    «  »Io izy volamena nalatsaka am-bovoka nefa mamiratra ! »
    «  »Io izy ahi-dratsy nitsahana ,toa vao maika mamerovero  »
    «  » Io izy notefahana tamin’ny takolany havia , izy no sahy hamelaka ny takolany havanana ? « ..

    MENDRIKA , HAJAINA ,TOAVINA ,TSY MIREHAREHA , TSOTRA , TIA TANINDRAZANA ? TIA NY MALAGASY
    NY FILOHA RAVALOMANANA MIVADY…
    HO TAHIANA SY HOVIMBININ 4 ‘ANDRIAMANITRA LALANDAVA ANIE IZY SY NY FIANAKAVIANA..SY NY MALAGASY TIA AZY IREO !
    HO ELA VELONA NY FILOHA RAVALOMANANA MIANANKAVY KA HIFANANTITRA AMIN’NY MALAGASY REHETRA !

  7. Ry denizy itony dia tsy menatra akory mampiseho ny habadoana !
    Mivelona amin’ny lainga sy….., no mbola atao mivandravandra indray ity tsy fahaizana !
    Mamoriporina lava izao no mba fantatra !
    Tsy misy dikany toan’izay voasoratra izany PENITENCIERES. Barbarisme no dikan’izao, barbare toy ny foza ihany ! Tsy mahagaga !
    Pénitencier : Nom. Syn. prison !
    Pénitentiaire : Adj. Qui se rapporte à pénitencier !
    domelina dia domelina ihany wa ! Mdr !!

  8. Mahafaly moa fa misy mpamaky hatrany ny hafatr’i Dénise izay manambara ny feom-bahoaka eto amin’ity site an’i zana-dRavalo ity.
    Ny an-dry KintanaMananDrambo moa, na ny teny malagasy aza tsy hainy manoratra, nefa mba miseho ho mpiaro ny malagasy, ka aiza no ho lasa lavitra ny tolon’ny zanak’i dada. Aiza koa no hisy teny gasy hoe: « MAMORIPORINA ». Tena mampihomehy an! Mianara aloha miteny malagasy tsara izay vao mitsikera an’i Denise.
    Dia i Valo mihitsy no tahafinareo an! Ny mitery ronono ihany no talentanareo e! Ny fonjan’i Tsiafahy no miandry ny dadanareo!

  9. Tsy tian’ilay denizy angaha ny « mamoriporina », satria mampatsiahy sy mamofompofona toan’ity kandra ??
    Hi hi hi !

  10. Cet été (saison hémisphère nord, c-à-d dès la nuit du 20 juin, 3 jours après les législatives françaises), les yeux du monde seront braqués sur Madagascar 3, comme trois ans !!
    Espérons-le !
    Quelques tracts ou manifs devant les grandes salles de cinéma qui diffuseront ce film, donneront aux cinéphiles une idée plus précise de ce qui se passe réellement au pays, depuis ces trois longues années !

  11. Dia izay ny anao ry Kintana fa tsy amelan’ny zanako ity IPad
    fa hijeren’ilay zanako ity « Madagascar nummer drei ». Ady alika ato.
    Dia tsy hiasa aho izany izao??ny foza anefa ireto mitady hameno ny tanana.

  12. Tsy hitako koa izay hifanetreana @ devoly toa an’i domelina
    aloha raha amiko e! mba tsongo-fo tena ,tsongo-fon’olona??
    Hisary gaigy @ ADALA efa tsy fanao inona ireny ve??domelina miala !TSARAINA!
    miaraka @ zanakisoa sy bomba sy ny fongony rehetra.

  13. Asa na tadidinareo mpamaky fa fony mbola mpitondra ilay mpitery ronono, Marc Valo, dia nalaza be mihitsy ilay hoe nanao velirano tamin’i Satana izy. Nandeha be ny resaka tamin’izay fa hoe hay nantiny hanasarotsaronana izany no naha filoha lefitry ny FJKM azy. Avy eo moa dia tsy re intsony ilay resaka satria iny izy naongan’ny vahoaka iny noho ny ratsy vitany. Ankehitriny dia indro fa mipoitra ary malaza be ilay hoe Club Satanique. Rehefa natao àry ny fanadihadiana lalina sy ny famakafakana tetsy teroa mikasika ity toe-javamisy ity dia tsapa tsy misy hambahamba fa hay ilay velirano nataon-dRavalo tamin’ny Satana tamin’ny fotoan’androny ity miseho masoandro ity ary tena tsy tako-nafenina intsony ilay izy. Pacte Satanique moa ilay nataon-dRavalo ary io ary i Satana fa tena miverina mampitahotra ny olona. Raha tsorina dia i Valo no ambadik’ity fampihorohoroana avy amin’ny Satàna ity. I Valo manko tamin’ilay velirano dia nampanantena rà mandriaka tamin’i Satàna mba hahatonga azy ho filohan-dry Satàna. Tanterany izany tamin’ny 09 février 2009. Ka io ry Satàna fa te hankalaza izany fanadratana an’i Valo ami’ny fomba ofisialy fa filohan-dry zareo. Dia izao hitantsika mianakavy izao no fisehony. I Valo zany zao no mibaiko an-dry Satàna isany hampihorohoro ny vahoaka satria i leiry mihitsy no voatsangana ho filohany.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *