NY VAHOAKA MALAGASY NO MITAKY NY FODIAN-DRAVALO !

IMG_4186

Tsara ny mampatsiahy antsika hoy ny Cst Leriva Manahirana teny amin’ny Magro Behoririka androany Sabotsy, ny fepetra rehetra izay takian’ny zanak’i Dada amin’ny tolona ataontsika mba tsy ho adino ny antom-pisiantsika. Ny voaloahany amin’izany hoy izy dia tsy maintsy miverina eto ny Filoha Ravalomanana araka ny andininy faha 20 ao amin’ny tondrozotra. Ankoatra izay rehefa tanteraka io andininy faha 20 io dia ny andininy faha 16 izay milaza fa avoaka ny gadra politika rehetra. Ny andininy faha 17  izay milaza fa sokafana ny haino aman-jery nakatona. Tsotra hoy ity olom-boatendry ity, ny antony hampatsiahivana izany. Manoloana ny fihaonana eo amin’ny filoha Ravalomanana sy Rajoelina ato ato dia mila miakatrakatra ny feontsika eto amin’ny Magro satria betsaka ny  feo mandeha ankehitriny fa mbola mitady handrirarira ny fat sy ny frantsay. Raha ho an’ny amin’ny Sadc hoy izy amin’ny Alatsinainy isika dia mila mazava tsara ny resaka fa tsy mila intsony izahay raha tsy eto Antananarivo no hanaovana ny fihaonana. Ny mpitondra hafatra ho any hoy Leriva dia tokony hazava fa efa nandefitra izahay, fa amin’ity dia tsy maintsy mitaky ny hanaovana ny dinika eto. Mizarazara ny hevitry ny diplomaty hoy izy, na eto an-toerana na any ivelany. Ny sasany manaiky fa miverina eto ny filoha Ravalomanana ary milatsaka hofidiana. Izay no hitovintsika hevitra amin’izy ireo. Misy kosa ny manan-kevitra fa mahazo mody Ravalomanana fa tsy afaka hofidiana. Koa na aiza na aiza hoy Leriva ahazoantsika miresaka dia ataontsika fantatry izao tontolo izao fa tsy ny filoha Ravalomanana no te hilatsaka hofidiana fa ny vahoaka maro an’isa no mitaky izany. Eo anatrehan’izany dia antso avo no atao amin’ny mpiaramitolona hoy ziy mba ho tonga maro. Manomboka amin’ny Alatsinainy dia mila fenoina ny kianja.

11 pensées sur “NY VAHOAKA MALAGASY NO MITAKY NY FODIAN-DRAVALO !”

  1. Mazava loatra ary aoka ny antsontsika ho mafy tsara. izao tsy fisian’ny miaramila izao no fidianan’an,dalambe. rehefa vita ny resala Remenabila dia ho feno EMMOREG ny tanana indrindra moa raha resiny Remenabila

  2. mandohalika aloha vao misy fihaonana izany ny eo!tsy eken’ny beboty hody eto zany r8 fa nofy dolidoly ny sisa

  3. Tsy misy afatsy ny firaisankina ihany no hahafahantsika mandrodana an’io fitondrana foza io.

    Tsy maintsy tafaverina ny filoha mamim-bahoaka Ravalomanana Marc.

    Tsy maintsy mandresy ny tolona.

    Atambaro ny herinareo sendika sy ny fiaraha-monim-pirenena ! Hirodana tsy ho ela io !

  4. Enga anie!!fa mba hitanareo ity vao2 mba lazain’i Mamy.R ???
    ny filatsahan’i domelina no maika noho ny FODIAN’i DADA ka dradradradraina
    indray toa ilay hoe:  » rajoelina no ho filohan’i tetezamita » dia izao hidinginany izao daholo, izy no efa voaozona
    hilelaka n’i domelina dia isika no ataony SORONA toy izao,asa raha mba tsapany izao fahoriana mahazo ny
    vahoaka izao fa tsy hita mihintsy izy tena PAIKA ankoatra ny FANINDRAINDRANA ity JIOLAHY TSIVALAARA
    tsy sasatra ny mampihinana maloto ny Gasy ity???
    Tokony manao taratasy mihintsy ny mpandala ny ara-dalana fa efa tsy takona hafenina intsony ny fomba fiasan’
    i Mamy .R miaraka @ MPANJANAKA ary taony fitaovana tsara mihintsy dia MIESONA ! dia MIESONA Ramalagasy.

  5. Vavakisoa misy sira io ry CT sy CST fa asakasakareo izay hiverina nefa ny zavatr izay mba
    NOTAKIANA TSY MISY TANTERAKA fa atao TERIVAIMANTA fotsiny hoe: miverena fa izay no
    TIAN’i LEBENY dia i domelina sy ny MPANJANAKA fa tsy i dada izay mametraka FITOKISANA aminy akory.

  6. Lasa manao kaomiberaka miaraka amin’ireo mpanongam-panjakàna ny « mpanohana ny ara-dalàna » !! Izao ranavalona anisan’ny vokatrin’ny fihidirana ao anatin’ilay sistema raha tsy fantatrao â !
    Atao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena !!
    Io governora fôpla io no nanao sonia mba « hividianana rôplanina zôridira » !
    Mbola io ihany koa izao no « hitantana » ny fanondranana volamena !!
    Dia mbola inona koa ny tohiny ?
    Tadidio fa nisy fotoana na tamin’izany androny, ireny vola maloto be ireny tokony hoe dorana rehefa « soloina vola vaovao », kanefa dia misy maka na « mpandray dia mamerin’azy ao anaty circuit » indray !

    Maty aho Tanindrazako !! Inona laotra re ny mahazo an’ireto zanakao ê ????

  7. Aleo aloha hiomehy kely @’ilay firavak’i Kala Mialy!!!
    efa fantany ny olona mba ho avy t@’ity fety ka naleony nitandrina sao
    voahendaka teny izy angaha???dia fandrebirebena koa anie ilay izy no tena marina e!!
    Dia ity resaka Annick Rajaona ???izay atao hitazonana ity seza nangalarina dia mety daholo na
    PELAKA izany na VIAVY TSARA koa inona no mahagaga ray olona a!!!ilay FILOHA no tanjona fa aoka isika
    tsy ho azo rebirebena @ resa -bodin’ny foza fa ny tolona izay matesantsika hatrehana a!!Izy efa nifidy ny lalany
    ho @ asan-devoly efa nifanaiky taminy ka tsy misy bedy izay fijangajangana rehetra fa tsy apahafirin’ny olona
    nofo sy rà aza ataony SORONA fa tė HIDONGY ITY SEZA NANGALARINA e!!!!mbola ho avy koa ary efa nisy
    izany fa mbola ny zanany naterany no farany ho hataony sorona fa te hipetraka eo mandrakizay izy, ary ho vitany
    izany ,matim-boninahitra sy vola loatra mantsy.

  8. Tadidiko tsara io resaka vola dorana na ariana io ry Kintana
    fa tao La Reunion no nisy io koa fa tratra ilay mpiasa tao ihany no
    nanao ilay izy an!!koa maika fa isika Gasy???olona FETSY RATSY , mahamenatra ilay toetsaina e!!
    tia kely loatra, ka tsy mahagaga ahy ny voalazanao eto.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *