NY FFKM IHANY NO ELANELAM-PANAHY

IMG_2843

Nitohy teny amin’ny Magro Behoririka androany ny hetsiky ny vahoaka mpomba ny Ankolafy Ravalomanana. Toy ny mahazatra dia nisy hatrany ny lahateny isan-karazany nataon’ireo mpitarika tonga teny an-toerana. Anisan’ny nandray fitenenana teny ny CST Rakotonirina Manandafy. Namboraka ny tsiambaratelo niainany tamin’izany fotoana izany ny tenany. Tamin’ny tenako tany Mantasoa hoy izy ka tonga tany ny masoivoho Amerikana dia nanontany ahy hoe aiza ilay tapaka taratasy kely izay milaza fa tsy averina eto intsony ny filoha Ravalomanana? Izaho milaza hoy Manandafy fa fa mety avy aminay tao ihany no nanao iny fa izahay tsy manaiky izany. Ny masoivoho Amerikana raha nivahiny tao amin’ny Onitiana Realy dia nilaza ity farany fa aza atao hoe mpanongam-panjakana. Nilaza anefa ny masoivoho Amerika hoy izy fa na tianao na tsy tianao dia mpanongam-panjakana no ilazana azy. Matoa miteny ny iraisam-pirenena dia mbola alanenina io. Mbola Ban- ki -Moon no niteny ary avy eo ny filankevitry ny filaminana, ary farany dia basy mipoaka. Toy izay hoy izy no nitranga tany Tonizia, Algeria sns.. Izaho milaza amin-dRajoelina hoy Manandafy fa  ô leiroa tsy misy ankoatra io intsony fa basy no mipoaka. Isika eto Antananarivo dia manana raimandreny am-panahy misy isam-pokontany. Ireo no hijoro ho elanelam-panahy hitsara ny hadalan’ny sasany, hitsara ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona ataon’ny sasany. Isaorana izy ireo hoy ity mpanao politika ity, nanasa  antsika mba hanazava ny fahasahiantsika. Tsy mandeha irery intsony isika fa antenaina fa tsy ho ela ny fihaonana eo amin’ny Ravalomanana sy Rajoelina. Ny CST Ravelonanosy Mamitiana kosa dia nanambara fa misy ny antson’ireo raiamandreny FFKM. Ny Ankolafy Ravalomanana, hoy izy dia mihevitra fa zanaka manoa raiamandreny sy mandala ny fihavanana krstianina dia arahintsika. Noho izany dia manasa antsika rehetra ho tonga eny Ambatonilita rahampitso hiatrika ny fotoam-bavaka ataon’ny FFKM. Mihaino tsara izay mety ho fanambarana ao isika hoy ny fanazavana. Mikasika ireo manamboninahitra mieritreritra fa tsy tokony hihaona i zandrikely dia nilaza ity olomboatendry ity, fa ho anareo izay mpomba azy dia miandany ara-politika ianareo. Noho izany hoy izy dia miantso izahay fa aoka tsy hosakana amin’ny famahana ny krizy ianareo fa ny vahaolana politika atao.  Ny zavatra takiantsika, hoy Mamitiana, dia ny fisian’ny fitoniana dia mandeha mifampiresaka. Raha vahaolan’ny samy Malagasy dia tokony atao eto.

7 pensées sur “NY FFKM IHANY NO ELANELAM-PANAHY”

  1. Tongava daholo hanatrika an’i Omar!!!sao dia mba tsy mety e!!!
    isika nie ka mbola ao anaty kirizy e!! mbola tsy tafavoaka ny ala akory
    ka sao dia ny famelana no lasa aloha nefa izy mihintsy no nandray anjara mavitrika t@’izao fahavoazana izao.
    na mijery ny sariny eto aza efa manindry fo fotsiny koa maika fa HIFANATRIKA ???mba olombelona ihany fa
    tsy anjely ,dia maninona koa misy mpitondra fivavahana 2 eo koa ny FFKM ihany no harahina???izay tsy misy
    an’i OMAR ny iray sa misy antony hafa koa???

    Tsy azko tsara ilay resaka masoivoho Amerikanina???mba misy mba afaka manazava amiko ve azafady????
    teo @’ilay resaka taratasy sy ilay resaka nifanaovany t@ Barika kely( Onitiana e!).

  2. Nahazo aina indray Magro !!teo daholo ny olona no naka e!!
    izay miala eo ihany no ho VOA , maty aho foza fa velona indray
    Magro marina , efa tataka ny vava-poza mitatatata manaratsy an’i dada fa tsy MANDAITRA E!
    inona indray no tetika ratsy manaraka???tsy nahaomby aloha iny hetsi-poza nivadika Orana moa???
    Avelao aho hihomehy hi!hi!hi!!!!miriorio foana ny angidina oah!!Miasa mafy Zanahary !!

  3. Eken’ny maro ny toerana raisin’ny , omena ny FFKM eo amin’ny fiaraha-monintsika Malagasy..
    Ny fivavahana kristianina malagasy dia mihavaka roa noho ny fomba nentin’ny européens nampiditra io fivavahana io..
    Ary miala tsiny aho amin’izay ho lazaiko fa tsy nampisaraka ny Malagasy izany na dia niezaka aza ny  » mission catholique française  » nandemy ny potestanta..!
    Tsy nandaitra io famolahana protestants izany tsy nanaiky ny jadonan’ny mission catholique française izay nampiasain’ny mpanjanaka hanova ny fisainan’ny Malagasy , hanadino ny maha -Malagsy azy…ary mbola mitohy io fanodikodinana ny sain’ireo Malagasy..Lava io resaka io ,ary ny fisian’i urfer , pedro …dia porofo fa misy ny ezaka manova ny fisainan’ny Malagasu..

    Anisan’ireo Malagasy teto Paris aho nitaky tamin’ny taona 1991 ny andraisana ny FFKM andraikitra mba aro-fanin’ ny hetsika politique ary mba hitarika ny Malagsy ary indrindra ny mpitondra sy misahana ny ain’ny Firenena ,ka mba hanomboka dia ny ety an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra..izay mitory ny Fahafahana , ny fitiavana sy ny fanompoana ny namana sy ny Tanindrazana ,ny fahamarinana ary indrindra ny fitiavana , ny finoana ary ny fanompoana an ‘Andriamanitra..!

    Eo amin’ny ezaka ataontsika ankehitriny dia heveriko fa andraikitry ny Rehetra ny haka tahaka marina sy hametraka ny fiaraha-monintsika ho toa ny Fanjakan ‘Andriamanitra ,lavitra ny lainga ,tsy msy fialonana ,tsy misy fanavakavahana ,tsy misy mizana mitongilana…
    Ary ankehitriny ny mitoetra araka ny taratsy voalohany nosoratan’i Paoly ho an’ny Koritianina toko fah 13 ,andininy faha 13 dia ny Finoana ny Fanantenana ary ny Fitiavana…fa ny Fitiavana no lehibe amin’ireo..!

    Ny mpitondra fiangonana kristianina efatra tsy ampianarina izany ary fantany tsara ny votoatin’ny iraka nampanaovin ‘i KRISY azy ireo..Izay isaorana azy ireo

    FA KOSA MIFANGARIKA AMIN’IZANY ANDRAIKITRA IZANY NY FISIAN ‘ RAZANAKOLONA IN ‘NY FFKM..
    Misy mpitondra fivavahana madio tanàna ao amin’ny sehatra katolika nandrity iny fanonganam-panjakana iny..

    razanakolona n’est ni irremplaçable ni incontournable ni indispensable
    dans l’exemplarité , dans le témoignage que la FFKM veut Nous communiquer, Nous transmettre !

  4. Ahoana indray « izy ireto » ranavalona â ? Toa miha-maro indray izy izany ? Ho sarotra ny fifidianana ! Hi hi hi !
    Efa mba miova aloha ny fomba fitolomana, na dia eo amin’ny lafin’ny sary fotsiny aza !
    Ho hita izay hitranga amin’ity erinandro ho avy ity !

    Hafa dia hafa ny tamin’ny andron’i Tpklahy Kardinaly Razafindratandra ê !

    I HoAizaSoa angaha hamonjy fiangonana koa fa tsy hikotrana ? Mba misy solotenanay amin’izay !

    Mazotoa ary dia ataovy tsara ny tatitra !

  5. ie: fankalazana ny Sakramentan’ny Eucharistie androany (kotrana ihany kou ilay mandohalika minitra maromaro an)!

  6. ffkm ihany hoa!sady efa hody i rasarla;lay visiprezida fjkm any sudafy iny asaina mitarika ny fivoriana !hiihih

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *