Magro Behoririka : nankalaza ny fetin’ny 26 Jona tamim-pilaminana

Magro 26 Jona 12 (25)

Tonga mavitrika teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka ireo vahoaka mpanaradia ny filoha Ravalomanana tamin’ity 26 Jona 2012 ity.Tsy nisy ny kabary politika fa dia nihanoka tamin’ny fety ny zanak’i Dada teto.Nanafana izany lanonana izany ireo artista mpanaradia ny tolona hatrizay.Nisy ihany koa ny soradihy nataon’ireo ankizy samihafa.Amin’ny maha asaramanitra ny andro dia nisy ny nofon-kena mitam-piavanana nifampizarana teto an-kianja.Marihina fa nizotra tamim-pilaminana ny fanklazana ny fety teto amin’ny kianjan’ny Magro.

24 pensées sur “Magro Behoririka : nankalaza ny fetin’ny 26 Jona tamim-pilaminana”

  1. I satrobory ve ry sė??tena mba tsy ratsy kosa ilay arendrina @sarin’i dada an!
    andeha mba hanafatra an’io aho.
    Mankasitraka tompoko o!!heveriko fa dia tena tsy nisy inona teo @ Magro???misaotra re Tompoko isany o!!
    Tsarovy foana fa ao anatin’ny mangidy indrindra hono no misy ny mamy,ary @ aizina mangitsokitsoka no misy ilay
    HAZAVANA MITSILOPILOPY izay tsy azo n’IZA na IZA TAKONANA,mbola ho avy ilay maraina e!!tsy resy tsy akory
    ny olo-mangina, Zanahary mijery midina fa tsy miakatra ,lozan’izay MAHAVANONA NY LOZA IHANY e!!!mbola ho avy
    aminy ny taolam-be tsy mitapaka.

  2. Mbola indreto daholo izahay f’aza taitra ianareo. Tsy maintsy mijoro ho fanajana sy fiarovana ny safidinay. Noho ny safidinay sy ny toky napetrakay t@ Filoha Ravalomanana.
    Ary mbola manome toky azy izahay fa izy no hofidianay satria zanaka tena malagasy izahay ka tsy manaiky zavatra tsy hefa izany.

  3. Enga anie ry zanakdada!!fa mbola tsy tena hitanay taratra tsara ilay izy mantsy ka izay no
    mahatonga anay mitsikera indraindray,fa tsara aloha ianao nanamafy fa tsy MIOVA, zava-dehibe
    aminay io,dia mba manantena vokatra ary izahy e!!Mahavità be @’izay hatao e!!dia mba jereo ilay Gadra politika fa tena
    mijaly, poreto i BERIZIKY fa izy no tompon’antoka @’io fa tsy izy indray no mody manetsikeloka fa mandreraka be, mba
    henoy ilay fitarainana fa sao n tsinin’izy ireo no mbola tsy mahaafaka antsika toy izao.Mbola misy zavatra endrasan’Atra
    amintsia matoa isika mbola tsy afaka e!!koa aoka samy ahatsiaro tena TOMPOKO o!!

  4. Mahafinaritra reefa mba nifaly ny fetimpirenena koa nareo e, Fa ny vahoaka Malagasy dia tena nifaly tokoa, indrindra fa taty Atsimo, ny tany am ville moa dia tsy lazaina intsony, ary tena fiere am mahamalagasy tokoa,sy manana mpitondra tanora.
    zanakdada, fa angaha tsy efa nifidy an de8 nareo teny am magro ary tena 100% mihintsy, Tsy misy tsy matimanota izany eto ry zanakdada a, ka hoe hilatsaka izy dia tsy hanefa sazy amin’ireto vahoaka novonoiny.

  5. tiako be ilay vilany be dia be milahatra miaraka @ afo-kitay.
    maneho firaisan-kina sy soatoavina ilay maha-malagasy ny Malagasy,
    Misaotra betsaka ny mpikarakara dia ny TOMPO anie homba ny tolontsika lalandava.
    Sady matsiro be izao io hena io an !nefa sira sy rano fotsiny no atao aminy mmmmmmnnnnnnnn….
    sady tsy misy alahelom-bahoaka no tsy arahan-dromoromo ny sasany mitavana @ HALAHELON’ireto
    vahaoka, ataoko fa tsy mitovy mihintsy fa asakasak’izy ireo !!!azy ny azy!!!!

  6. Raha oharina amin’ny vahoaka analinkisa tonga teny Mahamasina ireo mba tao amin’ny Magro dia mahaontsa tokoa satria tena azo isaina amin’ny ratsan-tanana ireo mpanara-dia an’i Valo! Ny mpanara-baovao dia samy manambara fa tena tsy ilaina intsony ny fihaonana amin’ireto mouvance Valo ireto satria efa maivana be ny herin’izy ireo. Tena tsy mahazo olona intsony. Na ny tany Antsirabe na ny teo amin’ny Magro dia azo ambara fa tena lany hery ry Valo sy ny forongony.

  7. Ie Dénise a! Ny tena mampitolagaga ahy, de ity dadany milliardaire, nampihafy sy nitoloman’ireto magroreraka ireto, telo taona mahery, tsy mahafohy mba hi-organiser fety be, na podium be, miantso artista malaza @ fetim-pirenena toy izao; fa jereo ange reto izy e! 4MI kely daholo, otran’ny olona manao FAMADIHANA, ny vilia @ tany, ny hena @ vilanibe, de mandroso tsirairay eo @ mpitana maharitrafo, de mba iza hono ireo mpankanto manao animation? Tena zany marina ny fetina SAKOROKA e! Aiza ny antsika, vahoaka @laniny, kevoka @ miaramilany, sady mahafinaritra be ny mijery an’ilay filoha tanora kely, mi parade @ zato fitafy mahamalagasy azy sy ny fitiavan-tanindrazany. De nankaiza ty korontana nomanina ry HoAiza a? Favy be aloha iny R-Bombe iny e! Zanak’Ambohimanga ireny, tananaky ny OMBALAHIBEMASO, tsy mitsoaka ady, de maina tanteraka ny Zanakosy, hatrao @ magrobaka, ka hatrany Bira!
    Tokony rehefa tsy nanatrika ny 26 Juin ny Bekintana, de mba fahendrena ny nampiseho solidarité anareo tao @ magro na tany Antsirabe, saingy wain be raha vao manao izany, sady efa wain rahateo, satria tonga marobe nanofahofa saina malagasy nanome voninahitra ny miaramila sy ny malagasy, ary indrindra ny fanehoana fankatoavana an’i Zandry na teo Mahamasina na teny Iavoloha ireo MASOIVOHO VAHINY, de tapaka tanteraka ny tendan-dRaosy sy ireo taranany olombitsy kely, fa na Antananarivo, na Vakinakaratra, de tsisy nirodorodo tany Antsirabe, na tao @ magrobaka mba haitana fa tian’ny vahoaka Raosy, fa ireny ry sagnagna no porofo mitohaka @ tenda fa efa pejy navadika teo @ tataram-pirenena ny momba an-dRaosy, ka de Raosy jamba e! Raosy jamba, ALEO HAHITA IANAO Ô! sa ahoana Rana? Mana- courage tena sisa fara hery an!!!! matsiro be le henam-pamadihana ô! ka telo taona mahery nivadibadihana izay koa!!! tsy hita ihany, ny premier mandat n’ny Zandry ity, ho tapitra ihany!!! Raosy tsy manome vola ny zanany na ny kodiny aza hanaovany fety, de aleo manao tsipaipaika mamadika, sady fotoanany rahateo zao, de mihanahana eo foana ny zaza kamboty e! vendrana tsinona koa! manatena tsy misy @ le dada tsy mivaky loha!!!!

  8. Misaotra an’ireo zaza nitondra ny namany hihira sy handihy teny @ Magro.
    Misaotra an’ireo Ray amanèdreny nitonfdra ny zananay hihira sy handihy teny @ magro.

  9. Fa ny mahalasa ny saiko Rabe dia ity a: ity omby novonoina ity anie toa tsy i dada akory aza no nanolotra azy e. Iza no mahalala, efa fantatra ihany ny firaisana tsikombakomba misy amin’ireto zanak’i dada ireto sy ireo dahalo any atsimo. Azo inoana fa mety ho tena omby halatra io omby io, cadeau avy amin’ny lehiben’ny dahalo ho an’ireto Magro ireto, satria raha ny kabary nisesisesy tao ho ao tao Magro, dia tena manohana ireo dahalo ry zareo. Koa « am-bava homana, tompoko, am-po mieritreritra ».

  10. omby avy any andranomanelatra io ry denise;omby efa lany ronono »menopozy »;nalain’ireo ct niambina tany fa tsy hitan’i tojo akory!madio ve reny sio ireny?

  11. Tena tsara mihints ilay arendrina misy ny sarin’i dada8!

    Ireo ankizy nanafana homena saotra mitafotafo!!

  12. Ireto Rabe vôpl sy Denise mpivaro-pika Ary tanora vongany ireto dia tsy mety mihintsy raha tsy miboridana imasom-bahoaka!!! fetin’ny olona milamina any ka inn no mahataitaitra ny foza ????

  13. Tsara fa voadinganao daholo ilay foza ry Hoaiza!!
    tohizo toy izao foana dia reraka eo ny hiafarany, miakapokapoka irery eo.

  14. Azo atao tsara ny mandingana anay Rana sy HoAiza a! saingy namaky ianareo, de marina tsisy hiadian-kevitra, de aleo tsy valiana! izay izay ny zava-misy! mampalahelo sy mapme be ny zanak’i dada kamboty! ka be ny ratsy natao tsinona de manody e!

  15. Tsy nisy Rom-poza tao sady tsy nisy nihinana fozaorana fa poizina hatrany amin´ny tainy ireny.

    I Rossy zozefina foza koa io manoratra ambony io an!
    I rossy anie foza manoratra eto foana e1
    izy io mitondra anarana Tanora io raha tsy arakareo.

    Rossy rasta FOzA Oranabe.

  16. Tsy mba manankevitra mihintsy ve ry gasynijaly a, Malahelo mafy angaha ny fo hoe, nampireven’ny rossy ny vahoaka,
    Taty Atsimo no tena fetibe ary hoy ny olona hoe:Remenabila = Ra8 Nandritra ny filaharam-be, satria dia nokaramainy ireo hanankorotana anefa tsy nampihotsona ny Vahoaka izany.

  17. Vaovao mahafaly !!
    Afaka manao kroaziera, mandeha mankany Dobay daholo hono ny malagasy ato ho ato ! Saran-dàlana MORA, ary mahazo mitondra volamena sy vatosoa (voatefy daholo) iray valizy isaky ny mpandeha (na zazakely aza)!
    Tsy misy tokony atahorana hono raha izay dahalo saomaliana, fa eo ny frantsay hiaro ; hiverina hitoby ao Antseranana ry zareo, mba hiaro ny mpanao vakansy !

  18. O Km Verbeeck: revin’alika revin’alik’itony ambany itony an

    De mitohy mipôpôka mitsiranoka ny FITIAVANA sauces HATiennes,
    ity no vaovao farany nivoaka Grand Titre dans Journal MidiMcar androany:

    « K i a n j a M a h a m a s i n a –
    Nisy nanao firaisana nandritra ny lanonana, nahitana kapaoty teny ambony bozaka »

  19. Inona no mahagaga amin’izany re ry HoAiza â ?
    Ity domelina izay raisin-dry zareo toy ny mpanjaka aza tsy mahalala menatra izany intsony ! Asa izay mba ao an-tsaina rehefa mijery fitaratra izy mivady ?
    Maty aho Tanindrazako, fa dia tena lasa Sôdôma sy Gômôro no niafarany !

  20. Henoko t@ vao2 koa io omaly ry Hoaiza fa tsy nino aho,
    heveriko fa izaho no diso fihaino???maty aho ny taniko!!!
    misy asa be miandry antsika Raozy a!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *